"Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena". I Petera 4 : 11
Tohiny
"Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo". Josoa 24 : 23
Tohiny
"Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin'ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an'i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin'ny manodidina fahizay". II Tantara 15 : 15
Tohiny
"Sanatria aminay raha hiodina amin'i Jehovah ka hiala anio amin'ny fanarahana an'i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan'ny tabernakeliny". Josoa 22 : 29
Tohiny