"Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany". Hosea 6:3
Tohiny
"Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tanan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay". Josoa 4:23-24
Tohiny
"Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay". 2 Korintiana 2:14
Tohiny
"Izao no lazain'i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan'ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak'Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah". Jeremia 31:37
Tohiny



