"Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana". [*Na: mpanolo-tsaina mahagaga] — Isaia 9 : 5
Tohiny
"Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy". — II Mpanjaka 19 : 7
Tohiny
"Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao*. [*Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao]" — Lioka 1 : 28
Tohiny
"Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy". — I Mpanjaka 11 : 9 - 10
Tohiny
