Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Fa Ianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.".— Genesisy 32 : 13
Tohiny

"Sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin'ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an'i Jehovah izy. Ary dia…
Tohiny

"Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesoa Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto* amin'ny fisaorana". [* Na: (mitombo amin'izany)] — Kolosiana 2 : 6 - 7
Tohiny

"Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha*.[Anaran'andriamani-tsy izy, na ny sariny] Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tanan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia*, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.[Arama-naharaima]"— Mpitsara 3 : 7 - 8
Tohiny