ALAHADY 28 FEB 2021

Apokalypsy 2 :4-5 : « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao ».

Dia ny Fanahin’Andriamanitra anie ry havana no hampahery antsika sy hampitoetra ao amintsika ny hafatra izay tiany omena antsika amin’izany teny izany.

Fiangonana tany Efesosy no nampitondrain’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny anjeliny, tamin’ny alalan’ny mpanompony, izany teny izany. Ny zavatra hitan’Andriamanitra tao amin’ny Fiangonana Efesosy dia Fiangonana miasa, mafana fo : Fiangonana manao ny ainy tsy ho zavatra hanatanteraka ny asan’Andriamanitra ; Fiangonana tsy mahatanty na mahazaka ny karazana olona izay toa mampifangaroharo ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny zavatra hafa, na koa ireny mihatsaravelatsihy ireny hoe sady mbola mety manompo sampy ihany any ivelany any, kanefa koa dia mankao am-piangonana. Ary dia tena nidera azy ny Tompo sy nilaza ny zavatra izay nankasitrahany tao amin’izany Fiangonana izany. Kanefa kosa, eo amin’ny and.4  eo Izy dia miteny hoe : « kanefa na izany aza, dia manan-javatra ihany Aho ho lazaina aminao, dia izao : efa niala ianao tamin’ilay fitiavanao voalohany, efa tsy hitako intsony ao aminao ilay fitiavanao voalohany : ilay fony isika vao niaraka ; ilay fony ianao vao nanao hoe hanolo-tena ho Anao aho Tompo ô ; hanaraka Anao aho ; hialako avokoa ny zavatra maro samihafa rehetra izay tsy nety hatramin’izay ; fa dia Ianao no ataoko Andriamanitro, Ianao Jesoa Kristy no Tompoko : hanara-dia Anao aho ». Izany mantsy ry havana ny tena fiainana kristiana : nisy ny taloha ary misy ny ankehitriny. Efa lasa ny zavatra taloha hoy ny filazan’ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Korintiana ; indro tonga vaovao ireo. Izany ny fiainana kristiana. Raha misy manamarika sy hahafantarana an’izany atao hoe olona manara-dia an’i Kristy izany, dia izao : misy fiovàna teo amin’ny fiainany. Izany no ahafantarana, anisan’ny ahafantarana fa kristiana izy : nisy fiovàna, lasa olom-baovao. Ary izany no nahatonga ny voambolana nentin’ny Tompo hamantarana sy ilazana an’ireny olona ireny, manao hoe : « tsy maintsy ateraka indray ianareo » ; izay tsy takatry ny fisainana aman’eritreritr’olombelona. Fa na manam-pahaizana aza no nanatrika ny Tompo rehefa nitenenany an’izany, dia nilaza ilay manam-pahaizana manao hoe : « ahoana moa no ahatanteraka ani’zany ? hiditra ao anatin’ny kibon’ny reniny indray va ny olona ka ho ateraka ? Tsia hoy ny Tompo. Fa tsy maintsy ateraky ny Fanahy, tsy maintsy ateraky ny rano. Tsy maintsy misy fahaterahana vaovao ianareo, dia izay no mahatonga an’ilay hoe : olom-baovao, olona niova. Ary izay ilay fitiavana voalohany tian’ny Tompo ho lazaina eto. « Ilay ianao nifanaraka tamiko tamin’ny voalohany ». Ary iny fitiavana voalohany iny, no tian’ny Tompo ho hita mandrakariva eo amin’ny fiainan’ilay kristiana, eo amin’ny fiainan’ilay Fiangonana. Izany no mahatonga Azy miteny eto, rehefa niresaka tamin’ireo mpino tao amin’ny Fiangonana Efesosy manao hoe : niova izany fitiavanao izany : tsy ilay fitiavana voalohany. Mandeha tsara ny asanao, tahaka an’izay itadiavana azy, mety tsara ny zavatra ataonao ao anatin’ny fandaharam-potoananao ao ; fa izao : raha tamin’ny voalohany fitiavana an’Andriamanitra no mirehitra ao anatinao, mahatonga anao mivavaka sy mamaky ny tenin’Andriamanitra ohatra, fitiavana miredareda an’Andriamanitra no mahatonga anao hanao tafika masina, mahatonga anao manao an’izao asa aman-draharaha sy andraikitra rehetra izay raisinao izao ; amin’izao ankehitriny izao dia tsy izay intsony no tazako ao anatin’ireo. Fa mety efa fahazarana angamba, mety efa fahaiza-manao fotsiny angamba.

Ry havana,  tian’ny Tompo isika tena hoe hanao, hanatanteraka izay baikony rehetra, hanao ny asa hanirahany rehetra. Fa raha mbola tsy hitan’ny Tompo ny fahatanterahan’ny zavatra ataontsika, na manao inona isika, na manao inona : ankasitrahany ireny ; fa mbola ho teneniny ihany ny hoe : ity tsy mety. Ny zavatra tadiavin’ny Tompo mantsy ry havana, tsy ilay hoe nahavita fotsiny aho ; fa mitohy amin’ny zavatra izay ankasitrahany, mamarana araka izay zavatra tian’ny Tompo hamaranana azy, tody hatrany amin’ny farany, amin’iny ilay toetra entina manatanteraka ny zavatra tadiavin’ny Tompo iny. Fa indraindray, izay fakam-panahy betsaka ho antsika kristiana, dia izao : efa lasa ilay ivelany no manatanteraka ny zavatra rehetra ; fa ny ao anaty dia efa miova. Ary izay ilay tsy zakan’ny Tompo. Izay ilay tsy tantin’ny Tompo ka mahatonga Azy, tsy hoe manilika avy hatrany ; fa mahatonga Azy miteny, mahatonga Azy mananatra, mahatonga Azy mampahatsiaro ka tiany ho tonga saina mandrakariva isika manao hoe : manao ahoana ilay ao anatiko ? Mbola fitiavana ve sa efa fahaiza-manao fotsiny, izay tsara ananantsika ihany koa ? Ny traikefa, ny fahaiza-manao : tsara ny hananana an’izany ; fa traikefa sy fahaiza-manao izay mitoetra mandrakariva sy tarihin’ny fitiavan’Andriamanitra.

Fotoana fandinihan-tena ny fotoana andrenesana ny tenin’Andriamanitra rehetra. Na rahoviana na rahoviana, na aiza na aiza ianao handre tenin’Andriamanitra, dia tokony handinin-tena mandrakariva manao hoe : mifanaraka amin’izany ve ny fiainako ? Mifanaraka amin’izany ve ny fanaoko ? Mifanaraka amin’izany ve ny hitan’ny olona eo amin’ny fiainako ? Fa indrindra indrindra : mifanaraka amin’izany ve ny ato anatiko izay tsy hitan’ny olona, izay tsy fantatry ny olona, fa izaho ihany no mahafantatra azy sy mahita ny ao anatiko rehetra ? Mifanaraka amin’izany ve ny toe-poko ? Mifanaraka amin’izany ve ny toe-tsaiko ? Mifanaraka amin’izany ve ny fitiavana ato anatiko ?

Misy fomba maro no tian’Andriamanitra ifandraisantsika Aminy : fifandraisana amin’ny alalan’ny vavaka, fifandraisana amin’ny alalan’ny vakiteny, fifandraisana amin’ny alalan’ny fanaovana asa aman-draharaha, asa fanompoana, fifandraisana manokana amin’ny maha-mpandray ny fanasan’ny Tompo izay notenenin’ny Soratra Masina manokana ihany koa, sy nazavainy mba hananantsika mandrakariva ilay fifandraisana Aminy, fifandraisana aina Aminy. Fa ny anisan’ny fifandraisana tian’ny Tompo ho hita amiko sy Aminy koa, dia ny fifandraisam-pifankatiavana na ny fifandraisam-pitiavana. Efa nanambara tamintsika ny fitiavany Izy ; efa naneho koa fa tsy teny fotsiny, fa tamin’ny asa tamin’ny nanirahany an’i Jesoa Kristy Tompo : « Fa toy izao no nitiavany an’izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahitokana » ; efa naneho izany fitiavana izany Izy. Fa manao ahoana ny fitiavako Azy ? Fifandraisam-pitiavana ry havana no anisan’ny tian’Andriamanitra ifandraisantsika Aminy koa. Satria Andriamanitra dia fitiavana. Ary raha misy olona tsy tia ; amin’ny dikanteny amin’ny firenena hafa io dia lazaian io ilay hoe « efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany » io ianao, dia izao no ilazany azy, hoe : « efa niha-maivana, efa niha-nangatsiaka ny fitiavanao Ahy sy ny fitiavanao ny hafa ». Satria nakapoky ny Tompo, na nofintinin’ny Tompo tamin’ny teny roa ihany, na hevitra roa ihany ny tenin’Andriamanitra rehetra, ny lalàna sy ny mpaminany sy ny soratra. Dia hoy Izy hoe : fa izao dia mahafehy izany rehetra izany : « Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, amin’ny fanahinao rehetra, ny sainao rehetra, sy ny herinao rehetra » ; ary ny tahak’izany ihany dia izao : « tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». Izany dia mahafeno, raha izany ny fiainan’ny olona, rhaa izany no mitarika azy ; izany dia mahafehy sy mahafeno ny lalàna sy ny mpaminany sy ny Soratra rehetra hoy Jesoa Kristy. Ary dia izany no mahatonga Azy manao hoe : « efa niala tamin’ilay fitiavanao Ahy ianao, eo amin’ny zavatra ataonao, sy ny fitiavanao ny hafa ihany koa ». Fifandraisam-pitiavana no tian’Andriamanitra ifandraisako Aminy. Ka raha mangatsiaka izay fitiavana izay, dia ho lasa zava-poana ihany. Fantatsika tsara ny voasoratra ao amin’ny Korintiana fa na miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, na manao zava-mahagaga maro samihafa aza aho, dia tahaka ny kipantsona maneno ihany ; feony fotsiny ; fa tsy azo tsapain-tanana. Izay no mahatonga ny Tompo mitaky sy mitady amiko hoe : « manao ahoana ny fitiavanao ? Hatraiza ny fitiavanao ? ». Ary rehefa hiainga teto ambonin’ny tany Jesoa Kristy, ilay mpianatra izay anisan’ny tena nafana fo, Petera, dia nanontaniany : « Ry Petera, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao ?  Moa ny fitiavanao va mihoatra ny fitiavan’iretsy ? ». « Eny Tompoko, fantatrao fa tia Anao aho ». Satria fantatry ny Tompo fa izay fitiavana Azy izay, izay toa mirehitra sy miredareda ary hitazomana an’izany miredareda izany, ka ahatsapako mihitsy hoe raha manketsy aho, dia satria fantatro ary tsapako ato anatiko fa ny fitiavako an’Andriamanitra no mahatonga ahy manao an’izany ; raha manao an’ity aho, dia fantatro sy tsapako mihitsy fa ny fitiavan’Andriamanitra mandrakariva no anaovako an’izany. Izay no tian’ny Tompo ataontsika mafy orina ao anatintsika.

Ry havana, voatahirinao ve izany fifandraisam-pitiavana amin’Andriamanitra izany ? Matetika rehefa avelantsika misy zavatra miditra ao anatin’ny fontsika sy ny fiainantsika ao, izay tsy mifanaraka tsara amin’ny sitrapon’Andriamanitra, na tsy tiantsika aza ny hiala amin’ny fitiavana voalohany, dia manjary lasa mangatsiaka izany fitiavana izany. Mety misy olona hanananao lolom-po, asa, tsy namerina ny volanao ve, na nandainga taminao ve, na namitaka ana ove, na tsy nampoizinao ny fomba fitondran-tenany araka izay niheveranao azy ; na zavatra maro samihafa tahak’izany ; rehefa avelantsika mitoetra ao anatintsika izany ka visavisaintsika mandrakariva fa tsy ilay asain’ny Soratra Masina ataontsika no ataontsika, hoe : saintsaino andro aman’alina ny tenin’Andriamanitra ; andro aman’alina ; dia ireny zavatra ireny ao anatin’ny fontsika, no manjary lasa mameno ny fontsika ; ka ny fitiavana hafa rehetra dia mety ho atosik’ireny hivoaka. Toe-tsaina izay manjary volavolain’izao tontolo izao eo amin’ny fomba fanao, eo amin’ny fomba fitadiavam-bola, eo amin’ny fomba fitiavam-bola ; toe-tsaina izay manjary lasa miha-maka bahana mandrakariva ao anatiny ny zavatra izay tsy mifanaraka loatra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ; eny fa na dia mbola tsy tena fahotana aza, satria ny tenin’Andriamanitra dia miteny hoe : ny olona matahotra an’Andriamanitra dia manalavitra ny ratsy. Tsy hoe tsy manao ratsy fotsiny ; fa efa mandeha eny amin’ny sisin-tsisiny eny, izay raha asian’ny olona hoditr’akondro fotsiny, dia mibolisatra dia latsaka ao anatiny. Fa ny tena lazain’ny Soratra Masina dia hoe : « manalavitra ny ratsy ». Alavirina, manalavitra ny ratsy. Izay no tadiavin’ny Soratra Masina. Rehefa avelantsika hisy zavatra hitoetra ao anatintsika eo, ary eo amin’izao tontolo izao sy izao fiainana izao dia be dia be ny zavatra mety hahatonga ao anatin’ny fontsika sy ny saintsika ao, ibahana ao, zavatra tsy mety, zavatra tsy tsara. Indrindra, izay no nilazako azy tamin’ny voalohany, resaka fifankahalana, fahatezerana, izay asain’ny tenin’Andriamanitra aza hoe : aza avela ho tratry ny masoandro milentika akory ny fahatezerana. Fa tsy iny no visavisaina dia avela ao mandritra ny herinandro, iray volana ; mahatonga anao misaintsaina sy mikonikonina mandrakariva hoe ahoana no mba hanaovako azy. Hoy ny Ohabolana hoe : Aza manao hoe : tahaka an’izay nataony tamiko no andeha ho ataoko aminy koa. Satria izay niteny mafy amiko tahaka an’izao dia mba averiko aminy koa izay. Ireny ry havana indraindra mahatonga ny fontsika, na dia mba tsy te hiala amin’ilay fitiavana voalohany aza : voatosik’ireny, fa mibahana ao anatin’ny fontsika ireny zavatra ireny. Mitoera amin’ny fitiavana voalohany hoy ny tenin’Andriamanitra.

Farany, variana mihitsy aho rehefa namaky an’izy io, fa hoy ny teniny hoe : « ny fitiavanao voalohany ». Ny zavatra nahavariana ahy, dia ny hoe : ilay fifandraisan’Andriamanitra amin’ilay Fiangonana, na ilay olona, dia ilay fifandraisana manokana mihitsy. Tsy fifandraisana ao anaty-na daholobe ao ; hoe : izahay mpandray ny fanasan’ny Tompo, ohatra, na izahay mpiangona atsy, na izahay ao anatin’izao sampana izao, na izahay amin’izao fianakaviana izao ; tsy izay. Fa fifandraisana manokana. Ny fitiavanao, ny fitiavako anao, ny fitiavanao ahy. Ianao manokana. Izany koa ry havana ny fifandraisana tena tian’Andriamanitra ho hita eo amin’ny fiainantsika. Isika rehetra dia afaka miaraka, ary asain’Andriamanitra miaraka : aza manadino ny fiarahanareo mivavaka tahaka ny ataon’ny sasany ka efa lasa tahaka ny vaky sambo izy teo amin’ny finoana. Zavatra tsy tokony adinoiny. Fa ao anatin’ny be sy ny maro ao, dia misy olona izay tian’Andriamanitra ho hita mihitsy hoe manao ahoana ny fitiavany, dia ianao izany. Manao ahoana ny fitiavanao Ahy ? Hivereno mandrakariva izay ilay hoe « izaho sy ny Ray », « izaho sy Jesoa Kristy », ny fitiavako ny Tompo, izay valian’Andriamanitra koa fitiavana manokana. Ny fitiavana Andriamanitra anao no iasany aminao manokana. Mety tsy hitovy amin’ny asa ataon’Andriamanitra amin’ny namanao, ny olona eo akaikinao, na ny vadinao sy ny zanakao aza ; mety tsy hitovy ; fa manana ny fombany Andriamanitra, izay anehoany aminao manokana ny fitiavany, rehefa ataonao miseho amin’Andriamanitra manokana koa ny fitiavanao maharitra ; fa tsy voahozongozon’ny fotoana, voahozongozon’ny tranga, voahozongozon’ny zava-misy, voahozongozon’ny olona, voahozongozon’ny zava-baovao mibosesika eo amin’izao fiainana izao. Anehoan’Andriamanitra aminao ny fitiavany ny fitiavanao Azy manokana. Ary izany no itenenany hoe : ivereno, ivereno ilay fitiavanao voalohany. Ilay fitiavana mirehitra, ilay fitiavana miredareda, ilay fitiavana mafana, izay sitrak’Andriamanitra ka itenenany hoe : « Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany » ; fa tsy hoe « nandalovan’ny fitiavany » ; fa miraikitra Amiko ny fitiavany, « Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, dia hamonjy azy Aho ».

Ry havana, betsaka no mety mampangatsiaka ny fitiavana, araka ny fieritreretantsika azy. Fa raha ny tenin’Andriamanitra, dia miteny hoe : ianao no miala amin’ny fitiavana. Fa ny fitiavana, Andriamanitra dia fitiavana. Tsy miova io fitiavan’Andriamanitra io ; fa raha toa ka misy fiheveranao hoe miova, dia ianao izay no niala. Efa niala tamin’ilay fitiavana. Ary izay no mahatonga an’Andriamanitra hoe : io fitiavana io, rehefa iverenanao, dia miverina amin’ilay miredareda iny. Ianao no asaina miverina amin’ny fitiavana ; fa tsy ny fitiavana no miha-maty. Manjary ilay fitiavana no omena tsiny hoe miha-mangatsiaka. Tsia. Fa ianao no niala taminy. Ivereno, miverana. Fa raha hiverina ianao, dia ho raisiko indray, hoy ny Tompo. Areheto ; fa rehefa miredareda io : tsy misy mahasakana izay fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ary ho hitanao koa fa hamoha be, araka izay itadiavan’Andriamanitra azy ny asanao vokatry ny fitiavana.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra, ho amintsika rehetra ny fitiavan’Andriamanitra. Amena