Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena". Romana 16 : 27
Tohiny

"Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany". Apokalypsy 3 : 10
Tohiny

"Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro. Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy". Ohabolana 4 : 18 - 19
Tohiny

"Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny".  Marka 4 : 20
Tohiny