ALAHADY 07 FEB 2021

Ao amin’ny Genesisy 15. Tian’ny Tompo ho sainintsika Fiangonana ny hoe : MAMPIORINA NY MINO NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Amin’izany, ny Fahamarinana 1 omen’ny Tompo antsika dia izao, hoe : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MANOME FANANTENANA

Tsy misy olona afaka mivelona tsy manana fanantenana izany ry havana ô. Saingy ny hakamaroan’ny fanantenan’ny olona dia fanantenana  pôkaty. Fa eto ny zavatra ambaran’ny Soratra Masina amintsika voalohany dia hoe : Andriamanitra manome fanantenana.

Genesisy 15 :1 : « Rehefa afaka izany, dia tonga tamin’ i Abrama ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.

Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. Tsy fampanantenana pôkaty satria fanantenana ambaran’ny tenin’Andriamanitra ry havana ô, ary miorina amin’ny tenin’Andriamanitra.

Inona ary no atao hoe fanantenana ary e ? Ny fanantenana ry havana dia fanantenana zavatra ilaina na fanantenana hanana zavatra mety hahasoa nefa zavatra tsy mbola hita. Izay ilay fanantenana : manantena zavara tsy mbola hita.

  • Teny fampanantenana anankiroa, na toky anankiroa no omen’i Jehovah an’i Abrama eto ry havana : voalohany indrindra, hoe :  « Izaho no ampinganao ». Fantatsika tsara ny atao hoe « ampinga ». Ampinga : bouclier, fiarovana. Izany no ilain’i Abrama eto ry havana ô. Mila ampinga izy, satria raha ny tantaram-piainan’i Abrama eto dia avy nandresy mpanjaka vitsivitsy maromaro izy izay nanafika azy, nambabo an’i Lota havany. Dia raha nanafaka an’i Lota izy, izay nobaboina, dia misy izay mpanjaka izay, anisan’ny malaza indrindra sy matanjaka indrindra tamin’ireo mpanjaka resahin’eto ireo, hoe Kedorlaomera izay : natahotra vengeance-ny Abrama, natahotra valifatiny Abrama. Mazava be izany. Dia fantatr’i Jehovah io tahotr’i Abrama ao am-pony io ry havana, dia hoy Jehovah amin’i Abrama, manome fanantenana azy ; fanantenana zavatra tsy mbola hitan’ny maso: « Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao ». Ary izay teny fampanantenana nataony tamin’i Abrama raintsika mpino io an, ataony amintsika amin’izao maraina izao, hoe : « Izaho no ampinganao ».

Mamarana eto Isotry Fitiavana moa izahay ry havana, manao jery todika an’izay lasa izay : afaka mijoro vavolombelona izahay ry havana fa tena marina ara-bakiteny taminay, fa matoa izahay afaka mamarana izao faha-17 taona izao, tena hoe Jehovah, Jesoa no ampinganay teto Isotry Fitiavana. Ary misy vitsivitsy aminareo mahafantata tsara izay tetika tany an’anona tany, izay fivoriana tany an’anona tany. Ahoana moa no ahafantarako an’ilay fivoriana ? Olona nantsoina hivory no manome toky anay hoe « Pasitera, izaho nantsoin-dry zalahy fa izaho tsy tany an ». Izay no nahafantarako hoe nisy fivoriana tamin’ny fotoan’andro tany an’anona tany. Fa Jesoa no ampinganay teto ry havana ô. Jesoa izay nanendry anay teto no ampinganay teto e. Ary tena marina ara-bakiteny taminay mihitsy ilay Isaia 54 :17 haintsika hoe : Ny fiadiana rehetra izay voaomana hamelezana anay dia tsy hisy hambinina ». Izay io tenin’Andriamanitra io. Ary isika rehetra ry havana ô, dia itenenan’ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : « Izaho no ampinganao ». Ampinga, ampinganao amin’ny vadinao : ie, oui oui oui oui ; ampinganao amin’ny fianakavim-badinao : oui oui oui ; ampinganao ato amin’ny Fiangonana, ampinganao ao amin’ny fiaraha-monina, ampinganao any am-pianarana, any am-piasana. « Izaho no ampinganao ». Izay ny teny fampanantenana voalohany.

  • Ary ny teny fampanantenana faharoa nomena an’i Abrama ary mbola omena antsika amin’izao maraina izao : « Izaho no valim-pitianao ». Waouh ! « Izaho Jehovah no valim-pitianao » : « Je suis ta récompense », « Je suis ta plus grande récompense ». « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ». Fantatro ny zavatra ilainao e, fantatro ny zavatra antenainao e, bangoiko izany amin’ny hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ».

Raha misy vehivavy izao manambady lehilahy mpanan-karena na koa hoe lehilahy manambady vehivavy mpanan-karena : automatique ilay vehivavy io handova an’io lehilahy io ; izay ilay izy. Izay an’io lehilahy io, satria vadiny ilay lehilahy io, dia ho azy. Raha misy manangana zanaka ireo mpivady ireo an, dia handova azy toy ny valim-pitia.

Rehefa miteny amintsika Andriamanitra « Izaho no valim-pitianao », « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ». Ahy ny zavatra rehetra fa « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra » e. Ao alohaloha kely ao, rehefa manam-potoana ianareo : jereo hoe efa notahin’Andriamanitra Abrahama, tena faran’izay nanan-karena Abrahama, nanana volamena, nanana volafotsy, nanana ondry aman’osy ; fa hoy Jehovah hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ».

Ny Fanahy Masina ry havana ô, hanokatra ny saintsika ahatakarantsika ny hamamin’izany teny izany, hoe Jesoa mihitsy no milaza hoe : « Izaho, Izaho, Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ».

Fa eo moa izany Abrama mandre an’izany hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra » : ohatran’ny olombelona rehetra izy, ny problème n°1 an’i Abrama amin’io fotoana io : tsy manan-janaka. Problème n°1 an’i Abrama amin’io fotoana io : mba te hanana taranaka ohatran’ny olombelona rehetra. Dia alaivo sary an-tsaina i Abrama itenenan’i Jehovah hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra » ; ohatrantsika Fiangonana itenenan’i Jesoa hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra », « Pasitera an, Jesoa an, fa aiza aloa izay ho vadiko ? An an an, aiza izay mba tranoko e ? Aiza izay izao sy izao sy izao ? ». Efa teneniny hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra ». Mamindra fo Andriamanitra ry havana, mi-comprendre antsika Izy ; dia miteny amin’i Abrama Izy : « omeko taranaka ianao ». Ary miteny amin’i Abrama Izy hoe : « omeko tany ianao ». Ary miteny an’io teny mahafinaritra io Izy eo amin’ny and.5 hoe : « Jereo ange ny lanitra e, ka isao ny kintana raha voaisanao ; fa ho tahaka izany ny taranakao ». Dia nino an’i Jehovah i Abrama ary nisainy ho fahamarinany izany.

Ry havana ô, ilay Jesoa miteny aminao hoe : « Izaho no ampinganao », ilay Jesoa miteny aminao hoe : « Izaho no valim-pitianao lehibe indrindra » ; Izy sy ny Rainy no mbola miteny aminao ankehitriny hoe : izao an, izao an : raha matoky Ahy ianao, raha matoky ny tena fanantenako ianao : fantaro fa Izaho mahay manao mihoatra lavitra noho izay heverinao sy angatahinao. Ianao miteny hoe : « izaho anie ka mila an’izao Jesoa e, izaho mila an’izao e » ; an an an ; henoy ny teny fampanantenako fotsiny fa Izaho mahay manao mihoatra lavitra noho izay heverinao na angatahinao.

Izay ny Fahamarinana 1, hoe : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MANOME FANANTENANA

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MAMPIORINA FINOANA

Ilay finoana eto an, dia hoe : « confiance ». Confiance amin’iza ? Confiance amin’Andriamanitra. Rehefa miteny izany hoe : ny tenin’Andriamanitra manome fanantenana, dia hoe mampanantena zavatra tsy mbola hita nefa ilaina, nefa mahasoa. Faharoa indray, hoe : ny tenin’Andriamanitra mampiorina finoana ; mampiorina ka mampaharitra amin’ny confiance amin’Andriamanitra.

Jerentsika ny Romana 4, mbola teny mamy, teny volamena ho antsika izay manana finoana ; io moa izany tsy ho an’izay tsy manana finoana. Romana 4 :18 : « Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain’ ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao ». « Araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao ».

Ry havana ô, miteny amintsika izany tenin’ny Soratra Masina izany hoe : « Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino ». Samy efa nandalo tamin’izany isika ; ary mbola handalo amin’izany isika. Omen’ny Fanahy Masina antsika io teny io amin’izay fotoana izay, hoe : « Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino ». Inona moa ny dikan’ilay hoe « nino » ? Natoky an’ilay tenin’Andriamanitra. Izay ilay izy. Andriamanitra tsy ohatran’ny olombelona, Andriamanitra tsy ohatran’ny mpanao politika ; fa izay tenin’Andriamanitra dia efainy. Andriamanitra tsy olona ka handainga e. Ka dia hoe na dia tsy nisy nanantenana intsony aza, dia nanantena i Abrama, satria natoky an’ilay tenin’Andriamanitra izy. Ary notanan’i Abrama tamin’ny teniny Andriamanitra, nohazoniny tamin’ny teniny. « Ianao efa niteny hoe jereo ny lanitra ka isao ny kintana raha voaisanao, fa ho tahaka izany ny taranakao. Niteny ianao Jesoa an : tanako amin’ny teninao ianao ». Izay ilay tenin’Andriamanitra omeny antsika ampiorenana ny finoantsika ry havana ô. Tsy fantatr’i Abrama izay fomba hoe hanatanterahin’Andriamanitra izany teny fampanantenana nomeny tany amin’ny Genesisy 15 :12 sy 15 fa izao fotsiny ny zavatra fantany : tsy misy zavatra azo antoka indrindra ety ambonin’ny tany tahaka an’izany hoe teny omen’Andriamanitra anao manokana izany. Tsy misy zavatra azo antoka indrindra tahak’izany ry havana ô. Ary sokafy ny Baiboly manomboka anio e, mitadiava teny, mitadiava rhema isan’andro isan’andro fa azo antoka iny ry havana ô. Azo antoka iny. Ary mahafaly an’Andriamanitra izany hoe mijery ahy, mijery anao izany ka tena hoe manana an’izany toe-po, toe-panahy, toe-tsaina hoe mihazona an’Andriamanitra, mamatotra an’Andriamanitra amin’ilay teny fampanantenana izay nomeny. Tena mahafaly an’Andriamanitra izany ry havana ô. Ary izay ny fomba ampiorenan’ny tenin’Andriamanitra ny finoantsika : ilay « confiance » amin’ilay teny, ilay « confiance » amin’Andriamanitra.

Fantatsika ilay tantara : samy efa antitra na Abrama na Saraha vadiny. Nefa tsy mbola nisy ohatran’iny ary ny fiantombohana fahatanterahana an’ilay teny fampanantenana ; tsy nisy na dia ohatran’iny aza. Kanefa izao : ny fahafantaran’i Abrama ny tenin’Andriamanitra, ny finoany eo amin’ny and.17 dia hoe : « Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy ». Andriamanitra Izay mamelona ny maty. Fantatsika ve izany finoan’i Abrama izany ? Efa nitsaha-jaza i Abrama, efa maty ny kibon’i Saraha ; fa hoy ny Soratra Masina ary izay ny finoan’i Abrama : Andriamanitra mamelona ny maty. Ary ery amin’ny and.24 hoe : « fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’ i Jesosy Tompontsika tamin’ ny maty ». Inona moa no maha-zava-dehibe an’izany ry havana, ho an’ny finoantsika, ampiorenana ny finoantsika ? Inona no maha-zava-dehibe an’izany ? Abrahama rain’ny mino dia natoky teny fampanantenana hoe : Andriamanitra manangana ny maty. Mbola ho avy izany. Isika nahita an’io Andriamanitra nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty io ry havana ô, isika asaina mino zavatra efa nitranga 2000 taona lasa izay ; nefa mbola ohatran’izao ny finoantsika. Ny an’iry : promesse : izay no natokiany ; isika nahita an’ilay réalisation an’ilay promesse : mbola miahanahana ohatran’io ihany isika mianakavy. Miahanahana isika, raha tsy izany, tsy ohatran’izao ny fiainan’ity Fiangonana ity ry havana ô. Izay. Ary misaotra ny Tompo isika ny amin’ny fitiavany antsika, fa mbola miteny antsika Izy amin’izao maraina izao hoe : « hitanao, amin’ny manaraka, rehefa ao anaty-na situation ianao hoe tsy misy anantenana intsony : manantenà ihany ary tano amin’ny teniko Aho, dia Izaho ilay manangana ny maty. Efa noporofoiko izany ». Ary dia natsangany tamin’ny maty tokoa Abrahama : teraka an’Isaka izy ; fantatsika izany. Nony maty Saraha, mbola nampaka-bady an’i Ketora indray Abrahama, mbola niteraka 6 indray Abrahama ; Izay ilay fananganan’Andriamanitra amin’ny maty ry havana ô. Ary na inona na inona situation-nao amin’ny andavan’androm-piainanao ry havana ô, rehefa mandalo aloky ny fahafatesana sy ny fahafatesana ianao, ka hoe tsy misy anantenana intsony aza : manantenà ary minoa an’io Andriamanitra izay efa nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty io ry havana ô.

Izay ny Fahamarinana 2 : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MAMPIORINA FINOANA

Inona ilay Fahamarinana 1 ? NY TENIN’ANDRIAMANITRA MANOME FANANTENANA ; Fahamarinana 2 : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MAMPIORINA FINOANA

Ny Fahamarinana 3 ao amin’i Lioka ry havana, Lioka 5. Ny Fahamarinana 3, ary ity no maha-toriteny réformé, toriteny feno an’ity toritenintsika ity : NY TENIN’ANDRIAMANITRA MAMPIAIKY HELOKA

Ny secte afaka mampianatra tsara hoe : manome fiarovana Izy, manome fitahiana Izy, mampanan-karena Izy. Ny secte afaka miteny hoe : hanao fahagagana ao amin’ny fiainanao Andriamanitra. Fa ny secte ry havana ô, tsy miteny hoe : « Ny tenin’Andriamanitra mampiaiky heloka ». Nefa izay, izay, izay ; izay no votoatin’ny filazantsara.

Lioka 5 : 8 : « Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho ». Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.

Tena sambatra ianao, sambatra izay amintsika eto am-pihainoana toriteny, rehefa vita ity toriteny ity, ka misaotra ny Tompo hoe : « Misaotra Anao aho ny amin’ny teny ampiorenanao ny finoako fa izay vao tsapako ny momba ahy hoe : olo-meloka aho. Ary tahaka an’i Petera miteny, tena hoe désespéré amin’ny tenako aho, fa olo-meloka aho ». Sambatra ianao ry havana ô, sambatra ianao fa izany no tian’Andriamanitra ho hita amin’izao maraina izao. Fantatsika tsara ny tantara ry havana : nanarato nandritra ny alina manontolo ry Petera sy ny namany, tsy nahazo na inona na inona ; rehefa tonga ny maraina : valaka. Nifanena tamin’ny Jesoa, dia araka ilay 5minitra teo, dia hoe : nitenenan’i Jesoa izy hoe : mandrosoa ho any  amin’ny lalina, ka arotsaho ny haratonareo dia hahazo hazandrano ianareo. Ary dia nahagaga tokoa ilay vokatra ry havana, satria tena hoe be dia be ny hazandrano azo an, nisy triatra mihitsy ny harato an, ary dia hoe : ny sambokely anankiroa aza tsy omby an’ilay izy, feno an’ilay izy, ary efa saika nilentika. Dia eo Petera, mahita an’izany Petera no mi-pousser cri de désespoir : « Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany » ; mahita izy izao, fa talohan’izao izy hoe : « noho ny teninao dia alatsakay ny haratonay » ; « Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho ».  Teo ry havana ô, nahita an’ilay fahagagana Petera, nahatsiaro fa olo-meloka, nahatsiaro ny tsy fahamarinany. Teo izy no nifanena tamin’Andriamanitra velona ry havana ô. Ary io toetran’i Petera io an, tsaroantsika tsara ny nataon’i Isaia rehefa nifanatrika tamin’Andriamanitra izy, tao amin’ny efitra masina indrindra, nahita an’ilay serafima : « Lozako fa lehilahy maloto molotra aho, ary monina eo amin’ny firenena maloto molotra ». Izany ny olona mifanena marina amin’Andriamanitra e. Nahita an’ilay fahagagana i Petera ry havana ô ; ny asan’i Petera : mpanarato ; donc vao maika koa fantany hoe spécialité-ny izany fanaratona izany, vao maika hoe azony tsara ny mampahagaga an’ilay vokatra e. Satria amin’ilay spécialité-ny no mitranga ilay izy. Dia lasa saina i Petera, nokasihin’ny Fanahy i Petera : « mialà amiko ianao Jesoa an, fa olo-meloka aho ». Inona moa no mety napetraky ny Fanahy tao an-tsain’i Petera mieritreritra an’io vokatra io izy ? Rehefa niteny Jesoa hoe mankanesa ery amin’ny lalindalina dia alatsaho ny harato, dia hoy izao angamba i Petera tao an-tsainy sy tao am-pony tao hoe : ilay Andriamanitra mahalala hoe atsy misy trondro be dia be amin’io fotoana io, ilay Andriamanitra izay nampiditra an’ireo trondro be dia be ireo tao anatin’ilay harato na nila ho triatra ilay harato ; izany Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra izany, mahafantatra tsara ny ao am-pon’i Petera ary dia natahotra i Petera, désespéré i Petera : « mialà amiko fa olo-meloka aho ». Izany ry havana no tian’ny Tompo an, ampiorenana ny finoantsika ary tsy ampiorina ny finoantsika izy raha tsy finoana marina, miainga amin’ny teny nampibebaka ary mampiaiky heloka antsika ry havana, hoe heloka hilantsika Mpamonjy izany tenin’Andriamanitra izany.

Rehefa mijery ny Fiangonantsika ry havana, dia manontany tena hoe : isika ireto, isika hoy aho an, efa nandre marina ve izany feon’Andriamanitra izany ? Fa ao amin’ny Soratra Masina ry havana, ny olona izay mandre ny feon’Andriamanitra dia matahotra, tora-kovitra. Andao ange jerentsika ny Eksodosy 20 :18-19 ; nanome ny didy 10 Andriamanitra, dia juste aorinan’izay no nitranga :   « Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon’ ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny. Dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Aoka ihany hianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay ».

Ny firariana ho antsika ry havana dia izao : rehefa manamarina ianao, n’inon’inona occasion, manamarina ianao fa hoe tamin’iny indray maka iny tena ampingako Jesoa, rehefa manamarina ianao hoe tena marina mihitsy e fa Andriamanitra no valim-pitia lehibe indrindra ary nomeny ohatran’izao izaho na nomeny ohatran’izao ; rehefa tao anaty situation tsy azo nanantenana intsony ianao ka nino ianao, dia nahita fahagagana ianao ; ny firariana ho anao ry havana malala ao amin’ny Tompo, dia hanao tahaka an’i Petera ianao, hahafantatra ny tena toetry ny fonao lalina ary dia hiaiky eo am-pandohalihana sy eo am-piankohofana hoe : « Jesoa an, vonjeo aho, fa tena olo-meloka aho ».

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amen