"Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana…
Tohiny
"Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina". Apokalypsy 12 : 10
Tohiny
"Ary izay natahotra ny tenin'i Jehovah teo amin'ny mpanompon'i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano". Eksodosy 9 : 20
Tohiny
"Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesoa, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao". Matio 9 : 2
Tohiny
