"Fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo — nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo — nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?". Galatiana 4 : 9
Tohiny
"Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo". Lioka 22 : 26
Tohiny
"Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo". [*Na: tezitra foana] [**Grika:…
Tohiny
"Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena". I Petera 4 : 11
Tohiny