"Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana". Jaona 4:24
Tohiny
"Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao". Matio 5:23-24
Tohiny
"Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy". Lioka 1:68
Tohiny
"Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an'efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak'i Isiraely?" Amosa 5:25
Tohiny
