"Ary Jesoa namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny o, ny mba hampahiratina ny masoko. Ary hoy Jesoa taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesoa teny an-dàlana izy". Marka 10 : 51 - 52
Tohiny
"Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao". Asan'ny Apostoly 16 : 31
Tohiny
"Jehovah o, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay". Fitomaniana 5 : 21
Tohiny
"Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tanan'izay rehetra mankahala antsika". Lioka 1:68;71
Tohiny
