"Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo". Eksodosy 20 : 20
Tohiny
"Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isaia 40:6-8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo". I Petera 1 : 24 - 25
Tohiny
"Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao". Salamo 119 : 13
Tohiny
"Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira". — Salamo 1 : 1
Tohiny