"Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!" Isaia 52:7
Tohiny
"Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy." Lioka 4:43
Tohiny
"Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy". Asan'ny Apostoly 8:12
Tohiny
"Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an'ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin'izay teny soa rehetra nampilazainy an'i Mosesy mpanompony." 1 Mpanjaka 8:56
Tohiny
