"Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesoa ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko o, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao." Lioka 10:21
Tohiny
"Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo." Lioka 6:21
Tohiny
"Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah". Joela 2:21
Tohiny
"Ary hiteny ianao amin'izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah o; Fa na dia tezitra tamiko aza Ianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Ianao". Isaia 12:1
Tohiny
