RASOARINORO Martine

II Sam 22 : 6b, 7b « …nisakana ahy ny fandriky ny faafatesana … ary ny fitarainako tonga eo an-tsofiny.
Nanao asa tany amin’ny 18 km miala eo Ankadinondry Sakay aho. Lalan-tany sady ratsy noho ny maha fahavaratra ny andro. Raha niala tany amin’io toerana io aho dia, nisy fifaliana tokoa, nisarahana tamin’ireo olona tany fa afaka nitory ny Filazantsara tamin’izy ireo. Teo am-pisarahana dia nanafatra izy ireo fa mitondrà Baiboly fa tena mila izany izahay. Falifaly aho, ary dia tenanisy fiadanam-po noho ny asa natao. Moto no nitondra ahy hamonjy ny lalam-pirenena n°1.
Vao nandeha kelikely (6km) izahay dial any essence. Tompo ô, ahoana izao? Vonjeo izahay! Tampoka iny nisy moto hafa handalo anay, “Mba vonjeo essence e!” hoy aho. Tsy misy fa kely koa ny ato. Tsy niady varotra aho fan angina. Kanjo nanome ihany izy fa 1/4l, ny lalana aleha mbola eo amin’ny 12km eo ho eo. Dia faly e! nidera ny Tompo fa voavaha ny olana. Vao nandeha teo amin’ny 1km niala teo, nandalo ilay lalana ratsy mikitaotaona ba, sady fidinana be no miolakolaka, 300 m eo ho eo. Tsy nety nahazo ilay frein moto. Rifatra tena naniditsidina be ilay moto, ary tsy tafajanona izahay raha tsy tany anaty renirano. Antsoantso “Vonjeo Jesoa ô! Amin’ny anaranao Jesoa no ianjeranay!...” Nodidina tamin’ny anaran’I Jesoa ny devoly satana tsy hanam-pahefana aminay. Saiky votsotra ny tanako nihazona ilay moto satri tena mafy ny fitontotontonany sy ny fandehanany.
Ny Sal 34: 7 “Ny anjelin’I Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy, ka mamonjy azy” no tena tonga dia tsaroako ary toy ireny nisy nanohana ahy ireny taoriana, ka nanamboatra ny fipetrako mampifikitra ny tanako indray. Nanidina tambony rano ilay moto dia nzeran’ny sisiny ho ao anaty rano indray izahay. Tsy nanafotra anay ilay rano fa izy no nampitsikafona any tsy hilentika. Tsy nisy samba ilay moto na dia kely aza. Tsy nisy naratra ilay mpamily, izaho no narary ny lamosiko, niala teo amin’ny rano aho sady namindra no nanao hoe “amin’ny anaran’I Jesoa no hijoroako, handehanako. Jesoa ô! Vonjeo aho”. Dia nojereko indray ilay lalana nandehananay, tena nitomany aho fa ny Tompo tena nomba, fahafatesana no nisakana anay fa Izy nihaino ny antsoantso ka niaro. Noraisina indray ny entana, dia nanohy ny dia. Ny moto tsy nisy samba, ny frein nahagaga fa nahazo tsara, ny essence nahatody anay hatramin’ny farany.
Ny nahagaga ahy koa, tsy mba fanaoko ny mitondra fanafody rehefa mandeha, fa tamin’io nahita Doliprane 1g tao anaty sacoche aho nanala ilay marary. Rehefa tonga tany Antananarivo aho dia nojeren’ny mpitsabo. Misy voa kely ny colonne vertebrale, fahavoazana kely raha mitaha amin’ilay zava-nitranga.Ilay fifaliako avy nanambara an’I Jesoa iny toa nisy aloka tampoka nanamaizina. Tsy faly satana satria mangetaheta hitondrana Baiboly ireo olona, ary faly nandre ny amin’I Jesoa. Sabotsy 22/02/14 izany no nitranga. Ny Alatsinainy 24/02/14 nisy tokantrano iray koa nikorontana (misy zaza 11 ary ilay ramatoa mitondra vohoka 3 volana) nampandre ahy izy ireo, ary noentina am-bavaka tao amin’ny cellule de prière Alarobia atoandro.
Ny Alakamisy niantso indray zareo ary tena niteny fa tena asan’ny devoly hoy ireo no nanakorontana anay fa efa milaminatsara izahay izao. Tena fanirian’ilay fanahy ratsy ny hamotika ny mpanompon’Andriamanitra. Ny zavatra ataony anefa mainka koa mampisongadina ny herin’Andriamanitra mamonjy ny mpanompony.Torintsika foana Jesoa. Tsy misy miala izany na kivy. Aza matahotra ny fandrahonan’ny fahavalo amin’ireny loza miseho ireny. Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany.