"Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy. Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe: Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona". — Lioka 1 : 23 - 25