"Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho". Genesisy 17:7
Tohiny
"Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah". Ezekiela 36:11
Tohiny
"Ary nony nahare izany Jesoa, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza". Lioka 7:9
Tohiny
"Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin'ity mandrakariva ny masoko sy ny foko". 1 Mpanjaka 9:3
Tohiny



