"Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota". Romana 3 : 19 - 20
Tohiny
"Nefa, ry Jehovah, Tompon'ny maro o, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko". — Jeremia 11 : 20
Tohiny
"Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko* izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga".[* Na: efa novokisako] — Jeremia 5 : 7
Tohiny
Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro* izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; [*Grika: ora] dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'ny fitsanganana ho fahamelohana*. [*Grika: ho fitsarana] Jaona 5 : 28 - 29
Tohiny



