"Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesoa" — Romana 3 : 23 - 24
Tohiny
"Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony; Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony". — Deoteronomia 32 : 43
Tohiny
"Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Habakoka 2:4)". [* Na: ny marina ho velon'ny finoana] — Galatiana 3 : 11
Tohiny
"Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsy hita* izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana o, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsy hita o, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan'ny masoko ny nenina.[Hebreo: Sheola]" — Hosea 13 : 14
Tohiny



