"Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany. Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia".I Mpanjaka 17 : 14 - 16