"Dia namaly Jesoa ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao". — Lioka 17 : 17 - 19