"Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera; izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra". Asan'ny Apostoly 11:13-14
Tohiny
"Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo". 1 Korintiana 6:20
Tohiny
"Raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay". 2 Korintiana 4:18
Tohiny
"Ary ny mponina rehetra ety an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin'ireo maro be any an-danitra sy amin'ny mponina ety an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?" Daniela 4:32
Tohiny



