"Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Genesisy 15:5)". — Romana 4 : 18
Tohiny
"Fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Ianao (Isaia 49:6)". — Asan'ny Apostoly 13 : 47
Tohiny
"Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesoa izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho". — Lioka 5 : 8
Tohiny
"Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia". — Asan'ny Apostoly 17 : 11
Tohiny



