"Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.Lazaiko aminao marina tokoa:Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra". Matio 5:25-26
Tohiny
"Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe:Izao no lazain'i Jehovah,Tompon'ny maro:Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo". Zakaria 7:8-10
Tohiny
"Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny…
Tohiny
"Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina". 2 Korintiana 13:14
Tohiny



