Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana*, [*Grika: eklesia]". Kolosiana 1 : 24
Tohiny

"Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin*'ny vavan'i Jehovah; [*Hebreo: hotendren']". Isaia 62 : 2
Tohiny

"Ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena". Romana 16 : 27
Tohiny

"Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany". Apokalypsy 3 : 10
Tohiny