Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin'ny tany rehetra izay an'ny Zanak'isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin'ny Isiraely hanompo an'i Jehovah Andriamaniny. Tamin'ny andro rehetra niainan'i Josia dia tsy mba niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona". — II Tantara 34 : 33
Tohiny

"Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao". — Salamo 119 : 168
Tohiny

"Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra". — II Timoty 3 : 16 - 17
Tohiny

"Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana; fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesoa no Kristy".…
Tohiny