ALAHADY 02 AOG 2020

Misaotra ny Tompo isika ry havana ny amin’ny lohahevitra vaovao omeny ho dinihintsika amin’ity volana Aogositra ity, dia ny hoe : Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino. Tena sarotra ry havana ny manindry tsindrim-peo hoe : aiza ilay tsindrim-peo, eo amin’ilay « mahatoky » ve, eo amin’ilay « hatramin’ny fahafatesana » ve, eo amin’ilay « mino » ve ? Tsy misaraka ireo e. Tena tsy misaraka ireo. Ny mino marina, ny olona mino marina, fa tsy ny olona mpandala fombam-pivavahana no resahina eto ; fa ny olona mino marina dia olona mahatoky , « fidèle ». Tsy hoe « mahatoky » fe mahatoky fotsiny, fa « mahatoky hatramin’ny fahafatesana ». Tsy ampy fotsiny izany hoe « mino », tsy ampy fotsiny izany hoe « mahatoky », fa hoe ny Fanahy hoe : IANAO IO VE MINO MARINA KA MAHATOKY HATRAMIN’NY FAHAFATESANA ? Hafatra ho antsika kristiana malagasy anatin’ny corona izao ry havana o.

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, Asan’ny Apostoly 20 :24 no iaingantsika amin’izao hafatra anio izao ry havana. Asa. 20 :24 : « Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesoa Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra ».

Io moa ilay lazaina hoe testament spirituel-ny Apostoly Paoly, nambarany tamin’ny loholona tao Efesosy ; ary misy hafatra koa ry havana ho antsika kristiana malagasy amin’izao taona 2020 izao.

Tsy misy olona ry havana hoe : « mahatoky hatramin’ny fahafatesana » izany, raha tsy teren’ny fitiavana an’Andriamanitra : teren’ny fitiavan’Andriamanitra azy, ary teren’ny fitiavana an’Andriamanitra. Tsy misy olona « mahatoky hatramin’ny fahafatesana » izany. Ary Paoly Apostoly izay miteny eto hoe « tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako », tena hoe natosiky ny fitiavana an’i Jesoa ry havana ô. Izany no mahatonga azy hiteny zavatra ohatran’io. Ary Paoly dia be fitiavana satria voavela tamin’ny be izy. Izay moa ilay làlànà napetrak’i Jesoa tamin’ilay vehivavy nanosotra menaka ny tongony : be fitiavana izy satria voavela ny helony be. Paoly be fitiavana satria voavela ny helony be. Voavela ny helon’ny fireharehana talohan’ny nandraisany an’i Jesoa. Mirehareha izy hoe fototr’Isiraely, firenen’i Benjamina, fariseo. Izany no nireharehany taloha. Ny zotom-pony, ny nampahazoto azy, dia hoe ny nanenjika ny fiangonana. Fa dia izao : rehefa nokasihin’i Jesoa ny fony ry havana ô, dia tonga saina tamin’izany izy, dia ny zavatra nireharehany taloha nataony faty antoka hoy ny teniny ao amin’ny epistily ho an’ny Filipiana. Ary dia be fitiavana izy, ary haintsika tsianjery ilay 1 Korintiana 15 :10 hoe : « Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy ». Zavatra niainan’i Paoly izany. Izany no naha be fitiavana azy. Ary izany no mahatonga eto amin’ilay Fahamarinana 1 hoe : TEREN’NY FITIAVANY I PAOLY KA NANAMBARA NY FILAZANTSARAN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA.

Izay ny Fahamarinana 1 : TEREN’NY FITIAVANA NY APOSTOLY PAOLY KA MANAMBARA NY FILAZANTSARAN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA

Izany tokoa ry havana no votoatin’io filazantsara io an : ny fahasoavan’Andriamanitra. Ary izany no ilain’ny olombelona ankehitriny. Andriamanitra be fahasoavana.

Paoly, teren’ny fitiavana, tena hoe niaina tao amin’ny nofony, tao amin’ny fanahiny izany hoe fahasoavan’Andriamanitra izany, ary mahatsiaro isan’andro ny ati-lavaka izay nampiakarana azy, dia nitory ny filazantsara. Izay ny antom-pisiany ry havana. Ary manontany anao ny Tompo amin’izao andro anio izao : Inona marina no antom-pisianao e ? Inona marina no laharam-pahamenanao ao amin’ny fiainanao e ? Laharam-pahamehana, antom-pisian’ny olona teren’ny fitiavana ve ? Izay ilay izy ry havana. Inona no laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanao ? Ny an’i Paoly dia hoe hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.

Io moa, any amin’ny Matio 28 :18 sy ny manaraka dia lazaina hoe ; ilay iraka lehibe. Mahafinaritra ilay teny frantsay amin’ilay hoe « iraka lehibe », hoe : « la grande commission » ; commission moa, hoe : iraka. Fa intéressant ry havana ilay teny frantsay hoe : « commission ». Ilay hoe « co » : « avec » ; ilay « mission » : ilay tena iraka. Izany hoe izany Jesoa ilay maniraka anao io, te hanao an’ilay commission miaraka aminao ; asa tena tiany, asa tena mavesatra ao am-pony anirahana anao, fa tsy mandeha irery ianao amin’ilay « grande commission ».

Izany ny fampieritreretana anao ry havana ô, izay mbola manao laharam-pahamehana zavatra hafa ao amin’ny fiainana, n’inon’inona sokajin-taonanao, na mbola tanora vao miary ny fiainana ianao, na olona efa misotro ronono ianao manisa ny millions sy ny milliards-nao : Inona ny antom-pisianao e ? Ny hanambara ve ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra ? Fa izany no andrasan’ny Tompo aminao amin’izao andro anio izao, manomboka anio.

Ato amin’ity toko faha-20 ity i Paoly ry havana dia miteny hoe, eo amin’ny and.20 sy 21 : « ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ ny olona ary tao amin’ ny isan-trano ; ary nambarako tamin’ ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy Kristy Tompontsika ». Ny antom-pisianao ve ry havana ô, dia mba hoe hanambara amin’ny hafa izay mahasoa e ? Izany, mahafinaritra anie izany hoe manambara amin’ny hafa izay mahasoa. Ary mitovy ny zavatra mahasoa ny olona rehetra, na ny jiosy na ny jentilisa hoy ny Apostoly Paoly, dia hoe : ny fibebahana amin’Andriamanitra sy finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika. Efa hainao tsianjery izany fibebahana sy finoana izany. Fa saino tsara maninona no zavatra sarobidy izany ry havana. Ny fibebahana, tsy hoe fibebahana, fa fibebahana amin’Andriamanitra. Maninona no hoe fibebahana amin’Andriamanitra ? Satria hoe : efa fantatrao ilay fibebahana hoe manao demi-tour : ok. Fa manao demi-tour mankaiza ? Ilay fibebahana ry havana dia hoe : toe-po, toe-tsain’olona diso lalana. Diso lalana izy satria maninona ? Diso lalana izy satria nanalavitra an’Andriamanitra, diso lalana izy satria tsy nanome toerana an’Andriamanitra ao amin’ny fiainany. Ary ny atao hoe fibebahana dia tsy inona fa fiverenana amin’Andriamanitra e. Eo isika mianakavy amin’izao andro izao, asain’ny Tompo mandinika hoe tamin’ny inona tamin’ny fiainanao, na tao amin’ny fanompoanao no nanalavitra Ahy ianao, na tena hoe tsy nanome toerana Ahy mihitsy tao amin’ny fiainanao ? Torio amin’ny olona izany fa mahasoa azy izany, na jiosy izy, na jentilisa ry havana ô.

Ary rehefa miverina eo amin’Andriamanitra ianao, miharihary eo daholo ny tsy fetezanao, ny fahotanao ; ary ny finoana an’i Jesoa dia miteny hoe : an an an, n’inon’inona faharatsiko tany am-pandehanana tany, tany am-pivezivezena tany, tany am-pirenirenena tany : tonga eo amin’i Jesoa aho dia hoe : « teo amin’izay nihabiazan’ny fahotana no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra ». Izay no ilàna an’ilay finoana : finoana mamonjy ahy amin’ny fahotako, ary mamonjy ahy satria izaho eo akaikiny, mamonjy ahy amin’ny fahoriako rehetra, mamonjy ahy amin’izay aretina mitaiza, sy ny karazany.

Izay ry havana ô, miteny aminao ny Tompo anio hoe : na iza na iza : OVAY NY LASIN-TSAINAO DIA MBA MANAHAFA AN’I JESOA, MANAHAFA AN’I PAOLY : ATAOVY ANTOM-PISIANAO, NA AMIN’NY FOMBA AHOANA, NA AMIN’NY FOMBA INONA, IZANY HOE MITORY NY FILAZANTSARAN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : TEREN’NY FITIAVANA I PAOLY APOSTOLY KA MANKATOA NY IRAKA AMPANAOVINA AZY.  TEREN’NY FITIAVANA I PAOLY APOSTOLY KA MANKATOA NY FANIRAHANA AZY.

Miteny izy hoe : « dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy ». Io fanompoanao io ry havana ô, io fanompoanao io, izay mety fanompoana e : noraisinao tamin’i Jesoa io. Noraisinao tamin’i Jesoa io e. Ka raha noraisinao tamin’i Jesoa io ry havana ô : tsy manan-tsafidy ianao afa-tsy hanaja ilay fankatoavana. Raha mbola Jesoa no naniraka anao e, ahoana no ahasahianao hingitrika amin’io fanompoanao io ? Ahoana no ahasahianao mingitrika e, amin’io fanompoanao io ?

Paoly nandray an’ilay fanompoana ry havana, dia tena hoe nanahaka an’i Jesoa izy. Marka 10 :45, hoe : « Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompooina, fa tonga hanompo ». Ary ianao ve mba te hanahaka an’i Paoly ? Ianao ve mba te hanahaka an’i Jesoa ka ny fiainanao dia vao-kilasy hoe fiainam-panompoana, fanompoan’ny tena mino, fa tsy fanompoan’ny olona mpandala fomba-pivavahana ? Fanompoana-na croyant fidèle fa tsy fanompoana-na olona religieux, manao devoir religieux, manao obligation aty am-piangonana. Ovay izany ny havana ô, ovay izany. Fa tsy haahtoky hatramin’ny fahafatesana ianao raha izany no finoanao.

Nahafinaritra ahy, fijoroana vavolombelona-na lehilahy anankiray, mireskaa an’ity fankatoavana ity, tena nampieritreritra. Zavatta efa fandre, ary sûr aho da efa fandre-nareo ; fa hoy izy, mitantara ny fiainany sy ny fanambadiany izy. Miresaka ny fanambadiany izy dia hoy izy hoe : « ny fitiavako ny vadiko no nanery ahy hanambady azy, ny fitiavako ny vadiko no nanery ahy hampiaka-bady azy ». Tsisy lehilahy ry havana ô, afaka miteny hoe : tia ny fofom-badiny, nefa lalaoviny eo foana, angatahana andro ny mampakatra azy ho vady, miseho amin’ny fianakaviana, mankany amin’ny mairie, mitondra azy aty am-piangonana. Fa ity lehilahy ity, dia niteny hoe : « teren’ny fitiavako aho hampiaka-bady an’ilay fofom-badiko ». Mazava be izany. Mazava be ry havana ny fifamatorana sy fifampiankinan’izany hoe fanerena sy faneren’ny fitiavana izany. Ny fitiavanao an’i Jesoa ve e, ny fitiavanao an’i Jesoa ve no manery anao e, hanaiky sy hanatanteraka an-tsakany sy an-davany e, io asa fanompoana natolony anao io ry havana ô ?

Eo alohaloha kely eo Paoly dia miteny hoe : « tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any ». Fa tery am-panahy. Tery izy. Dia misy naoty kely hoe : « mifatotra ». Izany ange ry havana io hoe fanompoana raisintsika avy amin’i Jesoa io e : fanompoana mamatotra io e. Tery am-panahy aho hoy izy hankany Jerosalema. Any amin’ny 1 Korintiana 9 :16 any, Paoly miteny hoe : « lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho ». Lozako ! Azonao ve izany hoe : loza izany ? « Malheur à moi » ; miantso ozona amin’ny tenako aho manao an-tsirambina an’izany fanompoana, fitoriana ny filazantsara izany. Fa tsy maintsy ataoko izany e. Tena tery am-panahy aho, mifatotra aho ; fatoran’ny Fanahy amin’ilay fanompoana io aho ry havana. Izany ve ianao ? Izany ve ianao ?

Rehefa miteny Paoly hoe : tery am-panahy aho hankany Jerosalema : tsy maintsy mankany Jerosalema aho ; tsy maintsy mankany Jerosalema aho. Fa maninona no hankanesany any Jerosalema ? Paoly eto izany raha ilay contexte, avy nanao ilay famoriam-bola tanyAkaia sy Makedonia ; dia hitondra ilay vokatr’ilay famoriam-bola ho an’ny Fiangonana mahantra any Jerosalema izy. Asa goavana izany, asa ilàna olona mahatoky izany, dia Paoly no hoe nankany. Sûr ange izao e, tsy milaza an’izany ny texte, fa misy niteny : « Paoly an, sao dia tsy ianao no tokony mankany e ? Ny lalana ange lavitra e, tsy fantatra izay sécurité e » ; « O ry Paoly an, fa maninona ianao, sao dia taitaim-baombina ianao ho any an? ». Izaho tery am-panahy hoy i Paoly. Hoy ny namany : « maninona tsy ry Titosy ireny ohatra no alefa e ? Mahatoky koa ange ireny e ». Ry havana ô, ry havana ô, tery am-panahy fa tsy taitaim-baombina izany aho, fa Jesoa no nanolotra ahy izao fanompoana izao, dia tsy afaka ny tsy hankato aho. Ary ankatoaviko passionnément izany iraka izany. Ary tsy ahoako inona izay zaavtra hoe fantatro fa hanjo ahy any Jerosalema.

Izay izany ny Fahamarinana 2 ry havana, hoe : TEREN’NY FITIAVANA I PAOLY KA MANKATOA.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : TEREN’NY FITIAVANA I PAOLY KA VITAINY NY ALEHANY NA INONA HIHATRA, NA INONA HIDONA

Teren’ny fitiavana i Paoly ka vitainy, tsy maintsy vitainy ny iraka nampanaovina azy. Zavatra tena hoe manimba ny Fiangonana ry havana amin’izao androntsika izao dia ireo antsoina hoe « chrétiens à temps partiel », mpanompon’Andriamanitra manao fanompoana an-tselika, à temps partiel. Sady manimba ny fiainan’ny Fiangonana no tena hoe zavatra mahatezitra sy mampalahelo an’Andriamanitra e, izany hoe kristiana à temsp partiel izany. Ary rehefa mieritreritra ianao ry havana : raha ireo olona hoe tonga eto izy amin’ny andro andevenana azy dia ilay toriteny hoe : « Efa nahatanteraka ny hazakazako aho » ; raha ny isan’ny olona tena hoe mino marina an’ireny : tsy ohatran’izao ry havana ny endriky ny Fiangonana an. Hoe nahatanteraka ny hazakazaka hatramin’ny farany fa tsy nanao kristiana à temps partiel. Ary ny mampalahelo anie dia izao e, ny mampalahelo dia izao : mba misy fotoana ihany izy nentanim-pitiavana, izy raisina mpandray ny fanasan’ny Tompo, izy tokanana mpiandry, izy tokanana diakona : mafana fo etc… Fa avy eo, miha-mangatsiaka ry havana, miha-mangatsiaka dia manalavitra araka ilay teny teo, miha-manalavitra, miha-manalavitra. Ary mila mibebaka. Ary izany no andraikitsika ry havana : mahita olona manalavitra ohatran’izany, hoe : « Andriamanitra ô, tahaka ny nanomezanao ny jentilisa fahiny fibebahana, omeo fibebahana io ; ny finoana koa dia mbola hoe fanomezana : omeo finoana io e ». Izany ,o izy ry havana ô.

Fa Paoly eto, Paoly eto ry havana dia hoe : « tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako ». « Ny fanatanterahan’i Paoly ny fanompoana noraisiny tamin’i Jesoa ry havana ô no nataony ambony lavitra noho ny ainy ». Mpanompon’Andriamanitra no niteny an’izay dia vakiako eto ; fa asa moa raha firy amintsika no mino an’izany, vonona hianatra izany ry havana ô. Dia hoy ihany ity mpanompon’Andriamanitra ity : « Fitenintsika ny hoe : mamy ny aina. Ary marina izany. Kanefa raha kristiana isika hoy izy, dia misy izay mamy noho ny aina, dia ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra ary ny ho hita mahatoky hatramin’ny fahafatesana, hatramin’ny farany e ». Mamy noho ny aina izany. Fa ny problemantsika, satria tsy mino marina fa mpandala fombam-pivavahana ; ny problemantsika, satria tsy teren’ny fitiavana dia kivy eny an-tenantenany, kivy eny an-dalana. Fa teny atao amin’olon-kendry izao e. Io fanompoana izay efa noraisinao tamin’i Jesoa io ry havana ô : ataovy izay ahavitana azy hatramin’ny farany, na misy corona eo na tsy misy corona. Milaza aminao ny Tompo hoe : « izay mamonjy ny ainy no hahavery azy ; fa izay mahavery azy no hamonjy azy », Matio 10 :39.

Misy tantara kely ity ry havana, malaza be izy ity raha vao mijery ireny hoe tantara ireny ianareo any amin’ny internet ; efa noteneniko teto izy ity, mahakasika chorale izy ity. Fa izay teneniko momba ny chorale, mahakasika antsika mianakavy ry havana ô. Fa mahakasika chorale moa no ahitana azy any amin’ny internet any. Andeha hanomboka hono ny fanompoam-pivavahana, dia io ny chorale fa mitsangana hitarika fotoana fiderana. Dia misy rangaha tonga avy any aoriana any mitondra kalachnikov ; dia « aoka aloa Pasitera » hoy izy, dia nitodika tany amin’ny chorale ilay olona mitondra kalach : « iza aminareo hoy izy no vonona ho faty ho an’i Jesoa ? Fa izay tsy vonona ho faty ho an’i Jesoa : ndana mandeha ». Atao hoe androtokon’ilay chorale lasa nandeha daholo, natahotra ny ho faty eo am-panatanterahana fanompoana aty am-piangonana. Tsy ny chorale ihany ry havana ô, no ohatran’izany ; fa toy izao ity firenentsika ity satria isika kristiana malagasy dia tahaka an’ilay ankizy ao amin’ilay chorale ao : rehefa hanao ny sitrapo, vita daholo, voatety daholo ity tany sy vohitra ity ; fa rehefa ho aty am-piangonana ihany : « Pasitera an, ka tsisy transport », « Pasitera an, iaraha-mahalala ny toe-javatra ». Ry havana ô, mifonà amin’ny Tompo ianao, mifonà amin’ny Tompo ianao ny amin’izany toe-po sy ny amin’izany toe-panahy sy izany lasin-tsainao momba ny fanompoana izany. Ary dia mba hangatao Aminy mba tsy hitenenany aminao intsony hoe : « manan-teny aminao Aho, dia satria ianao niala tamin’ny fitiavanao voalohany ». Teneno ny Tompo hoe : « omeo ahy amin’izay ary e, izany fitiavana voalohany izany fa tsy fantatro izany, ary hampibebaho aho ary avereno ho amin’ilay fitiavako voalohany ho anao ».

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena