ALAHADY 07 FEB 2021
Ao amin’ny Genesisy 15. Tian’ny Tompo ho sainintsika Fiangonana ny hoe : MAMPIORINA NY MINO NY TENIN’ANDRIAMANITRA.
Amin’izany, ny Fahamarinana 1 omen’ny Tompo antsika dia izao, hoe : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MANOME FANANTENANA
Tsy misy olona afaka mivelona tsy manana fanantenana izany ry havana ô. Saingy ny hakamaroan’ny fanantenan’ny olona dia fanantenana pôkaty. Fa eto ny zavatra ambaran’ny Soratra Masina amintsika voalohany dia hoe : Andriamanitra manome fanantenana.
Genesisy 15 :1 : « Rehefa afaka izany, dia tonga tamin’ i Abrama ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. Tsy fampanantenana pôkaty satria fanantenana ambaran’ny tenin’Andriamanitra ry havana ô, ary miorina amin’ny tenin’Andriamanitra.
Inona ary no atao hoe fanantenana ary e ? Ny fanantenana ry havana dia fanantenana zavatra ilaina na fanantenana hanana zavatra mety hahasoa nefa zavatra tsy mbola hita. Izay ilay fanantenana : manantena zavara tsy mbola hita.
- Teny fampanantenana anankiroa, na toky anankiroa no omen’i Jehovah an’i Abrama eto ry havana : voalohany indrindra, hoe : « Izaho no ampinganao ». Fantatsika tsara ny atao hoe « ampinga ». Ampinga : bouclier, fiarovana. Izany no ilain’i Abrama eto ry havana ô. Mila ampinga izy, satria raha ny tantaram-piainan’i Abrama eto dia avy nandresy mpanjaka vitsivitsy maromaro izy izay nanafika azy, nambabo an’i Lota havany. Dia raha nanafaka an’i Lota izy, izay nobaboina, dia misy izay mpanjaka izay, anisan’ny malaza indrindra sy matanjaka indrindra tamin’ireo mpanjaka resahin’eto ireo, hoe Kedorlaomera izay : natahotra vengeance-ny Abrama, natahotra valifatiny Abrama. Mazava be izany. Dia fantatr’i Jehovah io tahotr’i Abrama ao am-pony io ry havana, dia hoy Jehovah amin’i Abrama, manome fanantenana azy ; fanantenana zavatra tsy mbola hitan’ny maso: « Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao ». Ary izay teny fampanantenana nataony tamin’i Abrama raintsika mpino io an, ataony amintsika amin’izao maraina izao, hoe : « Izaho no ampinganao ».
Mamarana eto Isotry Fitiavana moa izahay ry havana, manao jery todika an’izay lasa izay : afaka mijoro vavolombelona izahay ry havana fa tena marina ara-bakiteny taminay, fa matoa izahay afaka mamarana izao faha-17 taona izao, tena hoe Jehovah, Jesoa no ampinganay teto Isotry Fitiavana. Ary misy vitsivitsy aminareo mahafantata tsara izay tetika tany an’anona tany, izay fivoriana tany an’anona tany. Ahoana moa no ahafantarako an’ilay fivoriana ? Olona nantsoina hivory no manome toky anay hoe « Pasitera, izaho nantsoin-dry zalahy fa izaho tsy tany an ». Izay no nahafantarako hoe nisy fivoriana tamin’ny fotoan’andro tany an’anona tany. Fa Jesoa no ampinganay teto ry havana ô. Jesoa izay nanendry anay teto no ampinganay teto e. Ary tena marina ara-bakiteny taminay mihitsy ilay Isaia 54 :17 haintsika hoe : Ny fiadiana rehetra izay voaomana hamelezana anay dia tsy hisy hambinina ». Izay io tenin’Andriamanitra io. Ary isika rehetra ry havana ô, dia itenenan’ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : « Izaho no ampinganao ». Ampinga, ampinganao amin’ny vadinao : ie, oui oui oui oui ; ampinganao amin’ny fianakavim-badinao : oui oui oui ; ampinganao ato amin’ny Fiangonana, ampinganao ao amin’ny fiaraha-monina, ampinganao any am-pianarana, any am-piasana. « Izaho no ampinganao ». Izay ny teny fampanantenana voalohany.
- Ary ny teny fampanantenana faharoa nomena an’i Abrama ary mbola omena antsika amin’izao maraina izao : « Izaho no valim-pitianao ». Waouh ! « Izaho Jehovah no valim-pitianao » : « Je suis ta récompense », « Je suis ta plus grande récompense ». « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ». Fantatro ny zavatra ilainao e, fantatro ny zavatra antenainao e, bangoiko izany amin’ny hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ».
Raha misy vehivavy izao manambady lehilahy mpanan-karena na koa hoe lehilahy manambady vehivavy mpanan-karena : automatique ilay vehivavy io handova an’io lehilahy io ; izay ilay izy. Izay an’io lehilahy io, satria vadiny ilay lehilahy io, dia ho azy. Raha misy manangana zanaka ireo mpivady ireo an, dia handova azy toy ny valim-pitia.
Rehefa miteny amintsika Andriamanitra « Izaho no valim-pitianao », « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ». Ahy ny zavatra rehetra fa « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra » e. Ao alohaloha kely ao, rehefa manam-potoana ianareo : jereo hoe efa notahin’Andriamanitra Abrahama, tena faran’izay nanan-karena Abrahama, nanana volamena, nanana volafotsy, nanana ondry aman’osy ; fa hoy Jehovah hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ».
Ny Fanahy Masina ry havana ô, hanokatra ny saintsika ahatakarantsika ny hamamin’izany teny izany, hoe Jesoa mihitsy no milaza hoe : « Izaho, Izaho, Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ».
Fa eo moa izany Abrama mandre an’izany hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra » : ohatran’ny olombelona rehetra izy, ny problème n°1 an’i Abrama amin’io fotoana io : tsy manan-janaka. Problème n°1 an’i Abrama amin’io fotoana io : mba te hanana taranaka ohatran’ny olombelona rehetra. Dia alaivo sary an-tsaina i Abrama itenenan’i Jehovah hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra » ; ohatrantsika Fiangonana itenenan’i Jesoa hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra », « Pasitera an, Jesoa an, fa aiza aloa izay ho vadiko ? An an an, aiza izay mba tranoko e ? Aiza izay izao sy izao sy izao ? ». Efa teneniny hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ». Mamindra fo Andriamanitra ry havana, mi-comprendre antsika Izy ; dia miteny amin’i Abrama Izy : « omeko taranaka ianao ». Ary miteny amin’i Abrama Izy hoe : « omeko tany ianao ». Ary miteny an’io teny mahafinaritra io Izy eo amin’ny and.5 hoe : « Jereo ange ny lanitra e, ka isao ny kintana raha voaisanao ; fa ho tahaka izany ny taranakao ». Dia nino an’i Jehovah i Abrama ary nisainy ho fahamarinany izany.
Ry havana ô, ilay Jesoa miteny aminao hoe : « Izaho no ampinganao », ilay Jesoa miteny aminao hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra » ; Izy sy ny Rainy no mbola miteny aminao ankehitriny hoe : izao an, izao an : raha matoky Ahy ianao, raha matoky ny tena fanantenako ianao : fantaro fa Izaho mahay manao mihoatra lavitra noho izay heverinao sy angatahinao. Ianao miteny hoe : « izaho anie ka mila an’izao Jesoa e, izaho mila an’izao e » ; an an an ; henoy ny teny fampanantenako fotsiny fa Izaho mahay manao mihoatra lavitra noho izay heverinao na angatahinao.
Izay ny Fahamarinana 1, hoe : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MANOME FANANTENANA
Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MAMPIORINA FINOANA
Ilay finoana eto an, dia hoe : « confiance ». Confiance amin’iza ? Confiance amin’Andriamanitra. Rehefa miteny izany hoe : ny tenin’Andriamanitra manome fanantenana, dia hoe mampanantena zavatra tsy mbola hita nefa ilaina, nefa mahasoa. Faharoa indray, hoe : ny tenin’Andriamanitra mampiorina finoana ; mampiorina ka mampaharitra amin’ny confiance amin’Andriamanitra.
Jerentsika ny Romana 4, mbola teny mamy, teny volamena ho antsika izay manana finoana ; io moa izany tsy ho an’izay tsy manana finoana. Romana 4 :18 : « Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain’ ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao ». « Araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao ».
Ry havana ô, miteny amintsika izany tenin’ny Soratra Masina izany hoe : « Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino ». Samy efa nandalo tamin’izany isika ; ary mbola handalo amin’izany isika. Omen’ny Fanahy Masina antsika io teny io amin’izay fotoana izay, hoe : « Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino ». Inona moa ny dikan’ilay hoe « nino » ? Natoky an’ilay tenin’Andriamanitra. Izay ilay izy. Andriamanitra tsy ohatran’ny olombelona, Andriamanitra tsy ohatran’ny mpanao politika ; fa izay tenin’Andriamanitra dia efainy. Andriamanitra tsy olona ka handainga e. Ka dia hoe na dia tsy nisy nanantenana intsony aza, dia nanantena i Abrama, satria natoky an’ilay tenin’Andriamanitra izy. Ary notanan’i Abrama tamin’ny teniny Andriamanitra, nohazoniny tamin’ny teniny. « Ianao efa niteny hoe jereo ny lanitra ka isao ny kintana raha voaisanao, fa ho tahaka izany ny taranakao. Niteny ianao Jesoa an : tanako amin’ny teninao ianao ». Izay ilay tenin’Andriamanitra omeny antsika ampiorenana ny finoantsika ry havana ô. Tsy fantatr’i Abrama izay fomba hoe hanatanterahin’Andriamanitra izany teny fampanantenana nomeny tany amin’ny Genesisy 15 :12 sy 15 fa izao fotsiny ny zavatra fantany : tsy misy zavatra azo antoka indrindra ety ambonin’ny tany tahaka an’izany hoe teny omen’Andriamanitra anao manokana izany. Tsy misy zavatra azo antoka indrindra tahak’izany ry havana ô. Ary sokafy ny Baiboly manomboka anio e, mitadiava teny, mitadiava rhema isan’andro isan’andro fa azo antoka iny ry havana ô. Azo antoka iny. Ary mahafaly an’Andriamanitra izany hoe mijery ahy, mijery anao izany ka tena hoe manana an’izany toe-po, toe-panahy, toe-tsaina hoe mihazona an’Andriamanitra, mamatotra an’Andriamanitra amin’ilay teny fampanantenana izay nomeny. Tena mahafaly an’Andriamanitra izany ry havana ô. Ary izay ny fomba ampiorenan’ny tenin’Andriamanitra ny finoantsika : ilay « confiance » amin’ilay teny, ilay « confiance » amin’Andriamanitra.
Fantatsika ilay tantara : samy efa antitra na Abrama na Saraha vadiny. Nefa tsy mbola nisy ohatran’iny ary ny fiantombohana fahatanterahana an’ilay teny fampanantenana ; tsy nisy na dia ohatran’iny aza. Kanefa izao : ny fahafantaran’i Abrama ny tenin’Andriamanitra, ny finoany eo amin’ny and.17 dia hoe : « Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy ». Andriamanitra Izay mamelona ny maty. Fantatsika ve izany finoan’i Abrama izany ? Efa nitsaha-jaza i Abrama, efa maty ny kibon’i Saraha ; fa hoy ny Soratra Masina ary izay ny finoan’i Abrama : Andriamanitra mamelona ny maty. Ary ery amin’ny and.24 hoe : « fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’ i Jesosy Tompontsika tamin’ ny maty ». Inona moa no maha-zava-dehibe an’izany ry havana, ho an’ny finoantsika, ampiorenana ny finoantsika ? Inona no maha-zava-dehibe an’izany ? Abrahama rain’ny mino dia natoky teny fampanantenana hoe : Andriamanitra manangana ny maty. Mbola ho avy izany. Isika nahita an’io Andriamanitra nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty io ry havana ô, isika asaina mino zavatra efa nitranga 2000 taona lasa izay ; nefa mbola ohatran’izao ny finoantsika. Ny an’iry : promesse : izay no natokiany ; isika nahita an’ilay réalisation an’ilay promesse : mbola miahanahana ohatran’io ihany isika mianakavy. Miahanahana isika, raha tsy izany, tsy ohatran’izao ny fiainan’ity Fiangonana ity ry havana ô. Izay. Ary misaotra ny Tompo isika ny amin’ny fitiavany antsika, fa mbola miteny antsika Izy amin’izao maraina izao hoe : « hitanao, amin’ny manaraka, rehefa ao anaty-na situation ianao hoe tsy misy anantenana intsony : manantenà ihany ary tano amin’ny teniko Aho, dia Izaho ilay manangana ny maty. Efa noporofoiko izany ». Ary dia natsangany tamin’ny maty tokoa Abrahama : teraka an’Isaka izy ; fantatsika izany. Nony maty Saraha, mbola nampaka-bady an’i Ketora indray Abrahama, mbola niteraka 6 indray Abrahama ; Izay ilay fananganan’Andriamanitra amin’ny maty ry havana ô. Ary na inona na inona situation-nao amin’ny andavan’androm-piainanao ry havana ô, rehefa mandalo aloky ny fahafatesana sy ny fahafatesana ianao, ka hoe tsy misy anantenana intsony aza : manantenà ary minoa an’io Andriamanitra izay efa nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty io ry havana ô.
Izay ny Fahamarinana 2 : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MAMPIORINA FINOANA
Inona ilay Fahamarinana 1 ? NY TENIN’ANDRIAMANITRA MANOME FANANTENANA ; Fahamarinana 2 : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MAMPIORINA FINOANA
Ny Fahamarinana 3 ao amin’i Lioka ry havana, Lioka 5. Ny Fahamarinana 3, ary ity no maha-toriteny réformé, toriteny feno an’ity toritenintsika ity : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MAMPIAIKY HELOKA
Ny secte afaka mampianatra tsara hoe : manome fiarovana Izy, manome fitahiana Izy, mampanan-karena Izy. Ny secte afaka miteny hoe : hanao fahagagana ao amin’ny fiainanao Andriamanitra. Fa ny secte ry havana ô, tsy miteny hoe : « Ny tenin’Andriamanitra mampiaiky heloka ». Nefa izay, izay, izay ; izay no votoatin’ny filazantsara.
Lioka 5 : 8 : « Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho ». Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
Tena sambatra ianao, sambatra izay amintsika eto am-pihainoana toriteny, rehefa vita ity toriteny ity, ka misaotra ny Tompo hoe : « Misaotra Anao aho ny amin’ny teny ampiorenanao ny finoako fa izay vao tsapako ny momba ahy hoe : olo-meloka aho. Ary tahaka an’i Petera miteny, tena hoe désespéré amin’ny tenako aho, fa olo-meloka aho ». Sambatra ianao ry havana ô, sambatra ianao fa izany no tian’Andriamanitra ho hita amin’izao maraina izao. Fantatsika tsara ny tantara ry havana : nanarato nandritra ny alina manontolo ry Petera sy ny namany, tsy nahazo na inona na inona ; rehefa tonga ny maraina : valaka. Nifanena tamin’ny Jesoa, dia araka ilay 5minitra teo, dia hoe : nitenenan’i Jesoa izy hoe : mandrosoa ho any amin’ny lalina, ka arotsaho ny haratonareo dia hahazo hazandrano ianareo. Ary dia nahagaga tokoa ilay vokatra ry havana, satria tena hoe be dia be ny hazandrano azo an, nisy triatra mihitsy ny harato an, ary dia hoe : ny sambokely anankiroa aza tsy omby an’ilay izy, feno an’ilay izy, ary efa saika nilentika. Dia eo Petera, mahita an’izany Petera no mi-pousser cri de désespoir : « Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany » ; mahita izy izao, fa talohan’izao izy hoe : « noho ny teninao dia alatsakay ny haratonay » ; « Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho ». Teo ry havana ô, nahita an’ilay fahagagana Petera, nahatsiaro fa olo-meloka, nahatsiaro ny tsy fahamarinany. Teo izy no nifanena tamin’Andriamanitra velona ry havana ô. Ary io toetran’i Petera io an, tsaroantsika tsara ny nataon’i Isaia rehefa nifanatrika tamin’Andriamanitra izy, tao amin’ny efitra masina indrindra, nahita an’ilay serafima : « Lozako fa lehilahy maloto molotra aho, ary monina eo amin’ny firenena maloto molotra ». Izany ny olona mifanena marina amin’Andriamanitra e. Nahita an’ilay fahagagana i Petera ry havana ô ; ny asan’i Petera : mpanarato ; donc vao maika koa fantany hoe spécialité-ny izany fanaratona izany, vao maika hoe azony tsara ny mampahagaga an’ilay vokatra e. Satria amin’ilay spécialité-ny no mitranga ilay izy. Dia lasa saina i Petera, nokasihin’ny Fanahy i Petera : « mialà amiko ianao Jesoa an, fa olo-meloka aho ». Inona moa no mety napetraky ny Fanahy tao an-tsain’i Petera mieritreritra an’io vokatra io izy ? Rehefa niteny Jesoa hoe mankanesa ery amin’ny lalindalina dia alatsaho ny harato, dia hoy izao angamba i Petera tao an-tsainy sy tao am-pony tao hoe : ilay Andriamanitra mahalala hoe atsy misy trondro be dia be amin’io fotoana io, ilay Andriamanitra izay nampiditra an’ireo trondro be dia be ireo tao anatin’ilay harato na nila ho triatra ilay harato ; izany Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra izany, mahafantatra tsara ny ao am-pon’i Petera ary dia natahotra i Petera, désespéré i Petera : « mialà amiko fa olo-meloka aho ». Izany ry havana no tian’ny Tompo an, ampiorenana ny finoantsika ary tsy ampiorina ny finoantsika izy raha tsy finoana marina, miainga amin’ny teny nampibebaka ary mampiaiky heloka antsika ry havana, hoe heloka hilantsika Mpamonjy izany tenin’Andriamanitra izany.
Rehefa mijery ny Fiangonantsika ry havana, dia manontany tena hoe : isika ireto, isika hoy aho an, efa nandre marina ve izany feon’Andriamanitra izany ? Fa ao amin’ny Soratra Masina ry havana, ny olona izay mandre ny feon’Andriamanitra dia matahotra, tora-kovitra. Andao ange jerentsika ny Eksodosy 20 :18-19 ; nanome ny didy 10 Andriamanitra, dia juste aorinan’izay no nitranga : « Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon’ ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny. Dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Aoka ihany hianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay ».
Ny firariana ho antsika ry havana dia izao : rehefa manamarina ianao, n’inon’inona occasion, manamarina ianao fa hoe tamin’iny indray maka iny tena ampingako Jesoa, rehefa manamarina ianao hoe tena marina mihitsy e fa Andriamanitra no valim-pitia lehibe indrindra ary nomeny ohatran’izao izaho na nomeny ohatran’izao ; rehefa tao anaty situation tsy azo nanantenana intsony ianao ka nino ianao, dia nahita fahagagana ianao ; ny firariana ho anao ry havana malala ao amin’ny Tompo, dia hanao tahaka an’i Petera ianao, hahafantatra ny tena toetry ny fonao lalina ary dia hiaiky eo am-pandohalihana sy eo am-piankohofana hoe : « Jesoa an, vonjeo aho, fa tena olo-meloka aho ».
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amen
ALAHADY 31 JAN 2021
« Ary niverina nankao amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izy mbamin’ izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ ny tany rehetra, afa-tsy ato amin’ ny Isiraely ihany koa masìna hianao, raiso ny saotra aterin’ ny mpanomponao. Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa. Ary hoy Namana: Masìna hianao, moa tsy homena tany zakan’ ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra odorana na fanatitra hafa intsony ho an’ ny andriamani-kafa, fa ho an’ i Jehovah ihany. Nefa ny amin’ izao zavatra izao dia aoka havelan’ i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin’ ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin’ izany zavatra izany. Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra. Fa hoy Gehazy, zatovon’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin’ ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy. Ka dia lasa Gehazy nanaraka an’ i Namàna. Ary nony tazan’ i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin’ ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va? Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima; koa masìna hianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy. Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa hianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin’ ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo. Fa nony tonga tao amin’ ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy. Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan’ ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza hianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao. Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ ilay nihodina niala tamin’ ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’ oliva, na tanimboaloboka, na ondry aman’ osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao? Koa ny habokan’ i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala ». 2 Mpanjaka 5 :15-27
« Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao. Ary niaraka tamin’ izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy. Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’ izay ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’ iza na amin’ iza; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo. Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin’ ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny ». Marka 1 :40-45
Ny andro androany dia natokantsika Fiangonana FJKM hitondrana am-bavaka ny olona izay marary hoditra. Dia rehefa nijery ny teny izay ho vakiana sy ho toriana mikasika izany ny mpiandraikitra, dia ireo teny izay novakiana tamintsika teo no nofidiany.
Misy tantara anankiroa novakiana teo. Ny iray tantara any amin’ny testamenta taloha momba ny olona marary hoditra, boka. Ary ny iray aty amin’ny testamenta vaovao momba ny olona marary hoditra ary anisan’izany moa ny olona atao hoe boka.
Momba ilay tantara ao amin’ny testamenta taloha, dia mba mahavariana re izany raha tantara. Fa ny voalaza ao dia misy ilay jeneraly anankiray, syriana atao hoe Namana. I Namana dia jeneraly, olona ambony teo amin’ny fitondrana tany Syrie, saingy boka izy. Mandrak’ity ny androany moa, Syrie sy Isiraely dia miady lava, tsy mifanaraka mihitsy ; ary tamin’izany Syrie nahery noho ny zanak’Isiraely. Ka nisy fotoana ry zareo nambabo tamin’ny zanak’Isiraely ary tamin’izany ianao rehefa resy amin’ny ady, dia alain’ilay mpandresy izay olona tiany alainy hoe dia ho entiny any aminy any hanompo azy, hanao asa samihafa na tiana na tiana. Dia ilay vadin’i Namana, ao an-tokantranon’i Namana, nanana ankizivavy kely jiosy anankiray. Dia rehefa nahita ny aretin-doza nahazo ilay jeneraly izy, dia nilaza moramora hoe : « e, raha ohatra mantsy dada Namana mandeha mankany Isiraely any, any anie misy olona mahasitrana e, mpanompon’Andriamanitra e. Raha mankany izy dia sitrana io aretina io ».
Dia lasa tokoa ary ilay rangaha nankany Isiraely ; dia rehefa tonga tany izy, dia tonga teo anoloan’i Elisa. Izany Elisa izany dia mpaminany nalaza teo amin’ny zanak’Isiraely. Ary rehefa tonga teo izy, dia hoe : mba ho sitranina amin’ny habokany. Dia hoy Elisa hoe : « mandehana mitsoboka mandro impito ao amin’ny onin’ny Jordana dia hadio ianao ». Dia teo izy aloa nisalasala ihany ary somary tezitra ary : « izany fotsiny ve dia hahasitrana ahy », sns... Fa notambatambazan’ny olona nanaraka azy ihany izy, dia hoe : « na sarotra noho izany aza ange no nasainy nataonao dia nataonao e, koa maninona raha mandeha ihany dia mitsoboka fotsiny dia ho hita eo izay fandehany ». Dia lasa tokoa izy nitsoboka impito tao amin’ny onin’ny Jordana izy dia rehefa nivoaka avy tao izy, dia ny vosoratra hoe : « ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy ».
Dia avy amin’izay ary ilay jeneraly, rehefa nadio, dia lasa izy nankany amin’ilay mpanompon’Andriamanitra dia nanao hoe : tena ny Andriamanitry ny zanak’Isiraely tokoa no tena Andriamanitra, fa tsy hivavaka amin’Andriamanitra hafa intsony aho. Ary ity re mba misy fanomezana e ; volafotsy amin’ny kilao omena izany mpanompon’Andriamanitra izany. Fa tsy nety mihitsy i Elisa. Tsy nety mihitsy izy, tsy nety nandray. Dia lasa nandeha io Namana io ary rehefa nandeha teny izy dia mba fiangaviany an’i Elisa dia misaotra ary hoy izy tamin’ny fahasitranako, fa misy zavatra ohatran’izao ange hitranga any tanànanay rehefa tonga any aho e : marina fa efa nanapa-kevitra aho hoe Andriamanitry ny Isiraely no ho tompoiko, nefa mbola mpanompo sampy ny mpanjaka izay mifehy ahy. Ka ho avy ny fotoana, dia ho ao amin’ilay tranon-tsampy izy ary noho ny maha-olona feheziny ahy, dia tsy maintsy mba ho ao aminy ao koa, hanaraka an’ilay fivavahan-tsampy ao aho. Dia rehefa mba tonga any, dia mba mangataka re aho mba hamela ny heloko amin’izany zavatra izany e. Dia hoy Elisa : mandehana e, mandehana soa aman-tsara. Dia lasa ilay jeneraly. Rehefa lasa ilay jeneraly dia nisy ranagaha atao hoe Gehazy. I Gehazy indray dia mpanompon’i Elisa izy, mpiasa tao izy. Ary hafahafa amin’izay ny sainy : ahoana ary, aiza, volafotsy amina kilao ve dia avotsotra fotsiny. Lasa nenjehiny haingana Namana sy ny namany, dia nandainga izy, dia hoy izy hoe : « aiza ihany hono ilay fanomezana saika omenao ». Niova hevitra indray izany ry Elisa sy ny namany. Dia rehefa izay dia nentiny, dia tonga nandeha niverina izy. Ka aiza, mpaminany ve moa no handaingana, loza anie izany e ; tonga dia fantatr’i Elisa. Dia rehefa fantany dia hoe : « maninona ianao no manao an’izany ? Ny habokan’i Namana dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay ». Loza izany ! Mba nisy vaovao mahafaly tamin’ilay jentilisa, fa dia ito ilay jiosy tao an-trano indray no nidiran-doza satria mpanompo tsy mahatoky.
Izay ilay tantara anankiray. Mahafinaritra izany raha tantara. Ary mbola misy tantara mbola mahafinaritra be koa momba ny olona boka na marary hoditra ihany ao amin’io testamenta vaovao io. Io indray, dia nanatona an’i Jesoa ilay boka dia tsy hoe nitaraina fotsiny izy, fa nandohalika teo anatrehan’ny Tompo ka nanao hoe : « raha mety anie Ianao e, dia mahay manadio ahy e ». Dia rehefa nijery azy Jesoa dia onena. Rehefa nalahelo azy Jesoa, dia naninjitra ny tanàny dia nanendry azy taminy ka nanao hoe : « Mety Aho, madiova ianao ». Dia nadio izy. Fa rehefa nadio izy, dia namepetra azy mafy Jesoa hoe « aza miteniteny, tandremo tsara mba tsy hisy ho lazainao na amin’iza na amin’iza fa madehana any amin’izay tokony alehanao any ». « Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy ». Elisa sy Jesoa. Samy mpamaha olana ireo. Fa faran’izay samy hafa koa. Elisa anie rehefa maty e, dia nalevina. Dia rehefa nalevina tao amin’ilay fasana izy, dia efa maty tao izy izany, dia nisy fotoana nisy olona hafa handevina, dia nony antony nahatery an’ireo olona ireo, dia natsipiny tao amin’ilay fasan’i Elisa ilay faty ; fa vao nikasika tamin’ny taolan’i Elisa, dia nijoro tamin’ny tongony, tonga dia velona ilay olona. Izany zava-mahagaga tamin’izany tantaran’i Elisa izany an. Fa ny aty amin’ny tantaran’i Jesoa mbola mahagaga lavitra noho izany. Jesoa indray tsy izany ; Elisa nahatsangana olona tamin’ny fatiny. Fa Jesoa, dia Izy mihitsy no tsy voatanan’ny fahafatesana, fa nitsangana tamin’ny maty izany Jesoa izany. Ireo izany tsy mitovy an : ilay iray ry an mpamaha olana ; samy mpamaha olana ireo ; samy mpamonjy raha izay no azo ilazana azy satria ny olona mahavaha ny olantsika anie dia olona mahavonjy antsika e. Fa i Jesoa ry havana, tsy Mpamonjy fotsiny io Jesoa io ; fa Tompo. Tsy Mpamonjy fotsiny Izy fa Tompo. Tompon’ny aina. Izay varavarana hidiny : tsy misy mahavoa an’io intsony. Ary izay vohainy dia tsy misy mahidy an’iny intsony. Tsy misy maharombaka izay eo am-pelatanan’izany Jesoa izany. Izy no hitsara antsika rehefa any aoriana any. Rehefa Izy no manao hoe ito marina, dia marina iny. Rehefa Izy manao hoe ity meloka, dia meloka iny. Tompo i Jesoa ; fa tsy ra-mpamaha olana fotsiny.
Velona ry havana izany Jesoa izany an. Ary tena mahafinaritra mihitsy anie ilay ato aminareo e : fa vao manomboka ny fanompoam-pivavahana dia miteny ny mpitarika hoe : « Nitsangana i Jesoa Kristy ». Dia ahoana ilay avalintsika azy ? « Eny, nitsangana tokoa Izy ». Velona io Jesoa io. Velona Izy. Ka mifandraisa Aminy ianao. Aza tapaka mihitsy mifandray amin’izany Jesoa izany. Aza miandry ny hoe fanazavana ny teny ataonay tahaka an’izao ; fa ianao mihitsy no mifandraisa amin’io Jesoa velona io. Velona io Jesoa io.
Manana olana ianao ? Teneno Jesoa e ! Tahaka an’ilay rangaha nitaraina nahatsiravina, dia nandohalika mihitsy. Dia Jesoa anie onena e. Tsara fanahy izany Jesoa izany. Ary mihaino vavaka Izy. Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra Ray amin’ny alalany isika, hafahany amin’ny olana sarotra isika. Ary raha avadika amin’ny ankehitriny anie io tantara io dia izao ilay tantaran’ilay boka raha atao amin’ny ankehitriny e : « Ary nisy olona nanana olana nanatona an’i Jesoa dia nitaraina taminy sady nandohalika ka nanao hoe : raha mety Ianao dia mahay manafaka ny olako. Ary Jesoa dia onena azy ka naninjitra ny tanàny dia nanendry azy ka nanao hoe : Mety Aho ; afaha amin’ny olanao ianao ». Dia vita izany ilay zavatra nagatahin’io rangaha io, io ilay olona mila vonjy io, tamin’i Jesoa Mpamonjy.
Fa aza adino ry havana, fa tsy isika ihany anie no mangataka zavatra amin’i Jesoa e ; fa i Jesoa koa mba mangataka zavatra amintsika. Ny an’ilay rangaha io izao, dia hoy Izy : eny ary an, voavaha ny olanao an, fa mba izao re no mba fiangaviako e. Ary eo ary tena voalaza mihitsy hoe « namepetra azy mafy ». Rehefa niteny Jesoa hoe « tandremo tsara izao » : tsy nohenoin’ilay olona io izany.
Tsy ianao ihany no mangataka zavatra amin’i Jesoa ; fa Jesoa koa anie mba mangataka zavatra aminao e. Dia mba ankatoavinao ve izany ? Mba ankatoaviko ve izany ? Sambatra ny olona izay manana fifandraisana velona amin’i Jesoa velona. Ary ny lesona voalohany azo eto ry havana dia izao : velona i Jesoa an, velona i Jesoa. Tsy Mpamonjy fotsiny Izy fa Tompo. Ka mba kendreo tsara re ry olona ny tsy ho afaka olana fotsiny ihany, fa mba mety ho karakarain’i Jesoa sy mety hatorony fa tsy sarotra hatoro, ka ho tonga olom-baovao.
Araka ny voalaza teo, ilay olona ity tsy tena lasa olom-baovao anie ilay olona e ; satria tsy nankatoa an’i Jesoa izy. Afaka ny habokana fa dia ho faly taminy ve Jesoa ? Dia izany no hita eo. Sahala amin’izany koa ilay rangaha ilay aty amin’ny testamenta taloha aty : tena afaka izy, voavaha ny olany, fa rehefa avy eo dia nisy indro kely ihany : « rehefa mandeha manompo sampy re izahay e, dia izaho anie tsy maintsy manakny ihany e. Fa mba mamelà ny heloko rehefa midita any ahanya ho » mandray roa tony. Sady atsy aho no tsy maintsy mankatsy kely. « Ka ahoana moa fa tsy maintsy manao an’io aho satria mena ambanin’ny mena e ; manana mpifehy aho ange e ; dia taomina aho miaraka manompo sampy miarkaa aminy any ; ny vadiko anie manery ahy amin’izao e ; mbola tsy maintsy mandeha mankary aho, sns e… fa mba mamelà ny heloko amin’izany ». Aty amin’ny testamenta vaovao : tsy mety izany. Na ianao ary na aty. Na hanaraka an’i Jesoa feno ny olona manontolo tsy misy hanimbinana, na mbola hiodikodina ihany sady ary. Maika lava hahavaha ny olana amin’ny fiainana io, maika lava ; nefa anie olon-dresy e. Satria ilay olana sarotra indrindra dia ny fahafatesana : tsy voahava-tsika akory.
Koa tandremo tsara ry havana ny fiainana tsy hiodikodin-dava, handany fotoana, vola aman-karena, hery hamahana olana tsisy farany. Nefa dia ho resy ihany any aoriana any satria tsy hahavaha olana fa maty ihany. Tena mahantra isika raha toa ka ny fiainantsika miodikodin-dava : olana-vaha olana tsisy farany. Fa sambatra izay olona manomboka eo amin’ny fiainany, eo amin’ny tsy vaha-olana intsony izany, fa efa mihoatra ny hoe vaha-olana, dia Jesoa velona izay efa nandresy ny fahafatesana. Sambatra ny olona ohatran’izany.
Rehefa miaraka amin’i Jesoa izany, tandremo tsara an, fa tsy manao izay hihinana fotsiny isika raha hanaraka an’i Jesoa, hoe mba ho tombon-tsoantsika : mba ho voavonjy aho fa tsy ho very, mba ho anisan’ny tsy ho heloina aho fa mba ho anisan’ny hohamarinina, mba ho lohany aho fa tsy ho rambony ; tsy izany fotsiny no anarahana an’i Jesoa ; Tsy ra-mpamaha olana fotsiny io Jesoa io fa mihoatra lavitra noho izany. Dia Jesoa izay efa nandresy ilay olana tsy voavaha ; Ka ny tokony ho fiaingan’ny fiainana dia fifandraisana amin’izany Jesoa velona izany, manaraka an’io Jesoa velona io.
Ny fiainana izany izao dia tsy tokony hiodikodina intsony eo amin’ny olana – vaha-olana lava. Fa mifandray amin’i Jesoa velona isan’andro isan’andro, dia mitondra ny fiainana eo Aminy, dia mba mihaino ny feony. Fa ny tanjon’i Jesoa anie dia tsy ny hahavaha ny olana eo amin’ny fiainantsika ihany e, fa ny ahatonga antsika ho olom-baovao ka ho mendrika ny fiainana mandrakizay, olom-baovao mendrika ny lanitra vaovao sy tany vaovao. Tsy hoe mpanota afak’olana fotsiny dia voavonjy ; fa tonga zanak’Andrimaanitra. Tsy hoe sakaizan’i Jesoa fotsiny ; fa zandrin’i Jesoa satria efa noraisin’Andriamanitra ho zanany. Izany no tena tian’i Jesoa, tian’Andriamanitra ho tanteraka amin’ny fiainantsika. Koa tandremo tsara e, kendreo ny tsy hoe ho afak’olana fotsiny amin’ny fanarahana an’i Jesoa, fa irio mafy mihitsy izany hoe mba ho tonga olom-baovao.
Manaraka eto ry havana, dia izao : Jesoa dia velona Izy ; velona izany Jesoa izany ; ary anjarantsika tsirairay avy ny mifandray Aminy. Misy teny any amin’ny Galatiana any hoe fa samy hitondra ny entany avy ny olona. Isika izany tsy maintsy mifampitondra izay mavesatra. Eo amin’io Galatiana 6 io ihany dia misy teny hoe : tsy hoe mifampitondra izay mavesetra fotsiny, ilay eo aloha ; fa eo ambany eo, dia hoe : samy hitondra ny entany avy ny olona. Fiainanao io an, izay tianao ihany. Fa mifandraisa ianao amin’i Jesoa Tomponao. Dia izay fandehan’ny fiainanareo any. Izay izany an, tsy misy mahavita izany. Fa hoe tokony hahery tsara isika, tokony hahery tsara. Fa mihoatra ny mpamaha olana anie izany Jesoa izany e. Jesoa Tompo izany anie tena mahafinaritra e. Ary tena Andriamanitra fitiavana tonga nofo tokoa izany Jesoa izany.
Fa ampitovio tokoa anie ny tantara e : Elisa anie rehefa miaraka amin’ireo olona mpanota eo, mba miaraka eo, mahatsiravina anie ny an-dry Elisa ny fitondrany ny mpanota e : fa ilay Gehazy io rehefa nandainga ohatran’izany dia tia kely, dia lasa naka ilay zavatra efa noraran’i Elisa. Tena nozonin’i Elisa izy. Hoy Elisa : « ny habokan’ i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala ». Mahatsiravina izany. Rehefa miaraka amin’ny mpamaha olana dia manafintohina ny mpamaha olana dia veloma ihany.
Tsy mba ohatran’izany ato amin’ilay tantara ato amin’ny testamenta vaovao. Ny ato : efa notenenina ilay rangaha hoe « aza milazalaza » ; mbola tsy nankatoa an’i Jesoa, dia nandeha ihany ; fa tsy misy tantara mihitsy miteny ato hoe : ary hitan’i Jesoa indray ilay rangaha tsy nankatoa, ka noteneniny mafy hoe Izaho efa miteny hoe aza milazalaza, mbola niteny ihany ianao. Tsy manana fifandraisana Amiko intsony. Tsy mba nanao an’izany Jesoa io ; fa malemy fanahy Izy ary nandefitra Izy. Ary izany ry havana izany Jesoa arahintsika izany an.
Ny fiainana anie tsy ilaozan’olana e. Fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka. Velona Jesoa. Mifandraisa Aminy e, mangataha Aminy fa mora onena izany Jesoa izany. Tsy mba mandatsa izany Jesoa izany. Ary na manao hadisoana aza, dia vonona Izy nanolotra ny tenany mihitsy ho maty teo ambony hazo fijaliana mba hamelany ny helotsika. Ka mangataha Aminy : eny, vahany ny olanao. Vonona ny hamaha ny olanao Izy. Fa aza mihanina amin’izany fotsiny an. Fa fitiavana izany Jesoa izany. Meteza ho atorony. Meteza ho atorony. Fa misy zavatra mba irin’ny Tompo ataonao : henoy Izy dia mba ankatoavy ny teniny ; fa ny tanjony amin’izany dia tsy ny hamaha ny olan’ny tena fotsiny, fa hahatonga ny tena mihitsy ho tena mba olom-baovao. Tsy olona mivavaka satria manantena zavatra fotsiny ; fa mivavaka satria tia an’Andriamanitra, olona izay mihaino an’i Jesoa, mankatoa Azy, ka olona tonga olom-baovao eo amin’ny fiainany. Ka rehefa mivavaka izy dia tsy mangataka fotsiny tsy misy farany ny hamahana ny olany eo amin’ny fiainana, fa mba tokony ho anisan’ny vavaka ataontsika koa, rehefa mivavaka re dia mba hangatao ihany Andriamanitra hoe : « Andriamanitra Ray ô, mba hampitomboy ato anatiko ny fitiavana Anao ». Fa rehefa tia an’Andriamanitra isika, efa tsy babon’ny fiainana, ny olana sy vaha-olan-dava. Fa fiainana feno fahatokiana satria tian’Andriamanitra. Ka maniry mafy mba ho tia an’Andriamanitra koa.
Na misy ary anie ny olana tsy voavaha e, toa mbola eo ihany ny fahafatesana. Na eo ary ny mbola mety hoe ranomaso, tsy maintsy latsaka ihany noho ny fahoriana e. Rehefa miaraka amin’i Jesoa velona ianao, ary mitombo amin’izany fitiavan’Andriamanitra izany, dia na ny olana tsy voavaha aza dia miara-miasa hahasoa anao. Fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Tian’Andriamanitra isika ary sambatra izay olona mitombo fitiavana an’Andriamanitra. Fa izay tsy mbola hitan’ny maso na ren’ny sofina no efa omanin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.
Farany ry havana, raha izany ary io Jesoa io : velona Jesoa ; Mpamonjy ny olona rehetra Izy. Ary Tompo tia ny olona rehetra mba ho tonga zanak’Andriamanitra tahak’Azy. Manavao ny fiainan’ny olona Izy. Izany izany Jesoa izany. Dia andeha isika hihaino ny feony ka mba hihaino tsara ny iraka ampanaoviny antsika. Eto izao ny lazainy, hoe : aza miteniteny. Fa any amin’ny tantara hafa sy rehefa nitsangana tamin’ny maty anie Jesoa dia tsisy fandraharahana intsony. Jesoa tsy niteny intsony hoe : « aza miteniteny ny amin’izay zavatra tsara natao anao ». Fa vao maika ary hoy Izy hoe : « izay natao tany amin’ny miafina torio eny an-tampon-trano eny ». Mijoroa vavolombelona, sahia mijoro vavolombelona eo amin’ny fiaraha-monina amin’izay soa nataon’Andriamanitra anao. Madagasikara ange be olona, tsy hoe vizanin’ny fahantrana fotsiny e ; fa manjaka be amintsika izany hoe maha-olona tsy vanona izany. Izany anie izany firenentsika izany e. Na iza na iza isika malagasy, tsy maintsy misy olona foana any sahirana kokoa noho isika ; na mahatsiaro ary isika hoe e, sahirana aho : mbola misy sahirana lavitra noho ianao. Raha mahatsiaro isika hoe tsy mendrika : betsaka no tsy mendrika. Betsaka ange no mangetaheta ny fifaliana tena izy e ; mba hoe hampisy dikany io fiainana io. Fa tsy hiodinkodina fotsiny : olana sy vaha-olana lava. Iza ireo olona hitondr azy izany vaovao mahafaly izany ? Ny vaovao mahafaly anie dia tsy iza fa i Jesoa velona e, mety hifandray amin’ny olona tsirairay avy. Ka tsy hoe hampisy dikany ny fiainany fotsiny ; fa hahatonga azy ho olom-baovao ankasitrahan’Andriamanitra. Sady tian’Andriamanitra no tia an’Andriamanitra.
Ka izao an : tsy mety raha ohatra ka mivavaka tia an’Andriamanitra fotsiny ; dia mivavaka, mamaky ny Soratra Masina, mihangona. Nefa ny havantsika any ivelany any an tsy hita izay fandehany any. Fa tandremo fa fivavahana fitiavan-tena ihany ny antsika raha izany fotsiny. Ary farany ary dia iharan’ilay tantara mahatsiravina any amin’ny Matio 25 : « noana Aho, tsy nomenareo sakafo ; nangetaheta Aho, tsy nampisotroinareo ; nigadra Aho, tsy mba novangianareo ; narary Aho, tsy mba novangianareo » sns... Tsy miantsy mifanerasera amin’ny olona mila vonjy isika raha tiany ny hoe tena haha-mpianatry ny Tompo antsika tokoa. Mahatsiaro reraka ve ianao eo amin’ny fiainana noho ny olana ? Eny : mivavaha ; fa mba andramo koa manomboka izao : mandehana mamangy ny olona mila vonjy kokoa noho ianao. Mba miresaha ihany amin’ireny olona arian’ny fiaraha-monina, heverin’ny fiaraha-monina ho adala ka ny olona no sady matahotra no tsy hita intsony. Fa ianao aza mety voasakan’izany. Fa reehfa teren’ny fitiavan’i Kristy : ndana mba mireskaa amin’ireny olona ireny. Mba miresaka amin’ny olona mitsipi-pako ary mitondra ny vaova mahafalin’i Jesoa Kristy aminy. Ary tsy izany fotsiny ihany ; fa izay mba kely ananana dia mba tokony ho zaraina aminy izany. Indraindray tsy hita izay ifaneraserana, tsy hita izay tokony ho tenenina, tsy hita izay tokony ho atao. Tsy hitanao ? Mivavaha hoe : « Jesoa velona ô, mba omeo ahy ny olona mila vonjy izay tokony hifaneraserako an. Dia atoroy ahy ny tokony ho tenenina, dia atoroy ahy ny tokony atao ». Fa dia omeny ianao. Mety misy olona tonga avy any, dia izy no manatona anao, na ianao no mandeha any. Mahereza tsara anefa fa ireny olona ireny dia mety ilay mangalatra ny entanao ihany. Tsy maninona izany fa izay ny fomba anirahan’ny Tompo azy any aminao an ; ny anjaranao dia, ianao izay teren’ny fitiavan’i Kristy, dia tokony fa navela heloka ka mba mamela heloka koa, mizara ny kely ananana. Ary mizara ilay lehibe indrindra ananana, dia tsy izay izany fa io Jesoa velona io sy ny filazantsara.
Ho Azy anie ny voninahitra fa ho antsika kosa ny fitarihina sy ny herin’ny Fanahy Masina ka hiaina an’izany isika mba hananantsika fifaliana tena izy ary hizarantsika koa izany fifaliana izany amin’ny olona izay manodidina antsika. Amena
ALAHADY 24 JAN 2021
Ao Atena renivohitry ny fanjakana grika no mandaha-teny i Paoly ry havana. Atena, izay mazava hoa azy : tanàn-dehibe ary tanàna nanana ny maha-izy azy teo amin’ny tontolo tandrefana. Ary ilay toerana itorian’i Paoly, andaharan’i Paoly dia ao amin’ilay hoe Areopago. Areopago, tanàna eo an-tampon-kavoana malalaka. Malalaka tsara izy io dia ao ny fotoana rehefa misy olona te hifandahatra ; ao ny fotoana rehefa misy olona te hitory. Dia amnkao izy, dia mandahatra izy, mitory izy, ary manodidina azy eo ny olona te hifanazava aminy na koa te hanohitra azy, sy ny tahaka izany.
Dia izay mihitsy no ataon’ny Apostoly Paoly ry havana, eto amin’ity Areopago ity. Ary raha maka ohatra isika eto Antananarivo, ohatra rehefa hoe hitory teny izao Paoly an : aiza ny renivohitr’Antananarivo ? Dia ohatrany hoe ery Ambohijatovo ery. Izany no sary azontsika alaina amin’ilay hoe Areopago.
Inona no ambaran’ny Apostoly Paoly ry havana ? Fantaro ry havana, ary tsarovy mandrakariva fa terak’Andriamanitra ianao. TERAK’ANDRIAMANITRA IANAO. Ny teny frantsay miteny kokoa, hoe : TU ES DE SA RACE, RACE-N’ANDRIAMANITRA IANAO ARY MITOVY FIRAZANANA AMINY.
TERAK’ANDRIAMANITRA IANAO. Izany ny vaovao mahafaly ho antsika anio.
Ny Fahamarinana 1 dia hoe : IZY NO NAHARY ANAO. Azo tenenina koa hoe : IZY NO NITERAKA ANAO
Asan’ny Apostoly 17 :24 : « Dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon’ ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana »
Hoy ny Apostoly Paoly hoe : Izy (Andriamanitra) no nahary izao rehetra izao. Izy no nahary ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra eo aminy. Ary Izy mpahary lehibe io ry havana, dia tena hoe lehibe lavitra noho ny tempoly nataon’ny Ateniana ho an’ny sampiny. Lehibe lavitra Andriamanitra. Ary rehefa mijery anie isika ny hahakantony ny sy hatsaran-tarehin’ny tempoly nataon'ny Ateniana, dia tena hoe lafatra sy mahagaga ; fa tsy omby an’Andriamanitra ireny ry havana. Tsy omby an’Andriamanitra lehibe indrindra, Mpamorona ny tany sy ny lanitra ireo tempoly nataon’ny Ateniana. Ary io Andriamanitra mpahary ny lanitra sy ny tany io no namorona ny zavatra rehetra. Ary tena tsy zakan’ireto philosophe grika ireto, tsy zakan’ireto olon-kendry, ireto mpampianatra grika ireto ny zavatra nambaran’i Paoly. Ho an-dry zareo mantsy dia hoe, ho an’ny sasany tamin’izy ireo dia hoe : tongatonga ho azy anie ny tany e ; tsy nisy namorona izany ny tany. Ny sasany koa miteny hoe io tany io, efa ohatran’izao io hatramin’izay fa tsy nisy namorona izany. Fa hoy Paoly hoe : an an an, tsy takatrareo, Fa Andriamanitra, ilay Andriamanitra tsy fantatrareo no namorona ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra eo aminy.
Manomboka izao isika ry havana, tahaka izay mety notenenin’i Paoly tamin’ireto Ateniana ireto, dia : rehefa mijery an’io lanitra io, dia fantaro fa te hampiditra anao ao amn’io lanitra io ilay Andriamanitra niteraka anao, ilay Andriamanitra nahary anao. Ary io lanitra io ry havana, izay hitantsika isan’andro isan’andro eo ambony lohantsika, dia efa toriteny velona ho antsika isan’andro. Te hampiditra ahy, te hampiditra anao ao ilay Raintsika namorona antsika.
Ny tany koa ry havana dia misy tompony. Izy no nanao azy. Ary maha-onena, mampalahelo ny mandre olona tafalatsaka ao anatin’ny adin-tany, indrindra moa ireo tratran’ny tsindry hazo lena ry havana. Ary dia fantaro fa ianao izay mibodo na maka an-keriny tanin’olona, dia ilay Andriamanitra mpahary mihitsy no alainao ny taniny, no bodoinao ny taniny. Manan-tompo ny tany ry havana, manan-tompo ny lanitra, ary manan-tompo koa isika tsirairay avy ireto. Na iza na iza : manana tompo. Ary jereo tsara ry havana, fa : ho an’izay manao ny tsy rariny, manambaka ny hafa, dia manao ny tsy rariny directement amin’ilay Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany, satria Izy no niteraka an’ireo olona ambakain’ny sasany.
Ary rehefa izany ry havana no mameno ny sainao, hoe : Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany, ary nahary ny olona rehetra, dia tsy manana anjara eo amin’ny fiainanao akory, na dia kely aza, ny sampy. Tsy manana anjara ry havana, satria terak’Andriamanitra ianao. Isika izay terak’Andriamanitra ry havana, race-n’Andriamanitra, mitovy firazanana amin’Andriamanitra : ahoana moa no iankohofantsika amin’ny sampy ? Fa inona moa ny sampy no inakohofantsika? Dia mitaona antsika ry havana, mitaona antsika : manajà tena :aoka izay ny fombafomba maro isan-karazany, aoka izay ny fanompoan-tsampy ; fa manajà tena ary manajà ilay Andriamanitra mpahary anao.
Ary io Andriamanitra mpahary anao io ry havana, Izy dia mitaona anao, mitaona antsika Izy hifady ny ratsy, hifady ny fahotana, dia ny fahotana amin’ny ankapobeany. Tsy ny hoe sampy ihany, fa ny fahotana amin’ny ankapobeany. Fombantsika ny miteny hoe : izao no zavatra nolovako tamin’ny dadanay, na izao no zavatra nolovako tamin’ny dadabe-nay ; fa androany ny Tompo miteny amintsika hoe : raha te handova amiko ianao, dia fadio ny fahotana satria terak’Andriamanitra ianao.
Inona ary ny fampieritreretana ho antsika ry havana amin’ity hoe Andriamanitra no nahary antsika, Andriamanitra no niteraka antsika? Mivavaha ry havana, mivavaha, teneno ny Tomponao hoe : « Tompo ô, hay kay Ianao no nahantonga ahy tety an-tany. Misaotra anao aho ny amin’izany. Ianao kay no nanome ahy ny aina sy ny fahavelomana. Ianao kay no nanome ahy ny fiainana : misaotra anao aho. Ary mifona aminao aho Tompo ô, raha tsy mahatsiaro tena hoe noforoninao, naterakao. Mifona aminao aho ny amin’ny ingratitude-ko. Mifona aminao aho Tompo raha mitonatonana any amin’ny sampy ary raha mbola andevozin’ny fahotana ». Ary dia araka ny notenenin’ny Apostoly Paoly ry havana, hoe : « omeo fo vaovao aho Andriamanitra ô, omeo fo vaovao mitady anao aho, satria izany no nanaovanao ahy : hitady anao ».
Izay no Fahamarinana 1 ry havana : ANDRIAMANITRA NO NAHARY ANAO, ANDRIAMANITRA NO NITERAKA ANAO
Ny Fahamarinana 2 dia hoe : IZY NO MANDAHATRA NY FIAINANAO
Asan’ny Apostoly 17 :26 ; 28 : « ary ny firenena rehetra avy amin’ ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’ andro sy ny faritry ny fonenany ; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika ».
Naterany ianao ry havana, ary alahany ny fiainanao. Alahany ny fiainanao.
Rehefa manazava an’izay ny Apostoly Paoly, dia atombony amin’ny zavatra tena tsy zakan’ireto Ateniana olon-kendry ireto. Inona ny zavatra tenenin’i Paoly ? Hoy izy hoe, eo amin’ny and.26 : « ny firenena rehetra dia avy amin’ny iray ihany », taranak’olona iray ihany, dia Adama. Tena zavatra nangidy tamin’ny Ateniana izany ry havana. Tena nangidy tamin’ireo olon-kendry sy avara-pianarana tao Atena. Nangidy satria maninona ? Izy ireo dia nieritreritra hoe natao avo razana hafa karazana amin’ny olombelona rehetra. Nitsian’i Paoly ry zareo hoe : tsy misy iva razana, tsy misy avo razana ny olombelona, fa mitovy avokoa eo anatrehan’Andriamanitra. Izay ilay Andriamanitra mahary ka mandahatra antsika. Izay no azavain’i Paoly tsara.
Ary io Andriamanitra mandahatra io ry havana, mandahatra anao terany io, dia hoe : Izy ihany koa no mamaritra ny toerana misy ny fonenantsika. Hoe, izaho izao teraka tamin’ny 19.., monina eto Antananarivo, hiala eto izaho amin’izao daty izao an :efa voasoratr’Andriamanitra izany ry havana. Ary izay ilay hoe Andriamanitra mandahatra ny fiainantsika. Ary satria Izy no mamaritra ny toerana onenantsika, dia anontanio mazava Izy ry havana, rehefa hoe te hifindra monina any amin’ny faritany ianao ohatra, hoe : programan’Andriamanitra ve izany ? Ao anatin’ny fandaharany ve izany ? Anontanio Izy raha hoe te hifindra any ivelany ianao an, honina any ivelany, hoe izaho te ho any Chine, izaho te ho any Frantsa. Anontanio mazava ny Tompo. Maty antoka mantsy ianao ry havana, maty antoka ianao, raha tsy mety alahatr’Andriamanitra na iadidin’Andriamanitra ny fiainanao. Maty antoka ianao. Ary rehefa tsy mety iadidin’Andriamanitra ny fiainanao, dia mikorontana io fiainanao io ry havana. Mikorontana io rehefa tsy mety iadidin’Andriamanitra ianao. Tena hoe mi-dérègle io, mi-dérègle io. Ary izay no nambaran’i Paoly, hoe : naterany ianao, dia alahany ianao.
Ary amin’izany hoe fandaharany ny fiainanao izany, dia hoe : Izy no miantoka anao. Izy no miantoka anao. Tsarovy izay ry havana : ilay Andriamanitra nahary anao : Izy no miantoka anao. Tsy hoe naterany ianao dia navelany hihahaka teo fotsiny ianao. Tsia, ry havana. Izy no miantoka anao. Ary haintsika tsianjery ilay tenin’Andriamanitra hoe : « Ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany ». Ary ny hafany ho antsika ry havana, dia, haintsika tsianjery koa ny 1 Petera 5 :7 hoe: « apetraho amiko ny fanahianareo rehetra ». Izy Jesoa ry havana, Izy Andriamanitra ao amin’i Jesoa no miteny aminao. Izy izay namorona anao no miteny aminao hoe : « apetraho amiko ny fanahianareo rehetra ». Tsy mila mitady andriamani-kafa ry havana, tsy mila mankany amin’ny sampy. Aza manao tahaka ny nataon’ireto Ateniana ireto hoe samy manana filàny : ny dokotera manana ny andriamaniny, ny mpanefy firavaka sy ny mpanefy volafotsy manana ny andriamaniny. Tsia ry havana. Andriamanitra ao amin’i Jesoa no miteny amintsika hoe : « apetraho amiko ny fanahianareo rehetra ». Ary isika terany no ilazany an’izany fahamarinana lehibe izany. Ary misaotra an’i Jesoa ry havana, mampahafantatra antsika ny marina momba an’Andriamanitra Raintsika, Jesoa ilay nampianatra antsika hoe : antsoy Izy : « Rainay Izay any an-danitra ». Vavaka ataontsika isan’andro izany. Ary ny olona mahafantatra an’izany ry havana dia mitombo amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra. Ary tsy vitan’izany, fa mahatsiaro ireo terak’Andriamanitra hafa ao anaty fahasahiranana ry havana. Ary dia tena mangataka amin’Andriamanitra Rainy izy hoe : mba hitombo amin’ny fitiavana an’ireo terak’Andriamanitra hafa, ho tanan’Andriamanitra mitrotra amin’ireo terak’Andriamanitra latsaka ao anaty fahasahiranana.
Ny fahamarinana hita teo izany ry havana, dia hoe :
- Voalohany : NATERANY ISIKA
- Ary ny faharoa dia hoe : ALAHANY ISIKA
Fa ny Fahamarinana 3 ry havana, dia hoe : HOTSARAINY ISIKA
Asan’ny Apostoly 17 :30-31 : « Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty ».
Rehefa mihaino ny toritenin’i Paoly ry havana, dia tao amin’Andriamanitra mihitsy ny fijery hoe : « tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana Izy ». Tao anatin’izany andron’ny tsi-fahalalana izany mantsy ireto Ateniana ireto no nanompo sampy be dia be isan-karazany tao Atena. Ary Andriamanitra tsy ni-tenir compte an’izany hoe andron’ny tsi-fahalalana. Tsy ni-tenir compte an’izany Izy. Ary izany no mahafinaritra amin’ity Andriamanintsika ity ry havana. Ary Paoly nampianatra antsika hoe : ankehitriny Izy, araka ilay teny teo, dia mandidy ny olona rehetra. Tapitra izany ilay andron’ny tsi-fahalalana, madidy Izy ankehitriny an’iao tontolo izao hibebaka, hibebaka. Ary mandidy ny olona rehetra Andriamanitra hibebaka satria maninona ? Tsy foiny ho very ry havana, tsy foiny ho very izaho sy ianao izay naterany ; tsy foiny ho very. Io ohatran’ny raim-pianakaviana ao amin’ny tokantrano anankiray mandidy ny zanany. Mandidy izy ohatra hoe mba tsy ho tara fodiana ny zanany rehefa hariva ny andro. Tsy tiany hoe hariva be ny zanany na ho alim-podiana ; Mandidy izy. Ary satria tsy te hanan-dratsy izy, tsy tiany ny zanany hanana fitondran-tena tsy mendrika na ratsy fiarafa. Dia ohatran’izay tsy misy hafa ry havana Andriamanitra. Mandidy Andriamanitra. Mandidy ny olona rehetra hibebaka Izy satria ho avy ny fitsarana ry havana ; ho avy ny fitsarana.
Averiko vakiana ilay and.31a : « satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny ». Ry havana ô, efa voatendrin’Andriamanitra ny andro fitsarana antsika. Iray izay. Faharoa : efa voatendrin’Andriamanitra ny mpitsara, dia Jesoa Kristy izay maty ary natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty. Ry havana, voatendry ny andro hitsarana anao, voatendry ny andro hitsarana antsika. Ka ampitandremana ianao ry havana, mba tsy hanapoka anao izany, mba tsy hiteny ianao hoe : « oay, tena tsy nampoiziko, tena tsy nampoiziko ». Mba tsy hiteny ianao hoe : « oay, tena tsy nahafantatra aho, tena tsy nahafantatra aho ». Raha izay manko ry havana dia tena maty antoka ianao, maty antoka ianao. Fa misy koa ry havana ireo efa mahafantatra, ireo izay efa nahafantatra hoe ho avy ny fitsarana fa tsy miraharaha izay fampitandremana izy. Ireo koa dia tena maty antoka be.
Izao ry havana no nazavaina tamintsika androany : fahamarinana telo mandoko an’ilay hoe TERAK’ANDRIAMANITRA IANAO, RACE-N’ANDRIAMANITRA IANAO, MITOVY FIRAZANANA AMIN’ANDRIAMANITRA IANAO. Inona no nambara tamintsika ?
- NATERANY ISIKA
- ALAHANY ISIKA
- ARY HO TSARAINY ISIKA
Ry havana, tsy tafahoatra ny fitenenana rhaa miteny hoe : ny fiainako manontolo ety an-tany dia fiomanana. Fiomanana amin’inona ? Fiomanana amin’ilay fitsarana ho avy. Jesoa no hitsara ry havana ; tena sérieux io ry havana. Tsy zaavtra vazivazy io ; Ary tsy etsy Anosy ianao no tsaraina, fa tena sérieux ilay fitsarana. Mila iomanana, mila iomanana.
Eto am-pamaranana ry havana, dia afaka manontany tena isika hoe ahoana moa izany no ampiarahana an’izany teny izany amin’ny voalazan’i Jaona hoe : « izay mandray ny teniko ka mino izay maniraka Ahy, mino izay naniraka dia tsy ho helohina » ? Ahoana no hampivadiana an’izany ry havana ? Samy handalo fitsarana isika mianakavy. Fa rehefa eo anatrehan’ilay Mpitsara ; Jesoa io hitsara io ; dia misy ilazany ao hoe : « Ah, tsy fantatro ity, mankanesa any amin’ny helo ». Fa rehefa tonga eo amintsika ry havana, izaho sy ianao, enga anie Jesoa hiteny hoe : « ah zandry malala : midira faingana amin’ny fanjakako », « ah zandrikeliko ity an : midira aty an-danitra ».
Ry havana ô :
- NATERANY IANAO
- ALAHANY NY FIAINANAO
- HO TSARAINY IANAO
Ho aminao anie ny Tompo. Amen