"Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy". Isaia 12:2
Tohiny
"Ho tahaka izany anie no hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahatanteraka izany teny izany hiala amin'ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy". Nehemia 6:13
Tohiny
"Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; Izao no Andriamanitro, ka hankalazy Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho". Eksodosy 15:2
Tohiny
"Fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ràn'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina". 1 Petera 1:18-19
Tohiny



