"Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely". Isaia 46 : 13
Tohiny
"Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy)". II Korintiana 10 : 3 - 4
Tohiny
"Dia namaly an'i Jesoa izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesoa taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany'. Matio 21 : 27
Tohiny
"Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity trano ity) ka hitaraina aminao amin'ny fahorianay, dia hihaino Ianao ka hamonjy". II Tantara 20 : 9
Tohiny
