"Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony*, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay". [*Eofrata]. Josoa 24 : 15
Tohiny
"Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy". I Korintiana 7 : 14
Tohiny
"Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay*; Ahoana no hataonay** amin'ny zandrivavinay***, raha mby amin'izay andro hangatahan'olona azy ho vady? [*Na: isika] [**Na: hataontsika] [***Na: zandrivavintsika] Raha manda izy, dia hanangananay* tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay** hazo fisaka sedera. [*Na: hananganantsika] [**Na: hotampenantsika]".Tonon-kiran'i Solomona 8 : 8 - 9
Tohiny
"Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona". Marka 10 : 9
Tohiny
