Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 14 MARS 2021

Misaotra ny Tompo isika ny amin’ny programany ho antsika. Ary raha ny perikopa androany no jerena, dia hoe : ny programan’ny Tompo ho antsika Fiangonana, ho antsika zanany, dia ny hoe : ho « excellent ». Tiany isika ry havana ô ho « excellent ».

Andao ange sokafantsika ny Baiblontsika ao amin’ny 2 Korintiana 8 :7 : « Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, na amin’ ny finoana, na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao ». « Aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao ». Vakiko kely ilay dikanteny frantsay Segond : « De même que vous excellez en tout, en foi, en parole, en connaissance, en empressement de tout genre, et en votre amour pour nous, faites en sorte d'exceller aussi en cette œuvre de grâce ». FAITES EN SORTE D’EXCELLER. Izay ilay hoe : tian’ny Tompo isika ry havana ô, ho « excellent ». Ary tsy ny Tompo ihany no tia antsika ho « excellent », na iza isika na iza. Ny vadintsika tia antsika ho « excellent », ny zanantsika te hanana ray amamn-dreny « excellent », ny ray aman-dreny te hanana zanaka « excellent ». Ary izay ny programan’ny Tompo ho antsika anio : AOKA IANAO HO « EXCELLENT ». Ary atoron’ny Tompo amin’ny alalan’ireo texte 3 amin’ny perikopa androany ny lalan’izany hoe « excellence » izany.

Andao ary jerentsika ny Deoteronomia 8. Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : NY OLONA « EXCELLENT » DIA MIANKINA AMIN’ANDRIAMANITRA.

Deoteronomia 8 : 6 : « Ary tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin’ ny làlany sy hatahoranao Azy ».

Ahoana moa izany no hanazavana an’izany hoe : ny olona « excellent » dia miankina amin’Andriamanitra ? Io and.6 io mazava : ny olona « excellent » ry havana, dia tsotra be : olona mitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitra. Izany efa haintsika izany. Ary efa ataontsika na tsy ataontsika ; fa isika no maty antoka rehefa tsy manao izany. Fa ahoana hoy ny and.6 ? « Ary tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin’ ny làlany ». Rehefa mitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitrao ianao, rehefa izay ihany ry havana ô, dia mandeha amin’ny làlany ianao, miara-dàlana aminao Izy. Ary satria miara-dàlana aminao Izy, na iza na iza ianao, ary na aiza na aiza alehanao, dia afaka miankina Aminy ianao. Afaka miankina Aminy ianao. Izay ilay izy ry havana. Raha mitandrina didy ianao, izay faran’izay tsy tianao, dia mandeha amin’ny làlany ianao ; ary satria miray làlana aminao Jehovah, miray làlana amin’i Jehovah ianao, na mandeha amin’ilay làlana izay nosoritany ho anao ianao, dia afaka miankina Aminy ianao.

Tsy misy olona miankina amin’i Jehovah ka tsy manokatra Baiboly izany. Ary tsy misy olona miankina amin’i Jehovah ka tsy mitandrina ny didiny. Tsy mi-existe izany ry havana ô.

Aiza ho aiza moa izao ny fiainantsika amin’izao 2021 izao ? Ahoana ny fampiarana an’izany ? Jereo kely ery amin’ny and.14, Deoteronomia 8 :14 : mampitandrina ny Soratra Masina : « dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana ». Isika talohan’ny nandraisana an’i Jesoa, efa haintsika tsara izany, hoe : tao amin’ny trano nahandevozana, teo ambany vahohon’i Satana. Izay izany, talohan’ny nandraisantsika an’i Jesoa. Iray izay. Navoaka avy any amin’ny trano nahandevozana isika, an-dàlana ho any Jerosalema Vaovao isika. Izany ny fiainako sy ny fiainanao ry havana ô. Ary eny an-dalàna isika, ohatrany tamin’ity Zanak’Isiraely ato amin’ny Baiboly ity : any an’efitra isika. Any an’efitra isika. Tsy ohatran’ireny any amin’ny désert-ny Sahara na ohatrany any amin’ny désert-ny Sinai tany, araka izay ahafantarantsika izany hoe désert izany ; fa toy ny any amin’ny déert isika nanomboka tamin’ny fotoana izay nandraisantsika ny Tompo ka itarihiny antsika any an-danitra. Haintsika tsara ilay hira 444 hoe : « Ry Raiko feno antra! Inty ny zanakao, Ny foko dia mahantra Raha lavitra aminao »; dia ahoana hoy izy ? « Fa tany karankaina izao tontolo izao ». Fa tany karankaina : ao amin’ny désert isika izao. Ao amin’ny tany karankaina isika izao ry havana ô. Ary ho antsika izay ao amin’ny tany karankaina izao hafatra izao. Dia ilay hafatra, faran’izay tsotra : any amin’ny désert isika izao, any amin’ny désert isika izao e, ety amin’ny tany karankaina isika izao e.

Ary maninona no tokony hiankina amin’Andriamanitra ? Fa nahoana no tokony hiankina amin’Andriamanitra ? Satria tsy misy mahavita tena isika mianakavy. Tsy misy mahavita tena isika mianakavy. Ary tsy misy, na anankiray akory ary amin’ny lafim-piainantsika, tsy misy amin’ny lafim-piainantsika hoe azo sarahina amin’ny fiahian’Andriamanitra, amin’ny fiankinan’Andriamanitra. Tsy mi-existe ry havana ô. Tsy misy izany. An-dalàna isika, toy ny any amin’ny tany karankaina isika, tsisy mahavita tena isika : tsy maintsy, tsy maintsy, tsy maintsy miankina amin’Andriamanitra.

Misaotra ny Tompo ny amin’izany katekisma mazava be izany. Misaotra ny Tompo ny amin’izany katekisma azo antoka izany. Fa izao, ny problemantsika dia izao : ampidinina avy eto (saina/loha), manketo (fo) izany zavatra izany. Ary eo no tena tantara be. Hoy ny mpitoriteny hoe io ny 30cm tena lavitra indrindra ary tena ilàna fotoana indrindra : ny ialana avy eto (saina/loha), manketo (fo). Sarotra indrindra. Dia ahoana no ataon’ Andriamanitra mba hamidinana azy avy ato (saina/loha), mankato (fo) ? Ahoana no ampidinany azy ry havana ? Zahàny toetra isika mianakavy. Zahàny toetra isika. Ary manomboka anio, manontania tena ianao amin’ny Tompo hoe : « inona no tianao ampahafantarina ahy amin’izao fizahan-toetra, na amin’izao fizahan-toetra mivaivay izao ? ». Izany ny tenin’ny olona « excellent ». Izany ny tenin’ny olona te hiankina amin’Andriamanitra : « Tompo ô, ampahafantaro ahy ary hoe inona no tianao mbola hanadiovana ny foko ».

Nahafinaritra ilay teny-na mpitoriteny anankiray izay. Hoy izy : Andriamanitra anie mahafantatra ny ao am-ponao io e ; mahafantatra Izy, hainy tsianjery io ; fa ny problema : ianao no tsy mahafantatra ny ao am-ponao. Izaho no tsy mahafantatra ny ao am-poko ry havana ô. Ary ilay fizahan-toetra, tsy hoe ampahafantarina ahy an’Andriamanitra, izay efa fantany ny momba ny foko ; fa ampahafantarin’Andrimaanitra ahy, ahatonga saina ahy hoe : « izao ange ny fonao Pasitera io e ». Izany ry havana ô, izany. Satria ianao tsy tiako hoe ny titre maha-Pasitera no hidiranao any an-danitra ; fa ny fonao miankina Amiko no hidiranao any an-danitra, ry havana.

Meteza ho « excellent », meteza hiankina amin’ny Tompo amin’ny lafim-piainanao rehetra. Meteza hitandrina ny didiny e. Ary ny Fanahy Masina hitarika antsika ho amin’izany ry havana ô.

Ny amin’ny Zanak’Isiraely, eto amin’ny Deoteronomia 8 : niteny Andriamanitra hoe tsarovy ange ny lasa e. Ny lasa : navelako ho noana ianareo, navelako ho noana. Tsy hoe fahasiahana, tsy hoe tsy fitiavana : navelako ho noana ianareo e. Manomboka anio ry havana, rehefa tsy ampy ny ao am-bilia, manomboka anio ry havana rehefa tsy misy atokona ianao : isaory Andriamanitra fa miasa ao aminao Izy, mizaha toetra anao, mba hitomboanao amin’ny fiankinam-po Aminy. Fa tiany ampidirina any an-danitra ianao. Navelako ho noana ianao, ho Izy, namela anao ho noana aho, ary tao anatin’iny hanoanana iny, tao anatin’ny hanoanana : nomeko mana ianao, omeko mana ianao.

Mahafinaritra ilay fizahan-toetra ry havana, rehefa dinihina. Satria ilay fizahan-toetra mampitodika antsika any an-danitra. Mana avy any an-danitra no sakafo mahavoky ry havana ô. Probablement misy amintsika misakafo hanim-pito loha isan’andro, misakafo in-telo isan’andro : tsy izany no hanin-kahavoky e. Tsy izany no hanin-kahavoky. Fa ilay mana avy any an-danitra. Ary raha mbola tsy misakafo mana avy any an-danitra isika, dia hanamarina hoe tany karankaina ity iainantsika ity ; na mahantra fadiranovana ianao, na multimillionnaire ianao : tany karankaina ity misy antsika ity ry havana ô. Fa izao : « navelako ho noana ianao, nevalako ho noana ianao ». Ary jereo anie ny fiahiako anao e, jereo ny fiahiako anao : ny fitafianao, hoy ny and.4 hoe : « Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto nandritra ny efa-polo taona ». Izay ilay izy. Fa izao : rehefa miteny ny Soratra Masina hoe, and.5 : « Koa aoka ho fantatrao amin’ ny fonao, fa tahaka ny fananaran’ ny olona ny zanany no fananaran’ i Jehovah Andriamanitrao anao ». Tsy hoe Jehovah Andriamanitra ry havana no mizaha toetra anao, fa Jehovah Andriamanitra, indrindra ho antsika kristiana, izay azontsika antsoina hoe Ray noho ny amin’i Jesoa Kristy ; niteraka antsika Izy, dia te hanana zanaka vanona Izy dia anariny isika, faiziny isika. Fa te hanana zanaka vanona Izy e. Te hanana zanaka « excellent » Izy ry havana. Izay ilay izy. Ary zahany toetra isika anadiovana ny fontsika amin’ny fiheveran-tena ho zavatra ; Ary io fiheveran-tena ho zavatra io : malaky miverina io. Mety diovina ianao, dia ambinina ianao, dia manankarena ianao, dia tonga ery amin’ny and.11 sy ny manaraka hoe : adinonao. Rehefa mihinana sy misotro ianao, migalabona ao amin’ny trano ngezabe ianao : adinonao Jehovah, adinonao Jesoa. Miverina indray ilay avonavom-ponao.

Fa izay ilay hafatra voalohany, ho an’ny olona izay te ho « excellent » ry havana ô. MIANARA MIANKINA AMIN’I JESOA – ANKATOAVY NY TENINY. Intérêt-nao izany. Tsy morale izany, tsy fahateren-tsaina izany. Te ho any an-danitra ianao : ankatoavy ny tenin’i Jesoa, dia hitombo amin’ny fiankinam-po ianao, ary ho « excellent » ianao mandritra ny fiainanao ety amin’ny tany karankaina ety. Fa mitady olona « excellent » ny Fiangonana, mitady olona « excellent » ity firenentsika ity ry havana ô, hitantana azy. Izay ihany no hanavotana an’ity firenena ity. 

Lioka 22. Ny Fahamarinana 2 dia izao : izany olona « excellent izany ry havana ô, dia olona attaqué-n’i Satana isan’andro isan’andro, tadiaviny ho kororohina isan’andro. Dia inona no ataon’ny olona « excellent » eo anatrehan’ny attaque-n’i Satana? Mangata-bavaka amin’i Jesoa. NY OLONA « EXCELLENT » DIA MANGATA-BAVAKA AMIN’I JESOA.

Lioka 22 : 31-32 : «   Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao ».

Manazava ny fiainany Jesoa eto, manazava an’izany hoe fiainam-panarahana Azy izany. Eo Satana mahita ny mpianatra hanaraka an’i Jesoa, dia hoe : milofo mitady ireo mpianatra ireo hokororohiny, ho cribler-ny. « Satana efa nilofo » ; miteny amin’i Petera Izy : « Satana efa nilofo nitady anareo ireo ho cribler-na. Fa izao : izaho nivavaka ho anao Petera, Izaho nivavaka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao ». Rehefa any an-danitra isika ry havana, anontaniantsika amin’i Jesoa hoe fa maninona moa i Petera ihany no nangatahanao, fa ny hafa tsy nangatahanao rhaa hoe nitady azy ireo Satana hokororohina ? Bon. Tsy any ny problema. Ny problema dia hoy isika hoe, ilay Fahamarinana izao dia hoe : EO ANATREHAN’NY ATTAQUE-N’I SATANA, NY OLONA « EXCELLENT » DIA MANGATA-BAVAKA AMIN’I JESOA.

Ary ianao rehefa tsy mahatsiaro ny attaque-n’i Satana, mieritrereta kely, mieritrereta kely : efa miverina eo ambany vahohony ianao izay. Efa tafaverina eo ambany vahohony ianao izay. Fa hoe : eo anatrehan’ny attaque-n’i Satana, dia mitodia amin’i Jesoa, dia teneno Izy hoe : « Jesoa an, Jesoa an, tahaka ny nataonao tamin’i Petera, nangataka ho azy Ianao ; mangataha ho ahy, mangataha ho ahy eo amin’ny Ray, satria Ianao zokibe-ko Ianao, eo anilan’ny Ray ; Mangataha ho ahy Jesoa an ». Izay ilay izy. Amin’ny teny frantsay : « J’ai prié pour toi. Jésus : prie pour moi. Jésus : demande pour moi ». Izay ilay izy.

Nanana ohatra tsara be isika ry havana tamin’ny mofon’aina tamin’ity volana ity. Jerentsika ange ny ao amin’i Joba e. Lehilahy marina, lehilahy marina fa notadiavin’i Satana hokororohina ary tena nokororohiny ry havana ô, nokororohiny. Ary tena hoe modely ity Joba ity Joba 1 :12 : « Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tànanao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tànanao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’ i Jehovah ». Dia eo amin’ny and.13 sy ny manaraka ny ombin’i Joba, ny boriky vaviny, ny ondry aman’osy, ny ankizilahiny, ny mpanampy azy izany, ny ramevany : babo, maty, ny zanak’i Joba lahy, ny zanak’i Joba vavy : maty, sy ny tahaka izany. Izay ilay hoe nokororohin’i Satana i Joba ry havana ô, nokororohin’i Satana i Joba. Fa inona no zavatra lazainy ery amin’ny and. 21-22 : « sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’ i Jehovah. Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’ Andriamanitra ». Mafy ange izao ry havana e, mafy ange izany hoe very fananana izany e ; mora am-pitoriana izany e. Mafy anie izany, mangidy sy mafaitra anie izany hoe maty daholo ny zanakao izany e. Fa tsy nanome tsiny. Izany ny olona « excellent ». Tsy nanome tsiny an’Andriamanitra i Joba. Tsy nanome tsiny tao anaty fizahan-toetra. Dia mbola niverina indray, niverina ni-attaque azy indray Satana ao amin’ny toko 2 : feno vay ny tenan’i Joba ry havana. Andao ange iarahana mamaky ny and.10 e : « Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ ny anankiray amin’ ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’ Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ ny molony Joba ». Tsy nety nanome tsiny an’Andriamanitra hatramin’ny farany izy, na dia miteny aza ny vadiny hoe : inona izany Andriamanitra izany e ? Inona no ilàna an’izany Andriamanitra izany ? Fa ity ry havana, tsara ny manoritra an’ity zavatra ity : Satana mi-attaque. Omen’Andriamanitra alalana, omen’Andriamanitra permission izy. Voasoratra eo izany. Fa ny zava-dehibe ry havana, mitady Satana, hoe mitady antsika hokororohina : Andriamanitra mametraka an’ilay limite-n’ilay fikororohana antsika. Andao ange averina vakiana ny and.12 e : « Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tànanao izay ananany rehetra (ny fananany izany, hatramin’ny zanany) ; fa ny tenany ihany... Omeko limite ianao. Dia ery amin’ny toko 2 :6 : « Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro, eo an-tànanao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana ». Ny ainy tokana ihany ho aza asiana.

Ry havana ô, ataoko fa efa fantatsiaka hoe ilay tanjona, ary tena sarotra tratrarina : ny any an-danitra ry havana ô. Fa izao : mitady olona « excellent » Andriamanitra ho ampidirina any. Ary ilay olona « excellent » na te ho « excellent » iny : tadiavin’i Satana hokororohina isan’andro. Fa n’inon’inona ataon’i Satana : Andriamanitra manome ny limite ; Andriamanitra manome ny limite ry havana ô, amin’ny action-n’i Satana. Andriamanitra no manome limite. Tsy Satana no manome ny limite ; Fa Andriamanitra no manome ny limite. Fa antin’izany hoe attaque-n’i Satana izany : mangataha vavaka amin’i Jesoa. Ary rehefa miteny Jesoa amin’i Petera, dia hoe : Izaho nangataka ho anao, Izaho nivavaka ho anao, sous-entendu fa hoe tsy tiako ianao ho lasa tahaka an’i Jodasy izay tsy nahatohitra an’i Satana n’inon’inona fomba fijery azy. Mba tsy hisy ho lasa tahaka an’i Jodasy isika mianakavy ry havana ô.

Izay ny Fahamarinana 2 : NY OLONA « EXCELLENT » DIA ATTAQUE-N’I SATANA ; FA EO ANATREHAN’NY ATTAQUE-N’I SATANA DIA MANGATA-BAVAKA AMIN’I JESOA.

Ny Fahamarinana 3 farany ry havana, dia hoe : NY OLONA « EXCELLENT » DIA « SINCERE » AMIN’NY FITIAVANA

Andao ange vakiantsika ny 2 Korintiana 8.  Rehefa avy niteny ny Apostoly Paoly teo amin’ny and.7 hoe : « aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao », « faites en sorte d'exceller aussi en cette œuvre de grâce » ; iarahantsika mamaky ny and.8 hoe : « Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon’ ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan’ ny fitiavanareo koa ». Ilay tapany farany, hoe : « mba hizaha toetra ny hamarinan’ ny fitiavanareo koa ». Ahoana no andikan’ny Segond an’ilay hoe : « mba hizaha toetra ny hamarinan’ ny fitiavanareo koa » ? « Pour éprouver la sincèrité de votre amour ».

Ry havana, mino aho fa raha mampanangan-tanana, dia 100% ny hananga-tanana hoe : « izaho tia an’i Jesoa ». 100%. Fa tian’Andriamanitra éprouver-na, tian’Andriamanitra zahana toetra ry havana ô, ny hamarinan’izany fitiavanao izany, ny « sincérité » an’izany fitiavanao izany. Ary izay no mahatonga an’ilay Fahamarinana 3 hoe : NY OLONA « EXCELLENT » DIA « SINCERE » AMIN’NY FITIAVANA. Ary ny olona « sincère » amin’ny fitiavana : izay ihany no hiditra any ry havana ô. Izay ihany, izay ihany.

Inona no fenitra, na hoe mari-drefy ahafantarana hoe « sincère » ny fitiavanao ato amin’ny 2 Korintiana 8 ? « Sincère » ny fitiavanao rehefa TIA MANOME HO AN’I JESOA IANAO. « Sincère » ny fitiavanao Azy rehefa tia manome ho an’ny Fiangonana ianao, tia manome ho an’i Jesoa ianao. Izay ry havana.

Inona ny zavatra ampianarin’ny Soratra Masina eto ? Hoe : manodidina antsika, eo amin’ny fiaraha-monina ; manodidina antsika, eo amin’ny christianisme dia maro ny olona trna hoe mahantra, maro ny olona tena hoe « crise ». Dia inona ny hafatra ho antsika ry havana eo anatrehan’izany « crise » izany ? Io « crise » io dia antso ho antsika isan’andro hoe : « sincère » ve ny fitiavanao an’i Kristy e ? Raha « sincère » ny fitiavanao an’i Kristy : inona no ataonao ho an’ireo mahantra, ho an’ireo malahelo ireo ?

Iza ny olona itenenana eto ? Tsy ao amin’ilay perikopantsika aloa no itenenana eto e. Fa mahavariana mihitsy, ao amin’ilay tapany voalohany amin’ilay perikopa, izay tsy androany : olona mahantra ao anaty krizy ihany koa no hoe te hanome. Izy no nangataka, izy no niady varotra. Tsy manao ohatrantsika hoe : « Pasitera an, tena izaho aloa mifona fa ny adidin’ny mpandray, ny rakitra tena anona fa « crise » izao.Ry zareo tany Makedonia ry havana, dia hoe : krizy izy, nefa reny hoe nila vola, nila fanampiana ara-bola ny Fiangonana lehibe tany Jerosalema, izy no tena niady varotra hoe : mba avelao re izahay e, handray anjara amin’izany levée de fonds izany, izany famoriam-bola izany. Izany ny olona « excellent » izany ry havana ô. Izany ny olona manana « amour sincère » ho an’Andriamanitra.

Fa eto amin’ily perikopa indray, tohizana ilay fampianarana dia ohatr’ohatran’izao indray ilay fampianarana : mitodika amin’ny olona manana, manana ny amby ampy ; na mitodika amin’ny olona faran’izay manana. Ary tsotra ilay fampianaran’ny Soratra Masina eto, tsotra ilay fampianaran’ny Apostoly Paoly eto : ianao manana ny amby ampy, ianao mpanankarena mpanefoefo ; possible izany : avy amin’Andriamanitra izany. Fa izao : raha te ho « excellent » ianao, raha manana « amour sincère » ho an’i Jesoa ianao : nataony manankarena ianao ahazoanao manampy, manampy ara-bola ny mahantra ry havana ô. Izay ilay hafatra eto. Izay ilay « amour sincère ». Izay ilay fihetsiky ny olona « excellent ».

Raha ny marina izany, raha ity texte ity, tsy fantatro raha azo lazaina ny hoe : tsy misy kristiana tokony ho milliardaire izany. Fa ny azoko antoka : tsisy kristiana tokony ho multi-milliardaire izany. Tsy mi-existe izany, tsy manana « amour sincère » izany. Satria io milliard-nao vitsivitsy maromaro io, dia milliard angoninao eo, fa tsy nomenao ny mahantra izay miandry an’ireo. Ary hanadinana anao izany, ary asa ianao raha ho tafiditra any an-danitra miaraka amin’ireo milliard vitsivitsy maromaro ireo.

Entitra ny Tompo ry havana, satria raha misy zavatra tena mahamafy fo, mahamafy tanana antsika, dia io vola io ; io vola io : io vola kely io, io vola be io. Ary miresaka ny Mana ny Soratra Masina tary amin’ny Deoteronomia ; miresaka ny Mana indray izy eto, ery amin’ny and.15 dia hoe : tamin’ny Mana ange dia : « Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy ». Izany ho Andriamanitra mandatsaka an’ilay Mana, Andriamanitra dia mandatsaka an’ilay Mana. Dia samy maka izay sahaza avy ilay olona ; fa tsy afaka manangona ianao ; satria tratran’ny fahalovana, tratran’ny fahalovana ilay Mana iny raha mialin’andro, raha mieritreritra ianao hoe : « an an an, kamo hivoaka aho rahampitso » ; iray izay ; rhaa mieritreritra ianao hoe : « an an an, sao dia tsy milatsaka io rahampitso ». Tsy mahatoky an’Andriamanitra, satria tsy miankina amin’Andriamanitra. Manana amby ampy. Ary ny fanomezan’Andriamanitra ry havana, dia hoe, araka ny tenin’i Paoly eto, hoe : misy « règle d’égalité » eo anatrehan’Andriamanitra ; fa raha hoe nomen’Andriamanitra mitafotafo na hare-miompampana ianao : fantaro manomboka anio fa hoe tsy natao ho koboninao any amin’ny banky io ; fa natao hanampiana, hanavotana ny mahantra. Izany ny olona « excellent » ry havana ô.

Ny Tompo ry havana, izay nanome antsika avy any an-danitra izany hafatra izany, satria miandry antsika any an-danitra Izy e ; izany ange no vetesina eto e, isan’Alahady e ; ny Tompo izay nanome antsika an’izany hafatra izany avy any an-danitra, ary miandry antsika any ry havana ô, no hiasa ao am-pontsika e, hanapotika izay mety avonavom-po, izay mety ho fiheveran-tena ho zavatra izay mety fiheverana hoe « izaho mahavita tena, izaho manan-tsaina, ny sandriko dia ohatran’izao sy ohatran’izao » ; ny Tompo hanapotika, handevona izany eritreritra rehetra izany. Hamboly ao amintsika Izy, tena hoe fo miankina tanteraka Aminy, fo vonona hitandrina ny didiny an, fo mihazakazaka any amin’i Jesoa eo anatrehan’ny attaque-n’i Satana, hoe : « Jesoa an, prie pour moi, intercède pour moi, demande pardon pour moi à ton Père et à mon Père, ary voleo ato amiko izany « amour sincère » izany ka manomboka anio, hoe fantatro fa izay vola rehetra fanampiny, rehefa hoe vita izay nividianako ny hanina sahaza ho ahy, ho an’ny zanako, ho an’ny taranako, mba manana trano aho, mba manana hanaovana vacances sy ny ohatran’izany an ; izay ambiny ao dia hoe natao ho an’ny malahelo ». Enga anei ka izany no asan’ny Tompo ao aimntsika dia ho « excellent » hahafaly azy isika mianakavy an.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, ary ho amintsika ny fahasoavany. Amena

 

 

 

ALAHADY 07 MARS 2021

Genesisy 22 ry havana, Genesisy 22 :12 : « Dia hoy Izy : Aza maninjitra ny tananao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao ; fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao ».

« Fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao ». « Fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao ». Raha fintinina ry havana ny hafatry ny Tompo ho antsika amin’izao maraina izao, dia hoe : mitodika aminao mpino Izy, dia miteny aminao hoe : AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO. Tsy hoe : Aoka hatahotra an’Andriamanitra ianao ; mety anio aho no matahotra, fa rahampitso tsy matahotra. AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO.

Ary ny olona mpatahotra an’Andriamanitra ; izay no voalohany manko an, dia olona mpandeha an-jambany. AOKA IANAO HO MPANDEHA AN-JAMBANY. Andao atambatsika izy roa, hoe : AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO – AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO. Izay ilay hafatra ry havana. Ary misaotra ny Tompo ny amin’ny tantara volamena izay omen’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao : AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO – AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO.

100 taona i Abrahama tamin’ny niteraka an’i Isaka. 25 taona niandrasana ny fanatanterahana ny teny fikasana. Mora am-pitenenana anie izany 25 taona izany e. Raha ny vanim-potoana iainantsika : culture-ny instantanéité. Raha vao misy zavatra : tsy maintsy ohatran’izay dia efa tanteraka ; raha tsy izany an : impatient isika ; raha tsy izany an, tsy mino isika. I Abrahama naharitra 25 taona ry havana ho fanatanterahana ny teny fikasana nomen’Andriamanitra azy. Tanteraka soa aman-tsara ilay teny fikasana ; dia teo amin’ny faha-15 taonan’i Isaka teo na 17 taona, dia hoy Jehovah : Ento ny lahitokanao, ilay tianao, dia atolory Ahy, ho fanatitra ho dorana. Tsisy tsy mahalala an’izany isika ry havana. Ary mitodika manokana aho amintsika izay manan-janaka, tsy hoe manan-janaka tokana, fa manan-janaka vitsivitsy : raha miteny amintsika Jehovah hoe : « io zanakao io, omeo anankiray amin’ireo zanakao ireo Aho ; atolory Ahy ho fanatitra ho dorana ». Ny olona mpatahotra an’Andriamanitra no manatanteraka an’izany. Ny olona mandeha an-jambany, mpandeha an-jambany no manao an’izany. Ny hafa : tsy mila an’izany Andriamanitra izany, tsy mila an’izany Andriamanitra mpandatsa-drà izany, tsy mila an’izany Andriamanitra manome tsifoifoy izany : io omeko dia alaiko. AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO – AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO. Raha te handova ny lanitra ianao.

Tamin’izahay tanora ry havana, tsy misy an’izany mifampiarahaba hoe : « Finaritra », « Fahasoavan’ny Tompo aminao », « Tahin’i Jesoa » ; tsy nisy an’izany. Izao, manao an’izany daholo ny olona. Izao adala sy hendry izao manao an’izany daholo. Fa ianao manao an’izany, na adala ianao na hendry : miteny aminao ny Tompo hoe : tsy ampy izany e. Tsy ampy izany fomba ivelany izany e. Aoka ianao ho mpatahotra ny Tompo e ! Aoka ianao ho mpandeha an-jambany eo anatrehan’ny tenin’Andriamanitra ry havana rhaa te hitombo amin’ny fanahafana an’i Jesoa.

Ohatran’ny raim-pianakaviana rehetra ry havana : naniry zanaka Abrahama ; ohatran’ny raim-pianakaviana rehetra : tena tia ny zanany i Abrahama, tena tia. Fa nataony ambonin’izany fitiavana zanaka izany ny fitiavana an’i Jehovah Ray. Nataony ambonin’izany, ary tsy teo imolotra fotsiny izany. Ary rehefa tenenin’ny Soratra Masina hoe Abrahama rain’ny finoana, dia hoe : ny momba ny fiainany rehetra dia antaony teo ambany fiadidian’Andriamanitra. Ny fiainany rehetra, ny lafim-piainany rehetra dia nataony teo ambany fiadidian’Andriamanitra. Hitanareo ireto corbeille ireto : fahafalon-karena io ; variana aho ry havana, variana aho amin’ireo olona mbola mandà fahafolon-karena, malgré ny fampianarana rehetra. Mifona aho miteny an’izany. Eto aho hiteny an’izany : manolora fahafolon-karena ry havana ô. AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO – AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO.  Izay ilay izy. Ary ianao izay efa manao fahafolon-karena : tontalio marina fahafolon-karenanao ; ato ianao no tokony hanao fahafolon-karena, raha misoratra ato ianao. Fa tsy maninona, raha zarainao ilay fahafolon-karena, hoe : omeko kely koa ny any ambanivohitra ; fa rehefa tontaliana ny ataoko ato Isotry sy any ambanivohitra, dia ao mihitsy. Izay ilay izy. AOKA IANAO HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA - AOKA IANAO HO MPANDEHA AN-JAMBANY. Ilay hoe mpandeha an-jambany : aoka ianao ho jamban’ny fahatokiana an’Andriamanitra ry havana ô, amin’ny lafim-piainanao rehetra : hiova ny fiainanao, hiova ny fiainanao.

Nankatoa, satria natahotra an’Andriamanitra i Abrahama. Izy handray ny antsy iny, rehefa avy namatotra an’i Isaka : nosakanan’ilay anjelin’i Jehovah : « Aza maninjitra ny tananao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ». Aza maninjitra ny tananao. Ny anjelin’i Jehovah, tena hoe be dia be ny anjely ; fa ny mpandinika dia milaza hoe : rehefa hoe « ny anjelin’i Jehovah », dia toy ny hoe Jehovah mihitsy izany no miteny. « Fa fantatro izao ny ao am-ponao, hitako fa matahotra an’Andriamanitra ianao. Takatro nakehitriny ny ao anatinao, fantatro ny eritreritrao, fa matahotra an’Andriamanitra ianao ».

Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, na iza na iza ianao : ny olona mpatahotra an’Andriamanitra ihany, ary ny olona mpandeha an-jambany ihany, izany no hiditra any an-danitra e. Ny olona vao mandeha, ny olona vao manaiky vao misy andidian’i Jehovah azy : izany ny olona hiditra any an-danitra : manaiky tsisy fepetra ; manaiky tsisy hatak’andro.

Ry havana malala ô, AOKA IANAO HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA - AOKA IANAO HO MPANDEHA AN-JAMBANY.

Ao amin’ny Jaona 6 ry havana, Jaona 6 : tohizantsika ilay 5minitra teo. Jaona 6 : 5-6 : « Ary Jesoa nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo : Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo ? Izany no nataony mba hizahany toetra azy ; fa Izy nahalala ihany izay efa hataony ».

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ny fizahan-toetra, ny épreuve, ny fakam-panahy, ny tentation ; ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy rehetra dia nataon’ny Tompo hampitombo anao amin’izany toetra hoe mpatahotra an’Andriamanitra – mpandeha an-jambany izany. Izahany toetra i Filipo eto : misy lehilahy dimy arivo, tsy omby dimy arivo ; ny lehilahy moa no isaina ; fa ireo possible niaraka tamin’ny vadiny, niaraka tamin’ny zanany an ; fa dimy arivo moa no anisana azy satria ny lehilahy no anisana azy. Tsisy mofo eo, tsisy zavatra hohanina eo, tsisy mpivarotra eo ; araka ilay notenenina teo, hoe : situation impossible io, situation impossible io. Sambatra ianao raha miatrika situation impossible, ka hoe mpatahotra an’Andriamanitra. Fa rehefa mpatahotra an’Andriamanitra ianao ry havana ô : tsy ny situation impossible no atahoranao, fa Andriamanitra no atahoranao. Raha tsy mpatahotra an’Andriamanitra ianao, dia mampalahelo be ry havana ô. Satria ho ampandalovin’Andriamanitra fizahan-toetra ianao, ampandalovin’i Jesoa fahoriana ianao : dia eo ianao no raisina.

Fa izao : ao anatin’io situation impossible io, Jesoa efa mahalala ihany izay efa hataony. Ny problema dia izao : ianao miondrika, mihohoka, mitanondrika eo amin’ilay situation impossible, satria tsy matahotra an’i Jesoa ianao. Izay ilay izy. Dia manao ohatran’i Filipo ianao eto : aiza no hividianantsika sakafo ? Fantatr’i Filipo tsara fa tsy misy mpivarotra eo an’anona eo. Inona ny tsy finoana asehon’i Filipo, ohatrantsika anie Filipo ? « Jesosy an, io ange na mofo denaria roanjato aza tsy ho ampy an’ireo olona ireo e. Maninona ianao no ohatrany hoe manontanitany foana amiko ? ». Ary izay isika mianakavy izay : tsy mahatakatra ny fahendren’Andriamanitra satria tsy mpatahotra an’Andriamanitra, tsy mpandeha an-jambany.

Dia hoe : misy tovolahy ary manana mofo dimy sy hazandrano roa. « Izany ve dia ho ampy e ? ». Dia misy angamba adala be ao miteny hoe : « efa sakafon’ilay tovolahy io ange izany, dia maninona koa no mbola alaina any aminy ? ». Izay ilay zavatra. AOKA HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO - AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO.

Nentina teo amin’i Jesoa ilay mofo dimy sy hazandrano roa ry havana, dia naneho ny maha-Andriamanitra Azy Izy, naneho ny maha-Mpamonjy Azy Izy. Nisaorany an’Andriamanitra ilay mofo dimy sy hazandrano roa. Izany ny fomban’ny olona matoky an’Andriamanitra Rainy : misaotra izy ny amin’ilay situation. Ovianao ianao no nisaotra tamin’ny fizahan-toetra farany ? Oviana ?

Nisaotra Jesoa dia nampiseho ny fahasoavany Andriamanitra : nampitombo an’ilay mofo, nampitombo an’ilay hazandrano.

Tsy maintsy ho avy ny fotoana, fotoanan’ny tsy fahampiana ao an-tokantrano ao ry havana, tsy maintsy ho avy ny fotoanan’ny tsy fisiana tahaka ny eto : sambatra ianao, sambatra ianao, raha mpatahotra an’Andriamanitra, raha mpandeha an-jambany ; fa hahita ny voninahitr’Andriamanitra ianao, tahaka ny eto amin’ity Jaona 6 ity. AOKA RE E, AOKA RE HO MPATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA IANAO- AOKA HO MPANDEHA AN-JAMBANY IANAO. Aoka izay io loha-be-nao io, mpanao qu’est-ce qu’il y a amin’Andriamanitra. Ka izao ka, ka izao ka, ka izao ka. Izay ilay izy.

Hebreo 11 : 19 : « Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza ; ary hoatra ny avy tamin’izany no nandraisany azy ».

Fa nihevitra izany i Abrahama fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza.

Raha mpatahotra an’Andriamanitra ianao, raha mpandeha an-jambany ianao rehefa mahare ny teniny : tsy atahotra fahafatesana ianao e. Mifona aho miteny an’ity an :  taona 17 taona isika niaraka teto an ; ataoko hoe raha misy zavatra novohizina tato : izany hoe « destination finale » izany. Raha misy zavatra novohizina tato dia hoe : « ny fahafatesana no hahazoana tombony ». Raha nisy zavatra novohizina tato, dia hoe : « lasa any amin’ny tsara lavitra izy ». Mifona aho tompoko ô, fa ho amin’ny olona vitsvitsy maromaro : tsianjery manta fotsiny izany. Normal ianao amin’ny fotoan’ilay fisarahana mitomany migogogogo e. Izaho mahafantatra olona, des smeianes après, des mois après : mitomany ohatran’ny jentilisa, tsy manana finoana, tsy manana fanantenana. Fa eto, ny mpatahotra an’Andriamanitra, ny mpandeha an-jambany dia tsy matahotra ny fahafatesana.

Ary jereo kely, hafa kely ity fahafatesana ity an : ny zanakao ange no ho vonoinao e. Ny zanakao no ho vonoinao. Fa arkaa ny tenin’ny mpanoratra ny Hebreo dia hoe : nihevitra i Abrahama, izy handeha hanangana ny tanany iny, nihevitra i Abrahama fa Andriamanitra mahay manangana ny maty. Raha maty Isaka io : hain’Andriamanitra ny manangana an’io. Izay ilay mpatahotra an’Andriamanitra e. Izay ilay mpandeha an-jambany e. Mino izy fa tsy ny fahafatesana no tompon’ny teny farany ; fa Andriamanitra no tompon’ny teny farany.

Nisy mpanompon’Andriamanitra anankiray nizara, mijoro vavolombelona : anaty problema, anaty problema, anaty problema. Ny ahy ny fanaoko hoy izy, dia izao : ao amin’ny biraoko ao, hoy izy, dia misy karazana tableau blanc ireny, dia misoratra eo ilay problema. Dia manomboka amin’ny problema kely ka hatramin’ny problema lehibe indrindra ety amin’ny farany ety. Fa izao, hoy izy : mifanandrify amin’ny ligne rehetra misy problema : asiako hoe Andriamanitra – Andriamanitra – Andriamanitra – Andriamanitra - Andriamanitra. Andriamanitra lehibe noho ireo problema ireo, manomboka ary amin’ny problema kely ka hatrary amin’ny problema lehibe indrindra. Andriamanitra lehibe. Mino an’izany ve ianao ry havana ? Mino an’izany ve ianao ? Andriamanitra mahay manangana ny maty, raha izay ilay problema lehibe farany indrindra. Mahay manangana ny maty Izy. Ary ny tena mahavariana ange ry havana dia izao e, ny tena mahavariana dia izao : ity Abrahama ity, tsy nahita an’izany hoe fananganana tamin’ny maty izany na indray mandeha aza, tsy nahita izy. Fa izay ilay finoana. Finoan’ny mpatahotra an’Andriamanitra, finoan’ny mpandeha an-jambany. Hain’Andriamanitra ny manangana an’io amin’ny maty ry havana. Sao ianao mieritreritra fa hoe lehilahy super champion izany Abrahama izany. Lehilahy mitafy nofo sy rà ohatrantsika izany. Ary inoana fa lehilahy nitomany izany, rehefa nahazo ny tenin’i Jehovah hoe : ho ento ho Ahy ilay lahitokanao, ilay tianao ; nitomany izany e. Nitomany izy, fa nankatoa ry havana ô. Nitomany izy, kanefa fantany hoe Andriamanitra fitiavana. Nitomany izy, kanefa fantany hoe Andriamanitra hendry. Nitomany izy kanefa fantany hoe Andriamanitra manana hery lehibe sy mihoam-pampana ka mahay manangana an’io zanako io amin’ny maty.

Tsy mora ny mitaiza tanora an. Fa ianao manan-janaka tanora, adolantsento, ao anatin’ny fotoanan’ny ditra, izay aloa no mbola lalàna eto amin’izao tontolo izao : capable ve ianao mino, capable ve ianao ny hahatoky an’Andriamanitra hoe : an an an, izaho dia tahaka an’i Abrahama ; tena tompon’ny ditra ity zanako ity, fa hain’Andriamanitra ny mamonjy an’io, hain’Andriamanitra ny manangana an’io avy amin’ny fahafatesan’ny fatoran’ny alcool sy ny ditra isan-karazany. Fa tsy hanao an’izany ianao an, raha tsy mpatahotra an’Andriamanitra. Tsy hanao an’izany ianao raha tsy mpandeha an-jambany.

Fa ahoana moa no nahatonga an’i Abrahama hino e, fa Andriamanitra manangana amin’ny maty ? Satria nandre ny teny izy, efa hitantsika tamin’ ny toriteny teto, tany amin’ny Genesisy 15 tany tamin’ny fotoan’andro : « jereo ange ny lanitra e, ary isao ny kintana raha voaisanao ; fa ho tahaka izany ny taranakao ». Ary ity Isaka ity no fitaovana. Izany no inoan’i Abrahama hoe an an an : atsangan’Andriamanitra amin’ny maty io e. Nandre ny teny izy, nandre ny teny Abrahama, dia ampy azy izay. Fa tsy ohatrantsika, ohatranao : « eny e, Pasitera an, mazava be izany toriteny izany, fa izaho izao, izaho izao, izaho izao… ». Tsy hidiranao any an-danitra ry havana ô : fa izaho, fa izaho, fa izaho izao… Tsy hidiranao any an-danitra.

I Abrahama nahatoky, i Abrahama nankatoa tsisy fepetra.

Nisy raim-pianakaviana izay ry havana, nampianatra ny zanany hatoky azy, hatoky azy rainy. Dia io raim-pianakaviana io, nampianatra ny zanany hankatoa tsisy fepetra. Dia nantsoiny ilay zanany, dia hoy izy hoe : ao ialahy ampanaoviko kilalao. Manatona ialahy aty. Dia nasian’ny dadany bandeau, notapenany ny masony, tena nofatorany mihitsy hoe tsy mahita na inona na inona. Dia hoy ilay dadany tamin’ilay zanany hoe : « mandrosoa ialahy 2 pas ; dia rehefa mandroso 2 pas ialahy dia manaova 1 pas à droite ». Dia hoy ilay zanany : « Dada an, ka tsy hitako ianao ». Dia tsy nihetsika mihitsy ilay zaza. Dia hoy ilay dadany : « izaho tsy hitan’ialahy ; fa izaho mahita an’ialahy. Ankatoavy aho ».

Ao anaty fizahan-toetra, matetika isika tsy mahita an’Andriamanitra fa mahita an’ilay fizahan-toetra. Ry havana ô, miteny amintsika ny Tompo hoe : « hitako ianao e, hitako ianao. Hitako ny ao anatin’ny fonao. Fa izao fotsiny : tiako ianao ho mpatahotra Ahy, tiako ianao ho mpandeha an-jambany dia ho soa ny fiainanao ety an-tany. Ary rehefa vita ny ety an-tany : lasa any amin’ny tsara lavitra ianao.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra, ary ho antsika Fiangonana ny fahasoavana. Amena

ALAHADY 28 FEB 2021

Apokalypsy 2 :4-5 : « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao ».

Dia ny Fanahin’Andriamanitra anie ry havana no hampahery antsika sy hampitoetra ao amintsika ny hafatra izay tiany omena antsika amin’izany teny izany.

Fiangonana tany Efesosy no nampitondrain’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny anjeliny, tamin’ny alalan’ny mpanompony, izany teny izany. Ny zavatra hitan’Andriamanitra tao amin’ny Fiangonana Efesosy dia Fiangonana miasa, mafana fo : Fiangonana manao ny ainy tsy ho zavatra hanatanteraka ny asan’Andriamanitra ; Fiangonana tsy mahatanty na mahazaka ny karazana olona izay toa mampifangaroharo ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny zavatra hafa, na koa ireny mihatsaravelatsihy ireny hoe sady mbola mety manompo sampy ihany any ivelany any, kanefa koa dia mankao am-piangonana. Ary dia tena nidera azy ny Tompo sy nilaza ny zavatra izay nankasitrahany tao amin’izany Fiangonana izany. Kanefa kosa, eo amin’ny and.4  eo Izy dia miteny hoe : « kanefa na izany aza, dia manan-javatra ihany Aho ho lazaina aminao, dia izao : efa niala ianao tamin’ilay fitiavanao voalohany, efa tsy hitako intsony ao aminao ilay fitiavanao voalohany : ilay fony isika vao niaraka ; ilay fony ianao vao nanao hoe hanolo-tena ho Anao aho Tompo ô ; hanaraka Anao aho ; hialako avokoa ny zavatra maro samihafa rehetra izay tsy nety hatramin’izay ; fa dia Ianao no ataoko Andriamanitro, Ianao Jesoa Kristy no Tompoko : hanara-dia Anao aho ». Izany mantsy ry havana ny tena fiainana kristiana : nisy ny taloha ary misy ny ankehitriny. Efa lasa ny zavatra taloha hoy ny filazan’ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Korintiana ; indro tonga vaovao ireo. Izany ny fiainana kristiana. Raha misy manamarika sy hahafantarana an’izany atao hoe olona manara-dia an’i Kristy izany, dia izao : misy fiovàna teo amin’ny fiainany. Izany no ahafantarana, anisan’ny ahafantarana fa kristiana izy : nisy fiovàna, lasa olom-baovao. Ary izany no nahatonga ny voambolana nentin’ny Tompo hamantarana sy ilazana an’ireny olona ireny, manao hoe : « tsy maintsy ateraka indray ianareo » ; izay tsy takatry ny fisainana aman’eritreritr’olombelona. Fa na manam-pahaizana aza no nanatrika ny Tompo rehefa nitenenany an’izany, dia nilaza ilay manam-pahaizana manao hoe : « ahoana moa no ahatanteraka ani’zany ? hiditra ao anatin’ny kibon’ny reniny indray va ny olona ka ho ateraka ? Tsia hoy ny Tompo. Fa tsy maintsy ateraky ny Fanahy, tsy maintsy ateraky ny rano. Tsy maintsy misy fahaterahana vaovao ianareo, dia izay no mahatonga an’ilay hoe : olom-baovao, olona niova. Ary izay ilay fitiavana voalohany tian’ny Tompo ho lazaina eto. « Ilay ianao nifanaraka tamiko tamin’ny voalohany ». Ary iny fitiavana voalohany iny, no tian’ny Tompo ho hita mandrakariva eo amin’ny fiainan’ilay kristiana, eo amin’ny fiainan’ilay Fiangonana. Izany no mahatonga Azy miteny eto, rehefa niresaka tamin’ireo mpino tao amin’ny Fiangonana Efesosy manao hoe : niova izany fitiavanao izany : tsy ilay fitiavana voalohany. Mandeha tsara ny asanao, tahaka an’izay itadiavana azy, mety tsara ny zavatra ataonao ao anatin’ny fandaharam-potoananao ao ; fa izao : raha tamin’ny voalohany fitiavana an’Andriamanitra no mirehitra ao anatinao, mahatonga anao mivavaka sy mamaky ny tenin’Andriamanitra ohatra, fitiavana miredareda an’Andriamanitra no mahatonga anao hanao tafika masina, mahatonga anao manao an’izao asa aman-draharaha sy andraikitra rehetra izay raisinao izao ; amin’izao ankehitriny izao dia tsy izay intsony no tazako ao anatin’ireo. Fa mety efa fahazarana angamba, mety efa fahaiza-manao fotsiny angamba.

Ry havana,  tian’ny Tompo isika tena hoe hanao, hanatanteraka izay baikony rehetra, hanao ny asa hanirahany rehetra. Fa raha mbola tsy hitan’ny Tompo ny fahatanterahan’ny zavatra ataontsika, na manao inona isika, na manao inona : ankasitrahany ireny ; fa mbola ho teneniny ihany ny hoe : ity tsy mety. Ny zavatra tadiavin’ny Tompo mantsy ry havana, tsy ilay hoe nahavita fotsiny aho ; fa mitohy amin’ny zavatra izay ankasitrahany, mamarana araka izay zavatra tian’ny Tompo hamaranana azy, tody hatrany amin’ny farany, amin’iny ilay toetra entina manatanteraka ny zavatra tadiavin’ny Tompo iny. Fa indraindray, izay fakam-panahy betsaka ho antsika kristiana, dia izao : efa lasa ilay ivelany no manatanteraka ny zavatra rehetra ; fa ny ao anaty dia efa miova. Ary izay ilay tsy zakan’ny Tompo. Izay ilay tsy tantin’ny Tompo ka mahatonga Azy, tsy hoe manilika avy hatrany ; fa mahatonga Azy miteny, mahatonga Azy mananatra, mahatonga Azy mampahatsiaro ka tiany ho tonga saina mandrakariva isika manao hoe : manao ahoana ilay ao anatiko ? Mbola fitiavana ve sa efa fahaiza-manao fotsiny, izay tsara ananantsika ihany koa ? Ny traikefa, ny fahaiza-manao : tsara ny hananana an’izany ; fa traikefa sy fahaiza-manao izay mitoetra mandrakariva sy tarihin’ny fitiavan’Andriamanitra.

Fotoana fandinihan-tena ny fotoana andrenesana ny tenin’Andriamanitra rehetra. Na rahoviana na rahoviana, na aiza na aiza ianao handre tenin’Andriamanitra, dia tokony handinin-tena mandrakariva manao hoe : mifanaraka amin’izany ve ny fiainako ? Mifanaraka amin’izany ve ny fanaoko ? Mifanaraka amin’izany ve ny hitan’ny olona eo amin’ny fiainako ? Fa indrindra indrindra : mifanaraka amin’izany ve ny ato anatiko izay tsy hitan’ny olona, izay tsy fantatry ny olona, fa izaho ihany no mahafantatra azy sy mahita ny ao anatiko rehetra ? Mifanaraka amin’izany ve ny toe-poko ? Mifanaraka amin’izany ve ny toe-tsaiko ? Mifanaraka amin’izany ve ny fitiavana ato anatiko ?

Misy fomba maro no tian’Andriamanitra ifandraisantsika Aminy : fifandraisana amin’ny alalan’ny vavaka, fifandraisana amin’ny alalan’ny vakiteny, fifandraisana amin’ny alalan’ny fanaovana asa aman-draharaha, asa fanompoana, fifandraisana manokana amin’ny maha-mpandray ny fanasan’ny Tompo izay notenenin’ny Soratra Masina manokana ihany koa, sy nazavainy mba hananantsika mandrakariva ilay fifandraisana Aminy, fifandraisana aina Aminy. Fa ny anisan’ny fifandraisana tian’ny Tompo ho hita amiko sy Aminy koa, dia ny fifandraisam-pifankatiavana na ny fifandraisam-pitiavana. Efa nanambara tamintsika ny fitiavany Izy ; efa naneho koa fa tsy teny fotsiny, fa tamin’ny asa tamin’ny nanirahany an’i Jesoa Kristy Tompo : « Fa toy izao no nitiavany an’izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahitokana » ; efa naneho izany fitiavana izany Izy. Fa manao ahoana ny fitiavako Azy ? Fifandraisam-pitiavana ry havana no anisan’ny tian’Andriamanitra ifandraisantsika Aminy koa. Satria Andriamanitra dia fitiavana. Ary raha misy olona tsy tia ; amin’ny dikanteny amin’ny firenena hafa io dia lazaian io ilay hoe « efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany » io ianao, dia izao no ilazany azy, hoe : « efa niha-maivana, efa niha-nangatsiaka ny fitiavanao Ahy sy ny fitiavanao ny hafa ». Satria nakapoky ny Tompo, na nofintinin’ny Tompo tamin’ny teny roa ihany, na hevitra roa ihany ny tenin’Andriamanitra rehetra, ny lalàna sy ny mpaminany sy ny soratra. Dia hoy Izy hoe : fa izao dia mahafehy izany rehetra izany : « Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, amin’ny fanahinao rehetra, ny sainao rehetra, sy ny herinao rehetra » ; ary ny tahak’izany ihany dia izao : « tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». Izany dia mahafeno, raha izany ny fiainan’ny olona, rhaa izany no mitarika azy ; izany dia mahafehy sy mahafeno ny lalàna sy ny mpaminany sy ny Soratra rehetra hoy Jesoa Kristy. Ary dia izany no mahatonga Azy manao hoe : « efa niala tamin’ilay fitiavanao Ahy ianao, eo amin’ny zavatra ataonao, sy ny fitiavanao ny hafa ihany koa ». Fifandraisam-pitiavana no tian’Andriamanitra ifandraisako Aminy. Ka raha mangatsiaka izay fitiavana izay, dia ho lasa zava-poana ihany. Fantatsika tsara ny voasoratra ao amin’ny Korintiana fa na miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, na manao zava-mahagaga maro samihafa aza aho, dia tahaka ny kipantsona maneno ihany ; feony fotsiny ; fa tsy azo tsapain-tanana. Izay no mahatonga ny Tompo mitaky sy mitady amiko hoe : « manao ahoana ny fitiavanao ? Hatraiza ny fitiavanao ? ». Ary rehefa hiainga teto ambonin’ny tany Jesoa Kristy, ilay mpianatra izay anisan’ny tena nafana fo, Petera, dia nanontaniany : « Ry Petera, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao ?  Moa ny fitiavanao va mihoatra ny fitiavan’iretsy ? ». « Eny Tompoko, fantatrao fa tia Anao aho ». Satria fantatry ny Tompo fa izay fitiavana Azy izay, izay toa mirehitra sy miredareda ary hitazomana an’izany miredareda izany, ka ahatsapako mihitsy hoe raha manketsy aho, dia satria fantatro ary tsapako ato anatiko fa ny fitiavako an’Andriamanitra no mahatonga ahy manao an’izany ; raha manao an’ity aho, dia fantatro sy tsapako mihitsy fa ny fitiavan’Andriamanitra mandrakariva no anaovako an’izany. Izay no tian’ny Tompo ataontsika mafy orina ao anatintsika.

Ry havana, voatahirinao ve izany fifandraisam-pitiavana amin’Andriamanitra izany ? Matetika rehefa avelantsika misy zavatra miditra ao anatin’ny fontsika sy ny fiainantsika ao, izay tsy mifanaraka tsara amin’ny sitrapon’Andriamanitra, na tsy tiantsika aza ny hiala amin’ny fitiavana voalohany, dia manjary lasa mangatsiaka izany fitiavana izany. Mety misy olona hanananao lolom-po, asa, tsy namerina ny volanao ve, na nandainga taminao ve, na namitaka ana ove, na tsy nampoizinao ny fomba fitondran-tenany araka izay niheveranao azy ; na zavatra maro samihafa tahak’izany ; rehefa avelantsika mitoetra ao anatintsika izany ka visavisaintsika mandrakariva fa tsy ilay asain’ny Soratra Masina ataontsika no ataontsika, hoe : saintsaino andro aman’alina ny tenin’Andriamanitra ; andro aman’alina ; dia ireny zavatra ireny ao anatin’ny fontsika, no manjary lasa mameno ny fontsika ; ka ny fitiavana hafa rehetra dia mety ho atosik’ireny hivoaka. Toe-tsaina izay manjary volavolain’izao tontolo izao eo amin’ny fomba fanao, eo amin’ny fomba fitadiavam-bola, eo amin’ny fomba fitiavam-bola ; toe-tsaina izay manjary lasa miha-maka bahana mandrakariva ao anatiny ny zavatra izay tsy mifanaraka loatra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ; eny fa na dia mbola tsy tena fahotana aza, satria ny tenin’Andriamanitra dia miteny hoe : ny olona matahotra an’Andriamanitra dia manalavitra ny ratsy. Tsy hoe tsy manao ratsy fotsiny ; fa efa mandeha eny amin’ny sisin-tsisiny eny, izay raha asian’ny olona hoditr’akondro fotsiny, dia mibolisatra dia latsaka ao anatiny. Fa ny tena lazain’ny Soratra Masina dia hoe : « manalavitra ny ratsy ». Alavirina, manalavitra ny ratsy. Izay no tadiavin’ny Soratra Masina. Rehefa avelantsika hisy zavatra hitoetra ao anatintsika eo, ary eo amin’izao tontolo izao sy izao fiainana izao dia be dia be ny zavatra mety hahatonga ao anatin’ny fontsika sy ny saintsika ao, ibahana ao, zavatra tsy mety, zavatra tsy tsara. Indrindra, izay no nilazako azy tamin’ny voalohany, resaka fifankahalana, fahatezerana, izay asain’ny tenin’Andriamanitra aza hoe : aza avela ho tratry ny masoandro milentika akory ny fahatezerana. Fa tsy iny no visavisaina dia avela ao mandritra ny herinandro, iray volana ; mahatonga anao misaintsaina sy mikonikonina mandrakariva hoe ahoana no mba hanaovako azy. Hoy ny Ohabolana hoe : Aza manao hoe : tahaka an’izay nataony tamiko no andeha ho ataoko aminy koa. Satria izay niteny mafy amiko tahaka an’izao dia mba averiko aminy koa izay. Ireny ry havana indraindra mahatonga ny fontsika, na dia mba tsy te hiala amin’ilay fitiavana voalohany aza : voatosik’ireny, fa mibahana ao anatin’ny fontsika ireny zavatra ireny. Mitoera amin’ny fitiavana voalohany hoy ny tenin’Andriamanitra.

Farany, variana mihitsy aho rehefa namaky an’izy io, fa hoy ny teniny hoe : « ny fitiavanao voalohany ». Ny zavatra nahavariana ahy, dia ny hoe : ilay fifandraisan’Andriamanitra amin’ilay Fiangonana, na ilay olona, dia ilay fifandraisana manokana mihitsy. Tsy fifandraisana ao anaty-na daholobe ao ; hoe : izahay mpandray ny fanasan’ny Tompo, ohatra, na izahay mpiangona atsy, na izahay ao anatin’izao sampana izao, na izahay amin’izao fianakaviana izao ; tsy izay. Fa fifandraisana manokana. Ny fitiavanao, ny fitiavako anao, ny fitiavanao ahy. Ianao manokana. Izany koa ry havana ny fifandraisana tena tian’Andriamanitra ho hita eo amin’ny fiainantsika. Isika rehetra dia afaka miaraka, ary asain’Andriamanitra miaraka : aza manadino ny fiarahanareo mivavaka tahaka ny ataon’ny sasany ka efa lasa tahaka ny vaky sambo izy teo amin’ny finoana. Zavatra tsy tokony adinoiny. Fa ao anatin’ny be sy ny maro ao, dia misy olona izay tian’Andriamanitra ho hita mihitsy hoe manao ahoana ny fitiavany, dia ianao izany. Manao ahoana ny fitiavanao Ahy ? Hivereno mandrakariva izay ilay hoe « izaho sy ny Ray », « izaho sy Jesoa Kristy », ny fitiavako ny Tompo, izay valian’Andriamanitra koa fitiavana manokana. Ny fitiavana Andriamanitra anao no iasany aminao manokana. Mety tsy hitovy amin’ny asa ataon’Andriamanitra amin’ny namanao, ny olona eo akaikinao, na ny vadinao sy ny zanakao aza ; mety tsy hitovy ; fa manana ny fombany Andriamanitra, izay anehoany aminao manokana ny fitiavany, rehefa ataonao miseho amin’Andriamanitra manokana koa ny fitiavanao maharitra ; fa tsy voahozongozon’ny fotoana, voahozongozon’ny tranga, voahozongozon’ny zava-misy, voahozongozon’ny olona, voahozongozon’ny zava-baovao mibosesika eo amin’izao fiainana izao. Anehoan’Andriamanitra aminao ny fitiavany ny fitiavanao Azy manokana. Ary izany no itenenany hoe : ivereno, ivereno ilay fitiavanao voalohany. Ilay fitiavana mirehitra, ilay fitiavana miredareda, ilay fitiavana mafana, izay sitrak’Andriamanitra ka itenenany hoe : « Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany » ; fa tsy hoe « nandalovan’ny fitiavany » ; fa miraikitra Amiko ny fitiavany, « Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, dia hamonjy azy Aho ».

Ry havana, betsaka no mety mampangatsiaka ny fitiavana, araka ny fieritreretantsika azy. Fa raha ny tenin’Andriamanitra, dia miteny hoe : ianao no miala amin’ny fitiavana. Fa ny fitiavana, Andriamanitra dia fitiavana. Tsy miova io fitiavan’Andriamanitra io ; fa raha toa ka misy fiheveranao hoe miova, dia ianao izay no niala. Efa niala tamin’ilay fitiavana. Ary izay no mahatonga an’Andriamanitra hoe : io fitiavana io, rehefa iverenanao, dia miverina amin’ilay miredareda iny. Ianao no asaina miverina amin’ny fitiavana ; fa tsy ny fitiavana no miha-maty. Manjary ilay fitiavana no omena tsiny hoe miha-mangatsiaka. Tsia. Fa ianao no niala taminy. Ivereno, miverana. Fa raha hiverina ianao, dia ho raisiko indray, hoy ny Tompo. Areheto ; fa rehefa miredareda io : tsy misy mahasakana izay fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ary ho hitanao koa fa hamoha be, araka izay itadiavan’Andriamanitra azy ny asanao vokatry ny fitiavana.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra, ho amintsika rehetra ny fitiavan’Andriamanitra. Amena

ALAHADY 21 FEB 2021

Ao amin’ny filazantsaran’i Matio ry havana, Matio 13. Andeha iarahantsika mamaky aloa eto am-panombohana ny and.49-50 : « Dia tahaka izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ ny marina, dia hatsipiny any amin’ ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify ».

Tenin’i Jesoa io ry havana, mamarana fanazavana 7 momba ny fanjakan’Andriamanitra ; dia io teny enjana be io no amaranany an’izany fampianarana momba ny fanjakan’Andriamanitra izany. Raha raisina io hoe, araka ny tenin’i Paoly ho an’ny Tesaloniana, hoe raisina io ho tenin’olombelona, dia tena hoe : tsy mampahery, mandrahona, mampatahotra ilay teny. Fa raha raisina kosa io, araka ny tenin’i Paoly ho an’ny Tesaloniana, hoe tenin’Andriamanitra ry havana ; ary satria tenin’Andriamanitra, dia isaky ny mamaky an’ilay izy isika, isaky ny misaina an’ilay izy isika, dia miasa ao anatintsika ilay teny, mahatonga saina antsika ny amin’izany zavatra tsy maintsy ho avy izany. Zavatra hoe faran’izay manjavozavo sy abstrait amintsika izany hoe : hisy ny fahataperan’izao tontolo izao. Tsy takatry ny saintsika izany ry havana ô. Tsy takatry ny saintsika koa izany hoe amin’izay fotoana izay dia hisy anjely hanavaka ny ratsy fanahy sy ny marina. Tsy takatry ny saintsika izany ; hoe : Andriamanitra fitiavana tsy manao an’izany. Ary tsy takatry ny saintsika koa e, tsy azontsika eritreretina izany hoe ireo ratsy ireo, ireo ratsy fanahy ireo dia hoe atsipiny any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo. Tsy takatry ny saintsika izany. Fa misaotra ny Apostoly Paoly, izay miresaka amin’ny Tesaloniana hoe : tenin’Andriamanitra io. Ary enga anie ry havana ô, hiasa ao amintsika izany tenin’Andriamanitra izany ka mba ho tonga tena hoe : réalité ho avy andrasantsika ary iomanantsika izany hoe fahataperan’izao tontolo izao izany, izany hoe fahalevonan’io lanitra io sy io tany io izany. Mba ho réalité amintsika satria miasa ao amintsika ilay tenin’Andriamanitra, ka hanampy antsika hoe hahatakatra an’izany ry havana, iomana amin’izany, handray an’izany sérieux, dia hoe : ataovy tanjona izany. Inona no hoe atao tanjona ? Hoe rehefa tonga ny fahataperan’izao tontolo izao, ataoko tanjona eo anatrehan’ilay anjely ny tsy hatahotra hoe avahany toy ny ratsy fanahy dia atsipiny any amin’ny fandoroana mirehitra afo lehibe aho. Ataovy tanjona izany.

Nahafinaritra ahy ilay teny-na mpitoriteny anankiray ry havana manao hoe : ianao ange raha mpilalao football e, ka raha tsy fantatrao hoe etsy ny poteau an’ilay but-ny adversaire, tsy fantatrao hoe ary izany no tokony ampidirako ny baolina, dia tsy hahatafiditra baolina mihitsy ianao. Izay, mazava be izany. Misy kristiana tsy mahafantatra hoe ery ange no tokony ampidirana ilay baolina e. Fa miteny aminao Izy hoe : tandremo e, tandremo. Ary fitiavana no anaovany an’izany teny entitra be izany hoe : hisy ny fahataperan’izao tontolo izao, ary dia hoe hisy ny fanavahana, hisyny fampisarahana ny ratsy sy ny tsara, ary tena misy izany fandoroana mirehitra afo lehibe izany.

Andao ary jerentsika izany hoe toe-po, toe-panahin’ny olona izay miomana ho amin’izany. Nehemia 9. Fantatsika tsara fa ny bokin’i Nehemia dia mitantara ny iraka nampanaovina an’i Nehemia hanangana indray ny mandan’i Jerosalema izay noravan’ny fahavalo raha nataon’Andriamanitra sesi-tany tany Babylona ny Zanak’Isiraely. Dia rehefa navotsotra ny Zanak’Isiraely, dia Nehemia no nahazo an’izany mission hoe hanangana ny manda izany. Ka eto amin’ity perikopantsika ity : efa narenina ilay manda. Vita ilay manda. Vita koa izany ny tempoly an, efa vita ilay manda. Izany hoe efa vita ilay fanarenana physique, ilay fanarenana materialy. Fa eto, ny zavatra atao indray dia fanarenana ara-panahy. Fanarenana ny toe-panahin’ny vahoaka izay vao niverina avy amin’ny sesi-tany. Ary azo fintinina ohatran’izao izany ilay toriteny ry havana : JEREO IHANY RY HAVANA O, SAO DIA HOE MILA HARENINA NY TOE-PANAHINAO. JEREO IHANY SAO DIA MILA HARENINA NY TOE-PANAHINAO.

Ny Fahamarinana 1 ho an’izany hoe miomana ho amin’ny fahataperan’izao tontolo izao, mandinin-tena hoe sao dia mila harenina ny toe-panahiko ; ny Fahamarinana 1 dia hitantsika eo amin’ny and.1 amin’ny toko 9. Andeha ange, ho anareo izay manana Baiboly misokatra, Nehemia 9 :1 : « Ary tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ izany volana izany dia niangona ny Zanak’ Isiraely sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany ». Nifady hanina, nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany. Ny Fahamarinana 1 izany dia izao : NY OLONA IZAY MIOMANA HO AMIN’NY FAHATAPERAN’IZAO TONTOLO IZAO DIA MITAFY LAMBA FISAONANA.

Inona no dikan’izany ? Mitafy lamba fisaonana. Raha ampatsiahivina ny zavatra mitranga ao amin’i Nehemia 8 satria io Nehemia 9, dia novakiana teo amin’ny vahoaka iray manontolo, na lahy, na vavy, hatramin’ny ankizy izay mahahaino, mofon’aina omaly izy io an, ny lalàna. Vao maraina mandra-pitataovovonana, nandritra ny adiny 6 novakiana ny lalàn’i Mosesy ry havana ô. Tsy hoe novakiana tany amin’ny étude biblique izany, fa novakiana tao amin’ny Fiangonana. Adiny 6 maninjitra namaky ny lalàn’i Mosesy. Eo daholo ny vahoaka. Dia ilay vahoaka ireo, nahare izany lalàna izany, dia niasa tao aminy izany lalàna izany, niasa tao aminy ilay tenin’Andriamanitra ry havana ô. Dia hitantsika eto amin’ny and.1 eto hoe nifady hanina izy an, nitafy lamba fisaonana ary nihosin-tany. Inona moa no tian’ny Soratra Masina ambara ? Nifady hanina ry havana. Ny olona hoe manapa-kevitra hifady hanina dia noho ny antony tsotra : feheziko daholo ny momba ny tenako, momba ny nofok, ny filàna rehetra mba hahazoako tena hoe manokana ny foko, manokana ny fanahiko ho an’Andriamanitra. Izany ilay fifadian-kanina izany. Tena hoe fi-se consacré-na bebe kokoa ho an’Andriamanitra. Mbola lavitra an’izany isika ry havana ô. Ny FJKM efa mba mametraka ihany hoe isaky ny Sabotsy farany amin’ny volana Janoary, dia mba hoe mifady hanina ny FJKM. Tsy manampoka, efa fantatra ilay izy : an an an, an an an. Isaina amin’ny ratsan-tanana ny mpiangona, isaina amin’ny ratsan-tanana ny mpiandry, isaina amin’ny ratsan-tanana ny diakona. Izany isika mianakavy e. Ary izay no mahatonga ny Tompo hiteny amintsika hoe : JEREO IHANY E, SAO DIA MILA HARENINA NY FIAINAM-PANAHINAO RY HAVANA O.

Mifady hanina – Mitafy lamba fisaonana. Important be ilay naoty kely, ilay chiffre 3 ; nitafy lamba fisaonana ; dia ilay chiffre 3 manao hoe : lamba malailay. Malailay ilay lamba satria lazain’ny mpandinika hoe avy amin’ny volo-na osy no anaovana azy. Dia mahatonga an’ilay dikan-teny hoe lamba malailay : rehefa anaovana ilay izy, dia malailay ianao, tsy azonao ny ainao. Iasan’ilay tenin’Andriamanitra izany ilay olona, mahatsiaro ny maha-mpanota azy, dia mifady hanina. Dia asaina manao lamba fisaonana, ohatrany hoe : tokony tsy à l’aise ohatran’izany ianao rehefa manota e. Na manota kely ianao, na manota lehibe. Fa ny antsika, inona no ataontsika ? Pasitera an, aza dia extrémiste ohatran’izany. Mitafia lamba fisaonana, mitafia lamba malailay ary manomboka izao : angataho ny Fanahy Masina hiasa ao amin’ny teny izao omeny anao mba hahatsiaro malailay ianao ao anatin’ny fahotanao. Dia afaka mitodi-doha soa aman-tsara ianao ho any amin’izany fahataperan’izao tontolo izao izany.

Ary ny fahatelo farany dia hoe : nihosin-tany. Nihosina tany. Ilay mihosina tany :ny loha no mihosina tany : mihosika vovoka, mihosina fotaka. Izany ny olona mahatsiaro ho mpanota. Mety hanao crème ianao, esthétique ianao, beauté ianao, sy ny karazany : mihosina fotaka ny lohanao ry havana ô. Ary tsy ilay mihosina fotaka no manahirana, fa ilay fahatsiarovan-tena hoe mihosina fotaka dia mila mifona aho, mila mibebaka aho.

Izay izany ilay toetra voalohany, hoe : mifady hanina, mitafy lamba fisaonana ary mihosim-bovoka ny loha ry havana ô. Faly Andriamanitra, faly Andriamanitra raha manana an’izany toe-po izany ianao. Fa araka ilay teny teo, hoe : JEREO IHANY SAO MILA HARENINA NY TOE-PANAHINAO RY HAVANA O.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : NY OLONA MANANA AN’IZANY TOE-PANAHY HIATRIKA NY FAHATAPERAN’IZAO TONTOLO IZAO IZANY, DIA ATORON’I NEHEMIA ETO HOE : FENO FANKATOAVANA

Vakiantsika aloa ny and.3 ry havana : « Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah Andriamaniny tamin’ ny ampahefatry ny andro ». Tamin’ny ampahefatry ny andro. Omaly an : adiny 6 ; androany an, mbola adiny 3 indray. Hatsangano ny tanan’izay hoe « andao ary isika hamaky teny adiny 3 ry havana ». Angamba tsy hisy tanana mitsangana. Tsisy tanana mitsangana eo e. Rehefa manao toriteny 25 minitra ianao, dia hoe : lava toriteny Pasitera androany ; izay. Mbola aiza re izany adiny 3 izany e ? Ary ry zareo tsy hoe mihaino e mihaino mandritra ny adiny 3 ; fa jereo ny Nehemia 10 ry havana, iarahantsika mamaky ny and.30 : « dia samy nikambana tsara tamin’ ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalàn’ Andriamanitra, izay nampilazaina an’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’ i Jehovah Tompontsika mbamin’ ny fitsipika sy ny lalàny ». Izany ny olona miomana ho amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Izany ny olona manarina ny toe-panahiny ; fa tsy te ho avahina miaraka amin’ny ratsy izy rehefa ho avy ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy sy ny marina ry havana ô. Mihaino adiny 3, dia hoe vonona ny hitandrina ny lalàna, ny didy, ny fitsipika, ny teny rehetra. Izaho milaza amintsika ry havana, fa raha isika mianakavy no miray saina mifanaiky hoe andao rangaha, n’inon’inona fahasamihafantsika, n’inon’inona fijery ny fiainam-piangonana, miray saina hoe hitandrina ny didy rehetra : tsy ohatran’izao ny fiainan’ity Fiangonana ity e, tsy ohatran’izao ity ry havana ô. Fa misaotra ny Tompo, misaotra ny Tompo ; ary tsy ohatran’izao ny fiainan’ity firenena ity ; satria ilay vahoaka iray manontolo eto, araka ilay nolazaina teo : mihaino, maharitra amin’ny fihainoana, ary vonona hitandrina.

Misy zavatra manokana eto asain’ny Soratra Masina tandremana, eo amin’ny and.2 ry havana : « Dia niavaka tamin’ ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’ Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany ». Ilay tapany voalohany hoe : « niavaka tamin’ ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’ Isiraely ». Fankatoavana ny didin’Andriamanitra io hoe niavahany tamin’ny olona hafa firenena. Ilay « niavaka », dia hoe : « ils se sont séparés » ; ilay « niavaka » dia hoe tsy niaroaro, ilay « niavaka » dia hoe : tsy nifanerasera, tsy nifandray. Eto izy hoe andeha hoe hidera an’Andriamanitra. Tsy mitovy ry havana ny hoe : samy hidera ; ilay fomba fideran’ny zanak’Andriamanitra sy fomba fideran’ny zanak’izao tontolo izao. Ary io, tena hoe entitra Andriamanitra, ary masiaka Andriamanitra amin’io fiaroaroan’ny zanany amin’ny jentilisa io ; fa izany tsy mahataitra antsika izany e. Tsy mahataitra antsika izany. Dia tena hoe voatery nanaovana lalàna manokana ahatonga saina ny Zanak’Isiraely hoe : tandremo ny manambady zanaka jentilisa e. Tena fady antsika izany manambady zanaka jentilisa izany. Fa raha manambady zanaka jentilisa ianao, tsotra ny vokany ry havana : lasa tahaka ny jentilisa ianao, hiaina tahaka ny jentilisa ianao, hiteny tahaka ny jentilisa ianao, hisakafo tahaka ny jentilisa ianao, hankalaza an’Andriamanitra tahaka ny jentilisa ianao. Tsy izany no sitrapon’Andriamanitra ry havana ô. Tsy izany ny sitrapon’Andriamanitra. Ary ireo jentilisa ireo, izay hoe ifaneraseranao ireo : hanana mauvaise influence aminao. Tapaho ny hevitra ry havana ô, hoe hitandrina izay rehetra andidin’Andriamanitra anao. Izany ilay manarina toe-panahy. Ary ao anatin’izany : imasoy manokana ny hihavaka ka tsy hifanerasera ; ilay manao bonjour moa maninona, fa ilay hiray zioga amin’ny jentilisa.

Misy tovolahy izay, tamin’ireny fotoanan’ny 150è-ny Fiangonana ireny, nangatahinay vola. Fantatra izy fa manamanana ary tia manome. Dia hoy izy hoe : Pasitera an, andraso aloa, fa misy zavatra andrasako, dia raha vao mipoaka io, hanao mihoatra noho izay tandrify ahy aho. Dia nandeha teny moa ny jobily, dia mihainohaino aho, miandriandry aho ; dia nanontaniko ilay ranamana hoe aiza ho aiza fa efa mamarana izao, efa hamarana izao : « kely sisa, kely sisa, kely sisa ». Niantso ahy ilay ranamana io indray mandeha. Izaho nieritreritra hoe hilaza hoe oviana no afaka mandalo, aiza no aterina ilay anjarako ? hoy izy hoe : « vonjeo aho Pasitera an, vonjeo aho fa izao vao hitako hoe taiza ny nametrahako ny tongotro ». Fa ahoana hoy aho ? « An an an, tsy vitako téléphone ilay izy fa aleo aho ho ao amin’ny biraon’i Pasitera ». Dia tonga tao amin’ny birao tao izy. Ilay izy ange hoy izy, tsy nivoaka hatramin’izao e. Nefa signature anankiray fotsiny no andrasana. Efa firy izay dingana nodinganina izay, fa tsy tafavoaka mihitsy ilay izy. Ary ilay izy : ny naha-tsy tafavoaka azy : tamin’ilay andro tokony nanaovana an’ilay signature dia hoy ilay partenaire-ko anankiray, nedala aloa tena hoe jentilisa be e, dia hoe : « tsy mahazo manao signature izany amin’io andro io ». Dia gaga be aho : maninona no tsy mahazo manao signature ? Ilay signature io, efa ela no niandrasana an’io. Tsy azo atao amin’io andro io ilay signature e. Dia tsy aritro : fa inona ny antony ? Dia hoe : mpitaiza an’ilay ranamana niteny hoe tsy azo atao ny manao sonia. Mandrak’ity ny androany, efa 5 taona izao : tsy mbola nivoaka ilay signature ry havana. Aza manao zioga tsy atonona amin’ny jentilisa e. Ilay ranamana nangatahako vola : tsy miditra am-piangonana intsony izao. Voasarika any amin’ny fiainan’izao tontolo izao. Izany Alahady izany : any an-kafa izy fa tsy any am-piangonana ry havana ô. Ary izay izany, hoe : tandremo ny didin’Andriamanitra ary iavaho, isaraho izao tontolo izao sy ny fombany ry havana ô.

Izay ny Fahamarinana 2. Ny Fahamarinana 1 dia ilay hoe : MITAFIA LAMBA FISAONANA. Ny Fahamarinana 2 dia hoe : TANDREMO NY DIDIN’ANDRIAMANITRA ARY TANDREMO MANOKANA NY FIAVAHANA AMIN’NY JENTILISA.

Ny Fahamarinana 3 farany ry havana, dia izao : MITOMBOA AMIN’NY FIAINAM-BAVAKA

Andao anie verenintsika vakiana ilay and.3 e : « Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah Andriamaniny tamin’ ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy ». Nitsotra sy niankohoka nivavaka izy ry havana ô, nandritra ny ampahefatry ny andro. Efa nolazaina teo : ny ampahefatry ny andro : adiny firy ? Adiny 3. Nihaino tenin’Andriamanitra adiny 3, nivavaka adiny 3.

Zaraiko aminareo, fa nahafinaritra ahy loatra, teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray izay, mpitoriteny malaza be. Hoy izy : ny famaritana ny lanjanao, ny lanjanao spirituel sy ny lanjanao tout court ; ny famaritana ny lanjanao, dia izay lanjan’ny fiainam-bavakao. Raha ohatran’iny ny fiainam-bavakao : maivana ianao ry havana ô, maivana ianao. Raha ohatran’izay ny fiainam-bavakao : mbola maivana ihany ianao. Ary ianao no mahafantatra hoe toa inona ny lanjan’ny fiainam-bavakao ; fa iny no andrefesan’ny Tompo ny valeur spirituelle-nao ry havana ô. Ny andrefesan’izao tontolo izao justement ny valeur : compte en banque ; ny andrefesan’izao tontolo izao : tômôbile, trano, matériel izao sy izao sy izao. Non non non, non non non. Izany fandrefin’ny olona tsy mahafantatra hoe hisy ange ny fahataperan’izao tontolo izao ary ho levona daholo izany e. Fa eto, ny ohatra omen’ny jiosy eto : nivavaka adiny 3 izy, rehefa nanomboka niasan’ny tenin’Andriamanitra adiny 6 la veille, ary mbola adiny 3 indray ny ampitson’izay, donc amin’ity andro ity ry havana ô. Izany. Tsarovy izay.

Na hiodin-kavia ianao na hiodin-kavanana, n’inon’inona fahaizanao mandahatra : ny lanjanao dia miankina amin’ny lanjan’ny fiainam-bavakao ry havana ô.  Ary eto : vavaka fifonana ilay hoe nitsotra dia niankohoka. Ry havana ô, raha te hanarina ny fiainam-panahinao ianao : ataovy marina amin’izay ny fifonanao, ataovy marina amin’izay ny fibebahanao. Fanajana anie no hitenenana hoe : jereo ihany e, fa sao dia tokony harenina ny fiainam-panahinao. Fa matoa tonga amintsika ry havana ô, izao teny izao, ny fiainantsika mianakavy, manomboka amin’ny an’i Pasitera : tokony harenina e.

Inona ny zavatra tokony harenina, tahaka ny nanarenina ilay manda rava ? Zavatra rava no arenina. Zavatra mikorontana, mikorontana ambony ambany no alamina sy arenina ry havana ô. Ary io fahotanao mamatotra anao, io fahotanao mahazatra anao, io fahotanao tsy ifonanao io, no mampikorontana izany fiainam-panahinao izany. Io fahatezerana amin’izao sy izao sy izao io, io fankahalana io : anavahana anao ary ampiarahana anao amin’ny ratsy fanahy rehefa ho avy ny anjely hanavaka ry havana ô.

Inona moa ity hoe « fifonana » ity ? Inona no atao hoe « fifonana » ? Ekeo fa izao sy izao sy izao ianao e. Ekeo fa izao sy izao sy izao ianao. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra izay : « ka de toute façon ange efa fantatr’Andriamanitra izany e, hoe izaho izao sy izao sy izao. Ianao nge mifona e, tsy mampahafantatra zavatra efa fantatr’Andriamanitra momba anao ianao ; tsy izany no atao hoe fifonana. Fa tiany ianao hoe hiaiky. Izany no atao hoe fifonana ». Ahoana moa ny tsy ahafantariny hatrany anaty fonao lalina any, ny antsipirihan’ny fiainanao ? Fa tiany ianao hiaiky. Izay ny dingana voalohany amin’ny fanarenana ny fiainam-panahinao ry havana ô. Ary maro ny kristiana tsy ahitana fanovàna ao amin’ny fiainany, maro ny kristiana tsy ahitana fitomboana ao amin’ny fiainany, satria tsy honnête amin’ny tenany izy, mamita-tena izy ry havana ô. Mamita-tena izy satria rehefa mandre toriteny ohatrany izao hoe : jereo ihany sao dia tokony harenina ny fiainam-panahinao : « tena i anona mihitsy izany, tena i anona mihitsy izany, i anona mihitsy izany resahina eto izany ». Fa tsy takatry ny sainy hoe izy ange izany resahin’ny Tompo mivantana izany e, amin’izao maraina izao. Ary tsy tonga sain aizy fa mikorontana ny fiainany, satria inona ny zavatra hitany ? Zavatra ohatrany milamina no hitany : miasa tsara izy, mahazo karama plus ou moins tsara izy amin’ny faran’ny volana, manana trano tsara izy, tômôbile sy ny karazany, dia tsy hitany hoe mikorotam-belona ny fiainam-panahiny. Ary ho zava-doza izany rehefa ho avy ny anjely hanavaka, fa mety hatsipy izy any amin’ilay farihy mirehitra afo ry havana ô. Izany ange ny fitiavan’ny Tompo antsika e, amin’izao maraina izao. Miteny Izy hoe : manetre tena e ! Manetre tena Amiko e ! Ary ekeo hoe izao sy izao sy izao ianao ; fa Izaho hanarina io korontana io. Izaho Andriamanitry ny fananganana ny maty sy ny fiainana. Fa ny zava-doza, ny zava-doza ry havana, dia hoe : rehefa tsy entinao eo Aminy io fahotanao io, dia ohatrany aretina tsy tsaboina : hihombo, hihombo, hihombo, ary hitombo ilay fatorana ry havana ô. Hitombo ilay fatorana. Fa ny Tompo, n’inon’inona fatorana mamatotra anao, ary n’inon’inona fotoana efa namatorana anao : moa ve misy zava-mahagaga izay tsy hainy ? Moa ve misy zava-mahagaga izay tsy hainy ?

Faranana ry havana ô, izao teny izao : tia antsika ny Tompo, tia antsika ny Tompo dia miteny amintsika hoe : attention, attention : efa ho avy ny farany. Jerentsika ny 1 Tesaloniana 2, fa natao ho antsika izay te hanarina ny fiainam-panahintsika io ry havana ô : 1 Tesaloniana 2 : miresaka ny jiosy sasany tany Jodia i Paoly, ao anatin’ilay ratsy fanahy resahin’i Jesoa ao amin’ny Matio 13. Iarahantsika mamaky ny 15 sy 16 : « izay namono an’ i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon’ Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra, ka mandrara anay tsy hitory amin’ ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan’ ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan’ ny fahatezerana hatramin’ ny farany izy ». Miteny aminao ny Tompo e : HARENO NY FIAINAM-PANAHINAO. HARENO NY FIAINAM-PANAHINAO. MAHARETA AMIN’IZANY. ARY MAHEREZA. Ary aza gaga fa tsy maintsy hisy jiiosy ratsy fanahy manodidina anao anakivy anao, hanesoeso anao, araka ny tenin’i Paoly : ohatrany ny nisy tany Jodia : hanohitra anao ; hanohitra anao satria izany ny fiainany, izany ny fonctionnement-ny : manohitra ny olona rehetra. Aza kivy amin’izany. Hanesoeso hoe : inona, fa inona izany fahataperan’izao tontolo izao izany ? Inona no hivakiana loha amin’izany ? Azafady amin’ilay fitenenana. Manohitra ny olona rehetra. Ary ireo indrindra manohitra, ireo tsy mianatra ireo indrindra hoy Paoly : lasa manohitra. Izay ilay izy : aza kivy. Handroaka anareo izy : aza kivy amin’izany hoy Paoly e. Fa ny anao atao tsara. Ny toe-panahinao harenina iomanana sy iatrehana izany fahataperan’izao tontolo izao izay tsy maintsy ho avy izany.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ry havana, ary ho amintsika Fiangonana ny fahasoavany. Amen