Taona 2008 nisy mpivady nanofa trano tao aminay ilay rangahy morisiana, ny vadiny malagasy. Raha niditra tao izy ireo tsy nahafantatra izahay izay fombafomba fiainan’izy ireo. Rehefa nipetraka ry zareo dia nisy efitra iray t@ trano nataony toerana fanompoan-tsampy nametrahany ireny sarina biby olona maro tanana be mampitahotra misy labozia mirehitra sy karazana voankazo ary vonikazo manodidina ireo sary ireo ary andorany zavatra manitra. Teo no nataony toeram-pivavahana .
Tena kivy tanteraka izahay nahita izany raha sendra niditra tampoka tao tsy afaka ny hiteny hoe miala izao dieny izao ianareo satria ny contrat herintaona efa vita. Ny tao an-tsaina fotsiny dia ny hoe tsy mijanona eo intsony ireo fa miala @ taona manaraka. Nanaiky izy ireo rehefa nolazaina fa ilainay @ izay ny trano fa tapitra ny contrat. Ny fangatahany dia hoe rehefa mahita trano izahay vao mba miala. Nandeha teny ny fotoana.Tsy nety tafala mihintsy izy ireo nandritry ny 5 taona. Maro ny olana nolazainy isaky ny mahita trano ry zareo . Ilay ramatoa koa nanana tsy fahasalamana foana nandritry ny fitondrana vohoka.
Sahiran-tsaina ihany koa izahay teo anilan’izay ny androaka azy @ tran. Toa nisy feo re nanao hoe sao dia tsy ny fialany aloa no programan’ny Tompo Tsy nitsahatra ny nitondra am-bavaka azy ireo izahay, 2011 h@ 2013 izany Taona 2013 teraka ny vondrom-bavaka isam-paritra voatendry ho ao an-tranonay no hanatanterahana ny eny @ faritra Ivato isaky ny zoma hariva. Nentina am-bavaka tao ny hialan- ireo mpanofa trano ireo. Taona 2013 iny ihany dia tonga namonjy fotoan’ny vondrom-bavaka ilay ramatoa. Nazoto tonga foana izy Taty aoriana lasa nandray anjara mihintsy t@ fitarihana fotoana izy.
Volana Décembre 2014 nihaona taminay izy mivady nilaza fa ho afindra toerana eny Andranotapahina Ambohidratrimo ny orinasa ka nahazo logement eny ry zareo. Izay izany no fotoanan’ny Tompo hialan-dry zareo eto hoy izahay tsy ela akory dia voataona niala tao ny entany Tsy nifankahita t@ izy ireo intsony izahay raha tsy ny faran’ny taona 2014 raha sendra nifanena teny an-dalana ary t@ izay no nilazan’ilay madama fa hody any Morisy ry zareo fa tsy mandeha intsony mihintsy ny asany eto Madagasikara.
Misaotra ny Tompo ny @ valim-bavaka ary tsy hainay koa ny tsy hisaotra ny tsirairay ao @ vondrom-bavak’Ivato nitolona am-bavaka niaraka taminay tao anatin’izany. Jehovah o iza moa no tahaka Anao @ izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina @ fahamasinana. Deraina @ fahatahorana, mpanao fahagagana? AMEN! Eks 15-11