Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona". Salamo 11 : 4
Tohiny

"Ary raha nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka notendren'ny tanany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy". I Samoela 16 : 23
Tohiny

"Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana".  Marka 12 : 37
Tohiny

"Ary Amasay, lehibehin'ny mpanafika malaza*, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe : Anao izahay, ry Davida o, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila". [*Na: ny telo-polo lahy] I Tantara…
Tohiny