ALAHADY 14 MARS 2021

Misaotra ny Tompo isika ny amin’ny programany ho antsika. Ary raha ny perikopa androany no jerena, dia hoe : ny programan’ny Tompo ho antsika Fiangonana, ho antsika zanany, dia ny hoe : ho « excellent ». Tiany isika ry havana ô ho « excellent ».

Andao ange sokafantsika ny Baiblontsika ao amin’ny 2 Korintiana 8 :7 : « Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, na amin’ ny finoana, na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao ». « Aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao ». Vakiko kely ilay dikanteny frantsay Segond : « De même que vous excellez en tout, en foi, en parole, en connaissance, en empressement de tout genre, et en votre amour pour nous, faites en sorte d'exceller aussi en cette œuvre de grâce ». FAITES EN SORTE D’EXCELLER. Izay ilay hoe : tian’ny Tompo isika ry havana ô, ho « excellent ». Ary tsy ny Tompo ihany no tia antsika ho « excellent », na iza isika na iza. Ny vadintsika tia antsika ho « excellent », ny zanantsika te hanana ray amamn-dreny « excellent », ny ray aman-dreny te hanana zanaka « excellent ». Ary izay ny programan’ny Tompo ho antsika anio : AOKA IANAO HO « EXCELLENT ». Ary atoron’ny Tompo amin’ny alalan’ireo texte 3 amin’ny perikopa androany ny lalan’izany hoe « excellence » izany.

Andao ary jerentsika ny Deoteronomia 8. Ny Fahamarinana 1 ry havana dia izao : NY OLONA « EXCELLENT » DIA MIANKINA AMIN’ANDRIAMANITRA.

Deoteronomia 8 : 6 : « Ary tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin’ ny làlany sy hatahoranao Azy ».

Ahoana moa izany no hanazavana an’izany hoe : ny olona « excellent » dia miankina amin’Andriamanitra ? Io and.6 io mazava : ny olona « excellent » ry havana, dia tsotra be : olona mitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitra. Izany efa haintsika izany. Ary efa ataontsika na tsy ataontsika ; fa isika no maty antoka rehefa tsy manao izany. Fa ahoana hoy ny and.6 ? « Ary tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin’ ny làlany ». Rehefa mitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitrao ianao, rehefa izay ihany ry havana ô, dia mandeha amin’ny làlany ianao, miara-dàlana aminao Izy. Ary satria miara-dàlana aminao Izy, na iza na iza ianao, ary na aiza na aiza alehanao, dia afaka miankina Aminy ianao. Afaka miankina Aminy ianao. Izay ilay izy ry havana. Raha mitandrina didy ianao, izay faran’izay tsy tianao, dia mandeha amin’ny làlany ianao ; ary satria miray làlana aminao Jehovah, miray làlana amin’i Jehovah ianao, na mandeha amin’ilay làlana izay nosoritany ho anao ianao, dia afaka miankina Aminy ianao.

Tsy misy olona miankina amin’i Jehovah ka tsy manokatra Baiboly izany. Ary tsy misy olona miankina amin’i Jehovah ka tsy mitandrina ny didiny. Tsy mi-existe izany ry havana ô.

Aiza ho aiza moa izao ny fiainantsika amin’izao 2021 izao ? Ahoana ny fampiarana an’izany ? Jereo kely ery amin’ny and.14, Deoteronomia 8 :14 : mampitandrina ny Soratra Masina : « dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana ». Isika talohan’ny nandraisana an’i Jesoa, efa haintsika tsara izany, hoe : tao amin’ny trano nahandevozana, teo ambany vahohon’i Satana. Izay izany, talohan’ny nandraisantsika an’i Jesoa. Iray izay. Navoaka avy any amin’ny trano nahandevozana isika, an-dàlana ho any Jerosalema Vaovao isika. Izany ny fiainako sy ny fiainanao ry havana ô. Ary eny an-dalàna isika, ohatrany tamin’ity Zanak’Isiraely ato amin’ny Baiboly ity : any an’efitra isika. Any an’efitra isika. Tsy ohatran’ireny any amin’ny désert-ny Sahara na ohatrany any amin’ny désert-ny Sinai tany, araka izay ahafantarantsika izany hoe désert izany ; fa toy ny any amin’ny déert isika nanomboka tamin’ny fotoana izay nandraisantsika ny Tompo ka itarihiny antsika any an-danitra. Haintsika tsara ilay hira 444 hoe : « Ry Raiko feno antra! Inty ny zanakao, Ny foko dia mahantra Raha lavitra aminao »; dia ahoana hoy izy ? « Fa tany karankaina izao tontolo izao ». Fa tany karankaina : ao amin’ny désert isika izao. Ao amin’ny tany karankaina isika izao ry havana ô. Ary ho antsika izay ao amin’ny tany karankaina izao hafatra izao. Dia ilay hafatra, faran’izay tsotra : any amin’ny désert isika izao, any amin’ny désert isika izao e, ety amin’ny tany karankaina isika izao e.

Ary maninona no tokony hiankina amin’Andriamanitra ? Fa nahoana no tokony hiankina amin’Andriamanitra ? Satria tsy misy mahavita tena isika mianakavy. Tsy misy mahavita tena isika mianakavy. Ary tsy misy, na anankiray akory ary amin’ny lafim-piainantsika, tsy misy amin’ny lafim-piainantsika hoe azo sarahina amin’ny fiahian’Andriamanitra, amin’ny fiankinan’Andriamanitra. Tsy mi-existe ry havana ô. Tsy misy izany. An-dalàna isika, toy ny any amin’ny tany karankaina isika, tsisy mahavita tena isika : tsy maintsy, tsy maintsy, tsy maintsy miankina amin’Andriamanitra.

Misaotra ny Tompo ny amin’izany katekisma mazava be izany. Misaotra ny Tompo ny amin’izany katekisma azo antoka izany. Fa izao, ny problemantsika dia izao : ampidinina avy eto (saina/loha), manketo (fo) izany zavatra izany. Ary eo no tena tantara be. Hoy ny mpitoriteny hoe io ny 30cm tena lavitra indrindra ary tena ilàna fotoana indrindra : ny ialana avy eto (saina/loha), manketo (fo). Sarotra indrindra. Dia ahoana no ataon’ Andriamanitra mba hamidinana azy avy ato (saina/loha), mankato (fo) ? Ahoana no ampidinany azy ry havana ? Zahàny toetra isika mianakavy. Zahàny toetra isika. Ary manomboka anio, manontania tena ianao amin’ny Tompo hoe : « inona no tianao ampahafantarina ahy amin’izao fizahan-toetra, na amin’izao fizahan-toetra mivaivay izao ? ». Izany ny tenin’ny olona « excellent ». Izany ny tenin’ny olona te hiankina amin’Andriamanitra : « Tompo ô, ampahafantaro ahy ary hoe inona no tianao mbola hanadiovana ny foko ».

Nahafinaritra ilay teny-na mpitoriteny anankiray izay. Hoy izy : Andriamanitra anie mahafantatra ny ao am-ponao io e ; mahafantatra Izy, hainy tsianjery io ; fa ny problema : ianao no tsy mahafantatra ny ao am-ponao. Izaho no tsy mahafantatra ny ao am-poko ry havana ô. Ary ilay fizahan-toetra, tsy hoe ampahafantarina ahy an’Andriamanitra, izay efa fantany ny momba ny foko ; fa ampahafantarin’Andrimaanitra ahy, ahatonga saina ahy hoe : « izao ange ny fonao Pasitera io e ». Izany ry havana ô, izany. Satria ianao tsy tiako hoe ny titre maha-Pasitera no hidiranao any an-danitra ; fa ny fonao miankina Amiko no hidiranao any an-danitra, ry havana.

Meteza ho « excellent », meteza hiankina amin’ny Tompo amin’ny lafim-piainanao rehetra. Meteza hitandrina ny didiny e. Ary ny Fanahy Masina hitarika antsika ho amin’izany ry havana ô.

Ny amin’ny Zanak’Isiraely, eto amin’ny Deoteronomia 8 : niteny Andriamanitra hoe tsarovy ange ny lasa e. Ny lasa : navelako ho noana ianareo, navelako ho noana. Tsy hoe fahasiahana, tsy hoe tsy fitiavana : navelako ho noana ianareo e. Manomboka anio ry havana, rehefa tsy ampy ny ao am-bilia, manomboka anio ry havana rehefa tsy misy atokona ianao : isaory Andriamanitra fa miasa ao aminao Izy, mizaha toetra anao, mba hitomboanao amin’ny fiankinam-po Aminy. Fa tiany ampidirina any an-danitra ianao. Navelako ho noana ianao, ho Izy, namela anao ho noana aho, ary tao anatin’iny hanoanana iny, tao anatin’ny hanoanana : nomeko mana ianao, omeko mana ianao.

Mahafinaritra ilay fizahan-toetra ry havana, rehefa dinihina. Satria ilay fizahan-toetra mampitodika antsika any an-danitra. Mana avy any an-danitra no sakafo mahavoky ry havana ô. Probablement misy amintsika misakafo hanim-pito loha isan’andro, misakafo in-telo isan’andro : tsy izany no hanin-kahavoky e. Tsy izany no hanin-kahavoky. Fa ilay mana avy any an-danitra. Ary raha mbola tsy misakafo mana avy any an-danitra isika, dia hanamarina hoe tany karankaina ity iainantsika ity ; na mahantra fadiranovana ianao, na multimillionnaire ianao : tany karankaina ity misy antsika ity ry havana ô. Fa izao : « navelako ho noana ianao, nevalako ho noana ianao ». Ary jereo anie ny fiahiako anao e, jereo ny fiahiako anao : ny fitafianao, hoy ny and.4 hoe : « Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto nandritra ny efa-polo taona ». Izay ilay izy. Fa izao : rehefa miteny ny Soratra Masina hoe, and.5 : « Koa aoka ho fantatrao amin’ ny fonao, fa tahaka ny fananaran’ ny olona ny zanany no fananaran’ i Jehovah Andriamanitrao anao ». Tsy hoe Jehovah Andriamanitra ry havana no mizaha toetra anao, fa Jehovah Andriamanitra, indrindra ho antsika kristiana, izay azontsika antsoina hoe Ray noho ny amin’i Jesoa Kristy ; niteraka antsika Izy, dia te hanana zanaka vanona Izy dia anariny isika, faiziny isika. Fa te hanana zanaka vanona Izy e. Te hanana zanaka « excellent » Izy ry havana. Izay ilay izy. Ary zahany toetra isika anadiovana ny fontsika amin’ny fiheveran-tena ho zavatra ; Ary io fiheveran-tena ho zavatra io : malaky miverina io. Mety diovina ianao, dia ambinina ianao, dia manankarena ianao, dia tonga ery amin’ny and.11 sy ny manaraka hoe : adinonao. Rehefa mihinana sy misotro ianao, migalabona ao amin’ny trano ngezabe ianao : adinonao Jehovah, adinonao Jesoa. Miverina indray ilay avonavom-ponao.

Fa izay ilay hafatra voalohany, ho an’ny olona izay te ho « excellent » ry havana ô. MIANARA MIANKINA AMIN’I JESOA – ANKATOAVY NY TENINY. Intérêt-nao izany. Tsy morale izany, tsy fahateren-tsaina izany. Te ho any an-danitra ianao : ankatoavy ny tenin’i Jesoa, dia hitombo amin’ny fiankinam-po ianao, ary ho « excellent » ianao mandritra ny fiainanao ety amin’ny tany karankaina ety. Fa mitady olona « excellent » ny Fiangonana, mitady olona « excellent » ity firenentsika ity ry havana ô, hitantana azy. Izay ihany no hanavotana an’ity firenena ity. 

Lioka 22. Ny Fahamarinana 2 dia izao : izany olona « excellent izany ry havana ô, dia olona attaqué-n’i Satana isan’andro isan’andro, tadiaviny ho kororohina isan’andro. Dia inona no ataon’ny olona « excellent » eo anatrehan’ny attaque-n’i Satana? Mangata-bavaka amin’i Jesoa. NY OLONA « EXCELLENT » DIA MANGATA-BAVAKA AMIN’I JESOA.

Lioka 22 : 31-32 : «   Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao ».

Manazava ny fiainany Jesoa eto, manazava an’izany hoe fiainam-panarahana Azy izany. Eo Satana mahita ny mpianatra hanaraka an’i Jesoa, dia hoe : milofo mitady ireo mpianatra ireo hokororohiny, ho cribler-ny. « Satana efa nilofo » ; miteny amin’i Petera Izy : « Satana efa nilofo nitady anareo ireo ho cribler-na. Fa izao : izaho nivavaka ho anao Petera, Izaho nivavaka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao ». Rehefa any an-danitra isika ry havana, anontaniantsika amin’i Jesoa hoe fa maninona moa i Petera ihany no nangatahanao, fa ny hafa tsy nangatahanao rhaa hoe nitady azy ireo Satana hokororohina ? Bon. Tsy any ny problema. Ny problema dia hoy isika hoe, ilay Fahamarinana izao dia hoe : EO ANATREHAN’NY ATTAQUE-N’I SATANA, NY OLONA « EXCELLENT » DIA MANGATA-BAVAKA AMIN’I JESOA.

Ary ianao rehefa tsy mahatsiaro ny attaque-n’i Satana, mieritrereta kely, mieritrereta kely : efa miverina eo ambany vahohony ianao izay. Efa tafaverina eo ambany vahohony ianao izay. Fa hoe : eo anatrehan’ny attaque-n’i Satana, dia mitodia amin’i Jesoa, dia teneno Izy hoe : « Jesoa an, Jesoa an, tahaka ny nataonao tamin’i Petera, nangataka ho azy Ianao ; mangataha ho ahy, mangataha ho ahy eo amin’ny Ray, satria Ianao zokibe-ko Ianao, eo anilan’ny Ray ; Mangataha ho ahy Jesoa an ». Izay ilay izy. Amin’ny teny frantsay : « J’ai prié pour toi. Jésus : prie pour moi. Jésus : demande pour moi ». Izay ilay izy.

Nanana ohatra tsara be isika ry havana tamin’ny mofon’aina tamin’ity volana ity. Jerentsika ange ny ao amin’i Joba e. Lehilahy marina, lehilahy marina fa notadiavin’i Satana hokororohina ary tena nokororohiny ry havana ô, nokororohiny. Ary tena hoe modely ity Joba ity Joba 1 :12 : « Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tànanao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tànanao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’ i Jehovah ». Dia eo amin’ny and.13 sy ny manaraka ny ombin’i Joba, ny boriky vaviny, ny ondry aman’osy, ny ankizilahiny, ny mpanampy azy izany, ny ramevany : babo, maty, ny zanak’i Joba lahy, ny zanak’i Joba vavy : maty, sy ny tahaka izany. Izay ilay hoe nokororohin’i Satana i Joba ry havana ô, nokororohin’i Satana i Joba. Fa inona no zavatra lazainy ery amin’ny and. 21-22 : « sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’ i Jehovah. Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’ Andriamanitra ». Mafy ange izao ry havana e, mafy ange izany hoe very fananana izany e ; mora am-pitoriana izany e. Mafy anie izany, mangidy sy mafaitra anie izany hoe maty daholo ny zanakao izany e. Fa tsy nanome tsiny. Izany ny olona « excellent ». Tsy nanome tsiny an’Andriamanitra i Joba. Tsy nanome tsiny tao anaty fizahan-toetra. Dia mbola niverina indray, niverina ni-attaque azy indray Satana ao amin’ny toko 2 : feno vay ny tenan’i Joba ry havana. Andao ange iarahana mamaky ny and.10 e : « Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ ny anankiray amin’ ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’ Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ ny molony Joba ». Tsy nety nanome tsiny an’Andriamanitra hatramin’ny farany izy, na dia miteny aza ny vadiny hoe : inona izany Andriamanitra izany e ? Inona no ilàna an’izany Andriamanitra izany ? Fa ity ry havana, tsara ny manoritra an’ity zavatra ity : Satana mi-attaque. Omen’Andriamanitra alalana, omen’Andriamanitra permission izy. Voasoratra eo izany. Fa ny zava-dehibe ry havana, mitady Satana, hoe mitady antsika hokororohina : Andriamanitra mametraka an’ilay limite-n’ilay fikororohana antsika. Andao ange averina vakiana ny and.12 e : « Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tànanao izay ananany rehetra (ny fananany izany, hatramin’ny zanany) ; fa ny tenany ihany... Omeko limite ianao. Dia ery amin’ny toko 2 :6 : « Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro, eo an-tànanao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana ». Ny ainy tokana ihany ho aza asiana.

Ry havana ô, ataoko fa efa fantatsiaka hoe ilay tanjona, ary tena sarotra tratrarina : ny any an-danitra ry havana ô. Fa izao : mitady olona « excellent » Andriamanitra ho ampidirina any. Ary ilay olona « excellent » na te ho « excellent » iny : tadiavin’i Satana hokororohina isan’andro. Fa n’inon’inona ataon’i Satana : Andriamanitra manome ny limite ; Andriamanitra manome ny limite ry havana ô, amin’ny action-n’i Satana. Andriamanitra no manome limite. Tsy Satana no manome ny limite ; Fa Andriamanitra no manome ny limite. Fa antin’izany hoe attaque-n’i Satana izany : mangataha vavaka amin’i Jesoa. Ary rehefa miteny Jesoa amin’i Petera, dia hoe : Izaho nangataka ho anao, Izaho nivavaka ho anao, sous-entendu fa hoe tsy tiako ianao ho lasa tahaka an’i Jodasy izay tsy nahatohitra an’i Satana n’inon’inona fomba fijery azy. Mba tsy hisy ho lasa tahaka an’i Jodasy isika mianakavy ry havana ô.

Izay ny Fahamarinana 2 : NY OLONA « EXCELLENT » DIA ATTAQUE-N’I SATANA ; FA EO ANATREHAN’NY ATTAQUE-N’I SATANA DIA MANGATA-BAVAKA AMIN’I JESOA.

Ny Fahamarinana 3 farany ry havana, dia hoe : NY OLONA « EXCELLENT » DIA « SINCERE » AMIN’NY FITIAVANA

Andao ange vakiantsika ny 2 Korintiana 8.  Rehefa avy niteny ny Apostoly Paoly teo amin’ny and.7 hoe : « aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao », « faites en sorte d'exceller aussi en cette œuvre de grâce » ; iarahantsika mamaky ny and.8 hoe : « Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon’ ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan’ ny fitiavanareo koa ». Ilay tapany farany, hoe : « mba hizaha toetra ny hamarinan’ ny fitiavanareo koa ». Ahoana no andikan’ny Segond an’ilay hoe : « mba hizaha toetra ny hamarinan’ ny fitiavanareo koa » ? « Pour éprouver la sincèrité de votre amour ».

Ry havana, mino aho fa raha mampanangan-tanana, dia 100% ny hananga-tanana hoe : « izaho tia an’i Jesoa ». 100%. Fa tian’Andriamanitra éprouver-na, tian’Andriamanitra zahana toetra ry havana ô, ny hamarinan’izany fitiavanao izany, ny « sincérité » an’izany fitiavanao izany. Ary izay no mahatonga an’ilay Fahamarinana 3 hoe : NY OLONA « EXCELLENT » DIA « SINCERE » AMIN’NY FITIAVANA. Ary ny olona « sincère » amin’ny fitiavana : izay ihany no hiditra any ry havana ô. Izay ihany, izay ihany.

Inona no fenitra, na hoe mari-drefy ahafantarana hoe « sincère » ny fitiavanao ato amin’ny 2 Korintiana 8 ? « Sincère » ny fitiavanao rehefa TIA MANOME HO AN’I JESOA IANAO. « Sincère » ny fitiavanao Azy rehefa tia manome ho an’ny Fiangonana ianao, tia manome ho an’i Jesoa ianao. Izay ry havana.

Inona ny zavatra ampianarin’ny Soratra Masina eto ? Hoe : manodidina antsika, eo amin’ny fiaraha-monina ; manodidina antsika, eo amin’ny christianisme dia maro ny olona trna hoe mahantra, maro ny olona tena hoe « crise ». Dia inona ny hafatra ho antsika ry havana eo anatrehan’izany « crise » izany ? Io « crise » io dia antso ho antsika isan’andro hoe : « sincère » ve ny fitiavanao an’i Kristy e ? Raha « sincère » ny fitiavanao an’i Kristy : inona no ataonao ho an’ireo mahantra, ho an’ireo malahelo ireo ?

Iza ny olona itenenana eto ? Tsy ao amin’ilay perikopantsika aloa no itenenana eto e. Fa mahavariana mihitsy, ao amin’ilay tapany voalohany amin’ilay perikopa, izay tsy androany : olona mahantra ao anaty krizy ihany koa no hoe te hanome. Izy no nangataka, izy no niady varotra. Tsy manao ohatrantsika hoe : « Pasitera an, tena izaho aloa mifona fa ny adidin’ny mpandray, ny rakitra tena anona fa « crise » izao.Ry zareo tany Makedonia ry havana, dia hoe : krizy izy, nefa reny hoe nila vola, nila fanampiana ara-bola ny Fiangonana lehibe tany Jerosalema, izy no tena niady varotra hoe : mba avelao re izahay e, handray anjara amin’izany levée de fonds izany, izany famoriam-bola izany. Izany ny olona « excellent » izany ry havana ô. Izany ny olona manana « amour sincère » ho an’Andriamanitra.

Fa eto amin’ily perikopa indray, tohizana ilay fampianarana dia ohatr’ohatran’izao indray ilay fampianarana : mitodika amin’ny olona manana, manana ny amby ampy ; na mitodika amin’ny olona faran’izay manana. Ary tsotra ilay fampianaran’ny Soratra Masina eto, tsotra ilay fampianaran’ny Apostoly Paoly eto : ianao manana ny amby ampy, ianao mpanankarena mpanefoefo ; possible izany : avy amin’Andriamanitra izany. Fa izao : raha te ho « excellent » ianao, raha manana « amour sincère » ho an’i Jesoa ianao : nataony manankarena ianao ahazoanao manampy, manampy ara-bola ny mahantra ry havana ô. Izay ilay hafatra eto. Izay ilay « amour sincère ». Izay ilay fihetsiky ny olona « excellent ».

Raha ny marina izany, raha ity texte ity, tsy fantatro raha azo lazaina ny hoe : tsy misy kristiana tokony ho milliardaire izany. Fa ny azoko antoka : tsisy kristiana tokony ho multi-milliardaire izany. Tsy mi-existe izany, tsy manana « amour sincère » izany. Satria io milliard-nao vitsivitsy maromaro io, dia milliard angoninao eo, fa tsy nomenao ny mahantra izay miandry an’ireo. Ary hanadinana anao izany, ary asa ianao raha ho tafiditra any an-danitra miaraka amin’ireo milliard vitsivitsy maromaro ireo.

Entitra ny Tompo ry havana, satria raha misy zavatra tena mahamafy fo, mahamafy tanana antsika, dia io vola io ; io vola io : io vola kely io, io vola be io. Ary miresaka ny Mana ny Soratra Masina tary amin’ny Deoteronomia ; miresaka ny Mana indray izy eto, ery amin’ny and.15 dia hoe : tamin’ny Mana ange dia : « Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy ». Izany ho Andriamanitra mandatsaka an’ilay Mana, Andriamanitra dia mandatsaka an’ilay Mana. Dia samy maka izay sahaza avy ilay olona ; fa tsy afaka manangona ianao ; satria tratran’ny fahalovana, tratran’ny fahalovana ilay Mana iny raha mialin’andro, raha mieritreritra ianao hoe : « an an an, kamo hivoaka aho rahampitso » ; iray izay ; rhaa mieritreritra ianao hoe : « an an an, sao dia tsy milatsaka io rahampitso ». Tsy mahatoky an’Andriamanitra, satria tsy miankina amin’Andriamanitra. Manana amby ampy. Ary ny fanomezan’Andriamanitra ry havana, dia hoe, araka ny tenin’i Paoly eto, hoe : misy « règle d’égalité » eo anatrehan’Andriamanitra ; fa raha hoe nomen’Andriamanitra mitafotafo na hare-miompampana ianao : fantaro manomboka anio fa hoe tsy natao ho koboninao any amin’ny banky io ; fa natao hanampiana, hanavotana ny mahantra. Izany ny olona « excellent » ry havana ô.

Ny Tompo ry havana, izay nanome antsika avy any an-danitra izany hafatra izany, satria miandry antsika any an-danitra Izy e ; izany ange no vetesina eto e, isan’Alahady e ; ny Tompo izay nanome antsika an’izany hafatra izany avy any an-danitra, ary miandry antsika any ry havana ô, no hiasa ao am-pontsika e, hanapotika izay mety avonavom-po, izay mety ho fiheveran-tena ho zavatra izay mety fiheverana hoe « izaho mahavita tena, izaho manan-tsaina, ny sandriko dia ohatran’izao sy ohatran’izao » ; ny Tompo hanapotika, handevona izany eritreritra rehetra izany. Hamboly ao amintsika Izy, tena hoe fo miankina tanteraka Aminy, fo vonona hitandrina ny didiny an, fo mihazakazaka any amin’i Jesoa eo anatrehan’ny attaque-n’i Satana, hoe : « Jesoa an, prie pour moi, intercède pour moi, demande pardon pour moi à ton Père et à mon Père, ary voleo ato amiko izany « amour sincère » izany ka manomboka anio, hoe fantatro fa izay vola rehetra fanampiny, rehefa hoe vita izay nividianako ny hanina sahaza ho ahy, ho an’ny zanako, ho an’ny taranako, mba manana trano aho, mba manana hanaovana vacances sy ny ohatran’izany an ; izay ambiny ao dia hoe natao ho an’ny malahelo ». Enga anei ka izany no asan’ny Tompo ao aimntsika dia ho « excellent » hahafaly azy isika mianakavy an.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, ary ho amintsika ny fahasoavany. Amena