"Tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanona tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo". 2 Tantara 20:17
Tohiny
"Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah". Ezekiela 37:14
Tohiny
"Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesoa, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra". 1 Jaona 4:15
Tohiny
"Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao. Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao". 1 Samoela 10:6-7
Tohiny



