03 MEY 2022

Nanatanteraka Komity Lehibe tsy ara-potoana ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana (SPAA 10) izay notarihan'ny Rafitra mpanatanteraka eto amin'ny FJKM.

Tao amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina no nanatanterahana izany. Ary natokana  hanaovana fifidianana ny Birao vaovao hitarika ny SPAA 10 izany Komity Lehibe izany.

Taorian'ny fifidianana dia ireto manaraka ireto no mandrafitra ny Birao SPAA10:

- Filoha Mpanampy Mpitandrina : Atoa RAMAMONJIARISOA Robert, Mpitandrina, FJKM Betafo Fanavaozana Ambohimanarina

- Filoha Mpanampy Laika : Atoa ANDRIANATOANDRO Sitraka Todisoa, FJKM Ambodimita Betela Firaisana

- Mpitan-tsoratry ny fivoriana : Rtoa ANDRIANARIVELO Volasoa, Mpitandrina, FJKM Ambohitsiroa Malala

- Mpitan-tsoratry ny vola : Atoa NDRIANJAKA Maheriarisoa Falimanana, FJKM Ambohitsiroa Fitiavana

- Mpitahiry Vola : Rtoa RAKOTONDRAMANANA Veromalala Seheno, FJKM Anosivavaka Ambohimanarina

- Mpanolo-tsaina : RADIMISAON Jonah, Mpitandrina

Nifarana tamin’ny 4ora30 hariva ny fifidianana. Ary taorian'izay dia natolotra kosa ny Prezida Synodaly vaovao izay notendrena nandritra ny Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe farany teo, dia Ny Mpitandrina RAZAFINDRAKOTO Hasinarivo Andriambalohery.