"Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe:Mialà amin'ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo. Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an'i Jehovah Andriamaniny". 2 Mpanjaka 17:13-14