"Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [*Izahao Jaona 14:16] Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany". Jaona 15 : 26 - 27
Tohiny
"Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina". Marka 1 : 8
Tohiny
"Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany". Asan'ny Apostoly 10 : 34 - 35
Tohiny
"Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao". I Samoela 10 : 6
Tohiny