"Ary hianao, ry Betlehema, tanin’ ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ ny andrianan’ ny Joda hianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan’ izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko". Matio 2:6
Tohiny
"Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika". Mika 5:4
Tohiny
"Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana". Jaona 1:16
Tohiny
"Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao". Deoteronomia 26:11
Tohiny
