"Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina. Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tanany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana, koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany". Eksodosy 10 : 21 - 23