Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay". [*Na: ilay zavatra natolony ahy]. II Timoty 1 : 12
Tohiny

"Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin'ny fiainan-tsy hita* ary mampitsangana". [*Hebreo: Sheola] — I Samoela 2 : 6
Tohiny

"Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao". Jaona 11 : 22
Tohiny

"Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany". Romana 14 : 8
Tohiny