"Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo". — Jaona 16 : 12 - 13
Tohiny
"Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay, sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesoa Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika"— I Tesaloniana 1 : 2 - 3
Tohiny
"Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo". — Ezekiela 36 : 26
Tohiny
"Fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Grika: Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]" — Jaona 14 : 26
Tohiny



