Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 22 AOG 2021

Filipiana  1. Misaotra ny Tompo ny amin’ny teny izay omen’ny Fanahy Masina antsika ; teny fanta-daza, teny mampieritreritra, tena hampahery. Filipiana 1 :6 : « Ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ny andron’i Jesoa Kristy ».

Raha fintinina ry havana ny hafatra ho antsika Fiangonana amin’izao maraina izao, dia azo fintinina tahaka izao, hoe : APETRAO EO AN-TANAN’I JESOA NY HO AVINAO DIA HO TANTERAKA, HO PARFAIT IZANY HO AVINAO IZANY. Ho parfait ny ho avinao, tsy noho ny fahaizanao ; vao notenenina isika teo tao anatin’ny hira hoe fohy ny fisainanay. Ho parfait ny ho avinao, tsy noho ny herin’ny sandrinao ; fa ho parfait ny ho avinao noho ny zavatra ho ataon’i Jesoa ary efa ataony ho anao. Apetrao eo an-tanan’i Jesoa ny ho avinao.

Mahatoky indrindra aho, hoy ny Apostoly Paoly, fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany. Fa inona moa izany asa tsara natombok’Andriamanitra tao amiko sy tao aminao izany ? Ny valiny, efa fantatsika : ny nanaovany antsika ho olom-baovao. Tamin’ny fotoana toy inona isika no nataony olom-baovao ? Tamin’ny fotoana izay hoe namindrany antsika hiala tamin’ny fahafatesana ara-panahy izay nisy antsika noho ny fahadisoantsika, ho amin’ilay fiainana ao Aminy, ao amin’ny fanjakany. Tamin’izay isika no navotany, tamin’izay isika no nanaovany an’izany asa tsara, nanombohany an’izany asa tsara izany, dia nataony ho olom-baovao.

Maninona no tsy tapitra ilay asa tsara ry havana ? Nataony olom-baovao ; ny fomba ilazana azy koa, hoe : nateraka indray. Dia ohatran’ny zazakely rehetra vao nateraka ry havana : ie, ampianarina ianao : ampianarina mandeha ianao, ampianarina miteny ianao, ampianarina izay fomba ao an-tranon’i Dada sy Neny ianao etc… izay tsy voatery hitovy amin’ny fomban’ny ankohonana hafa. Raha maka ny sarin’ilay faha-jentilisana teo isika dia hoe : nesorin’Andriamanitra isika, nongotany avy tamin’ilay faha-jentilisana nisy antsika taloha dia hoe ampianariny hoe : an an an, izao no fomba miaraka amin’i Jesoa, izao ny fanao, izao no fiteny ; fa tsy ohatran’ilay tany amin’ilay faha-jentilisana intsony. Ary dia hoe Andriamanitra no nanomboka an’izany asa tsara izany. Ary amin’izao 22 Août 2021 izao : mbola manohy izy, manohy izy ambara-pahatongan’ny perfection ry havana ô. Izany no hitenenantsika hoe: apetrao e, apetrao eo am-pelatanan’i Jesoa ny ho avinao.

Izao manko ry havana : araka ny efa nolazaina teto ombieny ombieny, hoe : maro ny tanora ato ; eo ianao tanora, vao manomboka ny fiainanao, eo izahay ray aman-dreny. Ho anao tanora : ny andro mamiratra rehetra dia mbola ho avy ; ny andro mamiratra, hamirapiratan’i Jesoa : mbola ho avy izany. Ho antsika efa lehibe : na inona na inona situation-tsika: ny andro mamiratra, dia mbola ho avy, na fara-fahakeliny mamiratra noho ny tamin’izay lasa izay.

Ary izao ny Fahamarinana 1 izany, ho antsika izay afarana hoe : « Apetrao eo an-tanan’i Jesoa ny ho avinao » ; Ny Fahamarinana 1 dia hoe : TSAROVY FA ANDRIAMANITRA MAMPIBANJINA ANAO NY HO AVINAO.

Inona moa no tena dikan’izany ? Naka ilay ohatry ny ankizy isika teo :teraka dia mitombo eo anivon’ny ankohonana. Afaka maka ny ohatry ny voankazo nambolena isika. Iny voankazo iny, mila fotoana koa ry havana vao matoy tsara. Mila fotoana izy vao matoy tsara. Ary alohan’ilay fotoana maha-matoy azy an, tsy azo atao na inona na inona ilay voankazo. Dia tahaka an’izany ny fiainantsika ara-panahy ry havana ô. Tsy maintsy manam-paharetana isika. Tsy maintsy manam-paharetana isika ny amin’ny tenantsika. Tsy ho kivy isika : « oay letie, izaho ity efa firy taona firy taona no miangona mbola ohatran’izao ihany, tsy mbola ohatran’i Ra-anona ». Tokony hanam-paharetana isika amin’ny tenantsika : tokony hanam-paharetana koa isika amin’ny hafa ry havana ô, tahaka ny ananan’Andriamanitra faharetana amintsika. Fa rehefa manana faharetana isika, dia hoe : ao an-tsaintsika ilay tenin’ny Apostoly Paoly hoe : matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinao hahatanteraka izany e.

Mahafinaritra loatra ilay filaza hoe : « Avec Jésus, le meilleur est encore à venir ». Ary izay meilleur izay, tsy hoe noho ny ataonao, araka ilay efa voalaza teo, fa noho ny ataon’i Jesoa ho anao ry havana ô. Izany io ampahatsiahivin’ny Apostoly Paoly io. Dia misy olona eto izao, mety hiteny hoe : « ka tsy fantatr’i Pasitera ny situation’ko ». Ry havana ô, tsy fantatro ny situation-nao, fa Jesosy mahalala ny situation-nao ary Jesosy lehibe noho ny situation-nao, ary miteny Izy hoe : « Izaho mitantana anao ho any amin’ny perfection ». Dia misy mety hiteny indray hoe : « tsy fantatr’i Pasitera ny situation-ko, fa izaho : anisan’ny mety be indrindra ny situation-ko ato am-piangonana ato ». Tsia ry havana ô, maty antoka ianao raha situation tsy napetraka teo an-tanan’i Jesosy fa hoe tamin’ny herin’ny sandrinao. Diso anjara amin’ilay ho avy mamirapiratra omanin’i Jesosy ho anao ianao e. Diso hevitra ianao, ary ho diso anjara ianao ry havana ô.

Fa izay ny hafatra ho antsika, hoe : ANDRIAMANITRA MAMPIBANJINA ANTSIKA NY AMIN’IZANY HO AVINTSIKA TSIRAIRAY IZANY. ARY ISIKA DIA ASAINY MANANTENA IZANY HO AVY MAMIRATRA, IZANY HO AVY PARFAIT IZANY.

Misaora an’Andriamanitra ianao tonga tato an-tranon’Andriamanitra tato, fa tsy henonao any amin’ny arabe izany, tsy henonao any amin’ny restaurant izany haatra izany. Fa hafatra ho anao manokana izany.

Afarana isika izany hoe : APETRAO EO AM-PELATANAN’I JESOA NY HO AVINAO ; dia ny olona mandray an’izany hafatra izany dia afarana, hoe : Fahamarinana 1 : TSAROVY FA ANDRIAMANITRA MAMPIBANJINA ANAO HATRANY NY HO AVINAO.

Ny Fahamarinana 2 dia izao ry havana : TSAROVY INDRAY KOSA, FA SATANA MAMPIBANJINA ANAO NY LASANAO.  SATANA MAMPIBANJINA ANAO NY LASANAO.             

Haintsika Isotry tsara ilay Jaona 1 :12 hoe : « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany ». Rehefa tonga zanak’Andriamanitra ianao ry havana, araka izay namaritan’ny Jaona 1 azy teo ; rehefa tonga zanak’Andriamanitra ianao : ny mahita an’izany voalohany dia Satana. Izy no mahita an’izany voalohany. Andriamanitra mahita ; fa Satana no mahita an’izany voalohany koa. Ary fantatr’i Satana tsara ilay ho avy mamiratra, ilay ho avy tanteraka izay omanin’ny Rainao ho anao. Ary dia tena hoe mahatezitra azy izany, ary sakanany ianao tsy hieritreritra an’izany ho avy mamiratra izany. Ary izay no nahatonga ilay Fahamarinana 2 mana hoe: SATANA INDRAY KOSA DIA MAMPIBANJINA ANAO NY LASANAO. MAMPIBANJINA ANAO NY LASANAO. Satria maninona ? Rehefa ny lasanao no banjininao ry havana ô, tsy hiroso ianao ary tsy handroso ianao handova izany  ho avy mamiratra nomanin’i Jesoa ho anao izany. Ny Salamo 139 :16 manao hoe : « Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho ; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry ». « Fony tsy mbola ary fady aza aho ; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry ». Inona no ampahatsiahivin’ny mpanao Salamo antsika ry havana ? Ho antsika zanak’Andriamanitra : ny tompon’ny teny farany eo amin’ny fiainako sy eo amin’ny fiainanao ry havana ô, ny tompon’ny teny farany dia Andriamanitra, fa tsy ny devoly, tsy ilay mpiapanga ry havana ô. Andriamanitra ry havana ô, Andriamanitra no tompon’ny teny farany androany. Ary isan’andro, raha mety ianao, dia Izy no tompon’ny teny farany. Manomana ho anao izy avenir mamiratra izay. Hoy ny mpanompon’Andriamanitra anankiray izay hoe : « Dieu ne veut que le meilleur pour toi. Il ne veut que le meilleur pour toi. Et laisse-moi te dire ceci : son meilleur est meilleur que ton meilleur ». Son meilleur est meilleur que ton meilleur. Ary azo antoka io ry havana ô. Andriamanitra tsy mba olona ka handainga e, tsy zanak’olombelona ka hanenina amin’ny zavatra teneniny. Fa rehefa milaza Izy, dia efainy. Dia rehefa miteny izy dia ho tovony, ho tovony izany avenir mamiratra ho anao izany. Fa araka ilay notenenina teo : eo ny devoly fahavalo, eo ny devoly mpiapanga : inona no zavatra amenoany ny sainao ? Zavatra mikasika ny lasanao ry havana ô, zavatra mikasika ny lasanao. Dia ahodiny ao an-tsainao : « ianao io ange taloha ohatran’izao e », « ianao io tsy avotra intsony an », « ary tsy tadidinao intsony angaha ilay tahaka an’izao ». Izany no mameno ny saintsika. Tsy afaka mibanjina ilay ho avy mamiratra omanin’Andriamanitra ianao ry havana ô. Aza aorina amin’ny lasanao ny fiainanao. Aza aorina amin’ny lasanao ny fiainanao. Fa banjino ry havana ô, banjino ny ho avinao. Ary raha apetrakao eo an-tanan’i Jesoa izany ho avinao izany : combat perdu d’avance izany an’ny devoly mampibanjina anao ny lasanao izany. Combat perdu d’avance.

TSAROVY : ANDRIAMANITRA MAMPIBANJINA ANAO NY HO AVINAO. NY DEVOLY KOSA MAMPIBANJINA ANAO NY LASANAO E.

Ny Fahamarinana 3 farany ho an’ny olona izay hoe asaina memetraka eo am-pelatanan’i Jesoa ny ho aviny, dia hitantsika ao amin’ny Filipiana 2 :12 : « Koa amin’ izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo ». Miasà amin’ ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Ilay Fahamarinana 3 dia hoe : IANAO IZAY NANAPAKA MARINA HOE AMETRAKA EO AM-PELATANAN’I JESOA NY HO AVINAO, NY ANDRASANA AMINAO FARANY : MIASA AMIN’NY TAHOTRA SY NY HOVITRA HAHATANTERAKA NY FAMONJENA ANAO.

Mety hanontany tena ianao hoe : fa ahoana marina ity famonjena ity e ? Vao tamin’ny herinandro isika no notenenina hoe : fahasoavana no namonjena antsika. Vao tamin’ny herinandro isika no nampahatsiahivina tao amin’ny Efesiana 2 hoe tsy avy amin’ny asa fandrao hisy hirehareha. Dia ahoana ary eto tenenin’i Paoly hoe : miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo ? Izaho, izay nanombohan’Andriamanitra an’ilay asa tsara araka ny natao teo am-piandohana teo, no itenenana hoe : miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anao. Inona ary ry havana no tian’ny Fanahy lazaina ? Inona no tiana ampahatsiahivina antsika ? Ilay hoe : « miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra » : tsy eo amin’ilay hoe « miasà » na ilay « asa » ny tsindrim-peo ; fa ilay toe-po, ilay toe-panahy feno tahotra sy hovitra. Izany no andao angatahantsika amin’ny Fanahy Masina, hoe : toe-po, toe-panahy feno tahotra sy feno hovitra.

Fa matahotra inona ? Mangovitra noho inona ? Matahotra aok’izany ny ampalahelo indray an’ilay Ray efa nanangana antsika ho zanaka ry havana ô. Efa nampihavanina taminy isika tamin’ny alalan’i Jesoa. Ny olona mahafantatra an’izany, nanombohan’i Jesoa izany asa tsara izany : feno tahotra sy hovitra izy sao hampalahelo indray an’ilay Andriamanitra efa nihavanany io. Angatao amin’ny Fanahy Masina ry havana ô, izany tahotra sy hovitra izany.

Tahotra sy hovitra. Matahotra, mangovitra maninona ? Sao hiverina amin’ny fahadisoana sy ny fahadalana efa nanafahan’i Jesoa anao ry havana ô. Matahotra sy mangovitra, fa tsy manao plivava fotsiny : « sambatra izay voavela heloka ». Matahotra, mangovitra na iza na iza ianao. Na Président de la République ianao na mpamafa trano : tsy izany no mahamay, fa hoe : toe-po sy toe-panahy feno tahotra sy hovitra ve ianao ankehitriny ry havana ô ?

Ary rehefa mamaky ny soratry ny teolojiana ry havana, dia hoe : ahoana no hananana an’izay toe-po sy toe-panahy feno tahotra sy hovitra izay ? Dia hoe : misy fiasana, outil na moyen, fiasa-pahasoavana ; avy amin’ny hoe « fiasana » : mpanao zavatra dia mila fiasana ; fiasa-pahasoavana na adika koa izy, rehefa mijery dictionnaire ianareo hoe : « les moyens de grâce ». Ny fahavarana amin’ireo moyens de grâce ireo no ambolen’ny Fanahy Masina ao aminao, ambolen’ny fahasoavan’Andriamanitra ao aminao izany toe-po sy toe-panahy feno tahotra sy hovitra izany ry havana ô. Inona ilay hoe « moyens de grâce » ? Anankiroa ilay izy :

  • Voalohany indrindra : ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra no fiasa-pahasoavana ampidinan’Andriamanitra ny fahasoavany ao amiko ry havana ô. Izay ilay « moyen de grâce » voalohany, izay ilay fiasa-pahasoavana voalohany.
  • Ny fiasa-pahasoavana faharoa dia ny Sakramenta. Ny Sakramenta no ampidinan’Andriamanitra ny fahasoavany avy any an-danitra ry havana ô. Ny Sakramentan’ny Batisa sy ny Sakramentan’ny fanasan’ny Tompo. Malahelo ihany ry havana ny tena ; misaotra ny Tompo moa fa isika irery no Fiangonana Fjkm hoe miditra indroa nefa misy fandraisana isaky ny miditra, afa-tsy ny Alahady faharoa misy asa sy fampaherezana ; tena mahavaky fo ry havana ô, rehefa hanomboka fandraisana ianao : misy olona efa amin’ny taona hoe tokony haha-mpandray azy, na hoe mpandray, hitanao mivoaka ery. Oadray, oadray. Ovay izany e, ovay izany e. Tsy hanananao ho avy mamiratra izany ety an-tany, tsy hanananao ho avy mamiratra mandrakizay izany ry havana ô. Tsisy resaka morale izany. Fahendren’Andriamanitra no nanomezana antsika fiasa-pahasoavana ny tenin’Andriamanitra sy ny Sakramenta anankiroa mba hiasan’ny fahasoavany ao amin’ny tsirairay. Ary io fahasoavana io no efa nikasika anao tamin’ny fahadalanao tany amin’ny faha-jentilisana. Io fahasoavana io no namonjen’Andriamanitra anao nampidirany aty am-bala. Io fahasoavan’Andriamanitra io, faranana ny teny, no ampitomboany ahy sy anao amin’ny fanahafana Azy Jesoa Kristy ; fahasoavana izany. Tsy hoe andeha haka diplaoma ary aho dia hitombo amin’ny fanahafana : non non non ; asan’ny fahasoavana izany. Ary farany, nefa tsy ny kely indrindra : io fahasoavan’Andriamanitra io no hoe hahatonga anao hanana fifaliana sy hankafy marina ; miala tsiny aho amin’ilay fitenenana, fa ilay Pasitera anankiray izay, tena nandona ny foko, hoy izy hoe : io fahasoavan’Andriamanitra io no hahatonga anao hi-jouir de la présence de Dieu.

Ho amintsika izany fahasoavan’Andriamanitra izany, ho amintsika Fiangonana izany fahasoavan’Andriamanitra izany ary ho an’ilay Andriamanitra velona irery ny voninahitra ry havana ô. Amen.                               

ALAHADY 15 AOG 2021

2 Korintiana 9 ry havana. Ny hafatry ny Tompo ho antsika amin’izao maraina izao dia faran’izay tsotra, efa haintsika tsianjery an : TANDREMO NY FITIAVAN-TENA, TANDREMO NY FITIAVAM-BOLA.

TANDREMO NY FITIAVAN-TENA, TANDREMO NY FITIAVAM-BOLA. Tsy misaraka ireo ry havana ô. Raha maka médaille anankiray ianao : amin’ny lafiny iray ny fitiavan-tena ; ao ambadika, ny fitiavam-bola. Tsy misaraka ireo e. Tsy misaraka ireo. Ary izay no mbola anafaran’ny Tompo antsika, hoe : TANDREMO NY FITIAVAN-TENA, TANDREMO NY FITIAVAM-BOLA.

2 Korintiana 9 :15 : « Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina ».

Ny olona mitandrina ny tenany tsy ho azon’ny fitiavan-tena, tsy ho azon’ny fitiavam-bola, dia mahatsiaro ny fanomezana nataon’Andriamanitra ho azy, fanomezana tsy hay tononina hoy ny Apostoly Paoly, dia inona izany ? Ny fiainana mandrakizay. Ny olona mahatsiaro nandray ny fiainana mandrakizay : tsy tratran’ny fitiavan-tena ry havana, tsy tratran’ny fitiavam-bola.

Rehefa miteny ny Soratra Masina hoe : « fanomezana tsy azo tononina », iza moa no tsy efa nandre an’izany voambolana hoe « fiainana mandrakizay » izany ? Nefa tsy azo tononina anie hoy ny Apostoly Paoly e. Ny hoe tsy azo tononina aloha, dia hoe tsy hay visavisaina. Tsy hay visavisaina izany fiainana mandrakizay izany. Ary manarak’izany : tsy azo tononina ; sarotra be ny hiteny avy ety amin’ny pilopitra hoe ohatran’izao izany fiainana mandrakizay izany. Fa izany no fanomezana nomen’Andriamanitra antsika tao amin’i Jesoa Kristy. Dia inona no ataon’ny olona izay hoe nandray ny fiainana mandrakizay ? Io amin’io and.15 io, hoe : « Isaorana anie Andriamanitra ». Misaotra an’Andriamanitra ny amin’ny hoe programany hanolotra ho antsika fiainana mandrakizay tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ary rehefa hoe mitombo amin’ny fisaorana isika ry havana ô, dia henontsika izany hoe : waouh, tena efa manana fiainana mandrakizay aho.

Mitomboa amin’ny fisaorana an’Andriamanitra, aza variana mamaky dictionnaire biblique. Mitomboa amin’ny fisaorana an’Andriamanitra noho izany fanomezana tsy hay tononina omeny anao izany, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Izay ny Fahamarinana 1 : MITOMBOA AMIN’NY FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY FIAINANA MANDRAKIZAY IZAY NATOLONY HO ANAO.          

Ny Fahamarinana 2 ry havana, ho an’ny olona izay hoe te hitandrina ny tenany amin’ny fitiavan-tena sy amin’ny fitiavam-bola, dia hoe : MAHAFOY BE. MAHAFOY BE.

Ary izany no nataon’ny Fiangonana tao Korinto, lazain’ny Apostoly Paoly eto amin’ny 2 Korintiana 8 sy 9 : olona tao anaty fizahan-toetra, olona tao anaty fahantrana, nefa nandray ny fiainana mandrakizay, dia nahafoy be ho an’ny kristiana nahantra tany Jerosalema, tànan-dehibe izany. Fa nandray an’ilay fanomezana be izy, dia nahafoy be. Jerentsika ny and.6-8 ry havana : « Fa izao no lazaiko : Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ ny fony avy, tsy amin’ ny alahelo, na amin’ ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra. Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra ». Izay ilay ataontsika hoe : ny olona nandray an’ilay fanomezana tsy hay tononina, dia ny fiainana mandrakizay, dia mahafoy be. Ary dia misy fahendrena ao hoy Jesoa an. Misy kajy ao. Inona ilay kajy ? Izay mamafy kely, izany hoe izay mahafoy kely ; izay mamafy kely dia kely no hojinjany. Ahoana moa izany ? Misy olona ao izany, manana voa be dia be, dia jereny ilay voa, dia hoy izy hoe : « an an an, ity kosa hohaniko ity e ; ity indray tehiriziko ity e » ; dia ilay ambiny an, afafiny mba hitomboany. Mazava ho azy ry havana, mazava ho azy, fa raha kely ny ambiny afafinao ao an, dia kely koa no hojinjanao. Izay ilay lazain’i Jesoa eto ry havana ô. Ary izay, tsy azontsika izay. Ilay lalàn’ny fambolena ao amin’ny tena fambolena : mihatra amin’ny fiainam-pinoana sy ny fiainana ara-panahy ry havana. Ary izay ilay ataontsika hoe : rehefa tia tena ianao, rehefa tia vola ianao, dia hoe : « an an an, ity kosa ho an’ny confort-ko ity e ». Izay ilay fitiavan-tena. « Ity indray ho an’ny sécurité-ko e ». Izay ilay fitiavam-bola. Fitiavan-tena, fitiavam-bola : « ity no afafiko », dia kely ny hojinjanao ry havana ô.

Tonga dia hoe ampiaro amin’ny resaka vola ny tenin’ny Soratra Masina, ny tenin’ny Fahamarinana : raha mamafy vola be ianao e, dia hijinja vola be. Raha mamafy vola be ianao, andramo, fa ho malala-tanana aminao Andriamanitra, ho malala-tanana aminao Andriamanitra. Tsy mandainga izany tenin’Andriamanitra izany ry havana ô.

Fijoroana vavolombelona ry havana : maro moa ny mpanompon’Andriamanitra, Pasitera miantso anay, mandalo ao aminay ao, dia mitady vonjy. Dia tamin’ny début Août teo, nisy mpanompon’Andriamanitra voatery nampiana, hoe ity tsy azo odiana tsy hita, tsy maintsy ampiana. Dia nampiana, nampiana, nampiana. Tsy tao anaty budget mihitsy izany. Nampiana ry havana. Misaotra ny Tompo ny amin’ny nahazoana nanampy an, misaotra ny Tompo ny amin’ny nahazoana nanao pratique an’ity. Début Août izay zavatra izay no nitranga. Vola bebe ihany no lany tao. Tamin’ny Zoma, afak’omaly ry havana, amin’ny 4ora30 eo, misy olona izay efa herintaona tsy hitanay ; izany hoe olona tsy mifanerasera ; hoy izy hoe « Pasitera an, sao dia ao ianao fa misy zavatra ateriko ho anao ? ». Eny ary. Tonga ilay olona. Inona no nateriny ? Valopy. Izay ny anton-diany : nanatitra valopy. Inona no tao anatin’ilay valopy ? Vola avo telo heny tamin’ny laninay tamin’ilay Pasitera nampianay tamin’ny début du mois. Nanamarina izahay ry havana ô, hoe : namafy be izahay, dia tena nijinja avy telo heny. Tsy mandainga io teny io e. Tsy mandainga io teny io. Ary manampy antsika hiady amin’ny fitiavan-tena, amin’ny fitiavam-bola ry havana ô.

Ary tsy amin’ny lafiny matériels na lafiny ara-bola ihany, fa amin’ny lafiny ara-panahy ihany koa : mamafy fahotana ianao an, mijinja fahotana ; mamafy fitsaratsarana olona ianao an, mijinja fitsarana olona ; mamafy famelan-keloka ianao, mijinja famelan-keloka be ianao.

Izay ny Fahamarinana 2 hoe : NY OLONA IZAY NANDRAY AN’ILAY FANOMEZANA TSY AZO TONONINA DIA MAHAFOY BE, MAMAFY BE KA MIJINJA BE. Andramo ry havana ô, andramo.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : NY OLONA IZAY NANDRAY AN’ILAY FANOMEZANA TSY AZO TONONINA, KA MAMAFY BE, MIJINJA BE, DIA MIJINJA VALIM-BAVAKA BE KOA. MIJINJA VALIM-BAVAKA BE KOA.

Jerentsika ny and.12 ;14 : « Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon’ ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’ Andriamanitra koa… ary amin’ ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben’ ny fahasoavan’ Andriamanitra aminareo ».

Hoy isika hoe : ny olona mahafoy be, dia mijinja be ary mijinja ihany koa valim-bavaka be. Efa notenenina teo izany : ny olona resahina eto dia olona tary Korinto tary, tary Makedonia tary, nanolotra vola ho fiantrana ireo kristiana latsaka anaty fahasahiranana ara-bola tao Jerosalema. Dia hoy ny Apostoly Paoly : ireo, hoy izy, tamin’izany fanomezana izany, tsy nahafaka fotsiny ny alahelon’ny olona masina, tsy mody nanome, nanome fe nanome izy an, fa tena nahafaka ny alahelon’ny olona masina.

Dia inona kosa no nataon’ireo kristiana tany Jerosalema ry havana, nandray an’ilay fanomezana avy any Korinto ? Nisaotra an’Andriamanitra. Nisaotra an’Andriamanitra be dia be noho ireo kristiana tany Makedonia. Izany hoe ilay fitiavana nasehon’ireo kristiana tany Makedonia izany an, ny setriny an : vavaka ho azy ireo : « Misaotra Anao izahay Andriamanitra ô, noho ireo Korintiana ireo ». Ary izay ilay mampitombo ilay fifankatiavana ry havana, ilay mifampahatsiaro am-bavaka ohatran’izany. Tsy possible ianao e, hankahala olona entinao am-bavaka. Tsy possible izany. Fa rehefa mitondra azy am-bavaka ianao, dia ampitomboan’Andriamanitra ao am-ponao izay fitiavana azy. Fa tsy hoe nisaotra an’Andrimaanitra fotsiny ny kristiana tao Jerosalema hoe « misaotra ny amin’ity vola ity, misaotra Anao ny amin’ireo kristiana tany Makedonia ireo ; and.14 : « amin’ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy ». Nisaotra an’Andriamanitra ry zareo tao Jerosalema ary nangataka tamin’Andriamanitra ho an’ireo kristiana tany Makedonia ireo ; nangataka tamin’Andriamanitra ho an’ireo kristiana tany Makedonia. Izany hoe nivavaka ireo kristiana any Korinto sy Makedonia, fa mbola mivavaka ho azy koa ry zareo avy any Jerosalema ry havana ô.

Ary mamy loatra ny dikan-tenin’ny version Segond amin’io and.14 io, hoe : « Ils prient pour vous avec tendresse ». Ils prient pour vous avec tendresse. Tsy ilay vavaka plivava fanao iny, fa « ils prient pour vous avec tendresse ». Fantatray ry havana, fantatray, fa maro ato Isotry Fitiavana no mivavaka ho anay avec tendresse. Manamarina valim-bavaka isan’andro isan’andro izahay ary misaotra ny Tompo ny aminareo izay mivavaka ho anay avec tendresse. Tohizo e, tohizo e, svp : tohizo. Valim-bavaka anankiray no tiako zaraina eto an : misy fotoana ry havana ianao, mba manao préparation ihany toute la semaine ; fa indraindray aloha tototra asa dia tsy vita tsara ilay préparation ; ny Sabotsy alina andeha hatory ianao, tsy fantatrao mihitsy izay ho toriana ; ianao anefa amin’ny 6 tsy maintsy midina, tsy misy hoe andeha hifoha maraina be mankaiza. Valim-bavaka ry havana : matory ianao Sabotsy an, tsy hitanao mankaiza io ; Alahady maraina mifoha ianao : velarin’ny Tompo eo anatrehanao ilay toriteny. Izay ilay valim-bavaka ry havana malala. Izay ilay valim-bavaka. Mivavaka izahay e, fa misy olona mivavaka any ho anay, avec tendresse. Ary isaoranay ny Tompo izany.

Ary io no mbola mampianatra antsika androany maraina, hoe : TANDREMO NY FITIAVAN-TENA, TANDREMO NY FITIAVAM-BOLA. Ho Azy irery anie ny voninahitra. Amen.                                     

ALAHADY 08 AOG 2021 – FIDIRANA 1

Faly indrindra ry havana, amin’izao Alahady izao an, mahatsiaro ireo maritiorantsika, tena hoe harena ary reharehantsika kristiana malagasy ny fananana an’ireo maritiora ireo. Enga anie ka tsy ho tantara fotsiny izany fa tena hoe hampandinin-tena antsika Fiangonana : « izaho ve mba manana fanahin’ny maritiora ? Izaho ve mba taranaky ny maritiora ? ». « Tsy hoe Pasitera aho, fa Pasitera taranaky ny maritiora ve ianao e ? ». Izay ny fampieritreretana ho antsika.

Ary miarahaba manokana anareo SLK, izay entintsika Isotry Fitiavana am-bavaka amin’izao Alahady faha-valon’ny volana Aogositra izao an. Ny antom-bavaka ho anareo, ny firariantsoa ho anareo dia hoe : ho lehilahy taranaky ny maritiora ry havana ô. Izay no hany zavatra irianay ho anareo : lehilahy taranaky ny maritiora ary mitaiza ny ankohonany ho taranaky ny maritiora.

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7, Stefana maritiora voalohany, ary possible ho an’i Stefana ny ho maritiora satria lehilahy feno ny Fanahy Masina. Ny hafatra ho antsika Fiangonana androany dia hoe : Ry havana ô, KATSAHO NY HO FENO NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA. Izay ilay hafatra ho antsika. Ary raha ny marina, raha ny tena Soratra Masina no jerena, tsy hoe : KATSAHO NY HO FENO NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA, fa araka ny tenin’ny Apostoly Paoly, hoe : KATSAHO NY HO FENOINA NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA.  Izany ny hafatra ho antsika Fiangonana.

KATSAHO NY HO FENOINA NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA. Izay ry havana ô, izay. Ary satria tsy antom-bavak’isika FJKM izany ; izany no ahitantsika an’izao zavatra à gauche, à droite, io rivotra mitsoka ao amin’ny FJKM isaky ny ambaratonga io. Hitan’ny Tompo izany, dia miteny Izy hoe : ô ry ireto an : KATSAHO NY HO FENOINA NY FANAHY MASINA MANDRAKARIVA.

Salamo 31. Inona ny Fahamarinana 1 ampahatsiahivin’ny Tompo antsika izay mikatsaka an’izany hoe ho fenoina ny Fanahy Masina mandrakariva izany ? Salamo 31 :2 : « Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy ». Ny lehilahy, ny mpino mikatsaka ny ho fenoina ny Fanahy Masina mandrakariva dia lehilahy, na olon’ny vavaka. Olon’ny vavaka. Izany ny olona fenoin’ny Fanahy Masina ry havana ô : olon’ny vavaka. Vavaka io ataon’i Davida, hoe : « Atongilano amiko ny sofinao ».

Eo amin’ilay and.5 : « Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko ». Teny malaza be izy io, teny manomboka fantatr’isika Isotry Fitiavana io. Teny teo am-bavan’i Jesoa io raha nohombohana teo amin’ny hazo fijaliana Izy. Izay no mahatonga ny mpandinika hiteny hoe, tsy io Salamo 31 :5 io, fa ny Salamo iray manontolo, dia milaza ny momba an’i Jesoa ; ary ny lazaina voalohany indrindra momba an’i Jesoa : sady tena Andriamanitra, sady tena olombelona tonga tety an-tany, dia lehilahin’ny vavaka. Lehilahin’ny vavaka. Manomboka Izy, Marka 1, tototra Izy ny andro voalohany nanomboka niasany, nitoriteny Izy tao amin’ny synagoga, dia eo am-pitoriana teny ohatran’izao izy an : mihetsika ny fanahy ratsin’ilay lehilahy anankiray. Tonga dia nidina Izy : niasany ilay lehilahy. Avy eo, taorian’izay dia hoe : nanasitrana ny olona nanana ny rofy rehetra tao amin’io tanànà io Izy. Niely ny lazany, niely ny fahefany ; zavatra nitranga : ny ampitso maraina, andro faharoa niasany tety an-tany, dia hoe : vahoaka no nitady Azy. Inona no zavatra nataony ? Nandeha nitokana vao maraina alina tany amin’ny toerana mangina Izy mba hahazoany mivavaka. Izany no anombohan’i Jesoa ny journée-ny : fitokanana am-bavaka ry havana ô. Izany ny olona feno ny Fanahy : manomboka ny journée-ny amin’ny vavaka. Ary mitokana Izy mba hahazoany antoka hoe tsy voakotabataba, tsy ho voaelingelina. Tsy ilay asa famonjena marary sy ilay asa famoahana demonia no nahamaika an’i Jesoa, fa ny fitokanana am-bavaka, raha tsy izany : tsy manana hery sy fahefana Izy anatanterahana ny mission-ny. Ary ny mpandinika rehetra izay manazava an’ity, manazava ny fiainan’i Jesoa, dia milaza an’ity fahamarinana ity, hoe : Jesoa dia lehilahy tanteraka ary nampiseho ny fahatanterahany tamin’ny nanehoany ny dépendance-ny tamin’Andriamanitra : fiankinam-po, fiankinam-doha amin’Andriamanitra. C’était un homme parfait qui a montré sa parfaite dépendance vis-à-vis de Dieu. Ho lehilahy parfait ianareo e, ampiseho an’izany dépendance-nareo izany amin’Andriamanitra. Sarotra amintsika lehilahy izany. Izaho, lehilahy no mitoriteny. Sarotra amintsika lehilahy izany hoe mampiseho dépendance izany, na amin’iza na amin’iza. Fa aoka isika ho lehilahy, aoka isika ho olon’ny vavaka. Ary ny ahafantarana hoe mivavaka amin’ny fontsika isika, dia manao tahaka an’i Davida, hoe : « Jesoa a, atongilano amiko ny sofinao ». Sahala ny miteny isika rehefa mivavaka ao an-tsaintsika ao, miteny amin’i Jesoa ao am-pontsika ao hoe : « Jesoa a, atohofy amin’ny vavako ny sofinao e ». Maninona aho no miteny an’izany ? Miteny an’izany aho satria hoe fantatro fa Andriamanitra velona, Jesoa velona izany ivavahako izany. Fa tsy mivavabavaka manao plivava eo aho. Fa afaka manao plivava aho, dia gaga aho tsy misy valim-bavaka, dia gaga aho, dia leo aho mivavaka. Dia tsy ho henoiny vavaka izany ry havana ô. Mila ianarantsika izany hoe : « Jesoa a, atongilano amiko ny sofinao ». Meteza ho Fiangonan’ny vavaka isika Isotry Fitiavana, ho lehilahy, ho vehivavin’ny vavaka ry havana ô.                  

Izany ireo maritiora ireo : lehilahy, vehivavy olon’ny vavaka. Noho ny nanomboka ny fanenjehana 1835-1836, nanomboka ny fandraran’i Ranavalona 1 ny christianisme fa notereny hiverina amin’ny fomban-drazana ny malagasy, ny rehetra rehetra : nisy andiany kristiana tsy nanaiky an’izany, fa nivavaka an-tsokosoko izy : nivavaka aloha izy tao Ambatonakanga tao ; nivavaka izy amin’ny alina ry havana ô, amin’ny alina amin’ny 12 alina izy no mivavaka. Oviana isika na mba nankaty am-piangonana tamin’ny 12 alina izany ? Tsy nankaty isika satria tsy feno ny Fanahy Masina ry havana ô. Dia rehefa voarara, tratran’ny polisy hoe mivory ao Ambatonakanga : any an-tranony ny tsirairay no mifandimby indray. Dia tsy nahazo aina ilay kristiana, satria izy mivavaka io, sady mihira, dia any amin’ny tendrombohitra any, any akaikin’Ankatso any hono, no mivory ; ny andro avy orana ; fa nanatsara zavatra ilay andro avy orana satria rakotr’ilay tabataban’ilay orana ilay feon’ny hira. Izany ry havana ô, izany ny olona feno ny Fanahy Masina, modely ho antsika Malagasy izany e. Izany, izany. Aoka isika ho kristiana fenoina mandrakariva ny Fanahy Masina.

Misaotra ny Tompo ry havana, ny amin’ilay cellule de prière hoe « Mpiara-miari-tory amin’i Jesoa » ato. Misaotra ny Fiangonana nandray azy e. Tsy mora izany, ilay Alarobia amin’ny
7 ka hatramin’ny 8 eo. Misaotra ny Tompo. 100, 120, 130. Misaotra ny Tompo ny amin’ireo 120 na 130 ireo. Izay ilazana an’izany, miala tsiny aho ny amin’ilay teny : kirana, kirana izay mahita an’izany. Ary misy olona ao izao, vitsivitsy tsy mpivavaka ato Isotry Fitiavana, nahare ny tsirony dia mitaona izany havana izany. Fa izany ny hafatra ho antsika ry havana ô : Ataovy sérieux ny vavaka – Mivavaha amin’Andriamanitra velona – Mivavaha amin’i Jesoa velona.

Nampihomehy ry havana, namana, tamin’ity taona ity izy, tsy lazaiko hoe volana anona fa sao dia fantatrareo iza izy ; avy aty izy dia : « Pasitera an, tena variana mihitsy aho, sendra nifanena tamin’i ra-anona ny masoko : midiridiry mivandravandra be izy mandritra ilay vavaka ». Izay ilay zavatra. Aza manao an’izany ry havana ô. Nahita an’izay aho dia nodinihiko, nodinihiko, tsy mandray ny fanasan’ny Tompo akory izy : fa inona no ahatongavanao aty e ? Inona no ahatongavanao aty ? Ary ny tena mahavariana, hoy izy : izy sy ny namany dia psss psss psss mandritra ny toriteny. Inona ary izany ? Tsy olona feno ny Fanahy Masina izany ry havana. Tsy olona feno ny Fanahy Masina.

Aoka isika mianakavy ho fenoina mandrakariva ny Fanahy Masina, dia ho lehilahy, ho vehivavy, ho olon’ny vavaka ; ahavatra hiteny amin’i Jesoa hoe : « Atongilano amiko ny sofinao Jesoa a, fa Ianao no ialofako. Tsy ho menatra aho mivavaka Aminao. Ary Ianao no fiarovana mafy ho ahy ary hanafaka ahy Ianao amin’izay hoe fandrika, harato izay nokasaina hamandrihana ahy ».

Izay ny Fahamarinana 1 hoe : AOKA HO LEHILAHY, AOKA HO VEHIVAVY OLON’NY VAVAKA. ATAOVY SERIEUX AMIN’IZAY NY VAVAKA.

Ny Fahamarinana 2 ao amin’ny Matio 21 ry havana, and.42 sy 44 : « Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo ».

Ny Fahamarinana 1 : ATAOVY SERIEUX NY VAVAKA. AOKA IANAO HO OLON’NY VAVAKA. Ny Fahamarinana 2 dia hoe : ATAOVY FEHIZORON’NY FIAINANAO JESOA.

Efa nolazaina ombieny ombieny teto ry havana, fa ilay fehizoro ohatra, dia amin’ny an-dohalambo ohatran’izao, dia ilay vato ery an’anona ery. Ka raha vao tsoahina io vato eo afovoany io dia mirodana.

Rehefa miteny ny Soratra Masina, rehefa miteny ny Fanahy hoe ATAOVY FEHIZORON’NY FIAINANAO JESOA, dia diniho hoe : raha tsoahina eo amin’ny fiainako ve Jesoa dia mirodana ny fiainako, rava ny fiainako, ruine ny fiainako ? Tena izany ve ny fiainanao ? Rava ny fiainantsika ry havana ô, ho an’ny sasany rehefa maty ray aman-dreny izy ; rava ny fiainan’ny sasany, en ruine ny fiainan’ny sasany rehefa maty vady izy ; maizina amin’ny sasany ny fiainana, maizina aminy ny tany aman-danitra rehefa mandevon-janaka izy ; eny, Ok. Ok tsara. Etc… Ruine ny fiainany rehefa may kilan’ny afo ny tranony na ny pavillon-ny sy ny tahak’izany ; ruine ny fiainany rehefa voaroban’ny mpangalatra ny fananany. Ruine, ruine ny fiainany. Fa maninona no ruine ny fiainany ? Satria ireo ry havana ô, no hoe vato fehizoron’ny fiainany. Ary possible hoe ampandalovan’i Jesoa amin’izany izy idongian’i Jesoa aminy hoe : « Izaho atao vato fehizoron’ny fiainanao ». Fa tsy ireo zavatra notanisaintsika ireo ry havana ô. Misy olona mivaraontsana satria ohatran’izao sy ohatran’izao sy ohatran’izao, fa tsy mampaninona azy ny tsy manana an’i Jesoa eo amin’ny fiainany. Ny essentiel dia ilay position aty am-piangonana ; ny essentiel dia ilay fanompoana aty am-piangonana ; ny essentiel dia ilay position eo amin’ny fiaraha-monina. Izany no itenenana antsika hoe : aoka ianao ho fenoina mandrakariva ny Fanahy Masina. Ary rehefa fenoina mandrakariva ny Fanahy Masina ianao, ny itarihin’ny Fanahy Masina anao dia hoe : apetrao amin’izay io Jesoa io, eo amin’ny toerana tokony hananany, dia ho vato fehizoron’ny fiainanao. Ireto lohan’ny mpisorona ireto ry havana dia tena hoe tsy nanome toerana an’i Jesoa ; mazava ho azy rehefa mamaky azy ; tsy nanome toerana an’i Jesoa izy tao amin’ny fiainany ; tsy nanome toerana an’i Jesoa izy tao amin’ny fisainany sy tao amin’ny eritreriny ; fa nandà izy, hoy ny filazantsara.

Ry havana ô, rehefa tsy apetrakao ho vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa, ivon’ny fiainanao Jesoa, malahelo aho miteny aminao : naman’ny mandà ianao. Naman’ny mandà ianao.

Ahoana izany olona hoe manao an’i Jesoa ho ivon’ny fiainany izany ? Ery amin’ny and.37 hoe : « Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ». Jesoa io zanaka io. Manao an’i Jesoa ho ivon’ny fiainanao ianao ? Tu commences par le commencement : mandray Azy ho Tomponao sy Mpamonjinao. Diniho ihany, hainao tsianjery izany ; fa sao dia hoe Mpamonjinao Izy, fa tsy ianao ilay mandray Azy ho Tomponao ? Misy Tompo eo an, izany hoe aty misy mpanompo ry havana ô. Misy Tompo eo an : aty misy andevo. Izany ny olona manao an’i Jesoa ho vato fehizoron’ny fiainany : mandray Azy ho zanak’Andriamanitra, mba ho raisiny isika, mba hahazoantsika alalana, zo sy fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra. Izany no vato fehizoron’ny fiainantsika. And.38 hoe manao azy ho mpandova. Ry havana ô, Jesoa ange no handova ny lanitra e. Jesoa no handova ny lanitra. Ary efa any Izy. Miantso antsika Izy, miara-mandova Aminy ; ka raha tsy fanatatrao Izy, hoe io ilay mpandova, raisinao Izy ho zokinao, dia eo koa ianao hoe : « an an an, Jesoa an, hay moa Ianao ilay mpiara-mandova amiko, ary noho Ianao no ahazoako mandova ny lanitra ; fa raha tsy Ianao no lalana sy fahamarinana ary fiainana : izaho tsy handova an’izany lanitra izany e, tsy ho hitako izany lalana mankany amin’ny Ray izany e ». Izay ry havana ô, izay. Izany ny olona manao an’i Jesoa ho fehizoron’ny fiainany : mandray Azy toy ny zanak’Andriamanitra, mandray Azy ho toy ny mpiara-mandova Aminy izany hoe lanitra izany. Ary io, tsy azonao iodivirana io : and.44 : « Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro ». Ilay vato io an : Jesoa io izany. Jesoa io. Amin’ny fiainantsika isan’andro isan’andro isan’andro : eo io vato io. Rehefa tsy ataontsika ho fehizoron’ny fiainantsika Izy, dia ho torotoro ianao e, ho torotoro ianao. Tsy mandainga, tsy mandainga izany tenin’Andriamanitra izany : ho torotoro ianao, ho torotoro ny fanahinao, ho torotoro ny sainao e, ry havana ô. Ny sainao hihamaizina rehefa tsy ataonao fehizoron’ny fiainanao Jesoa ry havana. Jamais ianao hahita an’izany hoe fiadanam-po izany ; jamais, jamais, jamais, rehefa tsy ataonao fehizoron’ny fiainanao Izy. Anaty tahotra mandrakariva ianao, anaty horohoro mandrakariva ianao ry havana ô etc… Izay ilay hoe olona ho potraka satria tsy nametraka an’i Jesoa ho fehizoron’ny fiainany. Dia hoy ny Soratra Masina hoe : « Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro » : iray izay.  « Fa na zovy na zovy no hianjerany » : ahoana tsara moa izany ? Ilay voalohany miteny hoe : potraka amin’ilay vato, ilay faharoa hoe : ilay vato hianjera. Ilay hoe : ho potraka amin’ny vato an : Jesoa tonga tamin’ny 2000 taona lasa izay ; iny vato iny tonga 2000 taona lasa izay ; mangataka Izy aminao hoe : « Ataovy fehizoron’ny fiainanao Aho ». Fa ilay hoe : fa na zovy na zovy no hianjerany : milaza ny fiverenany indray izany ry havana ô. Izay ilay puissance-ny tenin’Andriamanitra : ao antian’ny andininy anankiray milaza zavatra anankiroa, évènement anankiroa ngeza be. Voalohany, ny fahatongavan’i Jesoa tamin’ny 2000 taona lasa ; faharoa ny fiverenany hitsara ny velona sy ny maty ry havana ô. Dia hoe : na zovy na zovy no hianjerany, amin’izay fotoana hiverenany izay, dia ho mongomongo, ho mongomongo. Izany ny soratra eo ry havana : ho mongomongo. Ary izany no andondonan’ny Tompo antsika androany e : ianao aoka ho fenoina mandrakariva ny Fanahy Masina, dia ny Fanahy Masina mbola hiteny aminao hoe : « ampy ity fombam-pivavahana ity Pasitera an, ataovy vato fehizoronao amin’izay Jesoa ». Aleo appliquer-ko amiko ilay izy ry havana ô. Izany. Izaho tsy te ho mongomongo rahatrizay hiverina Izy amin’ny fotoana hiverenany.

Izay ny Fahamarinana 2 : ATAOVY FEHIZORON’NY FIAINANAO JESOA

Asan’ny Apostoly 7 : 55-56 ;59 : « Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’ Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’ Andriamanitra, dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’ olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra. Ary ny olona nitora-bato an’ i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko ». Ny olona fenoina ny Fanahy mandrakariva ry havana dia miova fijery ka mibanjina ny lanitra, mianatra mibanjina ny lanitra. NY OLONA FENOINA NY FANAHY MANDRAKARIVA DIA MIBANJINA NY LANITRA.

  1. Mandray au sérieux ny vavaka
  2. Manao an’i Jesoa ho fehizoron’ny fiainany
  3. Mibanjina ny lanitra

Io ange efa hafatry ny Apostoly Paoly e : « saino ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’i Jesoa Kristy ». Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny ety an-tany. Katsaho ny zavatra any ambony fa tsy ny ety an-tany. Isika mianakavy alaim-panahy hikatsaka sy hisaina isan’andro ny zavatra ety an-tany ry havana ô. Andao hianatra hibanjina ny lanitra. Andao hianatra hibanjina ny lanitra.

Fa rehefa mibanjina ny lanitra ianao, dia toy ny mianatra manana ny fijery avy any an-danitra. Hitanareo, rehefa hoe eny ambony avion dia mijery ny ety an-tany, mijery an’ity tany misy antsika ity : misy fotoana tena kely sy bitika ny ety an-tany, kely sy bitika ny ety an-tany ety e ; satria avy any ambony ianao no mijery, avy eny amin’ny habakabaka ianao no mijery. Izay ilay izy. Fa rehefa hoe mijery ny ety an-tany ianao an, manana ny fomba fijerin’ny ety an-tany ianao an : zavatra bitika ohatran’iny dia maka proportion tsy hita pesipesenina. Jerena avy any an-danitra iny ry havana : kay zavatra tsy misy dikany, kay zavatra faran’izay bitika izany e. Inona no lazaina eto hoe karazana faran’izay bitika ? Notoraham-bato ange i Stefana eto e ; notoraham-bato ho faty ange Stefana eto e, entre parenthèses, diakona an. Enga anie ka ho maro ny lehilahy diakona ato, taranak’i Stefana ry havana. Notoraham-bato. Dia izany ve dia lazain’i Pasitera fa kely sy bitika ? Ie, kely sy bitika izany raha oharina amin’ny ho aviny mandrakizay omanin’i Jesoa ho azy ry havana ô. Tsy azontsika izany. Kely sy bitika ny fijery avy any an-danitra izany hoe fitoraham-bato an’i Stefana izany. Satria inona ny zavatra goavana be hitan’i Stefana ? Nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesoa nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra. Olona feno ny Fanahy no mahita an’izany ry havana ô. Nahita an’i Jesoa nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra.

Ny zavatra ambarantsika amin’ny fanekem-pinoana tononina isan’Alahady dia hoe niakatra ho any an-danitra Jesoa, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra. Ny ambaran’ny fanekem-pinoana dia Jesoa mipetraka. Fa eto, hoe : hitan’i Stefana Jesoa nitsangana ry havana ô, teo an-kavanan’Andriamanitra. Mahafinaritra ny fitenin’ny mpitoriteny hoe : « nitsangana Jesoa handray ny fanahin’i Stefana ». Misaotra ny Tompo, efa hatramin’ny louange isika nahazo an’izany teo. Nitsangana Jesoa handray ny fanahin’i Stefana. Ary averina amintsika ombieny ombieny e : inona ny zavatra mitranga rehefa maty ? Ho an’ny olona rehetra, na ny mino na ny tsy mino, hoe : modimandry. Amin’ny teny frantsay, hoe, miresaka an’i Stefana eto hoe nodimandry izy, hoe : « il s’endormit ». Ny vatantsika, na vatan’ny mino izany, na vatan’ny tsy mino an, dia aterina eny am-pasana : matory ao izy. Marina ilay hoe mandry izy ; ilay « mandria am-piadanana » faran’izay diso. Fa ilay hoe mandry : ao amin’ny fasana izy ambara-pahatongan’ny fitsanganana amin’ny maty. Fa ho an’ny olona toa an-dry Stefana izay modimandy ao amin’ny Tompo, ny fanahy ry havana ô, dia eo noho eo ihany dia miakatra any amin’i Jesoa araka izay hitantsika eto. Izay no tsy tokona atahorana ny fahafatesana e. Manintenant, raha hoe mpandala fombam-pivavahana ianao isaky ny Alahady an : any amin’ny helo ianao ; ny vatanao ao am-pasana, fa ny fanahinao avy hatrany dia mamantana any amin’ny helo. Izany fahamarinana fototra ambaran’ny Soratra Masina, mba tsy hatahorantsika intsony e izany fahafatesana. Tsy misy maniry eto an-na iza na iza ho faty ; izay ; fa izany no izy. Ary tena hoe tokony ho reflexe, tokony ho reflexe ho antsika ry havana izany hoe, rehefa mandalo lohasaha aloky ny fahafatesana isika, tokony reflexe ho antsika ny hoe : « Jesoa a, Jesoa a, tahaka an’izay nataonao teo ambony hazo fijaliana, Jesoa a : apetrako eo Aminao ny fanahiko ». Ary rehefa any aminareo any ianareo, misy ao amin’ny ankohonanareo, ao amin’ny tokantranonareo olona atao eo am-bavahoan’ny fahafatesana, tsy azo Pasitera, tsy azo ny mpiandry ; eny e, ce n’est pas grave ; fa teneno hoe : « Jesosy a, atolotro eo an-tananao ny fanahin’ity mpanomponao ity, ity zandrikelinao ity. Izany no ianaro manomboka izao ry havana. Raha ohatra izy mbola mahatsiaro saina, dia teneno hoe : « araka ilay fampianarana ao amin’ny Baiboly : andao ianao anolotra ny fanahinao eo an-tanan’i Jesoa ». Vavaka faran’izay tsotra izany ry havana ô. Vavaka faran’izay tsotra. Raha ohatra efa coma tsy mahatsiaro tena ilay olona, noho ilay Matio 18 hoe : « raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany ». « Ray malala ô, indreto izahay mivady, indreto izahay mianaka mitondra am-bavaka an’ity mpanomponao ity : atolotray eo an-tananao ny fanahiny ». Izany ny fiainam-pinoana ry havana ô. Izany ny pratique-ny finoana izany. Mibanjina ny lanitra mandrakariva ka mahita ny hahakelin’ny zavatra ety, na zavatra mahafaly na zavatra manahirana, zavatra mahasosotra, fandriky ny fahavalo. Zavatra bitika izany e. Zavatra bitika izany.

Mibanjina ny lanitra. Ary farany, mitodika aminareo vehivavy aho, satria lehilahy no entina am-bavaka androany : andao ianareo vehivavy miara-mamaky amiko ny and.60, ny vehivavy ihany an : « Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao ». Aza atao ho helony anie izao ota izao. Stefana izany mivavaka amin’Andriamanitra Rainy, mivavaka amin’i Jesoa hoe : ireo mitora-bato ahy ireo : aza atao ho helony izany. Saoly anisan’ny nankasitraka an’ilay mpitora-bato, dia inoana fa valim-bavaka nataon’i Stefana ry havana ô, io niovan’i Saoly ho Paoly io. Izay ilay puissance-ny vavaka. Fa maninona aho no mitodika aminareo vehivavy ? Mitodika aminareo vehivavy aho satria lehilahy. Fantatro ny toetranay lehilahy. Fantatro ny tsy fahaizanay lehilahy manaja vady izany, mitia vady izany, manompo vady izany. Tsy hainay izany e. Dia ataovy vavakareo io ho anay. Anaro izahay, ok. Anaro izahay. Fa rehefa hitanareo hoe tsy mandaitra, tsy dia mandaitra ny fananaranareo ; fa aza tenenina izahay fa teneno amin’i Jesoa. Izay ilay zavatra : « Jesoa a, hitanao io vadiko io, mbola gaga ihany ny nanambadiako an’io ; fa dia izay aloha ilay izy ; efa io io ; fa hitanao indray ny mbola nataony tamiko aninkeo maraina, hitanao indray ny mbola tsindry paingotra, sabatra nataony sy ny karazany ; hitanao io masony midiridiry ohatrany hikasi-tanana ahy iny : aza atao ho helony izany. Aza atao ho helony izany ». Izany ranabavy malala, izany ry reny malala no vavaka ampianarin’ny Tompo antsika Fiangonana raha te hanova lehilahy ianareo. Teneno amin’i Jesosy hoe : « Aza atao ho helony izany ».