ALAHADY 04 APR 2021

Galatiana 3 :10-14 : « Fa izay rehetra amin’ ny asan’ ny lalàna dia eo ambanin’ ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna. Ary hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona. Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy. Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ ny hazo, mba ho tonga amin’ ny jentilisa ny fitahiana an’ i Abrahama ao amin’ i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ ny finoana ny teny fikasana ny amin’ ny Fanahy ».

Izao no hafatra ho antsika ry havana amin’izao Alahadin’ny Paska izao, hoe: SAFIDIO NY FITAHIANA - SAFIDIO NY FITAHIANA SY NY FIAINANA – SAFIDIO NY FITAHIANA.

Toy ny tamin’ny andron’i Mosesy ry havana, dia toy ny miteny amintsika amin’izao Paska maraina izao ny Tompo hoe : « io, apetrako eo anoloanao ny fitahiana sy ny fanozonana, ny fiainana sy ny fahafatesana : misafidia ny fitahiana. Misafidia ny fitahiana ». Ilay fanontaniana ary dia hoe : ahoana izany misafidy fitahiana izany ? Ny valin-teny ry havana : NY FINOANA NO AHAZOANA FITAHIANA.

SAFIDIO NY FITAHIANA – NY FINOANA NO AHAZOANA FITAHIANA

Vakiantsika ange ny and.11 e : « Ary hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra ; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona ». Na « Ny marina amin’ny finoana no ho tahiana ». Habakoka 2. Andao ary jerentsika ny zavatra nitranga tamin’ny andron’i Habakoka. Iezahantsika mamantatra hoe ahoana izany toetran’ny olona mino izany, ka ho velona, ary ho velona mandrakizay. Tamin’ny andron’i Habakoka ry havana, dia hoe tena tao anaty faharatsiana, tao anaty faharatsiana ny firenena Joda ; ary tao anaty faharatsiana izy noho ny afitsok’i Joda ry havana ô, tsy noho ny afitsoky ny jentilisa. Izany no zavatra mitranga eo amin’ny Habakoka eo. Dia jereo ange ilay Habakoka 1 :6 e : « Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra ». Atsangan’Andriamanitra ny Babyloniana, mitovy ihany ilay Kaldeana sy Babyloniana, hanafay an’ireto Joda ireto. Izay izany ilay situation eto : hanafay an’ireto Joda ireto. Manangana firenena jentilisa faran’izay masiaka Andriamanitra hanafay an’i Joda izay miaina ao anaty faharatsiana tanteraka. Izay ilay izy. Dia izao zavatra mitranga izao zany an, tonga tokoa ny Babyloniana tamin’ny taona 605 talohan’i Jesoa ; 70 taona avy eo, dia natsangan’Andriamanitra indray Kyrosy nandringana an’i Nebokadnezara sy ny Babyloniana. Izay, ilay araka ny tamin’ny louange teo, hoe : Andriamanitra mi-contrôle ny zavatra rehetra. Andriamanitra mi-contrôle ny zavatra rehetra. Dia aiza ny fipetraky ny finoana amin’izany ry havana ? Andao ange jerentsika Habakoka 2 :4 : « Indro, feno avonavona ny fanahin’ ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon’ ny finoany ». Ny olona marina eto ry havana, dia olona tena hoe manaiky an’izay hoe fitondran’Andriamanitra izay. Olona manaiky hoe faizina rehefa tsy mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra ; manaiky izy faizina e. Izay ry havana ny lesona eto : manaiky izy faizina. Ary mahafantatra fa hoe Andriamanitra manana ny hery sy ny fahefana rehetra ; ary isika mahita an’izany : Izy mandefa ny Babyloniana io, dia voafetra ihany ny fotoana hanjakazakan’ny Babyloniana, fa handefa Kyrosy Izy rehefa avy eo. Izany amin’ny andavan’androm-piainana, izay ilay toetran’ny mpino hoe tsy misy zavatra mihatra ka tsy nataon’io Andriamanitra Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo io. Ary raha vakiantsika ny and.3 : « Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ ny fotoan’ andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso ». Ity ilay efa nolazaintsika, ohatran’ny tamin’i Zakaria. Ity faminaniana ataon’i Zakaria ity milaza hoe ho avy ny Babyloniana, fa avy eo ho avy koa Kyrosy, dia hoe mikendry ny tena farany, dia ny fiavian’i Jesoa ry havana ; mikendry ny fiavian’i Jesoa. Ary isika mahita an’izany fiavian’i Jesoa izany.

Te hamboly finoana ao amintsika ny Tompo ry havana : fahatokiana tanteraka an’i Jesoa. Tamin’ny andron’i Joda, raha hiady amin’ny Babyloniana izany ianao e : tsy possible izany. Alaivo sary an-tsaina hoe isika gasy ve dia hoe hanana eritreritra hoe hifanandrina, dia hiady amin’ny sinoa. Ny sinoa no ohatrany hoe Babyloniana tamin’izany andro izany : première puissance mondiale. Tena hoe adalana izany. Fa izao ry havana : Jesoa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty io an, tsy hoe natsangana ato an-tsaina fotsiny na natsangana ato anaty Baiboly ; fa hoe : tian’Andriamanitra isika hanankina ny fiainantsika amin’io Jesoa nitsangana tamin’ny maty io. Manana Babyloniana, voadidina Babyloniana isika ry havana ao amin’ny andavan’androm-piainantsika, tena hoe fahavalo tsy hay resena : eo Satana, eo ny fahazaran-dratsy ; izany ny Babyloniana izany ; fa hoe : izay matoky an’i Jesoa ry havana dia ho mpandresy, ho velona. Eo ny fahazaran-dratsy, manahirana ilay fiainantsika, mora milavo lefona isika, mora kivy isika, mora diso fanantenana isika, mora marary isika. Normal izany. Fa ao anatin’izany ve hatoky an’i Jesoa ianao ry havana ô ? Izay ilay fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika. Ary raha hoe te hi-plaire an’Andriamanitra ianao, te ho ankasitrahan’Andriamanitra ianao, raha te hahazo fitahiana ianao, dia matokia ny asa nataon’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, dia ho avy ny fitahiana. Izay ihany ry havana ny lalam-pitahiana, izay ihany no loharanom-pitahiana.

Hoy isika hoe : SAFIDIO NY FITAHIANA – AMIN’NY ALALAN’NY FINOANA NO AHAZOANA FITAHIANA.

Izany tenenina izany ry havana fantatsika daholo. Fa ny zavatra faharoa dia izao, ary ity faharoa ity no tena fiainantsika raha ny marina : MISAFIDY NY OZONA ISIKA, ARY FARA-FAHAKELINY MISAFIDY TSY NAHY NY OZONA ISIKA MIANAKAVY SATRIA TSY MANDEHA AMIN’NY FINOANA FA MANDEHA AMIN’NY HERIN’NY TENANTSIKA. Misafidy ny ozona isika satria misafidy ny handeha amin’ny herin’ny tenantsika ry havana ô.

Ny tena mampalahelo amin’ilay fiainantsika : mitady ny tsara ihany ange isika e, mitady izay hahafaly an’Andriamanitra ihany ange isika e, tena marina izany. Fa tsy matoky Azy isika, tsy manaiky Azy isika amin’ny lalantsika rehetra. Dia ahoana ? Manao izay sai-patantsika isika mianakavy ry havana. Manao izay sai-patantsika isika mianakavy. Ary satria tsy matoky an’Andriamanitra fa matoky tena isika, dia miantso ozona.

Raha miverina isika amin’ny Galatiana 3 teo ry havana, ny and.10 : « « Fa izay rehetra amin’ ny asan’ ny lalàna dia eo ambanin’ ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna ». Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra. Sokafy ange ny Baibolintsika ao amin’ny Deoteronomia 28 ry havana e, ahitana an’ilay ozona. Ilay ozona satria matoky tena isika e, fa tsy matoky an’Andriamanitra e. Izay fotsiny anie io ry havana e. Fanakianana an’ilay jiosy ity, izay mitady ny fankasitrahan’Andriamanitra dia miezaka manatanteraka ny didy 10, miezaka manatanteraka ilay 613 commandements raketin’ny bokin’i Mosesy. Impossible izany e ! Impossible izany ry havana o, impossible. Sady impossible izany no miantso ozona. Andao ange iarahantsika mamaky ny :

  • 15 :« Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa hianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao ». Tena misy ny ozona ary isika ihany no miantso ozona ry havana ô. Izay ilay izy. Satria matoky tena, tsy matoky an’Andriamanitra.
  • 18 : « Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao ».
  • 19 : « Hozonina hianao, raha miditra; ary hozonina hianao, raha mivoaka ».
  • 23 : « Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin’ ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao ».
  • 25 :« Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao hianao ».
  • 29 : « Dia hitsapatsapa hianao na dia amin’ ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan’ ny jamba ao amin’ ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin’ izay halehanao».
  • 32 : « Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an’ ny firenena hafa ». Mahatsiaro an’ity foana aho ry havana rehefa mahita an’ireny havantsika hoe mandeha miasa an-trano any Dubaï sy ny karazany ireny. « Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an’ ny firenena hafa ».
  • 44 : « Izy hampisambotra anao, fa hianao kosa tsy hampisambotra azy ». Hitanao, rehefa mijery vaovao ianao : nampisambotra antsika vola ohatran’izao indray i anona e ; mbola ao anatin’ilay capacité de remboursement antsika izany. Anaty capacité de remboursement izany ; fa ozona izany, tonga amin’ity firenena ity ry havana ô. Ary io koa, eo amin’ilay and.44 hoe : « ilay vahiny ho lohany, fa hianao ho rambony ». Rambony isika gasy izao e. Io ilay ozona ry havana ô. Izay ilay izy.

Fa ny vaovao mahafaly ato amin’ny Galatiana 3 :13, dia hoe : Kristy nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna. Ireo ozona rehetra notanisaina teo : tahaka ny hoe navily ho any amin’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ry havana, ka tsy hahatratra antsika izay matoky Azy, izay mametraka ny fitokisantsika Aminy an, ary izay manaiky fa hoe ho antsika, mba hanavotana antsika amin’ny ozona tokony hahazo antsika no niakaran’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana teo.

Ny mahatonga an’ilay ozona hoy isika teo ry havana, dia ny hoe : satria ianao miantehitra amin’ny herin’ny tenanao. Ny jiosy niantehitra tamin’ny lalàna. Fa misy olona, tsy jiosy ry havana, miantehitra amin’ny herin’ny tenany, miantehitra amin’ny fahaizany, miantehitra amin’ny fahendreny. « Taona vaovao 2021 ity, na Paska 2021 : tena hoe hanao an’izao aho, tsy hanao an’izao intsony aho, tsy hanao an’izao intsony aho, tsy hanao an’izao intsony aho ». Izay ry havana, miantso ozona, izay ilay fikasana tsara izay, raha tsy nialohavana finoana sy fatokisana an’i Jesoa aloa. Ilay fikasanao tsara, izay atokisanao : iny ange no miantso ozona e. Fa raha fikasana tsara ateraky ny finoana sy ny fatokiana an’i Jesoa ilay izy, dia hanananao fitahiana izany ary hanananao fiainana be dia be.

Rehefa miteny izany isika hoe SAFIDIO NY FITAHIANA, dia hoe : matokia tanteraka an’i Jesoa, maneke tanteraka Azy. AZA MISAFIDY OZONA : aza miantehitra intsony, aza miantehitra intsony, tahaka ny mahazatra ry havana, amin’ny herin’ny tenantsika ; fa ampidiro eo afovoan’ny fiainanao amin’izay Jesoa, dia avelao Izy hanjaka tanteraka amin’ny lafim-piainanao rehetra.

Ny Fahamarinana farany ry havana dia eo amin’ny and.14 : « mba ho tonga amin’ ny jentilisa ny fitahiana an’ i Abrahama ao amin’ i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ ny finoana ny teny fikasana ny amin’ ny Fanahy ». Mazava be ry havana, ny amin’ny hoe : SAFIDIO NY FITAHIANA – MANANA FINOANA – MATOKIA AN’I JESOA. Mazava be izany. ANDOSIRO NY OZONA – AOKA IZAY NY FATOKISANA NY TENA – AOKA IZAY NY FIEVERAN-TENA HO ZAVATRA – AOKA IZAY NY AVONAVOM-PO araka ny tenin’i Habakoka FA MIANTSO OZONA IZANY.

Tena tsy ampy ry havana izany toriteny izany hoy ny Apostoly Paoly. Tena tsy ampy izany. Inona no tsy ampy ? TSAROVY FA EFA NANDRAY NY FANAHY MASINA IANAO ARAKA NY TENY FIKASANA.

Io Fanahy Masina io ry havana, tany amin’ny Testamenta Taloha, io no efa niasa tao amin’ny mpaminany anondrony ny fiavian’i Jesoa.

Tonga Jesoa ; ny Fanahy Masina no niteny hoe ; io ilay Mesia andrasana.

Io Fanahy Masina io nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty e.

Ary io Fanahy Masina io ankehitriny no nomena antsika, raha natao batisa isika, raha nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ; ary dia io no te hitarika ny fiainantsika ka hameno antsika amin’ny fitahiana.

Tsy misy antony ho anao ilay Fahamarinana 1 sy ilay Fahamarinana 2, raha tsy misy an’ity Fahamarinana 3 ity, hoe : TSAROVY FA EFA NANDRAY NY FANAHY MASINA IANAO.

Ny asa-panavotana nataon’i Jesoa : maty Izy, dia nitsangana tamin’ny maty. Fa tsy ampy izay, hoy Izy e. Maty Izy, dia nitsangana tamin’ny maty dia mipetraka any an-danitra : tsy ampy izay, hoy Izy e. Fa maninona no tsy ampy izay ? Tsy ampy izay raha tsy mandefa ny Fanahy Masina Aho amin’ny Fiangonako, ry havana ô.

Fa ny mampalahelo amintsika : marina ny tenin’ny secte, tena marina ny tenin’ny secte hoe : Fiangonana tsy manana ny Fanahy Masina. Marina izany ry havana ô. Diso ny filazany, fa marina ny zavatra kendreny. Fantatsika fa nandray ny Fanahy Masina, fa tsy mety tarihin’ny Fanahy Masina isika mianakavy ry havana malala ô ; izany no maha-matimaty ny finoantsika ohatran’io. Izay fotsiny io zavatra io. METEZA MANOMBOKA IZAO TARIHIN’NY FANAHY MASINA ry havana ô. METEZA TARIHIN’NY FANAHY MASINA. Ary Izy tsy hitarika anao, raha tsy angatahinao, hoe ; « Fanahy ô, avia aho tariho ».

Manomboka izao ry havana, aza mandahatra momba ny Fanahy Masina intsony ; fa rehefa mahatsiaro ny Fanahy Masina ianao, avy hatrany dia antsoy Izy hoe : « Fanahy Masina ô, avia Ianao ». « Fanahy Masina ô, Ianao ilay nanagana an’i Jesoa tamin’ny maty ; avia, tariho aho ho any amin’i Jesoa. Tariho aho ho any amin’i Jesoa e : asanao izany. Fanahy Masina ô, tahaka ny nampidiran’Andriamanitra an’i Noa tamin’ny fotoan’androny tao anaty sambo fiara, talohan’ny safo-drano, Fanahy Masina ô, ampidiro ao anatin’i Jesoa aho ; ampidiro ao anatiny aho. Te hitoetra ao anatiny aho, te hitoetra ao amin’ny fitiavany aho : ampidiro amin’izany aho e. Fanahy Masina ô, io Jesoa mipetraka any an-danitra io, Fanahy Masina ô : aoka ho marina amiko ny hoe ankehitriny dia tsy izaho intsony no velona fa Jesoa Kristy no velona ato anatiko. Asanao izany Fanahy Masina ô. Mitalaho Aminao aho : tanteraho izany ». « Fanahy Masina ô, vonoy ny otako rehetra, vonoy ny heloko rehetra. Fanahy Masina ô, afaho amin’ny fahazaran-dratsiko rehetra, ary fantatrao tsara izany : tena mitalaho Aminao aho ary dory izay mbola hoe faka-fakam-pahotana rehefa mbola hitanao ato amiko fa izany no angatahiko Aminao amin’izao Paska izao e ». « Fanahy Masina ô, aza avela hiantehitra amin’ny fahaizako aho. Hazavao io saiko feno hadalana io e, maizin’ny adalana io e ». « Fanahy Masina ô, hitanao ny sedra ; fa Ianao ilay nanangana an’i Jesoa, hanangana ahy, hampahery ny morale-ko, hiaro ahy amin’izay mety hoe filavoana lefona ». « Mijery ny fiainako aho, marina amiko ny ao amin’ny Habakoka, tena hoe misy fotoana tsy mamontsona ny aviavy, tsy mamoa ny voaloboka, mandiso fanantenana ny oliva ; Fanahy Masina ô, Fanahin’ny fifaliana Ianao : omeo fifaliana ihany aho, omeo firavoravoana ihany aho. Avy aminao izany, fa tsy avy amin’ny saiko sy avy amin’ny morale-ko ».

Ry havana ô, tia antsika ny Tompo anio, izany no niakarany teo amin’ny hazo fijaliana, izany no nitsanganany tamin’ny maty anaporofoiny hoe : ilay ozona izay tokony sahaza ahy : noraisiny. Ary miteny aminao Izy amin’izao maraina izao hoe : « Eny ary e, SAFIDIO AMIN’IZAY NY FITAHIANA, SAFIDIO AMIN’IZAY NY FINOANA AHY DIA HAHAZO FIAINANA MANDRAKIZAY IANAO, HANANA FIAINANA ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA IANAO ETY AN-TANY.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena