ALAHADY 22 AOG 2021

Filipiana  1. Misaotra ny Tompo ny amin’ny teny izay omen’ny Fanahy Masina antsika ; teny fanta-daza, teny mampieritreritra, tena hampahery. Filipiana 1 :6 : « Ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ny andron’i Jesoa Kristy ».

Raha fintinina ry havana ny hafatra ho antsika Fiangonana amin’izao maraina izao, dia azo fintinina tahaka izao, hoe : APETRAO EO AN-TANAN’I JESOA NY HO AVINAO DIA HO TANTERAKA, HO PARFAIT IZANY HO AVINAO IZANY. Ho parfait ny ho avinao, tsy noho ny fahaizanao ; vao notenenina isika teo tao anatin’ny hira hoe fohy ny fisainanay. Ho parfait ny ho avinao, tsy noho ny herin’ny sandrinao ; fa ho parfait ny ho avinao noho ny zavatra ho ataon’i Jesoa ary efa ataony ho anao. Apetrao eo an-tanan’i Jesoa ny ho avinao.

Mahatoky indrindra aho, hoy ny Apostoly Paoly, fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany. Fa inona moa izany asa tsara natombok’Andriamanitra tao amiko sy tao aminao izany ? Ny valiny, efa fantatsika : ny nanaovany antsika ho olom-baovao. Tamin’ny fotoana toy inona isika no nataony olom-baovao ? Tamin’ny fotoana izay hoe namindrany antsika hiala tamin’ny fahafatesana ara-panahy izay nisy antsika noho ny fahadisoantsika, ho amin’ilay fiainana ao Aminy, ao amin’ny fanjakany. Tamin’izay isika no navotany, tamin’izay isika no nanaovany an’izany asa tsara, nanombohany an’izany asa tsara izany, dia nataony ho olom-baovao.

Maninona no tsy tapitra ilay asa tsara ry havana ? Nataony olom-baovao ; ny fomba ilazana azy koa, hoe : nateraka indray. Dia ohatran’ny zazakely rehetra vao nateraka ry havana : ie, ampianarina ianao : ampianarina mandeha ianao, ampianarina miteny ianao, ampianarina izay fomba ao an-tranon’i Dada sy Neny ianao etc… izay tsy voatery hitovy amin’ny fomban’ny ankohonana hafa. Raha maka ny sarin’ilay faha-jentilisana teo isika dia hoe : nesorin’Andriamanitra isika, nongotany avy tamin’ilay faha-jentilisana nisy antsika taloha dia hoe ampianariny hoe : an an an, izao no fomba miaraka amin’i Jesoa, izao ny fanao, izao no fiteny ; fa tsy ohatran’ilay tany amin’ilay faha-jentilisana intsony. Ary dia hoe Andriamanitra no nanomboka an’izany asa tsara izany. Ary amin’izao 22 Août 2021 izao : mbola manohy izy, manohy izy ambara-pahatongan’ny perfection ry havana ô. Izany no hitenenantsika hoe: apetrao e, apetrao eo am-pelatanan’i Jesoa ny ho avinao.

Izao manko ry havana : araka ny efa nolazaina teto ombieny ombieny, hoe : maro ny tanora ato ; eo ianao tanora, vao manomboka ny fiainanao, eo izahay ray aman-dreny. Ho anao tanora : ny andro mamiratra rehetra dia mbola ho avy ; ny andro mamiratra, hamirapiratan’i Jesoa : mbola ho avy izany. Ho antsika efa lehibe : na inona na inona situation-tsika: ny andro mamiratra, dia mbola ho avy, na fara-fahakeliny mamiratra noho ny tamin’izay lasa izay.

Ary izao ny Fahamarinana 1 izany, ho antsika izay afarana hoe : « Apetrao eo an-tanan’i Jesoa ny ho avinao » ; Ny Fahamarinana 1 dia hoe : TSAROVY FA ANDRIAMANITRA MAMPIBANJINA ANAO NY HO AVINAO.

Inona moa no tena dikan’izany ? Naka ilay ohatry ny ankizy isika teo :teraka dia mitombo eo anivon’ny ankohonana. Afaka maka ny ohatry ny voankazo nambolena isika. Iny voankazo iny, mila fotoana koa ry havana vao matoy tsara. Mila fotoana izy vao matoy tsara. Ary alohan’ilay fotoana maha-matoy azy an, tsy azo atao na inona na inona ilay voankazo. Dia tahaka an’izany ny fiainantsika ara-panahy ry havana ô. Tsy maintsy manam-paharetana isika. Tsy maintsy manam-paharetana isika ny amin’ny tenantsika. Tsy ho kivy isika : « oay letie, izaho ity efa firy taona firy taona no miangona mbola ohatran’izao ihany, tsy mbola ohatran’i Ra-anona ». Tokony hanam-paharetana isika amin’ny tenantsika : tokony hanam-paharetana koa isika amin’ny hafa ry havana ô, tahaka ny ananan’Andriamanitra faharetana amintsika. Fa rehefa manana faharetana isika, dia hoe : ao an-tsaintsika ilay tenin’ny Apostoly Paoly hoe : matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinao hahatanteraka izany e.

Mahafinaritra loatra ilay filaza hoe : « Avec Jésus, le meilleur est encore à venir ». Ary izay meilleur izay, tsy hoe noho ny ataonao, araka ilay efa voalaza teo, fa noho ny ataon’i Jesoa ho anao ry havana ô. Izany io ampahatsiahivin’ny Apostoly Paoly io. Dia misy olona eto izao, mety hiteny hoe : « ka tsy fantatr’i Pasitera ny situation’ko ». Ry havana ô, tsy fantatro ny situation-nao, fa Jesosy mahalala ny situation-nao ary Jesosy lehibe noho ny situation-nao, ary miteny Izy hoe : « Izaho mitantana anao ho any amin’ny perfection ». Dia misy mety hiteny indray hoe : « tsy fantatr’i Pasitera ny situation-ko, fa izaho : anisan’ny mety be indrindra ny situation-ko ato am-piangonana ato ». Tsia ry havana ô, maty antoka ianao raha situation tsy napetraka teo an-tanan’i Jesosy fa hoe tamin’ny herin’ny sandrinao. Diso anjara amin’ilay ho avy mamirapiratra omanin’i Jesosy ho anao ianao e. Diso hevitra ianao, ary ho diso anjara ianao ry havana ô.

Fa izay ny hafatra ho antsika, hoe : ANDRIAMANITRA MAMPIBANJINA ANTSIKA NY AMIN’IZANY HO AVINTSIKA TSIRAIRAY IZANY. ARY ISIKA DIA ASAINY MANANTENA IZANY HO AVY MAMIRATRA, IZANY HO AVY PARFAIT IZANY.

Misaora an’Andriamanitra ianao tonga tato an-tranon’Andriamanitra tato, fa tsy henonao any amin’ny arabe izany, tsy henonao any amin’ny restaurant izany haatra izany. Fa hafatra ho anao manokana izany.

Afarana isika izany hoe : APETRAO EO AM-PELATANAN’I JESOA NY HO AVINAO ; dia ny olona mandray an’izany hafatra izany dia afarana, hoe : Fahamarinana 1 : TSAROVY FA ANDRIAMANITRA MAMPIBANJINA ANAO HATRANY NY HO AVINAO.

Ny Fahamarinana 2 dia izao ry havana : TSAROVY INDRAY KOSA, FA SATANA MAMPIBANJINA ANAO NY LASANAO.  SATANA MAMPIBANJINA ANAO NY LASANAO.             

Haintsika Isotry tsara ilay Jaona 1 :12 hoe : « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany ». Rehefa tonga zanak’Andriamanitra ianao ry havana, araka izay namaritan’ny Jaona 1 azy teo ; rehefa tonga zanak’Andriamanitra ianao : ny mahita an’izany voalohany dia Satana. Izy no mahita an’izany voalohany. Andriamanitra mahita ; fa Satana no mahita an’izany voalohany koa. Ary fantatr’i Satana tsara ilay ho avy mamiratra, ilay ho avy tanteraka izay omanin’ny Rainao ho anao. Ary dia tena hoe mahatezitra azy izany, ary sakanany ianao tsy hieritreritra an’izany ho avy mamiratra izany. Ary izay no nahatonga ilay Fahamarinana 2 mana hoe: SATANA INDRAY KOSA DIA MAMPIBANJINA ANAO NY LASANAO. MAMPIBANJINA ANAO NY LASANAO. Satria maninona ? Rehefa ny lasanao no banjininao ry havana ô, tsy hiroso ianao ary tsy handroso ianao handova izany  ho avy mamiratra nomanin’i Jesoa ho anao izany. Ny Salamo 139 :16 manao hoe : « Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho ; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry ». « Fony tsy mbola ary fady aza aho ; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry ». Inona no ampahatsiahivin’ny mpanao Salamo antsika ry havana ? Ho antsika zanak’Andriamanitra : ny tompon’ny teny farany eo amin’ny fiainako sy eo amin’ny fiainanao ry havana ô, ny tompon’ny teny farany dia Andriamanitra, fa tsy ny devoly, tsy ilay mpiapanga ry havana ô. Andriamanitra ry havana ô, Andriamanitra no tompon’ny teny farany androany. Ary isan’andro, raha mety ianao, dia Izy no tompon’ny teny farany. Manomana ho anao izy avenir mamiratra izay. Hoy ny mpanompon’Andriamanitra anankiray izay hoe : « Dieu ne veut que le meilleur pour toi. Il ne veut que le meilleur pour toi. Et laisse-moi te dire ceci : son meilleur est meilleur que ton meilleur ». Son meilleur est meilleur que ton meilleur. Ary azo antoka io ry havana ô. Andriamanitra tsy mba olona ka handainga e, tsy zanak’olombelona ka hanenina amin’ny zavatra teneniny. Fa rehefa milaza Izy, dia efainy. Dia rehefa miteny izy dia ho tovony, ho tovony izany avenir mamiratra ho anao izany. Fa araka ilay notenenina teo : eo ny devoly fahavalo, eo ny devoly mpiapanga : inona no zavatra amenoany ny sainao ? Zavatra mikasika ny lasanao ry havana ô, zavatra mikasika ny lasanao. Dia ahodiny ao an-tsainao : « ianao io ange taloha ohatran’izao e », « ianao io tsy avotra intsony an », « ary tsy tadidinao intsony angaha ilay tahaka an’izao ». Izany no mameno ny saintsika. Tsy afaka mibanjina ilay ho avy mamiratra omanin’Andriamanitra ianao ry havana ô. Aza aorina amin’ny lasanao ny fiainanao. Aza aorina amin’ny lasanao ny fiainanao. Fa banjino ry havana ô, banjino ny ho avinao. Ary raha apetrakao eo an-tanan’i Jesoa izany ho avinao izany : combat perdu d’avance izany an’ny devoly mampibanjina anao ny lasanao izany. Combat perdu d’avance.

TSAROVY : ANDRIAMANITRA MAMPIBANJINA ANAO NY HO AVINAO. NY DEVOLY KOSA MAMPIBANJINA ANAO NY LASANAO E.

Ny Fahamarinana 3 farany ho an’ny olona izay hoe asaina memetraka eo am-pelatanan’i Jesoa ny ho aviny, dia hitantsika ao amin’ny Filipiana 2 :12 : « Koa amin’ izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo ». Miasà amin’ ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Ilay Fahamarinana 3 dia hoe : IANAO IZAY NANAPAKA MARINA HOE AMETRAKA EO AM-PELATANAN’I JESOA NY HO AVINAO, NY ANDRASANA AMINAO FARANY : MIASA AMIN’NY TAHOTRA SY NY HOVITRA HAHATANTERAKA NY FAMONJENA ANAO.

Mety hanontany tena ianao hoe : fa ahoana marina ity famonjena ity e ? Vao tamin’ny herinandro isika no notenenina hoe : fahasoavana no namonjena antsika. Vao tamin’ny herinandro isika no nampahatsiahivina tao amin’ny Efesiana 2 hoe tsy avy amin’ny asa fandrao hisy hirehareha. Dia ahoana ary eto tenenin’i Paoly hoe : miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo ? Izaho, izay nanombohan’Andriamanitra an’ilay asa tsara araka ny natao teo am-piandohana teo, no itenenana hoe : miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anao. Inona ary ry havana no tian’ny Fanahy lazaina ? Inona no tiana ampahatsiahivina antsika ? Ilay hoe : « miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra » : tsy eo amin’ilay hoe « miasà » na ilay « asa » ny tsindrim-peo ; fa ilay toe-po, ilay toe-panahy feno tahotra sy hovitra. Izany no andao angatahantsika amin’ny Fanahy Masina, hoe : toe-po, toe-panahy feno tahotra sy feno hovitra.

Fa matahotra inona ? Mangovitra noho inona ? Matahotra aok’izany ny ampalahelo indray an’ilay Ray efa nanangana antsika ho zanaka ry havana ô. Efa nampihavanina taminy isika tamin’ny alalan’i Jesoa. Ny olona mahafantatra an’izany, nanombohan’i Jesoa izany asa tsara izany : feno tahotra sy hovitra izy sao hampalahelo indray an’ilay Andriamanitra efa nihavanany io. Angatao amin’ny Fanahy Masina ry havana ô, izany tahotra sy hovitra izany.

Tahotra sy hovitra. Matahotra, mangovitra maninona ? Sao hiverina amin’ny fahadisoana sy ny fahadalana efa nanafahan’i Jesoa anao ry havana ô. Matahotra sy mangovitra, fa tsy manao plivava fotsiny : « sambatra izay voavela heloka ». Matahotra, mangovitra na iza na iza ianao. Na Président de la République ianao na mpamafa trano : tsy izany no mahamay, fa hoe : toe-po sy toe-panahy feno tahotra sy hovitra ve ianao ankehitriny ry havana ô ?

Ary rehefa mamaky ny soratry ny teolojiana ry havana, dia hoe : ahoana no hananana an’izay toe-po sy toe-panahy feno tahotra sy hovitra izay ? Dia hoe : misy fiasana, outil na moyen, fiasa-pahasoavana ; avy amin’ny hoe « fiasana » : mpanao zavatra dia mila fiasana ; fiasa-pahasoavana na adika koa izy, rehefa mijery dictionnaire ianareo hoe : « les moyens de grâce ». Ny fahavarana amin’ireo moyens de grâce ireo no ambolen’ny Fanahy Masina ao aminao, ambolen’ny fahasoavan’Andriamanitra ao aminao izany toe-po sy toe-panahy feno tahotra sy hovitra izany ry havana ô. Inona ilay hoe « moyens de grâce » ? Anankiroa ilay izy :

  • Voalohany indrindra : ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra no fiasa-pahasoavana ampidinan’Andriamanitra ny fahasoavany ao amiko ry havana ô. Izay ilay « moyen de grâce » voalohany, izay ilay fiasa-pahasoavana voalohany.
  • Ny fiasa-pahasoavana faharoa dia ny Sakramenta. Ny Sakramenta no ampidinan’Andriamanitra ny fahasoavany avy any an-danitra ry havana ô. Ny Sakramentan’ny Batisa sy ny Sakramentan’ny fanasan’ny Tompo. Malahelo ihany ry havana ny tena ; misaotra ny Tompo moa fa isika irery no Fiangonana Fjkm hoe miditra indroa nefa misy fandraisana isaky ny miditra, afa-tsy ny Alahady faharoa misy asa sy fampaherezana ; tena mahavaky fo ry havana ô, rehefa hanomboka fandraisana ianao : misy olona efa amin’ny taona hoe tokony haha-mpandray azy, na hoe mpandray, hitanao mivoaka ery. Oadray, oadray. Ovay izany e, ovay izany e. Tsy hanananao ho avy mamiratra izany ety an-tany, tsy hanananao ho avy mamiratra mandrakizay izany ry havana ô. Tsisy resaka morale izany. Fahendren’Andriamanitra no nanomezana antsika fiasa-pahasoavana ny tenin’Andriamanitra sy ny Sakramenta anankiroa mba hiasan’ny fahasoavany ao amin’ny tsirairay. Ary io fahasoavana io no efa nikasika anao tamin’ny fahadalanao tany amin’ny faha-jentilisana. Io fahasoavana io no namonjen’Andriamanitra anao nampidirany aty am-bala. Io fahasoavan’Andriamanitra io, faranana ny teny, no ampitomboany ahy sy anao amin’ny fanahafana Azy Jesoa Kristy ; fahasoavana izany. Tsy hoe andeha haka diplaoma ary aho dia hitombo amin’ny fanahafana : non non non ; asan’ny fahasoavana izany. Ary farany, nefa tsy ny kely indrindra : io fahasoavan’Andriamanitra io no hoe hahatonga anao hanana fifaliana sy hankafy marina ; miala tsiny aho amin’ilay fitenenana, fa ilay Pasitera anankiray izay, tena nandona ny foko, hoy izy hoe : io fahasoavan’Andriamanitra io no hahatonga anao hi-jouir de la présence de Dieu.

Ho amintsika izany fahasoavan’Andriamanitra izany, ho amintsika Fiangonana izany fahasoavan’Andriamanitra izany ary ho an’ilay Andriamanitra velona irery ny voninahitra ry havana ô. Amen.