Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 09 AOG 2020

Ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo, Hebreo 11, mbola iarahantsika mamaky sy mihaino ny Hebreo 11:39-40 : « Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika ».

Mampandinin-tena antsika kristiana ny Tompo anio ry havana, kristiana no resahina eto : RY KRISTIANA Ô, MANAO AHOANA NY LAZANAO : TSARA LAZA VE IANAO ? TSARA LAZA VE IANAO ? Ary raha tsara laza ianao, dia araka ity and.39 ity ihany : TSARA LAZA VE IANAO NOHO NY FINOANAO ? Ry kristiana malala ô, TSARA LAZA VE IANAO NOHO NY FINOANAO ?

Tsara laza eo anatrehan’Andriamanitra, tsara laza eo anatrehan’ny mpiara-belona, mpiara-mivavaka aminao. Tsara laza eo anatrehan’izay tia anao, tsara laza eo anatrehan’izay manenjika anao ; ary ho tsaroan’ny taranakao ve ianao : dadanay, neninay, dadabenay, dadabe an’i dadabenay, etc… ny razanay : izahay dia taranaka olona tsara laza noho ny finoana. Izay ry havana ô, no hafatra omen’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao.

Iza moa no olona tsara laza noho ny finoana ry havana ?

NY OLONA TSARA LAZA NOHO NY FINOANA DIA OLONA NINO AN’I JESOA KRISTY TOMPO HO ILAY MESIA TONGA ARAKA NY TENY FAMPANANTENANA NOMEN’ANDRIAMANITRA HATRY NY FAHAGOLA. Izany ny olona tsara laza noho ny finoany ry havana ô : Finoana miompana amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ho Mesia, Ilay Mpamonjy be fahasoavana. Ary noho izany fahasoavany izany dia tonga Izy hanafaka antsika amin’ny fahotantsika. Ary mba handehanantsika mendrika an’izany Mpamonjy izany, dia fenoin’ny Fanahy Masina isika mba haharitra amin’ny diantsika ety an-tany ; fa rehefa mifarana ny dia ety an-tany ; io Mesia io koa no tonga tety an-tany, nilaza hoe : « tonga Aho hanokatra indray ho anareo ny varavaran’ny lanitra ». Izany ny olona tsara laza noho ny finoany ry havana ô.

Fa izao : eto amin’ity Hebreo 11 ity dia ilay kristiana, eny e, ilay mpino ao amin’ny testamenta taloha ireto lazaina hoe tsara laza noho ny finoana ireto. Tsara laza noho ny finoana.

Ahoana moa ary izany ? Tena maha-te hidera ny finoany ry havana ô, satria ireo na dia tsy nahita an’i Kristy aza, satria ireo na dia tsy nahita ny fanatanterahana ny teny fampanantenana hoe hisy Mesia ho avy any, dia efa nino, nivelona ary nanompo tahaka ny nahita ny Mesia ry havana ô. Izay ireto olona tsara laza ireto noho ny finoana. Ary dia manome ohatra moa izany ny epistily ho an’ny Hebreo manomboka any amin’i Abela, Enoka,Abrahama ; tsy hijery an’izy rehetra isika, fa Abela ange e, ny ilazana hoe nahafantatra ilay Mesia tonga handatsaka ny ràny izy e, dia hoe Abela nanao fanatitra : ny voaloha-terak’i Abela no nataony fanatitra. Asa izay fomba nampahafantaran’ny Fanahy azy izany, fa mampiseho izy fa hoe mahafantatra ny Mesia izy. Enoka ry havana, ilay lehilahy lazaina hoe nandeha niaraka tamin’Andriamanitra, nahafantatra koa izy hoe izany Jesoa izany, na izany Mesia izany, hoe Imanoela : Andriamanitra miaraka amin’ny olona, eo anivon’ny olona : Enoka nandeha niaraka tamin’Andriamanitra. Izany ny olona tsara laza noho ny finoana : tsy nahita an’i Jesoa nefa nino Azy, nanompo Azy. I Abrahama, i Abrahama koa anie tsy nahita an’i Jesoa ; fa i Abrahama nitenenan’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 22 hoe : « amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena maro ambonin'ny tany, satria nitandrina ny teniko ianao ». Ary rehefa mamaky ny Matio 1 :1 miresaka ny firazanan’i Jesoa dia hoe : « Jesoa zanak’i Davida, zanak’i Abrahama ». Io ilay Mesia io.

Izay aloa izany ry havana ô ilay olona tsara laza noho ny finoana tsy nahita nefa nino. Tsara laza izy. Fa izao ry havana, izao : ahoana ny amiko ? Ahoana ny aminao ? Satria isika toy ny niara-nahita ilay fanatanterahan’Andriamanitra ilay teny fikasana momba ny fahatongavana Mesia, na tsy velona aza isika 2.000 taona lasa izay : fantatsika fa tonga tety an-tany namangy an’ity tany ity Jesoa Kristy ry havana ô.

Mba eritrereto hoe retsy an, nandeha tamin’ny finoana. Ny atao hoe finoana, araka ilay hira nohiraintsika teo, finoana miorina amin’ny teny. Tsy nandeha tamin’ny émotion, tsy nandeha tamin’ny fahitana, fa nifikitra tamin’ilay teny fampanantenana. Ary ianao, manao ahoana ny fifikiranao amin’io tenin’ilay Mesia io ry havana ô, Izay maty ary nitsangana tamin’ny maty hisolo heloka anao ary hanamarina anao ? Omenao lanja ve izany teniny izany ry havana ô ? Fa raha tsy manome lanja ny teniny ianao, fa vakianao ara-keviny ohatrany famakianao gazety fotsiny, par curiosité io Baiboly io : tsy ho tsara laza ianao noho ny finoanao.

Ary miantsoro mianôtra, ry havana, ireto olona tsara laza noho ny finoany an’i Jesoa ao amin’ny testamenta taloha ireo. Ireo ankehitriny na dia tsy nahita an’i Jesoa ary, fa noho ny finoany : miandry ahy, miandry anao ao Paradisa ao izy. Izay ilay izy ry havana. Manao ahoana : tsara laza noho ny finoanao ve ianao ry havana ô ?

Ny Fahamarinana manaraka ry havana dia izao : NY OLONA TSARA LAZA AMIN’NY FINOANA DIA OLONA TSY MANOMPO SAMPY

Ny perikopan’ny 2 Tantara 24 ry havana, misy ny tantaran’i Zakaria, tena mampatsiaro ny zavatra iainantsika malagasy e. Hita eo amin’ny and.18 tamin’izany fotoana, ny mpanapaka ny Joda, izany hoe ny manam-pahefana rehetra tao amin’i Joda, dia hoe nandao an’i Jehovah, dia naninona ? Lasa nanompo Aseraha sy sampy. Fa Zakaria notsindrian’ny fanahin’i Jehovah dia tena hoe niteny tamin-dry zareo eo amin’ny and.20 hoe : « nahoana ianareo no mandika ny didin’i Jehovah ka tsy mahita fanambinana ? Satria efa nahafoy an’i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy ». Ry havana ô, anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fahaleovantenantsika isika, iaraha-mahalala ny situation misy : tsy misy fanambinana. Fa maninona no tsy misy fanambinana ? Amin’ny maha-mpitandrina ry havana no itenenana hoe : satria 60 taona nanompoana sampy isika malagasy. Ary n’iza n’iza hanjaka, hanapaka mandritra ny 60 taona manaraka eo, raha tsy manapa-kevitra izy hoe « aoka izay ny sampy sy ny Aseraha », hikoroso fahana ity firenena ity ry havana ô.        

Variana aho tamin’ireny ady hevitra mangotraka ary mbola mitohy ireny momban’ny fanorenana Colysée ao Anatirova. Samy efa rentsika daholo ny arguments rehetra ao. Fa mamaky an’ity perikopa ity, dia mahatsiaro hoe misy olona, ary tsy vitsy ry havana ô, amin’io Rova io ange e, misy fomba tsy maintsy tandremana e. Ary misy rangaha anankiray izay, nahavariana ahy, anisan’ny mpandala fomba malagasy izay no-interview-véna tamin’ireny fotoan’andro ireny : misy fomba tsy maintsy arahina ao hoy izy. Ary manontany an’ilay comité scientifique aho hoy izy sy manontany ny teknisianina hoe mba nijery andro ve ianareo ; andro inona, volana inona no nametrahana ilay première pierre an’ilay Colysée. Mino aho ry havana fa mbola maro ny kristiana mbola ohatran’izany, hoe : mbola misy fomba tokony hajaina eto amin’ity tany sy firenena ity. Ary izay hoy Zakaria, izay no tsy ahitantsika fanambinana ry havana ô. Ary izay no tsy hidirantsika any an-danitra : rehefa niaina fiainana ozona isika teto amin’ity tany ity.

Ao anatin’ireo tantaran’ny Maritiora resahin’i Pasitera Rabary ry havana dia misy an’izay antsoina hoe Rafaravavy Maria. Rafaravavy Maria dia efa nokasain’i Drainiaro noho ny mokon-dohany ara-panahy sy ara-pinoana, hoe : ity dia vonoina. Dia izy nogadraina iny, dia hoe : nogadraina izy ny alina ; ny ampitso maraina, ny ampitso vao maraina be dia hovonoina. Dia izao no vavaka nataony ny alina hoe hamonoana azy iny, hoe : « Andriamanitra ô, tahaka ny kristiana tonga teo amoron’i Jordana ny mpanomponao ankehitriny (izy Rafaravavy Maria izany), ny mpampita sisa no andrasako ». Izany ilay olona tsara laza amin’ny finoana. Dia notohizany ilay vavaka hoe : « Raha tokony ho faty aho, noho ny finoako aho, dia vonona aho. Fantatro fa ho an’ny voninahitrao irery izany. Aoka ny sitrakao Tompo no atao ». Miandry ny mpampita ny onin’ny Jordana aho hoy Rafaravavy Maria. Nivavaka izy ry havana ; kanjo moa ny alin’iny : may Ambohimitsimbona dia hoy Rainiaro hoe : « atsaharo daholo ny raharaham-panjakana rehetra ». Izay no « naha-avotra » tamin’ny fahafatesana an-Drafaravavy Maria. Fa izy moa izany, tsy novonoina teo fa 5 volana taty aoriana izy, namidy ho andevo ; dia avy eo izy afaka nitsaoka tany Angleterre ary tany izy no nijoro vavolombelona ny amin’ny zavatra niainany sy ninoany ary ny zavatra nolalovan’i Madagasikara, namelona ny Fiangonana matory tany Angleterre. Maninona no tsarovana Rafaravavy Maria ? Rafaravavy Maria ry havana dia hoe zanaka andriam-baventy, ny rainy dia andriam-baventy, ary ny anadahiny dia manamboninahitra. Ary Rafaravavy Maria io, izy mivady, dia tena hoe nafana fo tamin’ny fanompoan-tsampy. Izany no hitsiahivana azy eto e. Nafana fo tamin’ny fanompoan-tsampy. Ny volany, ny fotoanany, dia nolaniany tamin’izany hoe fanompoana sampy izany. Dia tantarain’i Pasitera Rabary hoe : indray andro izy mivady handeha haka sampy any amin’ilay mpanompo sampy, any amin’ilay fanaovana sampy ; handeha haka sampy any izy, dia tonga ao amin’ilay mpanompo sampy izy, dia hoe : tonga avy any izy maka kitay : ny ampahan’ilay kitay nanamboarana an’ilay sampy, ny ampahan’ilay kitay nandrahoina sakafo. Taty aoriana, nandre toriteny miompana amin’ny Isaia 44 i Rafaravavy Maria. Miresaka kitay : ny sasany nodorana ny afo, eny ny sasany andrahoiny hena : manatrika hena izy ka dia voky. « Tena izaho izany ». Izay no nikasihan’ny Tompo azy ry havana ô. Izay no nikasihan’ny Tompo an-Drafaravavy Maria, nikasihany ny eritreriny, ny nadraisany ny Tompo. Ary dia rehefa natao batisa izy, dia natao hoe Rafaravavy, dia nampiana hoe Maria, ny anaran’ny renin’ny Tompo ny anarany. Izany ilay mpanompo samy nahita ny haratsian’izany sampy izany ary mijoro vavolombelona amintsika ry havana androany e. ATSAHARO IO FA TSY AHITANA FANAMBINANA ETY AN-TANY. ATSAHARO IO FA TSY IDIRANA ANY AN-DANITRA. Ary enga anie isika le jour hoe tojo fahafatesana izany, dia hiteny tahaka an’i Rafaravavy Maria hoe : « Tompo an, tahaka ny mpanomponao maro aho, eto amoron’ny onin’ny Jordana ; ilay mpampita sisa no andrasako. Fa ao ambadik’io Jordana io, ao ny Paradisa ». TSARA LAZA NOHO NY FINOANAO VE IANAO SATRIA MANDA NY FANOMPOAN-TSAMPY ? Volana Aogositra isika izao, ho avy ny volana Septambra ho avy ilay fanompoana be any amin’ny faritany any, anazy izany ry havana ô, logique-ny izany. Fa ianao, raha Président de la République ianao, PM ianao, Minisitra ianao, Député ianao, asaina amin’izany ve ianao ? Izaho milaza aminao amin’ny anaran’ny Tompo : aza mankany ianao raha tianao assuré-na ny fiakaranao any an-danitra, n’inon’inona firehana ara-politika-nao. Hafatry ny Maritiora izany, hafatry ny Tompo izany ho antsika Fiangonana malalany amin’izao 09 Aogositra izao.            

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao : NY OLONA TSARA LAZA NOHO NY FINOANY DIA MANDA NY FIHATSARAM-BELATSIHY

Izay no tenenin’i Jesoa amin’ireto jiosy ireto ao amin’ny Lioka 41. Hoy Izy hoe : nareo hoy Izy, manaiky ny asan’ny razanareo. Ny razanareo dia namono ny mpaminany rehetra nirahina tany aminy tany. Dia inona no mody ataonareo ? Hoe : ianareo manangana fasana ho an’ilay mpaminany, ohatrany hoe fanonerana ny ratsy nataon’ny razanareo. Non non no hoy Jesoa. Milaza aminareo Aho fa ho adinina aminareo izao ataonareo izao. Fa maninona no ho adinina aminy ? Manao ny asan’ny razana izy, izany hoe ilay fanahin’ilay tao amin’ilay razana, ilay fanahy tao amin’ilay razana, ilay fanahy mampihatsara velatsihy, izay no mbola ataon’ireto taranany ireto ry havana ô. Ary izay no itenenan’i Jesoa azy mafy. Ity firenena ity hoy Jesoa, dia tena hoe manaja Ahy eo imolotra, fa ny fony dia lavitra ahy ; ary tsy maintsy hanadinana anao izany. Ny fanahy izay niasa tao amin’ny razanareo ange no miasa ao aminareo e. Ary ianareo manangana fasana andevenana mpaminany io, tena mampihomehy mahasosotra fa karazana manangana tsangambato’ny famonoana nataonareo ianareo, fahatsiarovana ny famonoana fa tsy hoe fanonerena ny ratsy nataon’ny razanareo, satria iafaran’ny fihatsaram-belatsihy ao aminareo. Tsy tsara laza amin’ny finoana ianareo fa malaza amin’ny saritsary-na finoana. Sao dia isika izany ry havana ô ? Sao dia ny mampalaza antsika, saritsary-na finoana e ? Fa ny olona ry havana ohatran’ireo Maritiora ireo, tena nifanena marina tamin’ny Mesia dia hoe tsy manaja Azy eo imolotra, fa tena hoe manana fifandraisam-pitiavana, manana fifandraisam-panekena ary manana fifandraisam-panompoana manokana Aminy. Ary ho marik’izany hoe fanolorany ny fiainany ho Azy izany, ny zavatra asongadin’i Pasitera Rabary dia hoe ho an-dry zareo ireo, dia hoe hita fa ny Alahadin-ndry zareo dia tena hoe voatokana ho an’Andriamanitra ; Alahadin-ndry zareo dia tena hoe voatokana ho an’Andriamanitra ry havana. Tantarain’i Pasitera Rabary fa manomboka amin’ny 6 maraina hatramin’ny 8 : fianarana katekisma ; amin’ny 10ora30 : fanompoam-pivavahana lehibe ; amin’ny 01ora30 : mihazakazaka miverina any am-piangonana ireo mpivavaka ireo ; tsisy toriteny intsony fa anontanian’ny Misionera zavatra roa : Inona no tadidinao momba ny toriteny aninkeo maraina ? Ary faharoa : mbola mitahiry sampy na ody na zavatra ohatran’izany ve ianao ? Aiza moa no tsy ho mazava be ny nolazain’i Pasitera Rabary hoe tamin’ny 1831 nisy fifohazam-panahy goavana be teto amin’ny faritra Antananarivo teto ? Satria izany no nitaizana ny Fiangonana. Ary tamin’izany andro izany, dia hoe : ny olona rehefa Alahady, dia hoe mampiady ombilahy ; fa ireto olona ireto izay nandray an’i Jesoa ry havana dia tena hoe nisafidy ny ho any am-piangonana hiaino toriteny. Ny toriteny moa dia miompana amin’ny Mesia mazava ho azy. Ny hira koa hoy Pasitera Rabary tao am-piangonana dia toriteny vita. Ary hoy Pasitera Rabary : « ady rima no mafana amin’ny tonon-kira sasany ankehitriny ; fa ady fo kosa no nangotraka amin’ny tononkiran’ny Maritiora ». Ny sasany variana amin’ny ady rima hoy Pasitera Rabary, fa ny tononkiran’ny Maritiora dia hoe ady fo. Ny fiainany e, ny fiainany dia tany am-piangonana anamarihina an’ilay fanoloran-tena. Sanatria ve ry havana dia ho marina ilay faminaniana ratsy hoe : rehefa tapitra ity confinement ity dia maro amintsika no ho kamo satria tratran’ilay fahazaran-dratsy tsy ho any am-piangonana intsony fa hijery culte amin’ny télévision ? Tsy tsara laza noho ny finoana ianao ry havana ô, tsy tsara laza noho ny finoana ianao e, raha babon’i Satana amin’izany. Ary tena hoe zava-dehibe teo amin’ny tantaran’ity Antananarivo ity ry havana, tantaran’i Madagasikara moa izany, 29 Mai 1831 : batisa voalohany, batisa-na olona miisa 20, tena hoe hanao fanekena, fanekem-pihavanana amin’i Jesoa, ary hanaiky ho aroboka ao anaty ràn’i Jesoa amin’ny alalan’ny batisa ry havana ô. Ary tena hoe évènement izany teo amin’ny fiainana fa tsy fombafombam-pivavahana. Ho antsika izay mitana saritsary-na finoana e, ka efa lelafina faladia vao mitondra ilay zaza atao batisa eto ry havana ô : tsy tsara laza amin’ny finoana ianao raha izany no ataonao. Mampihetsi-po ny fanekena no-exigé-na tamin’ny olona izay ho raisina ho mpandray ; rehefa mijoro vavolombelona eo izy, dia manoratra ilay Misionera ; milaza mazava hoe : « Atolotro ho an’i Jesoa ny tenako sy ny fanahiko hanompo Azy sy hanao izay rehetra tiany. Ary amin’izao anolorako ny tenako izao dia mangataka amin’Andriamanitra aho hanampiany ahy amin’ny Fanahy Masina mba hitiavako an’i Jesoa amin’ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra sy ny heriko rehetra ». Rehefa tanteraka ny teny fikasana, ka tonga ny Mesia, dia tanteraka koa ny teny fikasana hoe : ny olona rehetra izay maniry an’izany dia fenoin’Andriamanitra ny Fanahy Masina ry havana ô ; raha tsy izany ianao tsy haharitra hatramin’ny farany. Haintsika ange ilay hoe : « izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena ». Haintsika ilay tapany farany ; fa ilay fiandohan’iny iniantsika tsy fantatra : « Fa ho halan’ny olona ianareo noho ny anarako » ; « Fa ho halan’ny olona ianareo noho ny anarako, fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena ». Raha tsy feno ny Fanahy Masina ianao, raha tsy feno ny Fanahy Masina, ary fenoina mandrakariva ianao, tsy haharitra hatramin’ny farany. Ireto kristiana ireto ry havana, ny Alahadiny : any am-piangonana. Ary mampihetsi-po ny mahita hoe par groupe de 40 na 50 izy manketsy amin’ny Fiangonana Ambatonakanga etsy, mivory ao amin’ny efitrano fisainana ao Ambatonakanga ny alina manontolo, miara-mivavaka. Hifonako amin’ny Tompo : azoko isaina amin’ny rantsan-tanana roa angamba ny fiaretan-tory mivavaka ato amin’ity Isotry Fitiavana ity ry havana. Efa nifona tamin’ny Tompo aho. Ary avy eo, noho ny tsy azo atao intsony ny mivavaka, dia hoe mifandimby mandray an-tsokosoko any an-tokantrano ny mpivavaka. Angamba raha amin’izao isika izao an : « an an an, aza mivoaboaka any ianao ka, maty any ianao ka, misy ronde ange any sy ny karazany : matimaty foana any ». Matimaty foana ahoana ??? Fa lasa any amin’ny tsara lavitra ianao raha maty ho an’ny Tompo tahak’izany ary raha fantatra fa tsara laza noho  ny finoana ry havana.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : NY OLONA TSARA LAZA NOHO NY FINOANA DIA MAHAFANTATRA FA RAHA MATY AO AMIN’NY TOMPO IZY DIA MANKANY AN-DANITRA ANY AMIN’NY PARADISAN’ANDRIAMANITRA, ARY AVY EO, AMIN’NY FOTOANA IZAY ANENDREN’ANDRIAMANITRA AN’IZAY, DIA MIARA-MIAKATRA ANY AMIN’NY JEROSALEMA VAOVAO.

Ny olona tsara laza noho ny finoana dia mahafantatra fa raha vao maty izy dia mamantana ao Paradisa, ary amin’ny fotoan’andro dia miara-miakatra any amin’izany hoe Jerosalema Vaovao izany. Ireo olona rehetra iza notanisain’ny Hebreo 11, ao amin’ny testamenta taloha ireo, izay tena hoe modely-na finoana ry havana ; ireo olona rehetra ireo izao ankehitriny dia efa miandry antsika kristian’ny testamenta vaovao ao am-paradisan’Andriamanitra.

Fa rehefa miteny ny Soratra Masina hoe : « fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika » : rehefa tonga ao Paradisa isika ry havana ô, izay vao miaraka ampiakarin’Andriamanitra any amin’ny Jerosalema Vaovao. Fa tsy misy hoe ireo efa mana-tombo any amin’ny Jerosalema Vaovao. Non. Noho ny laza tsara noho ny finoany, maty izy, na maty talohan’i Jesoa aza izy : ao amin’ny Paradisan’Andriamanitra izy ankehitriny. Izay no lazain’ny mpanoratra ny epistily ho an’ny Hebreo ao amin’ny and.16 : « Ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ireo Izy ». Ilay tanàna namboariny ho an’ireo sy ho antsika ry havana ô, dia ilay Jerosalema Vaovao. Fa tsy mbola miandry any izy, fa miandry ao Paradisa izy, miandry antsika, dia miara-miakatra any. Izany ve ny finoanao e ? Izany ve ny finoanao ? Fa izany ny finoan-ndry Rafaravavy Maria, izany no finoan’ireo Maritiora rehetra ireo. Fantany tsara fa tsy fiafarana izany hoe fahafatesan’ny tena ety an-tany izany.

Nampihetsi-po ry havana ilay tantara-na lehilahy anankiray izay, Maritiora anankiray izay ; izy moa dia anisan’ireo maty nazera avy eny Ampahamarinana tamin’ny Mars 49. Dia izy io izany tamin’ireny fotoanan’ny fanenjehana ireny dia ohatran’ny Maritiora maro, dia nogadraina. Fa azo lazaina hoe goragora ihany ilay fiandrasana azy ; dia nisy rahalahiny izay, rahalahiny iray tampo aminy nahazo alalana tamin’ny mpiambina hoe hitondra rano hoe ahazoan’i Rainimiadana maka douche ao am-pigadrana ao. Dia ny andro hariva, dia mitokana izy roalahy, dia miresaka ny rahalahin’i Rainimiadana amin’i Rainimiadana : « tsy mijery ilay mpiambina fa andao isika sy ianao handeha, andao isika sy ianao hitsoaka hoy izy, fa afaka mitsoaka tsara mihitsy isika izao ». Inona no notenenin’i Rainimiadana tamin’ilay rahalahiny ry havana? Nibanjina ny rahalahiny izy dia niteny hoe : « aza samponana ny diako fa ho any an-danitra aho ». Afaka mitsoaka ange izy e, fa tsy làlàna ange izao resahina izao e ; fa io ilay tenenintsika hoe fitarihin’ny Fanahy Masina : « Aza samponana ny diako fa ho any an-danitra aho ». Mbola nisisika ihany hoy Pasteur Rabary ny zandriny sady nandatsa-dranomaso nefa tsy azo nahodina i Rainimiadana. Dia hoy Rainimiadana tamin’ilay rahalahiny ni-insiste : « mankanesa ato aorianako ianao ry Satana ». Izay ilay hoe, araka ny tenin’ny Hebreo teo, tsy nanao izay ahafahany Rainimiadana ry havana ô. Fa notanterahiny hatramin’ny farany ny diany ho any an-danitra. Ary azo antoka izany Rainimiadana izany fa anisan’ny miandry antsika ao Paradisa ao ambony ao.

Ity moa tsy fitsipika na làlàna fa tena hoe fitarihin’ny Fanahy Masina. Fa inona no nahasahian’i Rainimiadana niatrika fahafatesana tahak’izany ? Ilay teny fampanantenana nataon’ny Mesia hoe : « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo ary ho vavolombeloko ianareo », tsy hoe vavolombeloko hatrany amin’ny faran’ny tany, fa hoe ho vavolombeloko ianareo hatramin’ny faran’ny dianareo ety an-tany. Izay no fitarihin’ny Fanahy Masina azy. Izay ilay izy ry havana.   

Faranana amin’ny tantaran’i Rasalama ry havana ô. I Rasalama Maritiora, izy koa moa izany nogadraina tamin’ireny fotoanan’ny fanenjehina ireny, dia izy nogadraina io, nogadraina izy noho ny finoany. Dia indray Alahady maraina, izy maty 14 Août 1837 ; fa ny Alahady 13 Août izy no nafindra tetsy Ambatonakanga ry havana ô. Satrio io Alahady 13 Août maraina io dia niteny taminy ilay havany izay nandefasan’i Rainiaro azy mba hoe :ity ambeno ao fa gadra ity noho ny finoany ; dia niteny tamin’i Rasalama hono Ramiandravola, Ramiandravola ilay hoe havan’i Rasalama ; niteny taminy Ramiandravola hoe : ity hoy izy, zairo kely ity akanjo ity. Tena nandà Rasalama. Izay no nitarihin’ny Fanahy Masina an’i Rasalama : nandà Rasalama dia niteny izy hoe : « an an an, Alahady androany, izaho tsy mikasika asa mihitsy ». Tezitra niaraka tamin’izay Ramiandravola, lasa nankany amin’i Rainiaro izy, dia Rainiaro niteny hoe :afindrao izao dieny izao ao Ambatonakanga io, fa rahampitso io vonoina, sao lasa ohatra, sao lasa modely. Dia ny alin’ny 13 au 14 dia tao Ambatonakanga teo no notazomina ry havana i Rasalama. Dia ny maraina, novahana ny gadrany, novahana ny fatorana ; niakatra an’iny Ambatovinaky iny izy, nandeha teny akaikin’ny tranon’i Jean Laborde iny izy, dia tonga tao izy, mandalo teo amin’ny Fiangonana teo Andohalo teo, dia hoe : « Tompoô, tato no nandrenesako ny tenim-pamonjena ka isaorako anao izany ». Teny an-dalana Rasalama, tsy nitsahatra ny nihira ny hiram-pivavahana, nandalo an’iny Ampahamarinana iny izy, tonga tao Ambohipotsy izy, nony tonga tao Ambohipotsy izy, dia mbola nihira ry havana ô. Ary misaotra an’Andriamanitra aho ato amin’ity fitandremana ity, androany no nianatra an’iny Hira 540 hoe : « Hitako ny lalan-tsara ka hizoraka, azoko ny famonjena ka hotanako mafy. Ampio aho ry Fanahy Masina ». Ampio aho ry Fanahy Masina. Ho fampieritreretana anao izao e, ho tsara laza noho ny finoanao ianao satria mifamatotr’aina amin’i Jesoa. Ho tsara laza noho ny finoanao ianao satria tsy nivoana amin’ny tenin’Andriamanitra. Ho tsara laza noho ny finoanao satria ampin’ny Fanahy Masina isan’andro isan’andro. Tonga tao Ambohipotsy izy, nihira an’io Hira FFPM 540 io, dia hoe : vita ny hira, dia mbola nangataka izy ny mbola hahazo hivavaka. Efa nivavaka izy ny alina manontolo ; nangataka izy ny mbola hivavaka ry havana. Nivavaka izy, dia teo am-pivavahana izy nanolotra ny fanahiny teo an-tanan’Andriamanitra. Dia teo izy no nolefonina izany e. Ary dia hoy Pasitera Rabary : nitakoritsika ny olona nanatrika teo ary gaga ny amin’ny fahasahiany, gaga ny amin’ny fiadanam-pony ary nilatsa-bava hoe : « marina ihany angaha ity fivavahany ity no dia sahy maty toa izao izy ». Izay ilay nolazaintsika teny am-piandohana ry havana malala ô : Tsara laza eo anatrehan’ny Tompo, tsara laza eo anatrehan’izay tia anao, tsara laza noho ny finoanao eo anatrehan’izay mpanenjika anao sy mpaniratsira an’Andriamanitra. Izany ve ianao ry havana ô ?

Any Bristol any, any Angleterre, dia hoe misy takela-bato fahatsiarovana an’i Rasalama, hoe : « Mpanompo sampy tany Madagasikara niova ho kristiana ; mpandray nanan-kaja tao amin’ny Fiangonan’ny Misionera ; Maritiora kristiana voalohany tao amin’izany Nosy izany. Ny andro niainany tamin’izany dia 39 taona. Izay mamery ny ainy noho ny Amiko dia hahazo azy. Matio 10 :39 ».

Ry havana ô, misaotra ny Tompo isika e, misaotra ny Tompo isika ny amin’izany teny izay. Zavatra ampatsiahivin’ny Tompo antsika farany dia izao e : Saino mandrakariva ny hoe : sokafany ho antsika ange e, raha naniraka ny Mesia Izy ; sokafany ho antsika ny Paradisa. Ara Rasalama Maritiora sy yn hafa rehetra dia efa miandry antsika ao, ary dodona ireo, dodona ireo eo am-piandrasana antsika fa efa te ho any Jerosalema Vaovao izy.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena                                            

ALAHADY 02 AOG 2020

Misaotra ny Tompo isika ry havana ny amin’ny lohahevitra vaovao omeny ho dinihintsika amin’ity volana Aogositra ity, dia ny hoe : Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino. Tena sarotra ry havana ny manindry tsindrim-peo hoe : aiza ilay tsindrim-peo, eo amin’ilay « mahatoky » ve, eo amin’ilay « hatramin’ny fahafatesana » ve, eo amin’ilay « mino » ve ? Tsy misaraka ireo e. Tena tsy misaraka ireo. Ny mino marina, ny olona mino marina, fa tsy ny olona mpandala fombam-pivavahana no resahina eto ; fa ny olona mino marina dia olona mahatoky , « fidèle ». Tsy hoe « mahatoky » fe mahatoky fotsiny, fa « mahatoky hatramin’ny fahafatesana ». Tsy ampy fotsiny izany hoe « mino », tsy ampy fotsiny izany hoe « mahatoky », fa hoe ny Fanahy hoe : IANAO IO VE MINO MARINA KA MAHATOKY HATRAMIN’NY FAHAFATESANA ? Hafatra ho antsika kristiana malagasy anatin’ny corona izao ry havana o.

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, Asan’ny Apostoly 20 :24 no iaingantsika amin’izao hafatra anio izao ry havana. Asa. 20 :24 : « Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesoa Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra ».

Io moa ilay lazaina hoe testament spirituel-ny Apostoly Paoly, nambarany tamin’ny loholona tao Efesosy ; ary misy hafatra koa ry havana ho antsika kristiana malagasy amin’izao taona 2020 izao.

Tsy misy olona ry havana hoe : « mahatoky hatramin’ny fahafatesana » izany, raha tsy teren’ny fitiavana an’Andriamanitra : teren’ny fitiavan’Andriamanitra azy, ary teren’ny fitiavana an’Andriamanitra. Tsy misy olona « mahatoky hatramin’ny fahafatesana » izany. Ary Paoly Apostoly izay miteny eto hoe « tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako », tena hoe natosiky ny fitiavana an’i Jesoa ry havana ô. Izany no mahatonga azy hiteny zavatra ohatran’io. Ary Paoly dia be fitiavana satria voavela tamin’ny be izy. Izay moa ilay làlànà napetrak’i Jesoa tamin’ilay vehivavy nanosotra menaka ny tongony : be fitiavana izy satria voavela ny helony be. Paoly be fitiavana satria voavela ny helony be. Voavela ny helon’ny fireharehana talohan’ny nandraisany an’i Jesoa. Mirehareha izy hoe fototr’Isiraely, firenen’i Benjamina, fariseo. Izany no nireharehany taloha. Ny zotom-pony, ny nampahazoto azy, dia hoe ny nanenjika ny fiangonana. Fa dia izao : rehefa nokasihin’i Jesoa ny fony ry havana ô, dia tonga saina tamin’izany izy, dia ny zavatra nireharehany taloha nataony faty antoka hoy ny teniny ao amin’ny epistily ho an’ny Filipiana. Ary dia be fitiavana izy, ary haintsika tsianjery ilay 1 Korintiana 15 :10 hoe : « Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy ». Zavatra niainan’i Paoly izany. Izany no naha be fitiavana azy. Ary izany no mahatonga eto amin’ilay Fahamarinana 1 hoe : TEREN’NY FITIAVANY I PAOLY KA NANAMBARA NY FILAZANTSARAN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA.

Izay ny Fahamarinana 1 : TEREN’NY FITIAVANA NY APOSTOLY PAOLY KA MANAMBARA NY FILAZANTSARAN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA

Izany tokoa ry havana no votoatin’io filazantsara io an : ny fahasoavan’Andriamanitra. Ary izany no ilain’ny olombelona ankehitriny. Andriamanitra be fahasoavana.

Paoly, teren’ny fitiavana, tena hoe niaina tao amin’ny nofony, tao amin’ny fanahiny izany hoe fahasoavan’Andriamanitra izany, ary mahatsiaro isan’andro ny ati-lavaka izay nampiakarana azy, dia nitory ny filazantsara. Izay ny antom-pisiany ry havana. Ary manontany anao ny Tompo amin’izao andro anio izao : Inona marina no antom-pisianao e ? Inona marina no laharam-pahamenanao ao amin’ny fiainanao e ? Laharam-pahamehana, antom-pisian’ny olona teren’ny fitiavana ve ? Izay ilay izy ry havana. Inona no laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanao ? Ny an’i Paoly dia hoe hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.

Io moa, any amin’ny Matio 28 :18 sy ny manaraka dia lazaina hoe ; ilay iraka lehibe. Mahafinaritra ilay teny frantsay amin’ilay hoe « iraka lehibe », hoe : « la grande commission » ; commission moa, hoe : iraka. Fa intéressant ry havana ilay teny frantsay hoe : « commission ». Ilay hoe « co » : « avec » ; ilay « mission » : ilay tena iraka. Izany hoe izany Jesoa ilay maniraka anao io, te hanao an’ilay commission miaraka aminao ; asa tena tiany, asa tena mavesatra ao am-pony anirahana anao, fa tsy mandeha irery ianao amin’ilay « grande commission ».

Izany ny fampieritreretana anao ry havana ô, izay mbola manao laharam-pahamehana zavatra hafa ao amin’ny fiainana, n’inon’inona sokajin-taonanao, na mbola tanora vao miary ny fiainana ianao, na olona efa misotro ronono ianao manisa ny millions sy ny milliards-nao : Inona ny antom-pisianao e ? Ny hanambara ve ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra ? Fa izany no andrasan’ny Tompo aminao amin’izao andro anio izao, manomboka anio.

Ato amin’ity toko faha-20 ity i Paoly ry havana dia miteny hoe, eo amin’ny and.20 sy 21 : « ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ ny olona ary tao amin’ ny isan-trano ; ary nambarako tamin’ ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy Kristy Tompontsika ». Ny antom-pisianao ve ry havana ô, dia mba hoe hanambara amin’ny hafa izay mahasoa e ? Izany, mahafinaritra anie izany hoe manambara amin’ny hafa izay mahasoa. Ary mitovy ny zavatra mahasoa ny olona rehetra, na ny jiosy na ny jentilisa hoy ny Apostoly Paoly, dia hoe : ny fibebahana amin’Andriamanitra sy finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika. Efa hainao tsianjery izany fibebahana sy finoana izany. Fa saino tsara maninona no zavatra sarobidy izany ry havana. Ny fibebahana, tsy hoe fibebahana, fa fibebahana amin’Andriamanitra. Maninona no hoe fibebahana amin’Andriamanitra ? Satria hoe : efa fantatrao ilay fibebahana hoe manao demi-tour : ok. Fa manao demi-tour mankaiza ? Ilay fibebahana ry havana dia hoe : toe-po, toe-tsain’olona diso lalana. Diso lalana izy satria maninona ? Diso lalana izy satria nanalavitra an’Andriamanitra, diso lalana izy satria tsy nanome toerana an’Andriamanitra ao amin’ny fiainany. Ary ny atao hoe fibebahana dia tsy inona fa fiverenana amin’Andriamanitra e. Eo isika mianakavy amin’izao andro izao, asain’ny Tompo mandinika hoe tamin’ny inona tamin’ny fiainanao, na tao amin’ny fanompoanao no nanalavitra Ahy ianao, na tena hoe tsy nanome toerana Ahy mihitsy tao amin’ny fiainanao ? Torio amin’ny olona izany fa mahasoa azy izany, na jiosy izy, na jentilisa ry havana ô.

Ary rehefa miverina eo amin’Andriamanitra ianao, miharihary eo daholo ny tsy fetezanao, ny fahotanao ; ary ny finoana an’i Jesoa dia miteny hoe : an an an, n’inon’inona faharatsiko tany am-pandehanana tany, tany am-pivezivezena tany, tany am-pirenirenena tany : tonga eo amin’i Jesoa aho dia hoe : « teo amin’izay nihabiazan’ny fahotana no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra ». Izay no ilàna an’ilay finoana : finoana mamonjy ahy amin’ny fahotako, ary mamonjy ahy satria izaho eo akaikiny, mamonjy ahy amin’ny fahoriako rehetra, mamonjy ahy amin’izay aretina mitaiza, sy ny karazany.

Izay ry havana ô, miteny aminao ny Tompo anio hoe : na iza na iza : OVAY NY LASIN-TSAINAO DIA MBA MANAHAFA AN’I JESOA, MANAHAFA AN’I PAOLY : ATAOVY ANTOM-PISIANAO, NA AMIN’NY FOMBA AHOANA, NA AMIN’NY FOMBA INONA, IZANY HOE MITORY NY FILAZANTSARAN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : TEREN’NY FITIAVANA I PAOLY APOSTOLY KA MANKATOA NY IRAKA AMPANAOVINA AZY.  TEREN’NY FITIAVANA I PAOLY APOSTOLY KA MANKATOA NY FANIRAHANA AZY.

Miteny izy hoe : « dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy ». Io fanompoanao io ry havana ô, io fanompoanao io, izay mety fanompoana e : noraisinao tamin’i Jesoa io. Noraisinao tamin’i Jesoa io e. Ka raha noraisinao tamin’i Jesoa io ry havana ô : tsy manan-tsafidy ianao afa-tsy hanaja ilay fankatoavana. Raha mbola Jesoa no naniraka anao e, ahoana no ahasahianao hingitrika amin’io fanompoanao io ? Ahoana no ahasahianao mingitrika e, amin’io fanompoanao io ?

Paoly nandray an’ilay fanompoana ry havana, dia tena hoe nanahaka an’i Jesoa izy. Marka 10 :45, hoe : « Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompooina, fa tonga hanompo ». Ary ianao ve mba te hanahaka an’i Paoly ? Ianao ve mba te hanahaka an’i Jesoa ka ny fiainanao dia vao-kilasy hoe fiainam-panompoana, fanompoan’ny tena mino, fa tsy fanompoan’ny olona mpandala fomba-pivavahana ? Fanompoana-na croyant fidèle fa tsy fanompoana-na olona religieux, manao devoir religieux, manao obligation aty am-piangonana. Ovay izany ny havana ô, ovay izany. Fa tsy haahtoky hatramin’ny fahafatesana ianao raha izany no finoanao.

Nahafinaritra ahy, fijoroana vavolombelona-na lehilahy anankiray, mireskaa an’ity fankatoavana ity, tena nampieritreritra. Zavatta efa fandre, ary sûr aho da efa fandre-nareo ; fa hoy izy, mitantara ny fiainany sy ny fanambadiany izy. Miresaka ny fanambadiany izy dia hoy izy hoe : « ny fitiavako ny vadiko no nanery ahy hanambady azy, ny fitiavako ny vadiko no nanery ahy hampiaka-bady azy ». Tsisy lehilahy ry havana ô, afaka miteny hoe : tia ny fofom-badiny, nefa lalaoviny eo foana, angatahana andro ny mampakatra azy ho vady, miseho amin’ny fianakaviana, mankany amin’ny mairie, mitondra azy aty am-piangonana. Fa ity lehilahy ity, dia niteny hoe : « teren’ny fitiavako aho hampiaka-bady an’ilay fofom-badiko ». Mazava be izany. Mazava be ry havana ny fifamatorana sy fifampiankinan’izany hoe fanerena sy faneren’ny fitiavana izany. Ny fitiavanao an’i Jesoa ve e, ny fitiavanao an’i Jesoa ve no manery anao e, hanaiky sy hanatanteraka an-tsakany sy an-davany e, io asa fanompoana natolony anao io ry havana ô ?

Eo alohaloha kely eo Paoly dia miteny hoe : « tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any ». Fa tery am-panahy. Tery izy. Dia misy naoty kely hoe : « mifatotra ». Izany ange ry havana io hoe fanompoana raisintsika avy amin’i Jesoa io e : fanompoana mamatotra io e. Tery am-panahy aho hoy izy hankany Jerosalema. Any amin’ny 1 Korintiana 9 :16 any, Paoly miteny hoe : « lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho ». Lozako ! Azonao ve izany hoe : loza izany ? « Malheur à moi » ; miantso ozona amin’ny tenako aho manao an-tsirambina an’izany fanompoana, fitoriana ny filazantsara izany. Fa tsy maintsy ataoko izany e. Tena tery am-panahy aho, mifatotra aho ; fatoran’ny Fanahy amin’ilay fanompoana io aho ry havana. Izany ve ianao ? Izany ve ianao ?

Rehefa miteny Paoly hoe : tery am-panahy aho hankany Jerosalema : tsy maintsy mankany Jerosalema aho ; tsy maintsy mankany Jerosalema aho. Fa maninona no hankanesany any Jerosalema ? Paoly eto izany raha ilay contexte, avy nanao ilay famoriam-bola tanyAkaia sy Makedonia ; dia hitondra ilay vokatr’ilay famoriam-bola ho an’ny Fiangonana mahantra any Jerosalema izy. Asa goavana izany, asa ilàna olona mahatoky izany, dia Paoly no hoe nankany. Sûr ange izao e, tsy milaza an’izany ny texte, fa misy niteny : « Paoly an, sao dia tsy ianao no tokony mankany e ? Ny lalana ange lavitra e, tsy fantatra izay sécurité e » ; « O ry Paoly an, fa maninona ianao, sao dia taitaim-baombina ianao ho any an? ». Izaho tery am-panahy hoy i Paoly. Hoy ny namany : « maninona tsy ry Titosy ireny ohatra no alefa e ? Mahatoky koa ange ireny e ». Ry havana ô, ry havana ô, tery am-panahy fa tsy taitaim-baombina izany aho, fa Jesoa no nanolotra ahy izao fanompoana izao, dia tsy afaka ny tsy hankato aho. Ary ankatoaviko passionnément izany iraka izany. Ary tsy ahoako inona izay zaavtra hoe fantatro fa hanjo ahy any Jerosalema.

Izay izany ny Fahamarinana 2 ry havana, hoe : TEREN’NY FITIAVANA I PAOLY KA MANKATOA.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : TEREN’NY FITIAVANA I PAOLY KA VITAINY NY ALEHANY NA INONA HIHATRA, NA INONA HIDONA

Teren’ny fitiavana i Paoly ka vitainy, tsy maintsy vitainy ny iraka nampanaovina azy. Zavatra tena hoe manimba ny Fiangonana ry havana amin’izao androntsika izao dia ireo antsoina hoe « chrétiens à temps partiel », mpanompon’Andriamanitra manao fanompoana an-tselika, à temps partiel. Sady manimba ny fiainan’ny Fiangonana no tena hoe zavatra mahatezitra sy mampalahelo an’Andriamanitra e, izany hoe kristiana à temsp partiel izany. Ary rehefa mieritreritra ianao ry havana : raha ireo olona hoe tonga eto izy amin’ny andro andevenana azy dia ilay toriteny hoe : « Efa nahatanteraka ny hazakazako aho » ; raha ny isan’ny olona tena hoe mino marina an’ireny : tsy ohatran’izao ry havana ny endriky ny Fiangonana an. Hoe nahatanteraka ny hazakazaka hatramin’ny farany fa tsy nanao kristiana à temps partiel. Ary ny mampalahelo anie dia izao e, ny mampalahelo dia izao : mba misy fotoana ihany izy nentanim-pitiavana, izy raisina mpandray ny fanasan’ny Tompo, izy tokanana mpiandry, izy tokanana diakona : mafana fo etc… Fa avy eo, miha-mangatsiaka ry havana, miha-mangatsiaka dia manalavitra araka ilay teny teo, miha-manalavitra, miha-manalavitra. Ary mila mibebaka. Ary izany no andraikitsika ry havana : mahita olona manalavitra ohatran’izany, hoe : « Andriamanitra ô, tahaka ny nanomezanao ny jentilisa fahiny fibebahana, omeo fibebahana io ; ny finoana koa dia mbola hoe fanomezana : omeo finoana io e ». Izany ,o izy ry havana ô.

Fa Paoly eto, Paoly eto ry havana dia hoe : « tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako ». « Ny fanatanterahan’i Paoly ny fanompoana noraisiny tamin’i Jesoa ry havana ô no nataony ambony lavitra noho ny ainy ». Mpanompon’Andriamanitra no niteny an’izay dia vakiako eto ; fa asa moa raha firy amintsika no mino an’izany, vonona hianatra izany ry havana ô. Dia hoy ihany ity mpanompon’Andriamanitra ity : « Fitenintsika ny hoe : mamy ny aina. Ary marina izany. Kanefa raha kristiana isika hoy izy, dia misy izay mamy noho ny aina, dia ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra ary ny ho hita mahatoky hatramin’ny fahafatesana, hatramin’ny farany e ». Mamy noho ny aina izany. Fa ny problemantsika, satria tsy mino marina fa mpandala fombam-pivavahana ; ny problemantsika, satria tsy teren’ny fitiavana dia kivy eny an-tenantenany, kivy eny an-dalana. Fa teny atao amin’olon-kendry izao e. Io fanompoana izay efa noraisinao tamin’i Jesoa io ry havana ô : ataovy izay ahavitana azy hatramin’ny farany, na misy corona eo na tsy misy corona. Milaza aminao ny Tompo hoe : « izay mamonjy ny ainy no hahavery azy ; fa izay mahavery azy no hamonjy azy », Matio 10 :39.

Misy tantara kely ity ry havana, malaza be izy ity raha vao mijery ireny hoe tantara ireny ianareo any amin’ny internet ; efa noteneniko teto izy ity, mahakasika chorale izy ity. Fa izay teneniko momba ny chorale, mahakasika antsika mianakavy ry havana ô. Fa mahakasika chorale moa no ahitana azy any amin’ny internet any. Andeha hanomboka hono ny fanompoam-pivavahana, dia io ny chorale fa mitsangana hitarika fotoana fiderana. Dia misy rangaha tonga avy any aoriana any mitondra kalachnikov ; dia « aoka aloa Pasitera » hoy izy, dia nitodika tany amin’ny chorale ilay olona mitondra kalach : « iza aminareo hoy izy no vonona ho faty ho an’i Jesoa ? Fa izay tsy vonona ho faty ho an’i Jesoa : ndana mandeha ». Atao hoe androtokon’ilay chorale lasa nandeha daholo, natahotra ny ho faty eo am-panatanterahana fanompoana aty am-piangonana. Tsy ny chorale ihany ry havana ô, no ohatran’izany ; fa toy izao ity firenentsika ity satria isika kristiana malagasy dia tahaka an’ilay ankizy ao amin’ilay chorale ao : rehefa hanao ny sitrapo, vita daholo, voatety daholo ity tany sy vohitra ity ; fa rehefa ho aty am-piangonana ihany : « Pasitera an, ka tsisy transport », « Pasitera an, iaraha-mahalala ny toe-javatra ». Ry havana ô, mifonà amin’ny Tompo ianao, mifonà amin’ny Tompo ianao ny amin’izany toe-po sy ny amin’izany toe-panahy sy izany lasin-tsainao momba ny fanompoana izany. Ary dia mba hangatao Aminy mba tsy hitenenany aminao intsony hoe : « manan-teny aminao Aho, dia satria ianao niala tamin’ny fitiavanao voalohany ». Teneno ny Tompo hoe : « omeo ahy amin’izay ary e, izany fitiavana voalohany izany fa tsy fantatro izany, ary hampibebaho aho ary avereno ho amin’ilay fitiavako voalohany ho anao ».

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

             

 

 

ALAHADY 26 JOL 2020

Ao amin’ny filazantsaran’i Lioka, Lioka 8, izay ny perikopa hakantsika hafatra. Ny lohahevitra dinihintsika dia hoe : Ambarao ny fahafahana ao amin’ny Tompo. Ry havana ô, misy fahavalo tena mampahory antsika mpino, nefa indraindray tsy fantatsika, dia ny demonia izany. Ary izany no isarihin’ny Fanahy Masina ny saintsika amin’izao Alahady farany izao, hoe : IANAO VE EFA AFAKA TAMIN’NY DEMONIA ?

Ny demonia ry havana dia lazain’ny jiosy, iantsoan’ny jiosy ireo andriamanitry ny jentilisa. Petera miantso ny demony hoe anjely nanota. Paoly kosa dia mampitovy azy amin’ny sampy. Hoy izy hoe : ianareo izay manao fanatitra ho an’ny sampy, any amin’ireny tempolin’ny sampy ireny, dia tsy iza fa ny demonia no anateranareo sampy. Izany hoe ireo olona izay mankeny amin’ireny hoe doany sy toerana fanompoam-tsampy isa-karazany ry havana, manao fanatitra ho an’ny sampy ; dia hoy Paoly hoe : manao fanatitra ho an’ny demonia ianao ry havana. Ary te hanafaka anao amin’izany ny Tompo. Rehefa miteny Paoly teny am-piandohana hoe : efa afaka amin’ny asan’ny demony ve ianao ? Izany isan’ny asa fanandevozana tian’ny Tompo hanafahana antsika ry havana ô.

Inona ny Fahamarinana 1 ambaran’ity texte ity ry havana ? Ny Fahamarinana 1 dia hoe : « PERSONNE » NY DEMONY. Izay ny fahamarinana 1.

Tonga any amin’ny tany Gerasena Jesoa, dia mifanena amin’ny lehilahy anankiray manana demony, manana demonia. Jereo tsara aloa : ilay lehilahy no manana demonia, fa tsy hoe ilay demonia no manana an’ilay lehilahy. Raha lazaina amin’ny teny frantsay, ao amin’ny Soratra Masina ry havana, tsy marina ilay filazana hoe : misy olona « possédé », na ilay hoe « possession démoniaque ». Ny zavatra lazain’ny Soratra Masina, ny testamenta vaovao, dia hoe : misy olona, amin’ny teny grika moa na teny frantsay moa ilay izy : « démonisé ». Izay ny tena marina. « Démonisé », izany hoe : misy demonia lasa tafiditra ao aminy ao dia manan-kery aminy, mi-influencé azy. Fa izy tsy « possédé ». Misy kristiana mety « démonisé » ry havana ; fa ilay kristiana efa novidian’i Jesoa amin’ny ràny, dia an’i Jesoa izy ; izany tsy miova izany. Ilay kristiana efa an’ny Fanahy Masina : tsy miova izany ; fa noho ny anton-javatra sasany eo amin’ny fiainany, dia misy demony mety tafiditra ao, mi-démonisé azy, manan-kery aminy tahaka ny amin’ity lehilahy eto amin’ny tany Gerasena ity.

Dia miditra ao izy, efa nolazaintsika hoe « personne ». Amin’ny maha- « personne » azy ry havana, dia afaka miteny izy. Izay no hitantsika eo amin’ny and.28. Mahita an’i Jesoa ilay demony dia hoe miankohoka eo anatrehany dia miteny amin’ny feo mahery : « Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra ô ? ». Miteny ilay demony satria « personne ». Aoriana ao izy an, mifona, mangataka. Miteny izy satria « personne » ry havana. Ary satria izy « personne », dia eto izy miteny amin’ny feo mahery, mody midera, fa avy eo izy matahotra. Matahotra izy satria « personne ».

Ilay demony ry havana dia mahafantatra tsara momba an’i Jesoa : « Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra ô ? ». Fantany tsara ny momba an’i Jesoa ry havana ô. Fa ny mampalahelo dia izao : tsy mampiova ny fiainany izany, fa ilay asa fampahoriana efa kasainy no tohizany ato amin’ity lehilahy ity. Ary ohatran’ny olona sasany ihany anie izany ry havana e : fantany tsara ny fiantsoana an’i Jesoa hoe : Zanak’Andriamanitra, hainy ny manampy hoe : Zanak’Andriamanitra avo indrindra ; fa tsy manova na inona na inona ao amin’ny fiainan’ilay olona izany. Ilay olona miteny an’izany, mandalina an’izany izy any amin’ny katekisma, fa tsy manova ny fiainany izany. Fa ilay demony izany, niditra tao amin’ilay lehilahy, ni-démonisé azy, manan-kery aminy, inona ny zavatra nataony tantarain’ny Soratra Masina eo ? Hoe : nandroaka azy ivelan’ny tanànà. Ary ilay demony io izany, manan-kery ao aminy, dia hoe lasa mampitanjaka azy. Efa tsy mitafy lamba intsony ; tsy comportement normal izany ; fa ilay herin’ilay demony miasa ao aminy. Ary iny herin’ilay demony miasa ao aminy iny ry havana no mitaona azy ho eny am-pasana, ho eny akaikin’ny fasana, hitoetra eny am-pasana ; nilaozana ny ankohonana, nilaozana ny fiaraha-monina : any am-pasana izy. Izany ny asan’ilay demony ry havana ô. Maheno izy satria « personne » ; manan-tsofina izy, dia tenenin’i Jesoa eo amin’ny and.30 hoe : « Iza moa no anaranao ? Dia hoy izy : Legiona ; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny ». Legiona. Ny mpandinika dia milaza hoe izany legiona izany, raha teo amin’ny romana, ny atao hoe legiona romana : andiana miaramila miisa 6.000, plus 120 mpitaingina soavaly. Izany ilay legiona niditra tato amin’ity lehilahy ity ry havana ô. Ary izy miditra, dia efa fantany tsara hoe : arak’i Jesoa ny momba azy. Ary dia natahotra izy, dia hoy ny and.31 hoe : « nifona taminy izy ». Nifona tamin’i Jesoa ireto demony ireto mba tsy hankany amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Satria ny Apokalypsy dia milaza hoe : any amin’ny lavaka tsy hita noanoa no hiafaran’ny demony mandrakizay. « Aza alefa any aloa izahay e ! » : mifona izy. Amin’ny teny frantsay, hoe : ni-supplié izy. Dia neken’i Jesoa ry havana ilay fifonan’ilay demony. Tsy nalefany tany amin’ilay lavaka tsy hita noanoa izy, fa navelany nankao amin’ilay andian-kisoa. Maro moa ny fanazavana hoe, maninona no navelan’i Jesoa ho any amin’ilay andian-kisoa izy. Fa tamin’izany andro izany, aimn’ilay fotoanan’ilay perikopa, izany hoe kisoa izany dia lazaina hoe biby maloto, ary biby tena veta teo imason’ny jiosy. Ary dia hoe hanamafisana fa hoe tsy tokony hikasika kisoa, na handraharaha kisoa, dia navelan’i Jesoa ilay legiona hifindra ao amin’ilay kisoa ry havana ô. Dia inona ny zavatra nitranga ? Lasa nivarina tany anaty rano ilay kisoa.

Ry havana, io « personne » io, mila mitandrina isika, fa tsy hita maso io. Fa amin’ny maha-fanahy, amin’ny maha- « personne » azy : izy tsy maintsy mitady olona na biby itoerana. Fa maninona izy no mitady olona na biby itoerana ? Mitady olona na biby izy itoerana hanatanterahina ny faharatsiany.

Ary ireo ota rehetra ao amin’ny Soratra Masina ireo, saiky hoe vokarin’ny fanahy ratsy, vokarin’ny demony, dia mankao amin’ilay olona izy, manan-kery amin’ilay olona izy, manatanteraka an’izany toetra ratsiny izany. Tsy maintsy mitady olona itoerana izy. Izany no itenenana hoe raha noroahina tato amin’ity lehilahy ity izy dia nitalaho tamin’i Jesoa : « aleo izahay ho ao amin’ilay kisoa ». Fa jereo tsara : ilay kisoa nitratrevatreva tany amin’ny hantsana. Fa maninona ilay kisoa no nitratrevatreva tany amin’ny hantsana ? Satria hoe nidiran’ilay demony ilay kisoa ry havana, ary tena hoe tsy zakan’ilay kisoa izany hoe itoeran’ilay demony izany dia aleon’ilay kisoa nivarina tany an-kady, aleon’ilay kisoa maty ry havana ô. Izany ny zavatra mitranga eto amin’ity tantara ity, ilazana amintsika hoe : TENA MISY IZANY DEMONY IZANY ARY MISAOTRA NY TOMPO MAMPATSIAHY ANTSIKA AN’IZANY : « PERSONNE » IZY. TONGA IZY HAMPAHORY ARY MITADY FOMBA SY FOTOANA IDIRANA AO AMIN’NY OLONA ANANKIRAY ANAOVANA NY ASA MATINY, ASA FAMPAHORIANA, ASAM-PAHAFATESANA RY HAVANA O. Izay ny fahamarinana 1.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : NY DEMONY DIA MANAJAMBA NY SAIN’NY OLONA.

Hoy ny and.37 : « Ary ny olona rehetra tany amin’ ny tanin’ ny Gerasena manodidina dia nangataka an’ i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy ; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina ». Hoy isika, ny fahamarinana jerena eto dia hoe : manajamba ny saina, ny sain’ny olona ny demony ry havana ô. Hoy ny texte novakiana teo hoe : raiki-tahotra ; raiki-tahotra indrindra ny olona rehetra tao an-tanànà. Raha ny normal ange ry havana e, nahita an’io lehilahy hoe demoniaka sitrana, afaka, mitafy lamba normal, ary saina ka mipetraka eo akaikin’i Jesoa io ; normalement anie ilay olona e, tokony hitolagaga e, dia tokony hoe hidera sy hankalaza ny herin’i Jesoa e. Izany, izany no tokony ho izy. Tsy nisy na iray aza tantarain’ny Soratra Masina hoe nisy tomany ranomasom-pifaliana, ranomasaom-pamonjena ; tsy nisy an’izany teo, fa raiki-tahotra indrindra ny olona. Raiki-tahotra naninona ? Nampatahotra ny olona ny nahita an’i Jesoa nandresy ny demonia. Ie : nampatahotra ny olona ny nahita an’i Jesoa nandresy ny demonia sy ny fanahy ratsy. Nampatahotra ny olona ny nahita ilay demoniaka sitrana. Ry havana ô, ny devoly no tsy faly amin’ny zavatra tsara sy soa ohatran’ny zavatra hitantsika eto. Ny devoly no tsy faly amin’izany. Izany hoe : matoa ireto olona ireto raiki-tahotra, ary indramiko ny tenin’i tompokolahy Pasteur Rakotonirainy Johnson, dogmatisianina nanana ny naha-izy azy izany teto amin’ny Fjkm, mpiandry, mpampianatra mpiandry. Hoy izy hoe, rehefa manazava hoe ny devoly ihany no tsy faly amin’izao famonjena izao ; dia hoy izy hoe : misy fanahy, karazan’ilay tao amin’ity lehilahy ity amin’ireto olona toa salama ireto. Ary izany no maha-raiki-tahotra azy. Fa maninona izy no raiki-tahotra ? Misy an’ilay fanahy ao aminy ry havana ô, ary hitany hoe mahita faisana, hoy ihany Pasteur Rakotonirainy ; hitany hoe mahita faisana ilay mpanjaka sy ilay tompon’ireo fanahy ireo, dia raiki-tahotra izy. Ary izany no nahatonga azy ireo nifona, izany no nahatonga azy ireo nangataka, izany no nahatonga an’izy ireo ni-supplier an’i Jesoa hoe : mba hiala fa manakotaba ny taniny. Ary izay ilay hoe : fanajambana ny saina ataon’ny devoly ry havana ô : Jesoa tonga handroaka ny fanahy ratsy ; Izy indray no roahin’izy mpiray tanànà. Jamba ireo. Jamba izy nefa tsy mila mpamonjy, fa tena hoe aleony very mandrakizay. Jamba izy ireo : aleon’izy ireto ny fijalian’ilay demoniaka e. Jamba izy ireo : aleon’ireo ireo kisoa roa arivo izay hoe mariky ny fahalotoana sy ny fahavetavetana teo amin’ny jiosy ry havana. Aleon-dry zareo izany. Aleon-dry zareo tombon-tsoa ara-bola azo amin’ireo kisoa roa arivo ireo. Aleon-dry zareo vola sy harena maloto azo amin’ireo kisoa ireo. Izay ilay fahajambana ara-tsaina ry havana ô. Ary ho an’ny olona toy ny eto amin’ity tanànà ity, Jesoa tena hoe manova zavatra. Fa izao : Jesoa mitondra fanafahana mampikorontana ny fiainana ; ary Jesoa mitondra fanafahana mahavery harena. Tsy mila izany ny olona izay hajambain’i satana ry havana ô, kanefa fahaverezana mandrakizay no tambin’izany.

Asain’ny Tompo mandinin-tena isika hoe : ambarao ny fanafahana ao amin’ny Tompo ; alohan’izay, araka ilay vavaka teo, hoe : efa tena afaka ve ianao amin’ny asan-demony ? Efa tena afaka ve ianao amin’izany fahajamban’ny saina izany ?         

Ny Fahamarinana 3 farany ry havana dia izao : MANAFAKA AMIN’NY NY ASAN-DEVOLY AO AMIN’NY ANKOHONANA NY TOMPO

Hoy ny and.38-39 : « Ary ny lehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin’ i Jesosy izy ka nataony hoe: Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’ Andriamanitra taminao ». Irahin’i Jesoa ity lehilahy ity hanambara amin’ny ankohonany ny famonjena nataony taminy. Rehefa miteny isika ry havana hoe : Manafaka amin’ny asan-devoly ao amin’ny ankohonana ny Tompo, hitantsika tsara vao manomboka ny Baiboly, fa ny ankohonana anie no lasibatry ny devoly voalohany e. Ny ankohonana e. Noho ny afitsoky ny devoly ry havana, no nahatonga ny mpivady voalohany nisara-tsaina ; noho ny afitsoky ny devoly ry havana, no nahatonga ny zanany : ny rahalahy mamono ny rahalahy. Satria rehefa nalain’ny devoly fanahy i Eva ry havana, Adama vadiny, Adama loha : tsy nahatohitra an’i Eva izay mpitondra tenin’ny devoly tamin’io fotoana io. Izany hoe ilay loham-pianakaviana no tsy nijoro ry havana ô. Ary eto koa ry havana ô, mbola lehilahy no nasian’ny devoly, lehilahy no nasian’ny demony, ary lehilahy no nafahan’i Jesoa. Ary dia asainy mijoro vavolombelona any amin’ny ankohonany e.

Ity lehilahy ity, nahita ny herin’i Jesoa, ny fahefany amin’ny fanahy ratsy, nahita ny fitiavany azy, ny fahasoavany taminy, dia nangataka izy hoe : mba hitoetra eo Aminy, hitoetra eo an-tongony, satria eo no ahitany fitsaharana. Ary satriny raha mba hoe anatin’ny ekipan’i Jesoa izy, hoe andeha hitory filazantsara. Tsy navelan’i Jesoa izy ry havana ô. Fa nirahiny ho any amin’ny ankohonany. Inona no tian’ny Soratra Masina e, ambara amintsika e. TSY FAMONJENA HO AN’NY OLON-TOKANA RY HAVANA O, NO ATAON’I JESOA SY KENDREN’I JESOA. TSY FANAFAHANA OLON-TOKANA, FA FAMONJENA MAHATRATRA NY AKOHONANA. ARY REHEFA TRATRA NY ANKOHONANA : ILAY FAMONJENA DIA MAHATRATRA NY FIARAHA-MONINA MANODIDINA AN’IO ANKOHONANA IO. Izany no hita eto amin’ny and.39 ry havana ô.

Azo lazaina hoe mora ny mitory tena any ivelany e, amin’ny olona tsy fantatra. Fa sarotra ny mitory teny amin’ny ankohonana, sarotra ny mitory teny amin’ny olona tena mahafantatra ny toetranao, ary mahafantatra amin’ny antsipirihany ry havana ô. Fa izany indrindra ny programan’ny Tompo : tian’i Jesoa ho hitan’ny ankohonany ny famonjena mahagaga izay azon’ity lehilahy ity tao amin’i Jesoa, tamin’ny alalan’i Jesoa. Ary alaivo sary an-tsaina ange ry havana e, ny zavatra mety nitranga tao amin’io ankohonana io e. Ary izaho milaza fa mbola maro ny ankohonana mbola tojo zavatra tahak’izao ry havana. Vao nanomboka nanan-kery tao amin’ity lehilahy ity ny fanahy ratsy dia efa nanomboka hafahafa fihetsika izy, hafahafa fiteny izy, hafahafa fiakanjo izy, manomboka manakorontanontana ny zavatra ao an-trano izy, mety efa hafahafa ny fijeriny ny ankohonany. Ary matetika ry havana, ny olona démonisé dia mitoetra amin’ny loto sy amin’ny fahavoretrana. Mety izany ity lehilahy ity. Hafahafa ny akanjony : farany moa izy dia tena hoe nampitanjahan’ilay fanahy mihitsy, farany dia nandao ilay tranony nankeny am-pasana, nitoetra teny am-pasana. Averin’i Jesoa ao amin’ny ankohonany ity lehilahy ity ry havana ô. Ary ilay izy ilay hoe nitanjaka tany am-piandohan’ilay tantara, ankehitriny dia hoe : mitafy lamba. Ilay lehilahy mahery setra, nofatorana tamin’ny rojo : ankehitriny dia mipetraka milamina eo an-tongotr’i Jesoa. Ilay adala noho ny herin’ny demony tao aminy : ary saina, niverina ny sainy ankehitriny.

Ary rehefa miteny isika hoe famonjena sy fanafahana mahatratra ny ankohonana : inoana ry havana fa ny fahitana ny fiovana teo amin’io lehilahy io dia tena hoe fanafody lehibe ho an’ny ankohonany. Ary koa fitaomana ny ankohonany ho amin’ny finoana marina, ho amin’ny finoana mahavonjy.

Ry havana ô, te hijery izay asan-demony ao amin’ny ankohonanao Jesoa anio, indrindra eo amintsika lehilahy loham-pianakaviana, na ho loham-pianakaviana. Ry havana ô, ry havana ô, tena misy izany hoe devoly, tena misy izany hoe demony. Ary raha ianao izay mihaino eto misaina hoe « tsy misy Pasitera izany devoly an, tsy misy Pasitera izany demony izany an » ; milaza aminao aho amin’ny anaran’ny Tompo fa ny mahatonga anao tsy hino ny fisian’ny devoly, dia satria tsy mino an’Andriamanitra tsotra izao ianao. Satria mazava ny tenin’ny Soratra Masina hoe : « Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly » 1 Jaona 3 :8.     

Ilaina ry havana ny psychiatre, ilaina ny psychiatre ; fa izao : ny psychiatre manampy antsika amin’ny diagnostique e ; manampy fotsiny amin’ny diagnostique e, fa tsy mahafaka fanahy ratsy izany izy, tsy maharoaka demonia izany izy. Fa Jesoa ihany ry havana ô no manafaka sy manasitrana.

Ny Tompo ry havana hamindra fo aminao, hahatonga saina anao amin’izany hoe asan-demony izany, ary hampandinin-tena anao ny amin’izay hoe asan-demony ao aminao. Fa mazava ny teny fampieritreretana ataon’i Petera hoe : tandremo ange e, fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha mitady izay harapany, mandehandeha izy mitady izay varavarana ao amin’ny fiainantsika navelantsika hisokatra idirany, mitady izay vavahady sokafantsika idirany. Ry havana ô, ampieritreritra antsika mba samy ho mailo amin’izany hoe fisian’ny asan-demony izany isika. Ary rehefa hitantsika izany hoe asan-demony izany, dia tsy ho ataontsika fomba fotsiny, fa tena hoe inoantsika ary ho raisintsika ho fiadiana ara-panahy ilay fiteny sy ilay fomba manao hoe : « amin’ny anaran’i Jesoa Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra : mandidy anao aho satana, mandroaka anao aho satana, tsy hanana anjara ao amin’ny fiainako sy ao amin’ny fiainan’ny ankohonako ».

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

 

ALAHADY 19 JOL 2020

Ao amin’ny filazantsaran’i Jaona, Jaona 4 :28a : « Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ».

RESAKA SINY ILAOZANA ry havana ô. Ilaozana. Izany hoe avela eo.

RESAKA SINY ILAOZANA. Izay no hiompanan’ity toriteny ity, hoe : misy siny ao ilaozana. Ilay siny eto amin’ity Jaona 4 ity dia sarin’ny fiainan’ity vehivavy ity, sarin’ny zavatra tena hoe manan-danja ao amin’ny fiainany sy eo imasony ; ao amin’ny Jaona 4. Ilaozany izany. Dia ilay fampieritreretana antsika ry havana dia hoe : DINIHO SY FANTARO IZAY SINY TIAN’I JESOA AVELANAO AO AMIN’NY FIAINANAO.

Andao jerena ilay contexte- ilay tantara ry havana. Ilay vehivavy moa, vehivavy samaritana nihaona tamin’i Jesoa tao Samaria. Zava-dehibe izany, manana ny antony izany, matoa tany Samaria izy no nihaona tamin’i Jesoa. Ny Soratra Masina moa dia milaza eo amin’ny Jaona 4 :4 hoe « tsy maintsy mamaky an’i Samaria i Jesoa ». Fa maninona izy ry havana ô no tsy maintsy mamaky an’i Samaria ? Antony 2 no tsy maintsy namakiany an’i Samaria :

  • Voalohany indrindra : nalahelo ny Samaritana Izy sy ny fahadisoana misy eo amin’ny finoan’ny Samaritana. Tsy maintsy nankany Samaria Izy.
  • Ary faharoa, tsy latsak’izany na mihoatra an’izany, tsy maintsy namaky an’i Samaria Izy fa te hihaona amin’ity vehivavy samaritana ity.

Ny hoe te hamonjy ny Samaritana Izy, tsiahivina fohy ry havana, fa Samaria dia renivohitry ny foko folo tany avaratra. Ary Samaria dia nataon’ny Asyriana sy ny Babyloniana sesi-tany ; ireo foko avaratra ireo. Ary rehefa natao sesi-tany, dia nisy firenena vahiny nitondra ny fomban’ny jentilisa, nitondra ilay fombam-pivavahany monina tao Samaria izy, tamin’iny foko avaratra iny. Ary dia lasa nifangaro tamin’ny fomba jentilisa sy ny fomban’ny andriamani-kafa ny fomban’ny jiosy tavela tao Samaria, satria ireo jiosy tao Samaria ireo dia nifanambady tamin’ireo vehivavy vahiny ireo. Ary ren’ny jiosy tavela tany Jerosalema ny nataon-dry zareo tao Samaria, dia sady tezitra izy, no nanilika an’ireo jiosy tavela tao Samaria tao noho izany antony izany. Ary noho izany antony izany dia hoe tsy tamana tany amin’ny tempoly tany Jerosalema intsony ireto Samaritana ireto, fa teo amin’ny tendrombohitr’i Gerezima tao Samaria tao no nanorina tempoly ho azy izy. Ary mandraka androany, dia mbola misy secte samaritana mivavaka ao. Ny jiosy moa izany, dia hoe, miala tsiny amin’ilay fitenenana, fa hoe, ni-sozy ilay Samaritana. Ni-sozy azy ara-panahy. Ary mitovy foana ry havana ny zavatra mitranga rehefa misy olona mi-sozy. Amin’ny maha-olombelona angamba mety hoe logique ilay fisoziana ; fa tsy logique eo imason’Andriamanitra. Fa rehefa mi-sozy olona ianao, henoy ianao fa mi-sozy azy, dia mankahala anao izy, dia mivadika fifankahalana izany fomba fifampijerena izany. Izany no nitranga tamin’ireto Jiosy sy Samaritana ireto. Dia lazain’ny Soratra Masina hoe Jesoa niala avy taty Jodia ho any Galilia. Ary eo anelanelan’i Jodia sy Galilia : Samaria. Ka raha hoe tsy te hanapaka an’i Samaria, te hiala an’i Samaria, dia ohatrany miodina, dia lava kokoa ilay fotoana. Dia hoy ny mpandinika, ary tsy dia tena marina izany, fa azo heverina an’izany ihany, fa tsy izay ny antsika, dia hoe: nanapaka an’i Samaria Jesoa mba hoe tsy handaniana fotoana satria maika izy, hoe 3 taona monja no fotoana hitoriany filazantsara, dia hoe araraotina daholo. Tsia ry havana ô ! Azo lazaian fa hoe te hamonjy an’ireto Samaritana ireto izy amin’izany hoe fahadisoana hita ao amin’ny finoany izany. Satria ilay finoan’ny Samaritana tsy mitondra azy ho any amin’ny famonjena. Dia tian’i Jesoa ho vonjena amin’izany ireto Samaritana ireto e. Ary tian’i Jesoa koa hoe, ny heloky ny rainy eo anivon’ny Samaritana tsy hiampita, tsy ho lovain’ny zanany, izany hoe tsy ho lovain’ny zanany izany hevi-diso, fahadisoan-kevitra tao amin’ny finoan’ny Samaritana izany. Izany no tian’i Jesoa ry havana ô, hamonjena an’ireto Samaritana ireto e. Ary tian’i Jesoa ho vonjena koa ireto Samaritana ireto izay ahilikiliky ny Jiosy avy any Jodia, fa hoe ny olona eto izay hoe ahilikiliky ny Fiangonana, ahilikiliky ny fiaraha-monina : porofoin’i Jesoa fa hoe omeny lanja eo imasony ry havana ô.

Eo isika Malagasy, eo isika Kristiana Malagasy : azo antoka ry havana ô, fa eto amintsika mbola misy Kristiana Samaritana, Kristiana ny Alahady fa ny amin’ny Sabotsy na ny andro hafa amin’ny herinandro : mbola mandrafy an’Andriamanitra ary mampivady an’izany Christianisme izany amin’ny fomba jentilisa sy amin’ny fanompoana andriamani-kafa. Hitan’i Jesoa izany, ary te hamangy anao izy. Hoy Izy hoe : tsy maintsy mamaky an’ity trano ity Aho, tsy maintsy mivahiny ao amin’ity trano ity Aho amin’izao anio izao, fa misy Samaritana ao. Izany ny programan’i Jesoa ry havana ô.

Fa hoy isika, faharoa, rehefa miteny ny Soratra Masina hoe : tsy maintsy mamaky an’i Samaria Izy. Ary izay no maha-Andriamanitra an’i Jesoa ry havana. Fantany fa ao Samaria ao misy an’io vehivavy Samaritana tena hoe mangetaheta, tena mangetaheta fatratra ara-panahy. Izany no namakimakiany an’i Samaria ry havana ô. Ary eo amintsika izay mijery an’izao fandaharana izao, amin’ny Youtube sy Facebook ry havana, misy olona fantatr’i Jesoa hoe tena mangetaheta fatratra ara-panahy. Ahoana ary moa no ilazana hoe ity vehivavy ity, raha ny fijerin’i Jesoa azy, dia tena hoe vehivavy mangetaheta fatratra ara-panahy ka izany no nahatonga an’i Jesoa hiaritra ny fankahalan’ny Samaritana e ? Izaho hoy Izy tsy maintsy mihaona amin’io vehivavy io. Tonga tao Samaria Jesoa dia nitoetra teo amin’izay toerana hoe ahazoany antoka fa hifanenany amin’io vehivavy io. Tao Sikara hoy ny Soratra Masina ary teo amin’ny fatsakan’i Jakoba. Dia tonga Jesoa : mipetraka eo Izy. Dia nony amin’ny ora faha-enina, izany hoe amin’ny andro mitatao vovonana, amin’ny andro ilay atoandro migaingaina be iny ny masoandro : tonga eo ravehivavy. Fa maninona no andro atoandro ? Satria nitsoaka ny olona izy, menatra izy ny amin’ny tokantranony, dia izay ihany no tsy hifanenana amin’ny olona. Ny olona miala amin’ny masoandro, ny olona matsaka vao maraina koa. Izy mivoaka ny trano hatsaka, ny olona efa eo am-piketrehana sakafo na efa eo am-pirosoana amin’ny sakafo. Fa fantatr’i Jesoa ny momba ity vehivavy ity ry havana ô. Fantany tsara ny momba ity vehivavy ity. Efa nanambady in-dimy ity vehivavy ity ary ilay itoerany ankehitriny, ilay faha-enina, dia hoe tsy vadiny. Fantatr’i Jesoa. Fa raha miteraka tondro molotra eo amin’ny fiaraha-monina izany tokantranon’ity vehivavy ity izany : Jesoa tonga avy tany Jodia ho ato Samaria, ao amin’ity Sikara ity, mitady an’ity vehivavy ity Izy, satria hoe fantany fa misy hetaheta ara-panahy ao. Mbola tsy afa-po ity vehivavy ity amin’izany hetaheta ara-panahy izany, fa maharitra izy ; izany ny dikan’ilay hoe mitady lehilahy io, izany ny endrik’ilay hoe recherche spirituelle. Fa raha ny marina hoy Jesoa : tsy mitady lehilahy ity vehivavy ity e, fa mitady fifandraisana velona amin’ilay Andriamanitra velona. Izany no tadiavin’ity vehivavy ity. Ary izany no nankanesako avy any Jodia ho ato Samaria.

Na iza na iza ianao ry havana ô, hitan’i Jesoa io hetahetanao io. Hitany io. Hitany ianao leo an’izay fombafombam-pivavahana fa tena hoe te hanana fifandraisana velona Aminy amin’izay. Dia Izy ilay tena hoe loharano velona ry havana ô, hahafa-po ny hetahetanao rehetra.

Hoy isika hoe eo amin’ny fatsakan’i Jakoba ao Sikara no mitranga ilay fihaonana. Misy lesona ho antsika ao ry havana. Ho antsika izay manana an’izay hetaheta ara-panahy fatratra izany. Satria ity vehivavy ity tonga matsaka miaraka amin’ilay sininy, mangetaheta ara-panahy izy, nefa tsy fantany fa diso fatsakana. Diso fatsakana. Eny e, tsisy afa-tsy io moa ilay fatsakana ao an-tanàna angamba ; fa diso fatsakana izy, na dia io ihany ary ilay fatsakana fa tsy misy hafa. Na diso hevitra izy amin’ilay fatsakana. Rehefa mamaky ny soratry ny mpandinika ry havana, dia hoe : ilay hoe Sikara, tao Sikara manko ilay izy ; dia hoe : ilay Sikara dia azo adika hoe « ivresse » na « fahamamoana », na koa hoe « zavatra toxique ». Izany ny dikan’ilay hoe Sikara. Maro ry havana ny olona izany, satria diso fatsakana, ohatran’ity vehivavy ity, dia ny hamalianyn ny hetahetany : zavatra toxique, zavatra mahamamo, satria izay no heverina hoe hamonoana ny eritreritra. Ary ireo zavatra toxiques, tsy voatery zavatra sotroina ohatran’ny hoe alkôla ihany izany, fa izay hamalianao ny hetahetanao amin’ny fombanao rehetra, amin’ny fomba fanao, hoe : manenjika soirée ary, sy ny karazany e, etc… dia miteraka vazom-boana. Ary tsy vitan’ny hoe miteraka vazom-boana fotsiny, fa maika hoe mampitombo ilay fahatsapana hoe paokaty ilay fiainana ry havana ô. Izay ity hoe ao Sikara ity misy an’ilay fatsakana.

Ary io fatsakana io, lazain’ny Soratra Masina hoe fatsakan’i Jakoba. Ny anaran’i Jakoba ao amin’ny Genesisy, ny dikan’ny anaran’i Jakoba dia hoe : mpamingana. Izany hoe ianao misotro ny ranon’ny fatsakan’i Jakoba io, dia araka ilay efa notenenina teo hoe diso fatsakana ianao, fa hamitaka anao io rano sotroinao io, satria mieritreritra ianao hoe io no hahafaka ny hetahetanao, hanome fahafaham-po ny filànao rehetra. Hiteny an’izany amin’ity vehivavy ity ry havana ô, no niakaran’i Jesoa avy any Jodia any, ho ato Samaria sy ho ato Sikara. Izany no niakarany : noho ny fitiavana an’ity vehivavy ity. Ary Izy ilay mipetraka eo amin’ny moron’ilay fatsakana, dia miteny amin’ilay vehivavy Izy : Izaho milaza aminao, hoy Izy, fa izay misotro amin’io rano io dia mbola hangetaheta. Fa izao kosa : Izaho hoy Izy, Izaho no loharano miboiboika ; Izaho no loharano miboiboika, ary ny ràko izay omeko dia hoe ho loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay. Dia nahafinaritra ry havana, nahafinaritra ny tenin’ity vehivavy ity, nahafinaritra ny teny hoe : omeo aho. Izay ilay fo tsotra, vonona handray an’i Jesoa : « omeo amin’izany rano izany aho ».

Mampieritreritra antsika ny Tompo ry havana amin’izao fotoana izao. Tantara nitranga 2000taona lasa izao, fa mbola misy lesom-panahy ho antsika. Sao dia amintsika misy Kristiana moderina, milaza hoe : efa tamin’ny 2000taona lasa izany e, tany Sikara izany e, tao amin’ny fatsakan’i Jakoba izany e. Sao dia mbola misy Kristiana ohatran’ity vehivavy Samaritana ity mitonatonana any amin’ny fatsakana izay tsy izy, ka diso fanantenana, intoxiqué ary mamon’ny rendrarendran’izao fiainana izao ?  

Tonga eo amin’ilay fahamarinana farany isika ry havana, ilay novakiantsika teo. Nandao ny sininy ravehivavy. Nandao ny sininy ravehivavy.

Ity siny ity, lazain’ny mpandinika hoe, satria siny lehibe, ary tena hoe siny ilain’ny olona ao an-tanàna, dia tena hoe lafo vidy. Ny zaavtra moa rehefa be mpangataka dia lafo vidy izany e. Ary io siny io, io siny hita eo io, dia sarin’ny fiainan’ilay vehivavy : ny problema-ny, amin’ilay mitatao vovonana ivohahany avy ao an-trano, dia io siny io, sy ny rano hatsakaina andrahoiny sakafo ho an’ny tokantranony. Io nefa no avelany. Izany hoe zavatra important ho azy, zaavtra important ho an’ny fiainany no avelany. Fa izao : avelany ilay izy ry havana, avelany ilay izy satria nifanena tamin’ilay Mesia Izy, nifanena tamin’ny Mesia izy. Nanambaran’i Jesoa ny tenany ho Mesia ity vehivavy ity. Raha tsaroantsika ao amin’ny Soratra Masina, tsy nanaiky mihitsy Jesoa hoe hanambara ny tenany ho Mesia. Satria raha vao nanambara ny tenany ho Mesia i Jesoa tamin’ny Jiosy tsotra, dia nadikan’ilay Jiosy izany hoe io izany Ilay Mpanjaka hanafaka amin’ny Romana. Tsy nanaiky nanambara ny tenany ho Mesia i Jesoa tamin’ny Fariseo, satria ireo, ny lahasany dia ny hamandrika an’i Jesoa. Fa ity vehivavy ity, tena hoe tamin’ny voalohany nanaiky an’i Jesoa ho Mpaminany satria nahafantatra momba ny fiainany, ny tantaran-tokantranony, ny tantaram-piainany ? Fa tsy vitan’ny hoe nahafantatra ny fiainany araka izay nitantarana azy teo fotsiny, fa tena hoe ho an’ny Samaritana, ny atao hoe mpaminany marina dia mpamerina amin’Andriamanitra velona. Ny atao hoe mpaminany dia mpanitsy ny fahadisoana eo amin’ny finoana. Izay no iheveran’ny Samaritana ny atao hoe mpaminany. Ny ataon’ny Samaritana hoe mpaminany, dia hoe olona manome toky sy mi-rassurer ny amin’izay mampisalasala ny Fiangonana. Mpaminany ity. Fa tsy ohatran’ireny mpaminany any amin’ny sekta isan-karazany ireny, izay ampiasain’ny devoly ry havana. Tena manana Fanahy mamantatra, Fanahy mahavaly hoe : ato amin’ity Fiangonana ity dia misy olona ohatran’izao, dia hampihorohoroana eo ilay olona, dia mitoetra ao ambany vahohon’i Satana, tsy ahitana famonjena. Fa ity vehivavy ity, itenenany hoe : ianao efa nanambady in-5 ary ilay vadinao ankehitriny, tsy vadinao. Fa dia hoe ampianariny ilay vehivavy. Hitanao, Izaho miteny anao an’izany :ampianariko anao hoe ho avy ny fotoana e, tsy amin’ity tendrombohitra eto Gerizima ity, na any Jerosalema intsony no hivavahana. Ampianariko ianao e : Andriamanitra dia Fanahy ka izay hivavaka marina amin’Andriamanitra dia hivavaka amin’ny Fanahy sy famaharinana. Izany no nampiaiky an’ity vehivavy ity, hoe : « atoroy ahy ny Mesia fa izaho hino Azy ». Nanambara tamin’ity vehivavy ity ny maha-Mesia Azy i Jesoa ry havana ô.

Tahaka ny tamin’ity vehivavy ity, te hanambara ny tenany ho Mesia aminao i Jesoa anio ry havana ô. Inona no nahatonga an’io vehivavy io handao an’ilay sininy ? Ilay masony nifanena tamin’ny mason’ny Mesia ry havana ô. Tian’i Jesoa hifanena ny masonareo amin’izao andro anio izao. Ary vitsy ny olona ry havana ô, vitsy ny olona afaka mijoro vavolombelona hoe : « Ny masoko efa nifanena tamin’ny finoana tamin’ny mason’i Jesoa ». Fa rehefa hoe mifanena amin’ny mason’i Jesoa ny masonao, dia ohatran’ny hita eto amin’ity perikopantsika ity : afoinao izay zavatra sarobidy aminao indrindra ao amin’ny fiainanao. Ampandeferinao izany. Misy miteny hoe : « adinony teo ilay siny » ; adinonao ilay zava-dehibe, ilay priorité tao amin’ny fiainanao rehefa mifanatri-maso, rehefa mifanena amin’ny mason’ilay Mesia ilay masonao ry havana ô. Ary izany no hirariana ho anao amin’izao maraina izao : ho tahaka an’ity vehivavy ity ; mandao ny sininao ry havana ô. Ny olona nifanatri-maso tamin’i Jesoa : tsy maintsy misy zavatra afoiny ary afoiny ho Azy.

Ireo mpianatra izay nifanena tamin’i Jesoa, ny mpianatra voalohany nifanena tamin’i Jesoa teny amoron’ny ranomasin’i Galilia : nahafoy ny sambony, nahafoy avy hatrany ny haratony.

Lioka, dokotera, nifanena tamin’i Jesoa : nafoiny ny cabinet de médecin-ny.

Paoly, nifanena tamin’i Jesoa, nandray an’i Jesoa : foiny ilay position sy ilay andraikitra teo amin’ny synedriona.

Etc…

Miandry anao ny Tompo e, te hifanatry maso aminao Izy, te hifanatry maso aminao Izy, ary rehefa nifanatry maso amin’ny Tompo ianao, dia afoinao ny sininao. Ary tsy vitan’ny hoe afoinao ilay sininao, fa mandeha araka ny sitrapon’ny Tompo ianao. Nandeha ity vehivavy ity, nandeha nihazakazaka tao an-tanàna : « avia, avia, avia ». Tsisy kajikajy hoe : « an an an, aleo aloa izaho ao an-tranoko ihany ka ; aleo teneniko ilay vadiko ao, ilay lehilahy ao fa nilaza ny marina momba anay Izy ». Ny iray tanàna nitoriany hoe : « avia hizaha fa ao angaha ilay Kristy ». Lasa mpanambara ilay vaovao mahafaly, ny fahatongavan’ny Mesia izy ry havana ô. Tsisy kajy, tsisy henatra. Izany fomban’ny olona izay nifanatri-maso tamin’ny Mesia : tsisy kajy, tsy mangatak’andro hoe : « aoka aloa, andraso aloa ».

Ry havana ô, hoy ny Tompo hoe : « tsy maintsy mivahiny ao an-tranonao Aho amin’izao fotoana izao ». Ary ianao izay mety mijery am-pahazarana, amin’ny ara-pomba izao fanompoam-pivavahana izao ry havana ô : te hamangy anao ny Tompo e. Mety ianao ilay Kristiana Samaritana, mety ianao ilay vehivavy Samaritana manana hetahetam-panahy tsy ahitanao fahafaham-po : te hamangy anao ny Tompo, te hikasika ny fonao ny Tompo, ary izao no hafatra farany ho anao : ny olona nifanatri-maso tamin’ny Tompo dia mikolokolo an’izany amin’ny famakiana Baiboly. Fantatrao tsara fa io Baiboly io ange e, io Baiboly io dia tsy iza fa Jesoa Kristy ilay teny tonga nofo, dia ilay teny noraiketina teo amin’ny taratasy sy ny ranomainty e, fa ny Fanahy no nanoratra an’izany e. Ovay ry havana ô, ny fomba famakianao Baiboly ary rehefa hivavaka ianao alohan’ny hamakiana Baiboly, manomboka anio : angataho ny Fanahy Masina. Ary rehefa mangataka ny Fanahy Masina, hoe : « sokafy ny masom-panahiko », dia hoe « Fanahy Masina ô, sokafy ny masoko, tena hoe amin’izay soratra rehetra vakiako, amin’izay teboka, amin’ny irigirika, amin’ny faingo : ahitako an’i Jeso, ahitako ny mason’i Jesoa, ahitako an’i Jesoa mipi-maso, ahitako an’i Jesoa mitsiky amiko ».

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo ry havana. Amena.