Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 25 APR 2021

« Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireny madinika ireny ianareo ». Matio 18 :10

Izay ny hafatry ny Tompo ho antsika anio ry havana. SAMBATRA IANAO MADINIKA. Izany ny hafatra androany. SAMBATRA IANAO MADINIKA. Nahoana ? SATRIA MIAHY ANAO MANOKANA JESOA.

Rehefa mijery vaovao, dia indraindray moa vizana ianao mijery vaovao fa ohatran’ny eo ihany no miverina. Dia misy sokajin’olona mitaraina, toa maro an’isa ihany izy ireo. Mitaraina izy ny amin’ny zavatra iainany, ny fahoriana zakaina amin’izao fotoana izao ; miteny amin’ny fitondrana hoe : « mba jereo izahay e, jereo izahay madinika e ». Dia maheno an’izany ry havana, dia hoy izahay, hoy ny Fanahy Masina hoe : SAMBATRA IANAO MADINIKA FA MIAHY ANAO MANOKANA JESOA.

Andeha ary jerentsika hoe iza no atao hoe « madinika » izany, iza no atao hoe « madinika » ? Jerentsika ireo textes 3, ho jerentsika fohy dia fohy ireo textes 3 satria misy karazana « madinika » 3 ao amin’ireo textes ireo, ary misy karazana « madinika » mazava be. Ary mazava be ohatr’izany koa ny fiahian’ny Tompo an’izany « madinika » izany, araka izay nolazaina teny am-piandohana.

Ohabolana 22. Ny « madinika » resahina voalohany anio ry havana, ao amin’ny Ohabolana 22 dia ny zanaka nateratsika. Hoy ny Ohabolana 22 :6 izay tena fantatsika tsara: « Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany ».  

Ilay « madinika » resahina eto : ny zaza nateraky ny kibontsika. Ireo no « madinika » ry havana. Ary ahoana ny fiahian’ny Tompo azy ? Ny fiahian’ny Tompo azy : amin’ny alalan’ny ray aman-dreniny niteraka azy, dia atoro, didinà hoe : « zaro amin’ny lalana tokony halehany ireo zaza ireo, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany ». Zaro ; baiko izany ry havana.

Misy an’izay hoe Susanna Wesley ; Susanna Wesley maman’i Charles sy John Wesley. Anarana mijoalajoala izany eo amin’ny sehatry ny christianisme ry havana ô. Susanna Wesley nitaiza an’i Charles sy John Wesley ary nanana zanaka 15 hafa tamin’ny vadiny. 17 izany ny zanany, iray ray iray reny. Mijoro vavolombelona izy ny amin’ny nitaizany ny zanany, nitaizany ny madiniky ny Tompo ho an’ny Tompo ry havana ô, ka hoe nampizarany ireo zanany ireo amin’izay lalana tokony halehany. Ary tamin’ireo 17 ireo, tena nisy 2 lahy tena nisongadina, tsy tao amin’ny ankohonana ihany, fa teo amin’ny tantaran’ny christianisme. Misy 7 ireo torohevitra omeny, ilay fijoroana vavolombelona omeny :

  1. Folao, hoy izy, folao ny sitrapon’ny zanakao hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra. Izay. Tsotra ange izany e. Fa ilay zaza vao kely iny no mora zarina amin’izany. Folao ny sitrapon’ny zanakao hanaraka mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra.
  2. Faharoa, hoy Susanna Wesley, ampianaro mivavaka izy raha vao mahay miteny.
  3. Aza omena azy izay angatahiny fa omeo azy hatrany, hanaovy sacrifice raha ilaina, izay zavatra rehetra mahasoa azy sy mampandroso azy.
  4. Rarao mazava ny lainga eo amin’ny fiainan’ny zanakao.
  5. Hoy Susanna Wesley, hoe : aza faizina ny zaza rehefa nanota na nanao ditra ka avy hatrany izy dia nifona sy nibebaka. Aza faizina izy. Ary azavao azy tsara hoe tsy faizina ianao satria tonga dia nifona.
  6. Féliciter-o izy, encourager-o izy, ankasitraho izy rehefa nanatanteraka zavatra araka ny sitrapon’Andriamanitra
  7. Ary farany, andraikitsika ray aman-dreny : izay zavatra ampanantenainao ny zanakao, ny promesses ataonao amin’ny zanakao : aza avela hisy tsy ho tanterakao

Izay ilay izy ry havana, izay ilay fijoroana vavolombelona nataon’i Susanna Wesley. Adinoko, teo amin’ilay hoe folao, eo amin’ilay poiny voalohany, folao ny sitrapon’ny zanakao hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra ; ary faizo izay zavatra rehetra manana endrika rébellion. Izay ilay Fahamarinana 1.

Izay izany ilay hoe : Jesoa miahy manokana ny « madinika » : isika ray aman-dreny niteraka no asainy miahy an’izany madiniky ny Tompo izany.

Hoy ilay philosophe anankiray : « Façonnons d’abord nos habitudes, puis nos habitudes nous façonneront ». Izay no lazain’ny Ohabolana 22 :6 ry havana : isika ray aman-dreny mi-façonner ny habitude-ny zanatsika ; avy eo ilay habitude mi-façonner ny zanatsika hanana toe-panahy araka an’Andriamanitra. Ary zava-dehibe izany amin’ny ankapobean-javatra ; fa zava-dehibe izany amin’izao vanim-potoana iainantsika izao satria mihazakazaka ny fivoaran-javatra ; tsy fantatrao na mankaiza na mankaiza izao tontolo izao ary indraindray tsy arakao mihitsy hoe mankaiza sy mankaiza izany fivoaran’ny fiainantsika izany. Fa rehefa hoe nozarina amin’ny lalana tokony halehany ny zaza, dia tsy miala amin’izay izy n’inon’inona zavatra sedrainy eo.

Mivadika any amin’i Matio isika ry havana. Ilay teny teo, hoe : « Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireny madinika ireny ianareo ». Tenin’i Jesoa izany. Iza indray ary ilay « madinika » tena hoe iahian’i Jesoa manokana eto ? Ity mifanakaiky amin’ireo olona mitaraina ao amin’ny journal télévisé ny hariva : ilay olona tena hoe mijaly fadiranovana. Fa raha izay no iaingana dia hoe azo hitarina ilay izy. Ilay « madinika » mijaly fadiranovana, fa amin’ny ankapobean-javatra : ilay olona mahantra, ilay olona tsotsotra, ilay olona tsy mba tia sehoseho satria tsy manana an’izay isehoana, ilay olona kely fianarana ; kely ny fianaran’ilay olona tsotsotra ka mipiripirina, manetry tena izany. Fa rehfa jerena koa ny Soratra Masina, ilay hoe « zaza madinika » dia ilay olona tsy mivatravatra, ilay olona tsy mitompo teny fantatra, ilay olona araky ny itiavan’i Jesoa azy, hoe : manahaka ny toetran’ny zazakely, Ilay olona miavaka, mbola toetra hafa koa izay, amin’ny fahatsorana <. Izany ilay « madinika ». Ao izany ilay fahantrana, ao ihany koa ilay fahantrana ara-panahy, ilay tsy fianarana sy ny karazany. Dia matetika olona ataon’ny fiaraham-ponina an-kilabao. Hoy Jesoa : « Mitandrema, mitandrema fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireny madinika ireny ianao ».

Ianao ry havana ô, mety ao anatin’izany sokajy mahatsiaro madinika izany. Izany ny vaovao mahafaly : mijery anao manokana ny Tompo, mandinika anao manokana ny Tompo, tia anao manokana ny Tompo ary mampitandrina izy an’izay rehetra mitady hanao tsinontsinona anao.

Fa inona moa ilay hoe : « Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona » ? Tsy dia hita, izany ve moa dia mila azavaina ry havana ? Ny manao tsinontsinona dia ilay hoe : mi-mépriser. Izay : manao tsinontsinona = mi-mépriser. Mi-mépriser, manao tsinontsinona amin’ny fijery, manao tsinontsinona amin’ny fihetsika. Mampalahelo ry havana, rehefa mahare olona miteny hoe : « an an an, tsitan’i Pasitera fa iny, iny, raha vao olona manan-katao ao am-piangonana ao, dia hiazakazahany atao izay hinamanana aminy.  Fa raha vao olona mavomavo izany, tsy hitanao hiresaka aminy mihitsy ». Izay ilay hoe : aza manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireo madinika ireo : aza manao tsinontsinona amin’ny fiteny mandratra. Mahavariana ry havana, ary tsy mampino, raha tsy ray aman-dreny no miteny. Matetika moa ny Madama no tonga ao amin’ny birao ao : « Pasitera an, ento am-bavaka aho fa ny vadiko tena tia ny zanako, ilay ramose izany tena tia ny zanany ary tena hoe mivelona ho an’ny zanany, te hanampy azy izy an, mba ho tafita izy amin’ilay fianarana ; ny vadiko hoy izy tena repotra any am-piasana, fa rehefa tonga any an-trano izy, tsy maintsy mampianatra ny zanako. Tsy mamela azy aho ; izaho no tokony hampianatra hoy izy. Fa saingy izao : ilay vadiko, hoy izy, tena hoe tsy manana patience, hany ka vao diso kely ilay zaza, nefa ilay exercice sarotra be, dia tena hoe tezitra, tsy manana patience. Dia tonga ao an-trano ilay vadiko, hoy izy, vao mamoha ilay varavaran’ny trano, dia efa miori-koditra ny zanako ». Aza manao tsinontsinona na dia iray aza amin’ireo madinika ireo. Izay ilay izy ry havana : aza manao tsinontsinona, aza mi-mépriser. Ary Jesoa rehefa miteny, tsy miteny izy hoe : aza manao tsinontsinona ny madinika amin’ny ankapobean-javatra, fa raisiny tsirairay, raisiny tsirairay ilay madinika. « Aza manao tsinontsinona na dia iray aza ». Ao izany ianao, ao amin’ny ankohonanao anio, atombotsika ao, ny ato Isotry Fitiavana atombotsika ao amin’ny ankohonana : aza manao tsinontsinona an’io vadinao io ianao, aza manao tsinontsinona ny zanakao ianao, aza manao tsinontsinona ny ray aman-dreninao ianao. Izay ilay notenenintsika tany am-piandohana hoe : sambatra ianao raha madinika satria miahy anao manokana Jesoa. Ary henonao izao ny hafatra, hafatra ho an’ilay olona mpanao tsinontsinona anao.

Ary Jesoa ry havana tsy miteny fotsiny hoe : « aza manao tsinontsinona na dia ny iray aza », fa mazava ny teny hoe : « Fa lazaiko aminareo : ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko Izay any an-danitra ». Ianao madinika io, ianao mahatsiaro madinika io, izay no atao hoe : Sambatra ianao raha madinika, satria ambaran’i Jesoa hoe : manana anjely ianao any an-danitra. Fampiizany, fa tena hoe anarana jiosy tamin’izany fotoana izany noraisin’i Jesoa tanteraka hoe : ny madinika dia manana anjeliny any an-danitra eo anatrehan’ny tavan’ny Rainy. Inona no dikan’izany hoe : eo an-tavan’ny Rainy ? Ilay anjelinao madinika io mahita ny Ray mandrakariva ary ny Rainao any an-danitra mahita anao ; ny Rainao mahita anao dia maniraka ny anjelinao Izy miteny hoe : « ndana ampaherezo io zanako io ».

Asa izay fiahian’ny mpitondra fanjakana anao madinika ; fa tsy izany ny zava-dehibe ry havana ô. Fa ianao manana anjely any an-danitra eo amin’ny fanatrehan’ny Rainao, akaikin’ny Dadanao any an-danitra mandrakariva, ary mandray ny teniny isan’andro isan’andro, ao anaty fahoriana, ampaherezana anao. Izany no maha-sambatra anao raha mahatsiaro madinika ianao. Mazava be ny hafatry ny Soratra Masina hoe : tena misy ireo anjely ireo, tsy tokony hivavahana ireo anjely ireo an, tsy tokony omem-boninahitra tahaka an’Andriamanitra ireo anjely ireo ; fa tena misy. Ary izany ange no efa nitenenan’ny mpanao Samalo e, any amin’ny Salamo 34 :7 izay fantatsika tsara, hoe : « Ny anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy ». Mino an’izany ve ianao ? Sambatra ianao raha madinika ry havana ô, sambatra ianao raha madinika, satria ao anatin’izany fahatsiarovan-tena ho madinika izany, no ampahatsiahivan’ny Fanahy Masina anao, hoe : Ok Ok, madinika ianao e ety an-tany, madinika ianao ao amin’ny fianakavianao ; fa manana anjely ianao eo akaikin’ny Rainao any an-danitra ary sambatra ianao.    

Ny « madinika » fahatelo farany dia ao amin’ny Epistily nosoratan’i Jaona ry havana. Hoy ny Epistily nosoratan’i Jaona, 1 Jaona 2 :1 : « Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo ». Anaka. Io ilay karazana « madinika » fahatelo.

Tsara mandrakariva ny mandeha mijery ny dikan-tenin’ny Segond e. Eo amin’ilay hoe « Anaka », mety ny fandinkan’ny Segoind ilay teny grika hoe « Mes petits-enfants ». Izay ilay « madinika » resahina eto. Ilay zandry zanaka malalan’ny Apostoly Jaona. Izay no resahina eto. Ilay zandrikelin’i Jesoa : izay no resahina eto.

« Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesoa Kristy, Ilay Marina ». Inona ny vaovao mahafaly ? Manana Solovava ianao « madinika ». Zavatra tena manahirana eo amin’ny fiaraha-monina ry havana dia ny ady any amin’ny tribonaly. Tena manahirana. Ary isaorana ny Tompo tato amintsika Isotry Fitiavana, ataoko hoe 2004, tsy tadidiko, fara-fahelany 2005, fa 2004 raha tsy diso aho, nanangana an’izany hoe « consultation juridique gratuite » izany isika mba hanomezan’ny mpitsara ato, hanomezan’ny avocat ato sy ny mpahay lalànà ato, hoe : toro-lalana. Tsy misolo toerana ilay avocat any an-tanànà any izy akory, fa hoe : izao ny position du problème ary izao no toro-lalana azo zaraina aminao.

Ny vaovao mahafaly eto, dia hoe : raha misy manota dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika zanaka. Inona no tena dikan’izany ? Mampieritreritra ry havana, ary izay ny vaovao mahafaly : ny Raintsika dia Masina, ny Raintsika dia tanteraka. Ary satria tanteraka Izy ry havana, satria Izy parfait, dia tiany koa ianao zanany ho parfait. Mazava be izany. Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay, hoe : tiany ianao ho parfait amin’ny « perfection absolue ». Fa izao, izao no maha-fitiavana Azy : tiany ianao ho tanteraka, tiany ianao ho masina satria Masina Izy ; fantany tsara anefa ny niavianao, fantany fa vovoko no niavianao, dia malaky lavo ianao. Inona ny vaovao mahafaly ? Hoy ny Apostoly Jaona hoe : « Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika ». Vao manota ianao : tonga avy any Jesoa eo akikinao. Haninona ? Tsy ohatran’ny mpisolovava ety an-tany : tantarao ahy tsara aloa e, namono ianao sy tsy namono ? Rehefa tsy namono ianao dia tsy namono. Ilay olona izany. Rehefa tsy nangalatra ianao dia tsy nangalatra. Fa raha nangalatra ianao, raha namono ianao an, tiako ho fantatra ahazoako miaro anao hoe : an an an izao no iarovana anao mba tsy hiampangana anao amin’izany. Fa ny an’i Jesoa tsy izany ry havana. Raha vao manota isika : tonga Izy Solovava miteny hoe : « E, nanota ianao ; tsy izany no problema. Nanota ianao, fa Izaho Solovavanao, mangataka aminao Aho hiaiky heloka. Mangataka aminao Aho hiaiky heloka. Iray izay. Ary mangataka aminao Aho faharoa, hiala amin’izany helokao izany ». Izany io Solovava tonga hiaro anao madiniky ny Tompo io ry havana ô. Ary rehefa avy ny devoly hiapanga : io Pasitera, io Diakona, io izao, io izao ; avy ny devoly hiapanga, dia hiteny Jesoa avotra noho ny helokao: « an an an ; ny otan’io : efa teo amin’ny compte-ko teo amin’ny hazo fijaliana ». Izany ny vaovao mahafaly, izany ny vaovao tsy manam-paharoa ry havana ô. Rehefa avy ny devoly hiapanga : miteny amin’ny devoly Jesoa hoe : « efa Ahy io ». Avy ny devoly hiapanga : mifona amin’ny Ray ary miaro antsika eo anatrehan’ny Ray i Jesoa.

Izany isika « madinika », izany isika zandry zanaka malalan’ny Apostoly Jaona, izany isika zanak’Andriamanitra Raintsika ry havana ô.

Mazava ilay hafatra androany : Sambatra ianao sambatra ianao madinika, ianao zanaky ny rainao sy ny reninao ; sambatra ianao madinika ahilikiliky ny fiaraha-monina ka manetry tena na manetry tena tsy satry ; sambatra ianao zandry zanaky ny Apostoly Jaona ; sambatra ianao zanaky ny Rainao ; fa miahy anao manokana Jesoa.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena                     

ALAHADY 18 APR 2021

Hebreo 2. Azo lazaina hoe ny fiainantsika, ary tsy ny antsika malagasy ihany, fa ny fiainana ety an-tany, noho ny valan’aretina, dia fiainana eo ambany aloky ny fahafatesana ry havana ô. Fiainana eo ambany aloky ny fahafatesana. Dia anatin’izany an, omen’ny Tompo antsika ity texte ity, ary ny hafatra dia izao : RAHA HO TONGA NY FAHAFATESANAO, AO ANATIN’IZAO CORONA IZAO, NA AFAKA 70 TAONA : FIHAONANA AMIN’ANDRIAMANITRA VE IZANY FAHAFATESANAO IZANY SA FIHAONANA AMIN’NY DEVOLY ? HO FIHAONANA AMIN’ANDRIAMANITRA VE NY FAHAFATESANAO RAHATRIZAY TONGA RY HAVANA, SA HO FIHAONANA AMIN’NY DEVOLY ? Na izay fotsiny ary no tadidinao ny toriteny androany : efa fampieritreretana anao izany amin’ny androm-piainanao rehetra ; ary sambatra ianao raha iasan’ny Fanahy Masina ka reseny lahatra hoe : « tsy tiako ho fihaonana amin’ny devoly izany hoe fahafatesako izany, fa araka ny tenin’i Isaia teo, Tompo ô, ampianaro ahy, ampianaro ahy amin’izay ny lalana tokony alehako fa tena vonona aho, tena vonona aho, tena vonona aho ampianarina sy hihaino amin’izay. Izay izany ilay hafatra, hoe : SAO DIA FIHAONANA AMIN’NY DEVOLY NY FAHAFATESANAO RAHATRIZAY TONGA ?

Ny Fahamarinana 1 omen’ny Tompo antsika ry havana, dia izao : FANTARO FA NY FAHAFATESAN’NY TENA DIA EFA NORESEN’I JESOA

Andeha jerentsika Hebreo 2 : 14-15 : « Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza (isika izany), dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ ny fahafatesana ilay manana ny herin’ ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana ».

Tsarovy e, fa efa noresen’i Jesoa tao amin’ny nofony sy ny ràny io fahfatesana tsy maintsy andalovan’ny nofontsika sy ny ràntsika io ry havana ô. Averina amintsika indray izay. Ny fiheverana ry havana, sy ny fahatsiarovana ny fahafatesana, dia tena hoe zavatra manahirana ny olombelona hatrizay naha-olombelona azy. Zavatra manahirana, zavatra mampatahotra azy izany momba ny fahafatesana izany ; ary izany eritreritra momba ny fahafatesnaa izany dia tena miraikitra ao amin’ny fon’ny olombelona na iza izy na iza. Ary rehefa mihaino ireny mpandinika fivavahana, historiens des religions ireny, dia mahafinaritra ny zavatra teneniny, hoe : ny fivavahana lehibe rehetra maneran-tany, hatrizay nisian’ny fivavahana, dia hoe zavatra tokana, zavatra tokana no imasoany ; n’inon’inona fomba hanononany azy, ary n’inon’inona fomba iatrehany azy, zavatra tokana no ifantohan’ny fivavahana rehetra, dia ny ota ry havana, ny ota. Ary misaotra an’Andriamanitra isika, hoe : isika ato amin’ny Baiboly, isika ato amin’ity epistily ho an’ny Hebreo ity : manana ny tenin’ny fahamarinana mikasika ny fahafatesana, mikasika ny fahotana, satria ity Boky iray manontolo ity, dia zavatra tokana : « ahoana no hamonjena ny olona amin’ny fahotana ? » Inona no ataon’i Jesoa ry havana ? Mahita Izy hoe satana manana ny herin’ny fahafatesana, hoy ny and.14. Fa maninona moa ny devoly no manana ny herin’ny fahafatesana ? Ny devoly, araka ny fantatsika no mitarika ny olona hanota. Dia rehefa manota ny olona : fahafatesana no tambin’ny ota. Raha fintinina izany, dia hoe : izay io devoly manana ny herin’ny fahafatesana io. Dia izao : tsotra be ilay izy : nahita an’izany Jesoa : tsy nandresy ny devoly avy any an-danitra Izy ry havana ô, tsy nandidy ny devoly avy any an-danitra Izy, fa no-défié-ny tety an-tany. Satria nofo sy rà no vonjena, dia nitafy nofo sy rà Izy, nanaiky sedrain’ny devoly tamin’ny alalan’ny fahafatesana Izy ry havana ô. Izay ilay izy. Ringana ny herin’ny fahafatesana ry havana. Ringana ny herin’ny fahafatesana.

Tsy midika izany hoe tsy misy intsony ny fahafatesana. Tsy midika izany hoe tsy manao ny ataony intsony ny devoly. Fa tsy manana fahefana amintsika intsony, na ny fahafatesana, na ny devoly. Tsy manana fahefana haninona ? Hamindra antsika ho any amin’ny fahaverezana mandrakizay e. Ny fahafatesana tsy maintsy hisy foana, fa ilay baraingo dia hoe : fahafatesana ho tetezamita mankaiza io ? Mankany an-danitra sa mankany amin’ny helo ry havana ? Ary tonga Jesoa handringana ny devoly. Izay mihitsy ilay izy : handringana amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana. Tonga Izy handringana ny devoly ry havana ô. Ary tonga Izy hanafaka antsika amin’izany hoe andevozin’ny tahotry ny fahafatesana izany.

Ny devoly sady manana ny herin’ny fahafatesana ; ny devoly sady mpampatahotra. Andriamanitra tsy mpampatahotra izany ry havana. Fa devoly io mampatahotra antsika io, dia misy olona lazain’ny Epistily ho an’ny Hebreo, hoe : ny fiainany manontolo dia ao anaty tahotry ny fahafatesana : « aleo manao an’izao ka », « aleo tsy manao an’izao ka », « aza manota fady eo ka », « ny fomban-drazantsika ohatran’izao ka ». Hatramintsika kristiana, ny Alahady maraina ohatran’izao : « aza mankany am-piangonana any », « aoka izay mihitsy aloha io fivoriam-bavaka io ka ». Izany ny olona attaqué-n’ny devoly izany. Izany ny olona miaina ao anaty ny tahotry ny fahafatesana ary andevozin’ny tahotry ny fahafatesana ry havana ô. Tenin’ilay nandringana ilay manana ny herin’ny fahafatesana izany teny izany ry havana ô. Ary inona no nahatonga Azy ho faty ? Handringana ny herin’ny fahafatesana, handringana ny devoly ; hahatonga Azy ho faty Izy, ary nitsangana tamin’ny maty Izy mba hanafaka ahy amin’ny fahotako. Fa ny fahotako, araka ilay teny teo, ny fahotako no ananan’ny devoly hery amiko, no ananan’ny devoly hery amin’ny fahafatesana ka ampidirany ahy any amin’ny fahafatesana sy ny fahaverezana mandrakizay.

Ovay ny fijerinao ny fahafatesana ry havana ô. Aza matahotra fadiranovana ohatran’io intsony izany hoe fahafatesan’ny tena izany. Fa raha matahotra fadiranovana ny fahafatesan’ny tena ianao, milaza aminao aho, fa rehefa maty aterina eto ianao : manana rendez-vous amin’ny devoly ianao.

Efa ringana io. Efa ringana ilay manana ny herin’io. Rehefa tsy mino an’izany ianao : manana rendez-vous amin’ny devoly ianao amin’ny andro hahafatesanao. Fa ny atao fotsiny dia hoe : tohero ny fahotana, fa izany no nahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana.                       

Izay ny Fahamarinana 1 : NY FAHAFATESANA EFA RESY – AZA MATAHOTRA NY FAHAFATESAN’NY TENA TAHAKA AN’IO INTSONY

Ny Fahamarinana 2 dia izao : MANAMBARA NY TENANY I JESOA HO MPISORONABE, MPISORONABE NANATANTERAKA TAMIN’IZANY FAHAFATESANA IZANY, FANAVOTANA HO ANTSIKA

Andeha ange vakiantsika ny and.16-17 e : « Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak’ i Abrahama no vonjeny. Koa amin’ izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona ».

Ilay Fahamarinana 1 izany dia hoe : AZA MATAHOTRA NY FAHAFATESAN’NY TENA INTSONY FA EFA RESIN’I JESOA. Izay ilay izy. Ny Fahamarinana 2 ry havana, ho an’ny olona izay tsy te hanana rendez-vous amin’ny devoly amin’ny andro hahafatesany, dia mahafantatra izy, mitahiry ao an-tsainy izy hoe : JESOA MPISORONABE NANAO FANAVOTANA NOHO NY HELOKO.

Inona moa no dikan’izany ? Eo ny tahotry ny fahafatesana satria n’inon’inona ezaka nataon’ny olombelona dia hoe nanjavozavo ny momba izay ao ambadiky ny fahafatesana, ny momba izay ao ambadiky ny fasana. Ary na dia tao amin’ny Testamenta Taloha aza, olom-bitsy tahaka an’ireny hoe Abrahama ireny, tahaka an’i Davida no tena nino marina ny fisian’izany fitsanganan’ny tena amin’ny maty izany. Ho an’ny sasany an : nanjavozavo izany. Dia izay fanjavozavoana izay no manampy trotraka an’ilay tahotry ny fahafatesana. Fa efa resy iny fahafatesana iny.

Fa inona ny zavatra ambara eto ry havana ? Hoe : io Jesoa nandringana ny herin’ny devoly io, dia Mpisoronabe nanao fanavotana noho ny heloko. Izany io Jesoa io. Satria ilay tahotr’ilay fahafatesana : tahotr’izay ao ambadika manjavozavo araka izay notenenina teo ; fa tahotra ihany koa hifanojo amin’izany fahatezeran’Andriamanitra izany. Izany no ambaran’ny Baiboly ry havana. Ary Jesoa tao anatin’ilay asa nanirahan’Andriamanitra Azy, nanao asa-na Mpisoronabe nanao fanavotana noho ny heloky ny olona.

Zavatra 2 ry havana no tondron’ilay teny hoe « fanavotana » io ao amin’ny Soratra Masina :

- Ilay hoe « fanavotana » dia hoe « fanefànà vidin-keloka », mi- « expier » izy amin’ny teny frantsay. Nanefa vidin-keloka : izany no nataon’i Jesoa. Ary amin’ny fomban-drazana koa ange misy an’izany hoe sorona ho fanefànà vidin-keloka izany e. Misy an’izany daholo hatraiza hatraiza. Fa izay no nataon’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana : nanefa vidin-keloka Izy.

- Ary faharoa, Izy miteny hoe nanao fanavotana noho ny heloko io, dia hoe : nanao « sorona fampiononam-pahatezerana », fampiononana ny fahatezeran’Andriamanitra. Azonareo an-tsaina moa izany ry havana ireny hoe système religieux ireny e ? Tena mino andriamanitra izy, mino an’izao sy izao sy izao izy ; fa tsy mahafantatra izy hoe mila manefa vidin-keloka ary ny ràn’i Jesoa ihany no fanefànà vidin-keloka eken’Andriamanitra, mila mampionona ny fahatezeran’Andriamanitra ary ny rà nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana ihany, izay ihany, tsy ràn’olombelona, tsy rà-na biby ; izay ihany no mampitony ny fahatezeran’Andriamanitra.

Misaotra an’Andriamanitra ry havana ô, ny amin’ny ahazoantsika mifampahatsiahy an’izany amin’izao maraina izao.

Ary izao : Izy izay nankeo amin’ny hazo fijaliana teo ry havana, nanefa vidin-keloka, nampionona fahatezerana ; ho an’ny olona izay manaiky an’izany, ho an’ny olona izay midera an’Andriamanitra noho izany, fa tsy mianatra katekisma an’izany fotsiny, dia avaozin’Andriamanitra izy, omeny toetra vaovao handavana amin’izay ny fahotana sy ny heloka ry havana ô.

Ahoana moa izany ny amin’ity fahamarinana 2 ity raha hoe ampiarina amin’ny olona izay tena hoe tsy te hanana rendez-vous amin’ny devoly rahatrizay aterina eto? Ny fiainako, ny fiainako dia hoe : efa nalamin’io Mpisoronabe io momba ny fifandraisako amin’Andriamanitra. Tsy misy fahatezerana mihatra amiko intsony avy amin’Andriamanitra noho ny heloko. Ary tsaroako izany ao amin’ny fiainako andavan’andro ; ary atomboko ao amin’ny ankohonako ry havana : rehefa misy zavatra hoe tenenin’ny vadiko na tenenin’ny zanako, na tenenin’ny mpiara-monina amiko tena hoe faran’izay manafintohina, faran’izay maha-tezitra, satria nanao ny tsy fiteny, nanao ny tsy fanao izy, mahatsiaro hoe : izaho koa teo amin’Andriamanitra iharana fahatezerana tsy azo ivalozana tahak’izany, nefa nirahany i Jesoa Mpisoronabe ho fanavotana, vidin-keloka, fampiononam-pahatezerana ho ahy teo amin’ny hazo fijaliana. Izany ry havana ô, occasion ny zavatra rehetra manafintohina anao ahatsiarovanao hoe ianao indrindra ilay nanafintohina an’Andriamanitra iny, ka voatery nandefasany an’i Jesoa Mpisoronabe hanao fanavotana anao noho ny helokao. Rehefa avotra aho noho ny heloko ry havana, rehefa aterina eto aho, na afaka adiny iray, na afaka 100 taona : rendez-vous amin’Andriamanitra izany fa tsy rendez-vous amin’ny devoly.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : Jesoa ry havana, Mpisoronabe, araka ny nolazaina tery amin’ny and.17 tery. Nanao fanavotana Izy, nolazaina teo hoe : nanefa vidin-keloka, nampionona fahatezerana ary nanome toetra vaovao. Dia fahatelo farany : JESOA MPISORONABE MAMONJY AHY AMIN’NY FAKAM-PANAHIKO REHETRA.

Andeha ange vakiantsika ny and.18 e : « Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy ».  Mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy.

Satria izaho mitafy nofo sy rà, dia Izy koa mitafy nofo sy rà ry havana : fantany tsara izay momba ahy, fantany e, fantany ny fiainako, fantany ny fisainako, fantany ny eritreritro, fantany ny adim-panahiko, fantany ny fahalemeko. Satria mitafy nofo aman-drà Izy. Fa maninona Izy no lazaina hoe Mpisoronabe ? Ilay Mpisoronabe dia ilay maha-Andriamanitra Azy ry havana. Ilay maha-Andriamanitra Azy nanao fanavotana ny heloko, izay voalaza teo. Tsy voalaza androany, fa nataon’i Jesoa koa, amin’ny maha-Mpisoronabe Azy, amin’ny maha-Mpamonjy Azy : ankehitriny Izy dia eo an-kavanan’Andriamanitra miaro ahy, mifona ho ahy. Fa tsy ampy izay ry havana, tsy ampy izay filazana an’i Jesoa izay. Ilay Mpisoronabe io, ankehitriny, mbola te hoe hanampy ahy, hamonjy ahy amin’ny fakam-panahiko rehetra. Izany, izany no maha tsy manam-paharoa an’i Jesoa ry havana ô. Ny maha-Andriamanitra Mpisoronabe Azy dia hoe : afaka manatrika ahy Izy na aiza na aiza misy ahy. Ny hoe maha mitafy nofo sy rà Azy dia hoe : mahafantatry ahy nofo sy rà Izy ry havana ô. Hany ka hoe, rehefa tojo amiko ny fakam-panahy, Izy tonga dia mahita koa ry havana ô. Ary tsy hoe mahita fe mahita Izy, fa mahita Izy dia miara-ory amiko ; tsy hoe mahita fe mahita Izy, fa mahita Izy dia miomana hamonjy ahy raha miantso vonjy aho ry havana ô. Fa izaho no tsy miantso vonjy, ianao no tsy miantso vonjy, dia tahak’izany ny finoantsika ry havana.

Fa ny zavatra tadiavin’io Mpisoronabe io ry havana, satria velona mandrakizay Izy, ary manatrika antsika Izy, dia izao : ao anatin’ny fakam-panahy, araraoty io fakam-panahy io ho occasion itenenanao amin’i Jesoa Mpisoronabe hoe : « Jesoa an, eo moa ianao e, manatrika ahy moa Ianao e ». Izany ry havana, izany ny commencement du commencement : « eo moa Ianao e ». Ary faharoa : « Eo Ianao, tovy amiko ny teninao, tovy amiko ny teninao hoe : vonjeo aho fa lehibe lavitra noho io fakam-panahy izay ampandalovanao ahy io Ianao Jesoa an ». Raha lavo ianao, raha lavo tsy nahy ianao, io Mpisoronabe izay nandatsaka ny ràny io hamindra fo aminao, hamela ny helokao, hanangana anao ary hampandeha anao indray amin’ny fanarahana Azy. Izany ny fiainana andrasany amintsika ry havana ô. Ary rehefa izany ny finoantsika, hoe : voalohany, efa resy teo amin’ny hazo fijaliana ilay devoly manana ny herin’ny fahafatesan’ny tena ; faharoa, Mpisoronabe nanatanteraka fanavotana noho ny helotsika Izy ; ary fahatelo, Mpisoronabe velona mandrakizay any an-danitra Izy, mifona ho antsika, fa any an-danitra Izy manatrika antsika ety an-tany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Azo antoka tanteraka, fa n’inon’inona circonstance-piainana, na rahoviana na rahoviana hitrangan’izany : ny fahafatesan’ny tenantsika ry havana ô, dia rendez-vous amin’Andriamanitra fa tsy rendez-vous amin’ny devoly.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Safidinao manokana izany. Amena

ALAHADY 11 APR 2021

Efesiana 5 :2 : « Ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika »

Ny hafatra ho antsika Fiangonana ry havana dia ny hoe : MANDEHANA AMIN’NY FITIAVANA.

Raha anontaniana isika izao, hoe : « ianao ve efa mandeha amin’ny fitiavana » ? 100% milaza hoe : « Eny ». Raha anontaniana ianao, hoe : « raha mijery anao ny olona, ka te hianatra an’izany atao hoe fitiavana izany, satria izy mba te handeha amin’ny fitiavana : azonao antoka ve fa fakan-tahaka izany fandehananao amin’ny fitiavana izany ? Fakan-tahaka ve ? ». Ho fampieritreretana ry havana, dia tononina tahaka izao ny hafatra : tsy atao hoe « Mandehana amin’ny fitiavana » ; tsy izay no itondrantsika azy an, fa hoe : FITIAVAN’NY OLOM-BOAVONJY VE NY FITIAVANAO ? Ianao milaza tia io : FITIAVAN’NY OLOM-BOAVONJY VE IZANY FITIAVANAO IZANY ?

Raha jerena ny hafatry ny Apostoly Paoly an, Ok : « Mandehana amin’ny fitiavana ». Fa io, tsy ho manao izay danin’ny saina, fa « mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo ». Izay izany : ilay référence, ilay modely : izay nataon’i Kristy, « dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika ». Kristy tia ; ary ny tanjon’ilay fitiavany : ny hamonjy ahy sy ny hamonjy anao. Ka raha te hilaza ianao fa hoe tia na mandeha amin’ny fitiavana, tsy possible ry havana ô, tsy ho fitiavan’ny olom-boavonjy izany. Ny olona mahatsiaro voavonjy ihany no afaka hitia an’Andriamanitra, hitia an’i Jesoa, hitia namana, hitia vady aman-janaka ; ny olom-boavonjy ihany. Izay ihany. Ary izay no anontaniana anao amin’izao maraina izao, hoe : FITIAVAN’NY OLOM-BOAVONJY VE NY FITIAVANAO ?

Ahoana izany fitiavan’ny olom-boavonjy izany ?

Fahamarinana 1 : VOAVONJY IZY TAMIN’NY FAHAFATESANA TAMBIN’NY OTA      

Novonjen’i Jesoa izy tamin’ny fahafatesana tambin’ny ota. Izay aloa ilay famonjena. Fa ny adinonay Pasitera, dia manjary tsy mahay ianareo, adinonay ny milaza hoe : voavonjy tamin’ny fahafatesana isika tambin’ny ota ; fa iny famonjena iny dia mitondra en même temps fanavaozana antsika. Ary iny fanavaozana iny : manafaka antsika amin’ny herin’ny fahotana.

Voavonjy amin’ny fahafatesana izay nahazo ahy, satria mpanota ; fa avaozin’Andriamanitra aho, dia hoe ilay fanavaozany iny manafaka ahy amin’ny herin’ny fahotana. Dia faly aho midera an’Andriamanitra, satria hoe ny vidin’izany famonjena izany dia ilay rà nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana. Dia midera Azy aho, tena mankalaza Azy aho noho io rà io. Ary midera Azy aho, mankalaza Azy aho : nomeny hery aho handavana ny fahotana. Izaho anie tsy hahatohitra an’io e. Izany no maha ohatran’izao ny fiainam-piangonana ry havana ; fa adinontsika hoe efa navaozina isika, efa olom-baovao isika : afkaa amin’ny fanandevozan’ny fahotana. Izay izany ny vaovao mahafaly. Izay ny vaovao mahafaly : voavonjy aho, voavonjy aho.

Ary ahatanteraka izany famonjena izany : Kristy tsy maintsy nanolotra ny tenany. Tsy nanolotra ny fanahiny Izy ; nanolotra ny tenany Izy teo amin’ny hazo fijaliana. Izany ny dikan’io rà io. Misy tena nandeha rà teo, ary io rà io dia midika hoe tena maty Izy ary nitsangana tamin’ny maty Izy anatanterahana an’izany fanamarinana ahy sy ianao izany.

Izay ry havana ô, izay fahatsiarovan-tena hoe voavonjy izay, no mahatonga ahy andeha amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, andeha amin’ny fitiavana an’i Kristy. Fa ianao mpandala fombam-pivavahana io, tsy tia ianao e ! Tia ny fombam-pivavahana ianao, tia ny position-nao ao amin’ny Fiangonanao ianao, fa tsy tia an’Andriamanitra ianao, tsy tia an’i Jesosy ianao.

Misaotra ny Tompo ny amin’ny ampatsiahivany antsika izany fahamarinana volamena izany. Ary ny amin’ny famonjena :

  • Voavonjy aho amin’ny fahafatesana tambin’ny ota
  • Voavonjy aho amin’ny herin’ny fahotana. Tsy manan-kery amiko intsony ny fahotana
  • Ary voavonjy aho satria triatra ilay efitra lamba : mivoha indray ho ahy ny varavaran’ny lanitra

Dia ny teny mipololotra avy ao am-po, hoe : « Tena midera Anao aho, mankalaza Anao Andriamanitra ô, noho ny famonjena izay nataonao tao amin’i Jesoa Kristy ».

Ny Fahamarinana manaraka izany dia izao : INONA NO ANDRASANAO AMIKO JESOA ? Novonjenao aho, notiavinao aho ; inona no andrasanao amiko satria tsy tiako ho votsitra ny famonjena, tsy tiako hikatona indray ho ahy ny lanitra ? Inona ary no andrasanao amiko, satria ny anjaranao efa vita, ny ahy indray izao.

Mazava ry havana ny modely apetrak’i Jesoa. Andao ange averintsika vakiana ilay and.2 amin’ilay Efesiana teo e : « Ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra ». Inona no nataon’i Jesoa raha nitia antsika Izy ? Nanolotra ny tenany.

Dia mety ahoana ary ny zavatra andrasan’Andriamanitra amintsika ? TIANY KOA ISIKA MBA HANOLOTRA NY TENANTSIKA.

Ny Apostoly Paoly manoratra ato amin’ny Efesiana ; ny Apostoly Paoly mbola manoratra ao amin’ny Romana 12, teny malaza be, Romana 12 :1 : « Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany ». Manan-karena be ilay texte, sao dia very ilay hevitra ; fa hoy ny Apostoly Paoly hoe : « Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona ». Tahaka ny nanoloran’i Kristy antsika ny tenany, ho fanavotana antsika, ho fanatitra ho fanavotana antsika, izay ilay Fahamarinana 1 teo, ny Fahamarinana 2, raha azonao izany ; fa raha tsy azonao izany, tsy concerné amin’ity Fahamarinana 2 ity ianao ; raha azonao izany : mangataka aminao aho, hoy ny Apostoly Paoly, mba hatolory koa ny tenanao ho fanatitra velona. ATOLORY NY TENANAO HO FANATITRA HO AN’I JESOA. Izay ilay izy ry havana.

Izy tsy miteny hoe, eto amin’ny Efesiana 5 :2 sy Romana 12 :1 ; tsy miteny izy hoe : « atolory Ahy ny fanahinao », tsy miteny izy hoe : « atolory Ahy ny fonao », tsy miteny izy hoe : « atolory Ahy ny volanao » ; tsy izany ny resaka androany. « ATOLORY AHY NY TENANAO ». Izany ilay teny androany ry havana. « ATOLORY AHY NY TENANAO ».

Andao ary tetezintsika vitsivitsy ry havana, fampiarana fohy an’izany hoe : ahoana izany fanolorako ny tenako ho an’i Jesoa izany ?

  • Romana 6 :12. Jesoa ry havana, araka ny nankalazaina tamin’ny louange teo : Mpanjaka, Mpanjakan’ny mpanjaka. Izaho, ianao : ataovy ao an-tsainao fa taranaka Mpanjaka ianao, taranaky ny Mpanjaka avo razana indrindra ianao, na iza ianao na iza. Ity ny hafatra ho anao izay manolotra ny tenanao ho an’i Kristy : Romana 6 :12 : « Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany ». Resaka tena io. Ny olona manolo-tena ho an’i Jesoa ry havana, dia tena hoe combat, ady mangotraka ny tsy hamela ny fahotana, tsy avelako hanjaka amin’ny tenako ny fahotana. Izany no anehoako fa taranaka Mpanjaka aho. Fa rehefa resin’ny fahotana aho, dia andevon’ny fahotana, andevo ambany indrindra aho e, ambany noho ny ambany aho e. Fa taranaky ny Mpanjaka avo razana sy avo indrindra aho, satria tsy avelako ny ota hanjaka amin’ny tenako maty. Ny tenako hoy aho ny resahina eto ry havana ô, ny tenantsika no resahina eto. Izay, izay ilay fanolorana ny tena. Ary normalement ange, tsy mila voa tsy ary Andriamanitra e. Efa nazavaina tamin’ny Fahamarinana 1 teo, hoe : afaka amin’ny herin’ ny fahotana ianao. Afaka amin’ny herin’ny fahotana ianao e. Izany no dikan’ilay famonjena.
  • Fa raha ohatra koa ry havana mandinika ahoe ahoana no anolorako ny tenako ho an’i Jesoa ho fanatitra, dia tandremako ny akanjo atafiko an’io tenako io. Concret be izany ry havana an. Tsisy morale izany. Tandremako. Izay ny fahamarinana faharoa ; ny anankiray : tsy avelako ny ota hanjaka. Faharoa : tandremako ny akanjo atafiko an’io tenako io : ataoko fitafin’ny olom-boavonjy, ataoko fitafin’ny olona manantena ny lanitra, ataoko fitafy mety azoko anaovana any an-danitra.

Raha vehivavy aho, raha tovovavy aho, na tsara bika toa inona aza aho e, tsy hanao akanjo mampitanjaka ny tenako handrehitra filan’ny lehilahy. Avy eo ange rehefa aholana na rehefa kitikitihina dia malaky tafintohina, malaky mitaraina : ianao mandrehitra ko ! ianao mandrehitra. Izany ny olona manolotra ny tenany ho fanatitra e, satria hoe voavonjy ka manantena ny lanitra. Tsisy resaka morale na fahateren-tsaina izany. Ny Ohabolana 7 :10 dia manao hoe ialao ny fitafin’ny janga ; ialao ny fitafin’ny mpivaro-tena. Ialao izany fitafy-na vehivavy janga izany ry havana ô, raha mba mahatsiaro voavonjy ianao ka manantena ny lanitra e. Izay, izay ange ilay izy e.

Ary raha lehilahy indray aho, hajaiko ny maha-lehilahy ahy. Hajaiko ny maha-lehilahy voavonjy ahy. Tsy hanao fombam-behivavy aho, tsy hanao lava volo aho, tsy hanao mirandram-bolo aho, tsy hikavina aho ; satria lehilahy, tovolahy voavonjy aho.

Mety nataoko izany tamin’ny andron’ny tsy fahalalana, dia ovaiko ilay izy. Fa rehefa mahazo hafatra aho hoe : « ny fitiavanao ve fitiavan’ny olom-boavonjy ? », dia rebelle ianao raha mbola tsy manapaka an’io volonao io. Ary jereo sao dia hanao ohatran’ny tamin’ny tantaran’i Esao sy Jakoba. Noana i Esao avy any, dia nangatahin’i Esao voanemba i Jakoba, amidio amiko aloa ny fizokiana. Sao dia io volonao io, ny patalohanao io, mifinjifinjy, manara-pe sy ny karazany io, no karazana voanemba tsy hidiranao any an-danitra. Voanemba tsy hidiranao any an-danitra izany e.

Aza manao akanjo manara-tena koa mampiseho ny bikanao, mamelona fitsiriritana amin’ny tovovavy namanao.

Atolory ho an’i Jesoa ny tenanao : aoka izay io tatouage io. Teneno Jesoa : ajanoko amin’izay ny tatouage. Andao ange sokafantsika ny Levitikosy 19 :28 e : « Aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin’ny tenanareo : Izaho no Jehovah ». Fampianaran’i Jehovah, didiny : aoka izay ny tatouage e !

Averina indray : izay natao tamin’ny andron’ny tsy fahalalana hifony ; fa aoka izay ny tatouage.

Aza avela ota hanjaka amin’ny tenanao mety maty – Tandremo  ny tenanao ka tandremo izay atafinao ny tenanao – Aoka izay ny tatouage.

  • Ahoana izany manolotra ny tena izany ? Atolory ho an’Andriamanitra ny masonao. Atolory Azy ny masonao. Joba 31 :1 : « Efa nampanekeko ny masoko ». Tahaka an’i Joba ry havana, teneno Andriamanitra hoe : « Atolotro anao ny masoko ka hanao fanekena Aminao aho amin’ny masoko ; hanao pacte Aminao aho amin’ny masoko, tsy hijery zavatra tsy tokony ho jerena ny masoko ». Ary tsy maninona koa ianao ry havana ô, isika rehetra, manao pacte amin’i Jesoa, satria hoe « atolory Azy ny masonao », andao hanao pacte hoe hahena ny fijerentsika io télé io e, sao dia izay ilay voanemba tsy hidirana any an-danitra ry havana ô, nefa mba efa nisy rà nalatsaka ihany teto amin’ny hazo fijaliana teto anokafana an’io vavahadin’ny lanitra io.

Atolory an’Andriamanitra ny sofinao. Jereo ange ilay Isaia 50 :4b DIEM : « Isa-maraina Izy dia manabe ahy hatrany hihaino araka izay tokony hataon’ny mpianatra ». Manomboka izao, hoe : « Jesoa an, atolotro anao ny sofiko, izaho rehefa mihaino ny toriteninao, ohatran’ny fihainon’ny mpianatra ». Hoy ny Segond hoe : « Il éveille chaque matin mon oreille pour que j’écoute à la manière des disciples ». Aza mihainohaino toriteny fotsiny, aza mihaino fe mihaino toriteny fotsiny : lany andro ianao e. Aleo ho an’olon-kafa ny toerana aty rehefa kamo hihaino toriteny ianao e ! Fa tonga eto ianao : « Ecoute à la manière d’un disciple ». Izany ilay izy ry havana ô. Izany ilay izy : « Ecoute à la manière d’un disciple ».

Ary manaova koa pacte amin’i Jesoa amin’io sofinao io, hoe « aoka aho Jesoa tsy hampandry sofina intsony amin’ny fosafosa ». Izay. Izany ny fitiavan’ny olom-boavonjy izay manantena ny lanitra ry havana ô.

Atao ohatra farany, hoe : miaraka amin’ny molotra. Atolory Azy koa ny molotrao. Miverina ao amin’ny Efesiana isika. Efesiana 4 :29 : « Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana ». Manaova pacte amin’Andriamanitra : « ampio aho Jesoa an, mba hanana molotra sy lela mizara fahasoavana. Ary atomboko ao amin’ny ankohonako izany e. Ampio aho hizara fahasoavana. Ampio aho hanao teny mampandroso : mampandroso ny vadiko, mampandroso ny zanako, mampandroso ny ray aman-dreniko ». Izany ny olona manolotra ny tenany ho fanatitra ho an’Andriamanitra ry havana ô.

Ary arovy ny lela, araka ny tenin’i Jakoba, mba tsy ho lela mpampirehitra afo, satria arehitry ny helo.

Mbola azo tohizana, mbola azo tohizana ry havana ô.

Fa izao : tia anao ny Tompo e, tia anao ; ary noporofoiny teo amin’ny hazo fijaliana izany. Ary dia ankehitriny Izy manontany anao : MOA TIA AHY VE IANAO ? Ny olona tia an’i Jesoa ihany no hiditra any an-danitra. ARY RAHA TIA AHY IANAO : FITIAVAN’NY OLOM-BOAVONJY VE NY FITIAVANAO AHY ?

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

ALAHADY 04 APR 2021

Galatiana 3 :10-14 : « Fa izay rehetra amin’ ny asan’ ny lalàna dia eo ambanin’ ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna. Ary hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona. Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy. Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ ny hazo, mba ho tonga amin’ ny jentilisa ny fitahiana an’ i Abrahama ao amin’ i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ ny finoana ny teny fikasana ny amin’ ny Fanahy ».

Izao no hafatra ho antsika ry havana amin’izao Alahadin’ny Paska izao, hoe: SAFIDIO NY FITAHIANA - SAFIDIO NY FITAHIANA SY NY FIAINANA – SAFIDIO NY FITAHIANA.

Toy ny tamin’ny andron’i Mosesy ry havana, dia toy ny miteny amintsika amin’izao Paska maraina izao ny Tompo hoe : « io, apetrako eo anoloanao ny fitahiana sy ny fanozonana, ny fiainana sy ny fahafatesana : misafidia ny fitahiana. Misafidia ny fitahiana ». Ilay fanontaniana ary dia hoe : ahoana izany misafidy fitahiana izany ? Ny valin-teny ry havana : NY FINOANA NO AHAZOANA FITAHIANA.

SAFIDIO NY FITAHIANA – NY FINOANA NO AHAZOANA FITAHIANA

Vakiantsika ange ny and.11 e : « Ary hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra ; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona ». Na « Ny marina amin’ny finoana no ho tahiana ». Habakoka 2. Andao ary jerentsika ny zavatra nitranga tamin’ny andron’i Habakoka. Iezahantsika mamantatra hoe ahoana izany toetran’ny olona mino izany, ka ho velona, ary ho velona mandrakizay. Tamin’ny andron’i Habakoka ry havana, dia hoe tena tao anaty faharatsiana, tao anaty faharatsiana ny firenena Joda ; ary tao anaty faharatsiana izy noho ny afitsok’i Joda ry havana ô, tsy noho ny afitsoky ny jentilisa. Izany no zavatra mitranga eo amin’ny Habakoka eo. Dia jereo ange ilay Habakoka 1 :6 e : « Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra ». Atsangan’Andriamanitra ny Babyloniana, mitovy ihany ilay Kaldeana sy Babyloniana, hanafay an’ireto Joda ireto. Izay izany ilay situation eto : hanafay an’ireto Joda ireto. Manangana firenena jentilisa faran’izay masiaka Andriamanitra hanafay an’i Joda izay miaina ao anaty faharatsiana tanteraka. Izay ilay izy. Dia izao zavatra mitranga izao zany an, tonga tokoa ny Babyloniana tamin’ny taona 605 talohan’i Jesoa ; 70 taona avy eo, dia natsangan’Andriamanitra indray Kyrosy nandringana an’i Nebokadnezara sy ny Babyloniana. Izay, ilay araka ny tamin’ny louange teo, hoe : Andriamanitra mi-contrôle ny zavatra rehetra. Andriamanitra mi-contrôle ny zavatra rehetra. Dia aiza ny fipetraky ny finoana amin’izany ry havana ? Andao ange jerentsika Habakoka 2 :4 : « Indro, feno avonavona ny fanahin’ ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon’ ny finoany ». Ny olona marina eto ry havana, dia olona tena hoe manaiky an’izay hoe fitondran’Andriamanitra izay. Olona manaiky hoe faizina rehefa tsy mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra ; manaiky izy faizina e. Izay ry havana ny lesona eto : manaiky izy faizina. Ary mahafantatra fa hoe Andriamanitra manana ny hery sy ny fahefana rehetra ; ary isika mahita an’izany : Izy mandefa ny Babyloniana io, dia voafetra ihany ny fotoana hanjakazakan’ny Babyloniana, fa handefa Kyrosy Izy rehefa avy eo. Izany amin’ny andavan’androm-piainana, izay ilay toetran’ny mpino hoe tsy misy zavatra mihatra ka tsy nataon’io Andriamanitra Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo io. Ary raha vakiantsika ny and.3 : « Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ ny fotoan’ andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso ». Ity ilay efa nolazaintsika, ohatran’ny tamin’i Zakaria. Ity faminaniana ataon’i Zakaria ity milaza hoe ho avy ny Babyloniana, fa avy eo ho avy koa Kyrosy, dia hoe mikendry ny tena farany, dia ny fiavian’i Jesoa ry havana ; mikendry ny fiavian’i Jesoa. Ary isika mahita an’izany fiavian’i Jesoa izany.

Te hamboly finoana ao amintsika ny Tompo ry havana : fahatokiana tanteraka an’i Jesoa. Tamin’ny andron’i Joda, raha hiady amin’ny Babyloniana izany ianao e : tsy possible izany. Alaivo sary an-tsaina hoe isika gasy ve dia hoe hanana eritreritra hoe hifanandrina, dia hiady amin’ny sinoa. Ny sinoa no ohatrany hoe Babyloniana tamin’izany andro izany : première puissance mondiale. Tena hoe adalana izany. Fa izao ry havana : Jesoa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty io an, tsy hoe natsangana ato an-tsaina fotsiny na natsangana ato anaty Baiboly ; fa hoe : tian’Andriamanitra isika hanankina ny fiainantsika amin’io Jesoa nitsangana tamin’ny maty io. Manana Babyloniana, voadidina Babyloniana isika ry havana ao amin’ny andavan’androm-piainantsika, tena hoe fahavalo tsy hay resena : eo Satana, eo ny fahazaran-dratsy ; izany ny Babyloniana izany ; fa hoe : izay matoky an’i Jesoa ry havana dia ho mpandresy, ho velona. Eo ny fahazaran-dratsy, manahirana ilay fiainantsika, mora milavo lefona isika, mora kivy isika, mora diso fanantenana isika, mora marary isika. Normal izany. Fa ao anatin’izany ve hatoky an’i Jesoa ianao ry havana ô ? Izay ilay fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika. Ary raha hoe te hi-plaire an’Andriamanitra ianao, te ho ankasitrahan’Andriamanitra ianao, raha te hahazo fitahiana ianao, dia matokia ny asa nataon’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, dia ho avy ny fitahiana. Izay ihany ry havana ny lalam-pitahiana, izay ihany no loharanom-pitahiana.

Hoy isika hoe : SAFIDIO NY FITAHIANA – AMIN’NY ALALAN’NY FINOANA NO AHAZOANA FITAHIANA.

Izany tenenina izany ry havana fantatsika daholo. Fa ny zavatra faharoa dia izao, ary ity faharoa ity no tena fiainantsika raha ny marina : MISAFIDY NY OZONA ISIKA, ARY FARA-FAHAKELINY MISAFIDY TSY NAHY NY OZONA ISIKA MIANAKAVY SATRIA TSY MANDEHA AMIN’NY FINOANA FA MANDEHA AMIN’NY HERIN’NY TENANTSIKA. Misafidy ny ozona isika satria misafidy ny handeha amin’ny herin’ny tenantsika ry havana ô.

Ny tena mampalahelo amin’ilay fiainantsika : mitady ny tsara ihany ange isika e, mitady izay hahafaly an’Andriamanitra ihany ange isika e, tena marina izany. Fa tsy matoky Azy isika, tsy manaiky Azy isika amin’ny lalantsika rehetra. Dia ahoana ? Manao izay sai-patantsika isika mianakavy ry havana. Manao izay sai-patantsika isika mianakavy. Ary satria tsy matoky an’Andriamanitra fa matoky tena isika, dia miantso ozona.

Raha miverina isika amin’ny Galatiana 3 teo ry havana, ny and.10 : « « Fa izay rehetra amin’ ny asan’ ny lalàna dia eo ambanin’ ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna ». Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra. Sokafy ange ny Baibolintsika ao amin’ny Deoteronomia 28 ry havana e, ahitana an’ilay ozona. Ilay ozona satria matoky tena isika e, fa tsy matoky an’Andriamanitra e. Izay fotsiny anie io ry havana e. Fanakianana an’ilay jiosy ity, izay mitady ny fankasitrahan’Andriamanitra dia miezaka manatanteraka ny didy 10, miezaka manatanteraka ilay 613 commandements raketin’ny bokin’i Mosesy. Impossible izany e ! Impossible izany ry havana o, impossible. Sady impossible izany no miantso ozona. Andao ange iarahantsika mamaky ny :

  • 15 :« Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa hianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao ». Tena misy ny ozona ary isika ihany no miantso ozona ry havana ô. Izay ilay izy. Satria matoky tena, tsy matoky an’Andriamanitra.
  • 18 : « Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao ».
  • 19 : « Hozonina hianao, raha miditra; ary hozonina hianao, raha mivoaka ».
  • 23 : « Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin’ ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao ».
  • 25 :« Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao hianao ».
  • 29 : « Dia hitsapatsapa hianao na dia amin’ ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan’ ny jamba ao amin’ ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin’ izay halehanao».
  • 32 : « Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an’ ny firenena hafa ». Mahatsiaro an’ity foana aho ry havana rehefa mahita an’ireny havantsika hoe mandeha miasa an-trano any Dubaï sy ny karazany ireny. « Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an’ ny firenena hafa ».
  • 44 : « Izy hampisambotra anao, fa hianao kosa tsy hampisambotra azy ». Hitanao, rehefa mijery vaovao ianao : nampisambotra antsika vola ohatran’izao indray i anona e ; mbola ao anatin’ilay capacité de remboursement antsika izany. Anaty capacité de remboursement izany ; fa ozona izany, tonga amin’ity firenena ity ry havana ô. Ary io koa, eo amin’ilay and.44 hoe : « ilay vahiny ho lohany, fa hianao ho rambony ». Rambony isika gasy izao e. Io ilay ozona ry havana ô. Izay ilay izy.

Fa ny vaovao mahafaly ato amin’ny Galatiana 3 :13, dia hoe : Kristy nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna. Ireo ozona rehetra notanisaina teo : tahaka ny hoe navily ho any amin’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ry havana, ka tsy hahatratra antsika izay matoky Azy, izay mametraka ny fitokisantsika Aminy an, ary izay manaiky fa hoe ho antsika, mba hanavotana antsika amin’ny ozona tokony hahazo antsika no niakaran’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana teo.

Ny mahatonga an’ilay ozona hoy isika teo ry havana, dia ny hoe : satria ianao miantehitra amin’ny herin’ny tenanao. Ny jiosy niantehitra tamin’ny lalàna. Fa misy olona, tsy jiosy ry havana, miantehitra amin’ny herin’ny tenany, miantehitra amin’ny fahaizany, miantehitra amin’ny fahendreny. « Taona vaovao 2021 ity, na Paska 2021 : tena hoe hanao an’izao aho, tsy hanao an’izao intsony aho, tsy hanao an’izao intsony aho, tsy hanao an’izao intsony aho ». Izay ry havana, miantso ozona, izay ilay fikasana tsara izay, raha tsy nialohavana finoana sy fatokisana an’i Jesoa aloa. Ilay fikasanao tsara, izay atokisanao : iny ange no miantso ozona e. Fa raha fikasana tsara ateraky ny finoana sy ny fatokiana an’i Jesoa ilay izy, dia hanananao fitahiana izany ary hanananao fiainana be dia be.

Rehefa miteny izany isika hoe SAFIDIO NY FITAHIANA, dia hoe : matokia tanteraka an’i Jesoa, maneke tanteraka Azy. AZA MISAFIDY OZONA : aza miantehitra intsony, aza miantehitra intsony, tahaka ny mahazatra ry havana, amin’ny herin’ny tenantsika ; fa ampidiro eo afovoan’ny fiainanao amin’izay Jesoa, dia avelao Izy hanjaka tanteraka amin’ny lafim-piainanao rehetra.

Ny Fahamarinana farany ry havana dia eo amin’ny and.14 : « mba ho tonga amin’ ny jentilisa ny fitahiana an’ i Abrahama ao amin’ i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ ny finoana ny teny fikasana ny amin’ ny Fanahy ». Mazava be ry havana, ny amin’ny hoe : SAFIDIO NY FITAHIANA – MANANA FINOANA – MATOKIA AN’I JESOA. Mazava be izany. ANDOSIRO NY OZONA – AOKA IZAY NY FATOKISANA NY TENA – AOKA IZAY NY FIEVERAN-TENA HO ZAVATRA – AOKA IZAY NY AVONAVOM-PO araka ny tenin’i Habakoka FA MIANTSO OZONA IZANY.

Tena tsy ampy ry havana izany toriteny izany hoy ny Apostoly Paoly. Tena tsy ampy izany. Inona no tsy ampy ? TSAROVY FA EFA NANDRAY NY FANAHY MASINA IANAO ARAKA NY TENY FIKASANA.

Io Fanahy Masina io ry havana, tany amin’ny Testamenta Taloha, io no efa niasa tao amin’ny mpaminany anondrony ny fiavian’i Jesoa.

Tonga Jesoa ; ny Fanahy Masina no niteny hoe ; io ilay Mesia andrasana.

Io Fanahy Masina io nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty e.

Ary io Fanahy Masina io ankehitriny no nomena antsika, raha natao batisa isika, raha nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ; ary dia io no te hitarika ny fiainantsika ka hameno antsika amin’ny fitahiana.

Tsy misy antony ho anao ilay Fahamarinana 1 sy ilay Fahamarinana 2, raha tsy misy an’ity Fahamarinana 3 ity, hoe : TSAROVY FA EFA NANDRAY NY FANAHY MASINA IANAO.

Ny asa-panavotana nataon’i Jesoa : maty Izy, dia nitsangana tamin’ny maty. Fa tsy ampy izay, hoy Izy e. Maty Izy, dia nitsangana tamin’ny maty dia mipetraka any an-danitra : tsy ampy izay, hoy Izy e. Fa maninona no tsy ampy izay ? Tsy ampy izay raha tsy mandefa ny Fanahy Masina Aho amin’ny Fiangonako, ry havana ô.

Fa ny mampalahelo amintsika : marina ny tenin’ny secte, tena marina ny tenin’ny secte hoe : Fiangonana tsy manana ny Fanahy Masina. Marina izany ry havana ô. Diso ny filazany, fa marina ny zavatra kendreny. Fantatsika fa nandray ny Fanahy Masina, fa tsy mety tarihin’ny Fanahy Masina isika mianakavy ry havana malala ô ; izany no maha-matimaty ny finoantsika ohatran’io. Izay fotsiny io zavatra io. METEZA MANOMBOKA IZAO TARIHIN’NY FANAHY MASINA ry havana ô. METEZA TARIHIN’NY FANAHY MASINA. Ary Izy tsy hitarika anao, raha tsy angatahinao, hoe ; « Fanahy ô, avia aho tariho ».

Manomboka izao ry havana, aza mandahatra momba ny Fanahy Masina intsony ; fa rehefa mahatsiaro ny Fanahy Masina ianao, avy hatrany dia antsoy Izy hoe : « Fanahy Masina ô, avia Ianao ». « Fanahy Masina ô, Ianao ilay nanagana an’i Jesoa tamin’ny maty ; avia, tariho aho ho any amin’i Jesoa. Tariho aho ho any amin’i Jesoa e : asanao izany. Fanahy Masina ô, tahaka ny nampidiran’Andriamanitra an’i Noa tamin’ny fotoan’androny tao anaty sambo fiara, talohan’ny safo-drano, Fanahy Masina ô, ampidiro ao anatin’i Jesoa aho ; ampidiro ao anatiny aho. Te hitoetra ao anatiny aho, te hitoetra ao amin’ny fitiavany aho : ampidiro amin’izany aho e. Fanahy Masina ô, io Jesoa mipetraka any an-danitra io, Fanahy Masina ô : aoka ho marina amiko ny hoe ankehitriny dia tsy izaho intsony no velona fa Jesoa Kristy no velona ato anatiko. Asanao izany Fanahy Masina ô. Mitalaho Aminao aho : tanteraho izany ». « Fanahy Masina ô, vonoy ny otako rehetra, vonoy ny heloko rehetra. Fanahy Masina ô, afaho amin’ny fahazaran-dratsiko rehetra, ary fantatrao tsara izany : tena mitalaho Aminao aho ary dory izay mbola hoe faka-fakam-pahotana rehefa mbola hitanao ato amiko fa izany no angatahiko Aminao amin’izao Paska izao e ». « Fanahy Masina ô, aza avela hiantehitra amin’ny fahaizako aho. Hazavao io saiko feno hadalana io e, maizin’ny adalana io e ». « Fanahy Masina ô, hitanao ny sedra ; fa Ianao ilay nanangana an’i Jesoa, hanangana ahy, hampahery ny morale-ko, hiaro ahy amin’izay mety hoe filavoana lefona ». « Mijery ny fiainako aho, marina amiko ny ao amin’ny Habakoka, tena hoe misy fotoana tsy mamontsona ny aviavy, tsy mamoa ny voaloboka, mandiso fanantenana ny oliva ; Fanahy Masina ô, Fanahin’ny fifaliana Ianao : omeo fifaliana ihany aho, omeo firavoravoana ihany aho. Avy aminao izany, fa tsy avy amin’ny saiko sy avy amin’ny morale-ko ».

Ry havana ô, tia antsika ny Tompo anio, izany no niakarany teo amin’ny hazo fijaliana, izany no nitsanganany tamin’ny maty anaporofoiny hoe : ilay ozona izay tokony sahaza ahy : noraisiny. Ary miteny aminao Izy amin’izao maraina izao hoe : « Eny ary e, SAFIDIO AMIN’IZAY NY FITAHIANA, SAFIDIO AMIN’IZAY NY FINOANA AHY DIA HAHAZO FIAINANA MANDRAKIZAY IANAO, HANANA FIAINANA ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA IANAO ETY AN-TANY.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena