ALAHADY 15 AOG 2021

2 Korintiana 9 ry havana. Ny hafatry ny Tompo ho antsika amin’izao maraina izao dia faran’izay tsotra, efa haintsika tsianjery an : TANDREMO NY FITIAVAN-TENA, TANDREMO NY FITIAVAM-BOLA.

TANDREMO NY FITIAVAN-TENA, TANDREMO NY FITIAVAM-BOLA. Tsy misaraka ireo ry havana ô. Raha maka médaille anankiray ianao : amin’ny lafiny iray ny fitiavan-tena ; ao ambadika, ny fitiavam-bola. Tsy misaraka ireo e. Tsy misaraka ireo. Ary izay no mbola anafaran’ny Tompo antsika, hoe : TANDREMO NY FITIAVAN-TENA, TANDREMO NY FITIAVAM-BOLA.

2 Korintiana 9 :15 : « Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina ».

Ny olona mitandrina ny tenany tsy ho azon’ny fitiavan-tena, tsy ho azon’ny fitiavam-bola, dia mahatsiaro ny fanomezana nataon’Andriamanitra ho azy, fanomezana tsy hay tononina hoy ny Apostoly Paoly, dia inona izany ? Ny fiainana mandrakizay. Ny olona mahatsiaro nandray ny fiainana mandrakizay : tsy tratran’ny fitiavan-tena ry havana, tsy tratran’ny fitiavam-bola.

Rehefa miteny ny Soratra Masina hoe : « fanomezana tsy azo tononina », iza moa no tsy efa nandre an’izany voambolana hoe « fiainana mandrakizay » izany ? Nefa tsy azo tononina anie hoy ny Apostoly Paoly e. Ny hoe tsy azo tononina aloha, dia hoe tsy hay visavisaina. Tsy hay visavisaina izany fiainana mandrakizay izany. Ary manarak’izany : tsy azo tononina ; sarotra be ny hiteny avy ety amin’ny pilopitra hoe ohatran’izao izany fiainana mandrakizay izany. Fa izany no fanomezana nomen’Andriamanitra antsika tao amin’i Jesoa Kristy. Dia inona no ataon’ny olona izay hoe nandray ny fiainana mandrakizay ? Io amin’io and.15 io, hoe : « Isaorana anie Andriamanitra ». Misaotra an’Andriamanitra ny amin’ny hoe programany hanolotra ho antsika fiainana mandrakizay tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ary rehefa hoe mitombo amin’ny fisaorana isika ry havana ô, dia henontsika izany hoe : waouh, tena efa manana fiainana mandrakizay aho.

Mitomboa amin’ny fisaorana an’Andriamanitra, aza variana mamaky dictionnaire biblique. Mitomboa amin’ny fisaorana an’Andriamanitra noho izany fanomezana tsy hay tononina omeny anao izany, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Izay ny Fahamarinana 1 : MITOMBOA AMIN’NY FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY FIAINANA MANDRAKIZAY IZAY NATOLONY HO ANAO.          

Ny Fahamarinana 2 ry havana, ho an’ny olona izay hoe te hitandrina ny tenany amin’ny fitiavan-tena sy amin’ny fitiavam-bola, dia hoe : MAHAFOY BE. MAHAFOY BE.

Ary izany no nataon’ny Fiangonana tao Korinto, lazain’ny Apostoly Paoly eto amin’ny 2 Korintiana 8 sy 9 : olona tao anaty fizahan-toetra, olona tao anaty fahantrana, nefa nandray ny fiainana mandrakizay, dia nahafoy be ho an’ny kristiana nahantra tany Jerosalema, tànan-dehibe izany. Fa nandray an’ilay fanomezana be izy, dia nahafoy be. Jerentsika ny and.6-8 ry havana : « Fa izao no lazaiko : Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ ny fony avy, tsy amin’ ny alahelo, na amin’ ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra. Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra ». Izay ilay ataontsika hoe : ny olona nandray an’ilay fanomezana tsy hay tononina, dia ny fiainana mandrakizay, dia mahafoy be. Ary dia misy fahendrena ao hoy Jesoa an. Misy kajy ao. Inona ilay kajy ? Izay mamafy kely, izany hoe izay mahafoy kely ; izay mamafy kely dia kely no hojinjany. Ahoana moa izany ? Misy olona ao izany, manana voa be dia be, dia jereny ilay voa, dia hoy izy hoe : « an an an, ity kosa hohaniko ity e ; ity indray tehiriziko ity e » ; dia ilay ambiny an, afafiny mba hitomboany. Mazava ho azy ry havana, mazava ho azy, fa raha kely ny ambiny afafinao ao an, dia kely koa no hojinjanao. Izay ilay lazain’i Jesoa eto ry havana ô. Ary izay, tsy azontsika izay. Ilay lalàn’ny fambolena ao amin’ny tena fambolena : mihatra amin’ny fiainam-pinoana sy ny fiainana ara-panahy ry havana. Ary izay ilay ataontsika hoe : rehefa tia tena ianao, rehefa tia vola ianao, dia hoe : « an an an, ity kosa ho an’ny confort-ko ity e ». Izay ilay fitiavan-tena. « Ity indray ho an’ny sécurité-ko e ». Izay ilay fitiavam-bola. Fitiavan-tena, fitiavam-bola : « ity no afafiko », dia kely ny hojinjanao ry havana ô.

Tonga dia hoe ampiaro amin’ny resaka vola ny tenin’ny Soratra Masina, ny tenin’ny Fahamarinana : raha mamafy vola be ianao e, dia hijinja vola be. Raha mamafy vola be ianao, andramo, fa ho malala-tanana aminao Andriamanitra, ho malala-tanana aminao Andriamanitra. Tsy mandainga izany tenin’Andriamanitra izany ry havana ô.

Fijoroana vavolombelona ry havana : maro moa ny mpanompon’Andriamanitra, Pasitera miantso anay, mandalo ao aminay ao, dia mitady vonjy. Dia tamin’ny début Août teo, nisy mpanompon’Andriamanitra voatery nampiana, hoe ity tsy azo odiana tsy hita, tsy maintsy ampiana. Dia nampiana, nampiana, nampiana. Tsy tao anaty budget mihitsy izany. Nampiana ry havana. Misaotra ny Tompo ny amin’ny nahazoana nanampy an, misaotra ny Tompo ny amin’ny nahazoana nanao pratique an’ity. Début Août izay zavatra izay no nitranga. Vola bebe ihany no lany tao. Tamin’ny Zoma, afak’omaly ry havana, amin’ny 4ora30 eo, misy olona izay efa herintaona tsy hitanay ; izany hoe olona tsy mifanerasera ; hoy izy hoe « Pasitera an, sao dia ao ianao fa misy zavatra ateriko ho anao ? ». Eny ary. Tonga ilay olona. Inona no nateriny ? Valopy. Izay ny anton-diany : nanatitra valopy. Inona no tao anatin’ilay valopy ? Vola avo telo heny tamin’ny laninay tamin’ilay Pasitera nampianay tamin’ny début du mois. Nanamarina izahay ry havana ô, hoe : namafy be izahay, dia tena nijinja avy telo heny. Tsy mandainga io teny io e. Tsy mandainga io teny io. Ary manampy antsika hiady amin’ny fitiavan-tena, amin’ny fitiavam-bola ry havana ô.

Ary tsy amin’ny lafiny matériels na lafiny ara-bola ihany, fa amin’ny lafiny ara-panahy ihany koa : mamafy fahotana ianao an, mijinja fahotana ; mamafy fitsaratsarana olona ianao an, mijinja fitsarana olona ; mamafy famelan-keloka ianao, mijinja famelan-keloka be ianao.

Izay ny Fahamarinana 2 hoe : NY OLONA IZAY NANDRAY AN’ILAY FANOMEZANA TSY AZO TONONINA DIA MAHAFOY BE, MAMAFY BE KA MIJINJA BE. Andramo ry havana ô, andramo.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : NY OLONA IZAY NANDRAY AN’ILAY FANOMEZANA TSY AZO TONONINA, KA MAMAFY BE, MIJINJA BE, DIA MIJINJA VALIM-BAVAKA BE KOA. MIJINJA VALIM-BAVAKA BE KOA.

Jerentsika ny and.12 ;14 : « Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon’ ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’ Andriamanitra koa… ary amin’ ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben’ ny fahasoavan’ Andriamanitra aminareo ».

Hoy isika hoe : ny olona mahafoy be, dia mijinja be ary mijinja ihany koa valim-bavaka be. Efa notenenina teo izany : ny olona resahina eto dia olona tary Korinto tary, tary Makedonia tary, nanolotra vola ho fiantrana ireo kristiana latsaka anaty fahasahiranana ara-bola tao Jerosalema. Dia hoy ny Apostoly Paoly : ireo, hoy izy, tamin’izany fanomezana izany, tsy nahafaka fotsiny ny alahelon’ny olona masina, tsy mody nanome, nanome fe nanome izy an, fa tena nahafaka ny alahelon’ny olona masina.

Dia inona kosa no nataon’ireo kristiana tany Jerosalema ry havana, nandray an’ilay fanomezana avy any Korinto ? Nisaotra an’Andriamanitra. Nisaotra an’Andriamanitra be dia be noho ireo kristiana tany Makedonia. Izany hoe ilay fitiavana nasehon’ireo kristiana tany Makedonia izany an, ny setriny an : vavaka ho azy ireo : « Misaotra Anao izahay Andriamanitra ô, noho ireo Korintiana ireo ». Ary izay ilay mampitombo ilay fifankatiavana ry havana, ilay mifampahatsiaro am-bavaka ohatran’izany. Tsy possible ianao e, hankahala olona entinao am-bavaka. Tsy possible izany. Fa rehefa mitondra azy am-bavaka ianao, dia ampitomboan’Andriamanitra ao am-ponao izay fitiavana azy. Fa tsy hoe nisaotra an’Andrimaanitra fotsiny ny kristiana tao Jerosalema hoe « misaotra ny amin’ity vola ity, misaotra Anao ny amin’ireo kristiana tany Makedonia ireo ; and.14 : « amin’ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy ». Nisaotra an’Andriamanitra ry zareo tao Jerosalema ary nangataka tamin’Andriamanitra ho an’ireo kristiana tany Makedonia ireo ; nangataka tamin’Andriamanitra ho an’ireo kristiana tany Makedonia. Izany hoe nivavaka ireo kristiana any Korinto sy Makedonia, fa mbola mivavaka ho azy koa ry zareo avy any Jerosalema ry havana ô.

Ary mamy loatra ny dikan-tenin’ny version Segond amin’io and.14 io, hoe : « Ils prient pour vous avec tendresse ». Ils prient pour vous avec tendresse. Tsy ilay vavaka plivava fanao iny, fa « ils prient pour vous avec tendresse ». Fantatray ry havana, fantatray, fa maro ato Isotry Fitiavana no mivavaka ho anay avec tendresse. Manamarina valim-bavaka isan’andro isan’andro izahay ary misaotra ny Tompo ny aminareo izay mivavaka ho anay avec tendresse. Tohizo e, tohizo e, svp : tohizo. Valim-bavaka anankiray no tiako zaraina eto an : misy fotoana ry havana ianao, mba manao préparation ihany toute la semaine ; fa indraindray aloha tototra asa dia tsy vita tsara ilay préparation ; ny Sabotsy alina andeha hatory ianao, tsy fantatrao mihitsy izay ho toriana ; ianao anefa amin’ny 6 tsy maintsy midina, tsy misy hoe andeha hifoha maraina be mankaiza. Valim-bavaka ry havana : matory ianao Sabotsy an, tsy hitanao mankaiza io ; Alahady maraina mifoha ianao : velarin’ny Tompo eo anatrehanao ilay toriteny. Izay ilay valim-bavaka ry havana malala. Izay ilay valim-bavaka. Mivavaka izahay e, fa misy olona mivavaka any ho anay, avec tendresse. Ary isaoranay ny Tompo izany.

Ary io no mbola mampianatra antsika androany maraina, hoe : TANDREMO NY FITIAVAN-TENA, TANDREMO NY FITIAVAM-BOLA. Ho Azy irery anie ny voninahitra. Amen.