Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana, amin'ny kapoka, amin'ny fatorana, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny tsy fahitan-tory, amin'ny fifadian-kanina" — II Korintiana 6 : 4 - 5
Tohiny

"Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka o. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka o, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay". — Daniela 3 : 17 - 18
Tohiny

"Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika". — Hebreo 11 : 39 - 40
Tohiny

"Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena". — Marka 13 : 13
Tohiny